2015
Ny hery mitarika ara-panahy ananan’ny vehivavy
Aprily 2015


Ny hery mitarika ara-panahy ananan’ny vehivavy

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Moa ve isika mahafantatra ny herin’ny tanjaka ara-panahintsika?

Sary
drawing of women with their arms around each other

ZANAKAVAVIN‘ANDRIAMANITRA, NATAON‘I KATHLEEN PETERSON, TSY AZO ADIKA

Vehivavy mahafinaritra sy manetry tena maro ao amin’ ny Fiangonana no manao asa fanompoana feno fanolorantena kanefa tsy mahatsapa ny fiantraikany lalina avy amin’izany—amin’ ny maha-ohatra azy ireo eo amin’ ny fanaovana asa fanompoana ara-nofo ary koa amin’ ny maha-lova itoeran’ny tanjaka ara-panahy azy ireo. Iray tamin’ ny vehivavy toy izany ny renibeko, Cherie Petersen. Nanompo tamim-pahatokiana tao anatin’ny antso tsotsotra izy teo amin’ ny fiainany. Raha anontanianao izy dia hilaza fa tsy dia manana talenta maro atolotra an’izao tontolo izao. Kanefa rehefa nanomboka namantatra ny fiainany aho dia nahatsapa ny halehiben’ny fiantraikan’ny tanjaka ara-panahy nananany teo amin’ ny fiainako.

Nijanona tsy niangona ny ray aman-drenin’i Cherie, dia nisaraka raha mbola kely izy ary lehibe tany amin’i Florence reniny izy izay niasa foana. Olona tsy noraharahiana bebe kokoa noho izany aza i Florence tamin’ ny fahazazany satria notaizana tany amin’ ny sekolin’ny kilasimandry izy raha niaina ny fiainan’izao tontolo izao i Georgia reniny. Na dia teo aza ireo olana natrehany tao anatin’ny fitaizana azy dia navitrika foana tao amin’ ny filazantsara i Cherie ary nandeha niangona tamim-pahatokiana niaraka tamin’ ny fianakavian’i Elizabeth reniben’ny reniny na niaraka tamin’ ny namany. Hitany tao anatin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra tiany hiseho amin’ ny fianakaviany manokana. Tsy fantany mazava tsara ny tokony ho endrik’izany fianakaviana izany, saingy fantany hoe inona no tsy tokony ho hita ao anatin’izany ary vonona ny hanao izay tsy hampitovy ny fianakaviany any aoriana amin’izany izy.

Hoy ny vadin’i Cherie—i Dell dadabeko—tamiko indray mandeha hoe, “Raha te hanana fijoroana ho vavolombelona ianao dia mila maniry ny hanana izany. Naniry ny hanana fijoroana ho vavolombelona foana i Cherie.” Na dia nandalo fahasahiranana maro aza izy ireo tany am-piandohan’ny fanambadiany dia naneho fahavononana ny hitoetra ho matanjaka foana izy ireo amin’ ny maha-fianakaviana azy. Tsy dia navitrika loatra izy ireo nandritra ny taona voalohany nivadiany noho ny ora fiasan’i Dell, saingy nanosika an’i Cherie hanomboka hiangona ny antso nomena azy tao amin’ ny Kilonga, ary fotoana fohy taty aoriana dia nanaraka azy niangona i Dell rehefa lasa mpanorohevitra tao amin’ ny Kôlejin’ny diakona. Samy navitrika sy natanjaka tao am-piangonana izy ireo nanomboka tamin’izay. Ny fahavononan’i Cherie hanompo sy ny fanapahan-keviny hanorina fianakaviana matanjaka dia nanampy ny reniko ho lasa vehivavy matanjaka toy izao, ary ny ohatra nasehon’ny reniko dia nanampy ahy hamolavola ny fiainako indrindra amin’izao izaho manomboka manorina ny fianakaviako manokana izao.

