2015
Hirao ny hira tianao indrindra ao anaty fihirana
Aprily 2015


Hirao ny hira tianao indrindra ao anaty fihirana

Angela Olsen Center, Ohio, Etazonia

Sary
drawing of mother and newborn in hospital

Sary nataon’i Bradley H. Clark

Vao teraka an’i Rebekah zanakay vavy aho tamin’izay. Henjana ilay fotoana nampihetsi-jaza ahy ka dia reraka aho.

Rehefa napetraka teo an-tsandriko i Rebekah dia nisy fahatsapana nanenika ahy fa tokony hohiraiko ilay hira tena tiako ao amin’ ny fihirana, “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, faha-113). Ny valinteniko voalohany dia hoe, “An an! vizana loatra aho. Hohiraiko azy izany any aoriana.” Saingy niverina tao an-tsaiko indray ilay eritreritra. Noho izany dia nanomboka nihira ny andininy voalohany aho na dia vizana aza. Niaraka nihira tamiko ny vadiko sy ny reniko.

Rehefa vitanay ilay hira dia nahatsapa zavatra miavaka tao amin’ilay efitrano aho. Na dia ilay dokotera izay nampiseho ny maha-matihanina azy foana aza hatramin’io fotoana io sady olona somary tsy dia be resaka, dia latsa-dranomaso koa. Nisaotra anay izy tamin’ ny nihiranay an’io hira kanto io. Nilaza izy fa nandritra izay taona maro nampiterahany izay dia mbola tsy nahatsapa zavatra toy ny tamin’io fotoana io izy.

Nieritreritra io zava-niseho io aho ary nanontany tena hoe sao dia tokony hitady ny raki-peon’iny hira iny dia homena azy. Indrisy anefa fa sahirana tamin’ ny fiainana aho dia nanadino ny momba izany.

Dia tonga ny andro hanaovana fizahana ara-pahasalamana ahy taorian’ny fiterahana. Rehefa niditra ny efitrano ilay dokotera dia feno hafaliana ny endriny ary nofihininy aho. Nilaza izy fa tsy nety niala tao an-dohany mihitsy ilay hira ary nanandrana nitady ilay hira tamin’ ny Internet mihitsy aza izy mba hahafahany mihira izany ho an’ny fianakaviany. Tamin’izay fotoana izay no nampahatsiahivin’ny Fanahy Masina tamiko fa tokony naka ilay hira mba homena azy aho. Nampanantena azy aho fa afaka herinandro dia hiverina hitondra ilay hira.

Nivavaka aho ny alin’iny nangataka fanampiana mba hahita ilay hira miaraka amin’ ny rindram-peonkira izay tena tsara ho azy. Ny ampitso tolakandro aho dia nanafatra CD ahitana ilay hira. Rehefa tonga tao anatin’ny vatakely fametrahan-taratasy izany andro vitsy taty aoriana, dia tsy andriko izay nanomezana izany azy.

Tena faly izy nandray izany ary nisaotra ahy tamin’ilay fanomezana. Nilaza izy fa tsy fantany loatra ny antony fa dia tena zava-dehibe ho azy ny hizara ilay hira amin’ ny fianakaviany. Rehefa nanohy ny resaka izahay dia tsy ny fitiavako ilay hira ihany no nozaraiko fa ny fijoroana ho vavolombelona nananako momba ireo fahamarinana tsotra izay nampianarin’izany.

Teny am-pamiliana fiara nody aho dia nahatsapa ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra ny iray amin’ireo zanakavaviny—ny dokoterako. Fantany sy tiany izy ary iriny ny hahatakarany fa afaka miverina miaina miaraka Aminy indray koa izy.