Afaka manana hery mitarika lalina ara-panahy amin’ireo olona manodidina antsika isika amin’ ny maha-vehivavy antsika. I Joseph Smith dia nampianatra tokoa fa ny anjara asantsika dia “tsy hoe manampy ny mahantra fotsiny fa mamonjy fanahy koa.”1 Nantsoin’i Jesoa Kristy ny vehivavin’ny Fiangonana mba ho mpianany ary mba hatanjaka ara-panahy. Tena zava-dehibe ho an’ny fampivoarana ny asa famonjena ny tanjaka sy ny hery mitarika ara-panahy ananantsika ary mila mitady fotoana tsara mba hahafahana mampatanjaka ara-panahy ireo manodidina antsika isika. Rehefa manao izany isika dia haharitra mihoatra lavitra noho izay azon’ny masontsika jerena ny hery mitarika entin’ny finoantsika sy ny fahamarinan-toetrantsika.

Nantsoina mba ho mpianany

Nanoratra ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe, “Ny mpanohana lehibe indrindra ny vehivavy sy ny toetra maha-vehivavy eto amin’izao tontolo izao dia i Jesoa ilay Kristy.”2 Eritrereto ohatra ny zavatra nampianariny an’ireo mpianany vehivavy anankiroa tao amin’ ny Testamenta Vaovao, dia i Maria sy i Marta izany. Manazava ny boky Filles dans mon Royaume hoe: “Ny Lioka 10 dia ahitana ny tantaran’i Marta izay nanokatra ny tranony ho an’i Jesoa. Nanompo ny Tompo tamin’ ny alalan’ny fikarakarana ny zavatra ilainy ara-nofo izy ary i Maria kosa nipetraka teo an-tongotry ny Mpampianatra ary nigoka ny fampianarany.

“Tao anatin’izany vanim-potoana izay nandraisana ny vehivavy ho tsy manao afa-tsy asa fanompoana ara-nofo ihany, dia nampianatra an’i Marta sy i Maria ny Mpamonjy fa afaka mandray anjara amin’ ny lafiny ara-panahy ao amin’ ny asany koa ny vehivavy. Nanasa azy ireo Izy mba ho lasa mpianany sy hahazo anjara amin’ ny famonjena, ‘ilay anjara tsara’ izay tsy hoesorina velively amin’izy ireo.3

Indraindray isika manana eritreritra diso toa an’i Marta fa ny andraikitry ny vehivavy voalohany dia ny manao asa fanompoana ara-nofo, toy ny fanolorana sakafo, manjaitra, manadio ho an’ny hafa. Fahafoizantena sarobidy sy lalaina izany asa fanompoana atolotra izany, kanefa ankoatry ny ilan’ny Tompo ny rahavavy izay afaka manjaitra sy mahandro dia tena ilainy ny vehivavy manana hery ara-panahy izay hita taratra eo amin’ ny fiainany ny finoany sy ny fahamarinany ary ny fiantrany. Fantany fa manana zavatra maro azo atolotra isika. Miantso antsika i Jesoa Kristy mba hampivelatra ny tanjaka sy ny fahafaha-manao ara-panahy ananantsika rehetra ary handray andraikitra eo anatrehan’ilay fanambarana mba hanampy amin’ ny fampandrosoana ny asany. Hoy i Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany, tamin’ireo rahavavy hoe: “Nalefa ety ambonin’ny tany amin’izao fotoampitantanana izao ianao noho ny maha-ianao anao sy noho ny zavatra nomanina mba hataonao! Na inona na inona zavatra ataon’i Satana mba handresena lahatra antsika hieritreritra hoe iza moa isika, dia mpianatr’i Jesoa Kristy ihany no tena marina!”4

Sary
Drawing of Jesus with Mary and Martha

Fantatry ny Tompo isika sy ny toe-javatra iainantsika ary manana asa mba ho ataontsika tsirairay avy Izy eto ambonin’ny tany. Tsy misy izany hoe rahavavy kely talenta loatra na zara raha manana talenta ka tsy afaka ny ho hery ara-panahy amin’ ny tsara sy hampanatona ny hafa an’i Kristy izany. Manana andraikitra mba ho lasa mpitarika ara-panahy isika any an-tokantranontsika sy eo amin’ ny fiaraha-monintsika amin’ ny alalan’izany hery masina ao anatintsika izany. Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe: “Ny rahavavy tsirairay ato am-piangonana izay nanao fanekempihavanana tamin’ ny Tompo dia manana andraikitra masina hanampy amin’ ny fanavotana ny fanahy, ho mpitarika ireo vehivavin’izao tontolo izao, hampatanjaka ny tokantranon’i Ziona, ary hanangana ny fanjakan’Andriamanitra.”5

Tsy mila manana toerana ambony na manao zavatra miavaka isika mba hanampiana ny manodidina antsika hanao safidy izay hitondra azy ireo akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy—izany no andraikitsika manan-danja indrindra. Misy fiantraikany lalina ny zavatra lehibe indrindra na ny zavatra kely indrindra ataontsika eo amin’ ny fiainan’ny olona iray na roa na ao anatin’ny fianakaviantsika fotsiny aza.

Vehivavy ao anatin’ny asa famonjena

Misy hira iray ao anatin’ny fihirana tena ankafizin’ny maro izay milaza hoe: ”Nampiandraiketina ny vehivavy ny asa ataon’ny anjely, ary fanomezana asongadintsika izany amin’ ny maha-rahavavy antsika.”6 Manana zavatra maro azo atolotra ho an’ireo olona izay tiantsika isika. Ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara tantara mikasika ny fiantraikan’ny tanjaka ara-panahin’ny vehivavy anankiroa teo amin’ ny fiainany:

“Fony aho mbola ankizy dia tsy mpikamban’ny Fiangonana ny raiko ary lasa mpikambana malaindaina ny reniko. … [N]amangy anay i Bebe Whittle volana vitsivitsy taorian’ny fahafenoako valo taona. Nampiasa saina an’i Bebe ny hoe, tsy mbola vita batisa na izaho na ny zokiko lahy. Tsy fantatro izay nolazainy tamin’ ny ray aman-dreniko mikasika izany, saingy ny fantatro dia nentiny tany amin’ ny zaridaina fitsangantsanganana sy filalaovana izaho sy ny rahalahiko indray maraina ary nozarainy taminay ny zavatra tsapany momba ny maha-zava-dehibe ny hoe atao batisa sy ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriam-piangonana. Tsy tadidiko amin’ ny antsipiriany ireo zavatra nolazainy saingy nampihetsi-po ahy ny zavatra nolazainy ary natao batisa izaho sy ny rahalahiko fotoana fohy taorian’izay. …

“Fahasahiana sy fanajana tena amin’ ny antonony no nampiasain’i Bebe mba hanampiana ny rainay hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitondrana anay amin’ ny fiarakodia any am-piangonana mba hanatrika ireo fivorianay. Nampiany tamin’ ny fomba tsara rehetra izahay mba hahatsapa ny filana ny filazantsara eo amin’ ny fiainanay.”7

Ny loharano faharoa nahazoana tanjaka ara-panahy dia i Jeanene vadin’ny Loholona Scott. Rehefa nampiaraka izy ireo dia nanomboka niresaka momba ny hoavy. Naneho ny faniriany hanambady olona avy nanao asa fitoriana any amin’ ny tempoly i Jeanene izay lehibe tao anatin’ny tokantrano iray tena nanome lanja ny asa fitoriana. Nisy fiantraikany lehibe tamin’ ny Loholona Scott izany izay tsy dia nieritreritra loatra ny hanao asa fitoriana talohan’izany. “Lasa nody aho ary tsy afaka nieritreritra zavatra hafa ankoatr’io. Tsy natory aho ny alina iray manontolo. … Taorian’ny vavaka maro dia nanapa-kevitra ny hihaona tamin’ ny evekako aho ary nanomboka nameno ny antontan-taratasy hirotsahana ho misiônera.”8 Na dia nomen’i Jeanene torolalana sy famporisihana aza izy dia hoy ny Loholona Scott hoe, “Tsy nangataka ahy mba handeha hanao asa fitoriana ho azy velively i Jeanene. Tiany aho ka nozarainy tamiko ny zavatra inoany ary dia nomeny fahafahana aho hisafidy ny lalam-piainako. Samy nandeha nanao asa fitoriana izahay ary nofehezina tany amin’ ny tempoly taty aoriana. Ny herimpon’i Jeanene sy ny fanolorantenany ho an’ny finoany no singa fototra namaritra ny fiainanay roa. Azoko antoka fa tsy ho nahita ilay fahasambarana azonay izahay raha tsy teo ilay finoana matanjaka mikasika ny fitsipiky ny fanaovana ho lohalaharana ny fanompoana ny Tompo. Ohatra tena tsara sy feno fahamarinan-toetra izy!”9

Ny hery mitarika ara-panahy nentin’ireo vehivavy manana toetran’anjely ireo teo amin’ ny fiainany dia nanampy an’ity tovolahy vao herotrerony ity—Loholona Scott—handray fanapahan-kevitra faran’izay manan-danja teo amin’ ny fiainany: hatao batisa, hanao asa fitoriana ary hanambady any amin’ ny tempoly.

Afaka manampy ny hafa hanao safidy tsara isika amin’ ny alalan’ny ohatra sy ny fihetsika asehontsika ary amin’ ny alalan’ny tenintsika sy ny fahamarinan-toetrantsika. Ny Rahavavy Carole M. Stephens, mpanolotsaina voalohany ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nanambara hoe, “Zanakavavin’ny fanekempihavanana ao amin’ ny fanjakan’ny Tompo isika, ary manana fahafahana ho tonga fitaovana eo am-pelatanany. … Mandray anjara amin’ ny asa famonjena isan’andro amin’ ny fomba bitika sy tsotra isika—mifampikarakara sy mifampatanjaka ary mifampianatra.”10 Rehefa miantehitra amin’ ny Fanahy isika ary mibosesika mandroso amin’ ny fanaovana ezaka amin-kitsimpo sy amim-panetrentena mba hanampiana ireo manodidina antsika hanakaiky kokoa an’i Kristy, dia hotarihina any amin’izay zavatra azontsika atao isika sy homena ny hery hanaovana izany ary hahatsapa ilay fifaliana azo avy amin’ ny fitondrana ny zanak’Andriamanitra hanatona Azy.

Sary
drawing of a mother and baby

Lasa hery mitarika ara-panahy

Noho ny fahafantarana ny andraikitsika dia mety hanontany isika toy ireo mpianatra taloha hoe: “Inona no hataonay” (Asan’ny Apôstôly 2:37) mba ho lasa hery mitarika ara-panahy? Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana vao haingana dia nanasa ireo rahavavy ny Rahavavy Burton mba haka sary an-tsaina ireo takela-javatra ara-panahy azo heverina izay misy soratra hoe ‘fanampiana tadiavina’ ka mifandray amin’ ny asa famonjena:

  • Fanampiana tadiavina: ray aman-dreny mitaiza ny zanany ao anatin’ny fahazavana sy fahamarinana

  • Fanampiana tadiavina: zanakavavy … , rahavavy. … nenitoa … , zanaky ny mpiray tampo, ray aman-drenibe, ary tena namana mpanoro hevitra sy manolotra tanana enti-manampy eny amin’ ny lalan’ny fanekempihavanana

  • Fanampiana tadiavina: ireo izay mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina sy manao asa mifanaraka amin’ireo fahatsapana azony

  • Fanampiana tadiavina: ireo izay miaina ny filazantsara isan’andro amin’ ny fomba madinika sy tsotra

  • Fanampiana tadiavina: olona manao asa momba ny tantaram-pianakaviana sy manao asan’ny tempoly mba hampiraisana ny fianakaviana mandrakizay

  • Fanampiana tadiavina: misiônera sy mpikambana hampiely ny ‘vaovao mahafaly’—ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

  • Fanampiana tadiavina: mpanavotra mba hitady ireo izay very

  • Fanampiana tadiavina: mpitandrina ny fanekempihavanana izay mijoro mafy amin’ ny fahamarinana

  • Fanampiana tadiavina: mpianatra marin’i Jesoa Kristy Tompo.”11

Zavatra tsy vaovao ireo, saingy rehefa mikatsaka fotoana tsara ahafahana mandray anjara amin’ ny asa famonjena isika dia hampivoatra ny fahafahantsika manampy ny manodidina antsika isika. Hoy ny Loholona Ballard hoe: “Tsy misy zavatra hafa eto amin’ity izao tontolo izao ity izay mitondra tombontsoa ho an’ny tena manokana sy manolokolo ary manova fiainana mihoatra noho ny hery fitaomana ananan’ny vehivavy marina iray.”12 Rehefa mampivelatra ny hery ara-panahintsika isika amin’ ny alalan’ny vavaky ny tena manokana sy ny fandalinana soratra masina ary ny fankatoavana tanteraka sy ny fitandremana amim-pahatokiana ny fanekempihavanantsika dia ho lasa izany hery mitarika izany isika.

Mihoatra noho ny zavatra hitan’ny masontsika

Hoy ny Filoha Brigham Young (1801–1877) hoe: “Azonareo lazaina ve ny habetsaky ny soa vitan’ny reny sy zanakavavy ao Isiraely? Tsy vita ny mitanisa izany. Ary ny soa izay ataon’izy ireo dia hanaraka azy ireo any amin’ ny mandrakizay.”13

Nisy fiantraikany nihoatra noho ny zavatra hitan’ny masony tamin’ ny naha-zatovovavy azy teo amin’ireo taranaka nifandimby tao anatin’ny fianakaviany ireo fanapahan-kevitra tsara noraisin’ny renibeko. Ny hery mitarika ara-panahin’ireo vehivavy tao amin’ ny fianakaviako anefa dia mbola niitatra lavitra tany aloha tany mihitsy aza. Ny ampahany lehibe tamin’ ny tanjaka ara-panahy nananany dia azony avy tamin’ ny fijereny an’i Elizabeth izay beben’ny reniny (beben’ny beben’ny reniko). Ny ohatry ny fananana finoana sy fijoroana ho vavolombelona nasehon’i Elizabeth dia nisy fiantraikany lavitra tokoa taty aoriana teo amin’ ny taranaka roa nalaindaina ara-pivavahana izay nanampy an’i Chérie zafiafiny hanova ilay toe-javatra fahita hoe fianakaviana malaina sy misaratsaraka ary hiverina hiangona indray.

Rehefa lasa mitondra tanjaka ara-panahy ho an’ireo manodidina antsika isika dia mihoatra lavitra noho izay hitan’ny masontsika ny hery mitarika ananantsika. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) hoe: “Miantso ny vehivavin’ny Fiangonana izahay mba hiaraka hijoro ho an’ny fahamarinana. Tsy maintsy manomboka izany ao an-tokantranony izy ireo. Afaka mampianatra izany any amin’ ny kilasiny izy ireo. Afaka mitory izany amin’ ny fiaraha-monina misy azy izy ireo. …

“Hitako ho toy ny loharanom-panantenana mazava iray izany ao anatin’ity izao tontolo izao izay mizotra mankany amin’ ny famotehan-tena ity.”14

Rehefa manatanteraka io didy io isika dia handroso haingana ny asan’ny Tompo eto amin’izao tontolo izao sy eo amin’ ny manodidina antsika ary eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiainan’ny olona izay tiantsika indrindra indrindra.

Sary
Old photo of three women

Fanamarihana

  1. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 453.

  2. James E. Talmage, Jésus le Christ, Boky nivoaka faha-3 (1916), 475.

  3. Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 3–4.

  4. Linda K. Burton, “Mitady: Tanana sy Fo Vonona Hanafaingana ny Asa,” Liahona, mey 2014, 122–123.

  5. M. Russell Ballard, “Women of Righteousness,” Ensign, apr. 2002, 70.

  6. “Nous, Soeurs de Sion” Cantiques, no. 201.

  7. Richard G. Scott, “Fianarana no Nomeko Anareo,” Liahona, mey 2014, 32.

  8. Richard G. Scott, “Fianarana no Nomeko Anareo”, 33.

  9. Richard G. Scott, “Fianarana no Nomeko Anareo”, 33.

  10. Carole M. Stephens, “Misy Antony Lehibe Hifaliantsika,” Liahona, nôv. 2013, 117.

  11. Linda K. Burton, “Mitady: Tanana sy Fo Vonona Hanafaingana ny Asa,” 124.

  12. M. Russell Ballard, “Ny Reny sy Zanakavavy,” Liahona, mey 2010, 18.

  13. Discourses of Brigham Young, nofantenan’i John A. Widtsoe (1954), 416.

  14. Gordon B. Hinckley, “Standing Strong and Immovable,” Fivoriana Fanofanana ho an’ny Mpitarika Maneran-tany, 10 Jan. 2004, 20.