2015
Mila Anao aho
Aprily 2015


“Mila Anao aho”

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Rehefa tsy fantatray hoe inona ankoatra izay no azonay ampianarina dia nanolo-kevitra ny mba hiranay hira ao amin’ ny fihirana ilay mpiara-mitory tamiko.

Sary
drawing of family with missionaries

Indray alahady tolakandro mahafinaritra izay, nandritra ny fanaovako asa fitoriana tany Balsan, Corée, raha iny nanao veloma ny mpikambana iny izaho sy ny mpiara-mitory tamiko rehefa avy niangona ary nivonona ny handeha hiasa iny dia nampahafantarin’ny tompon’andraikitry ny asa fitoriana teo anivon’ny paroasy anay i Kong Sung-Gyun izay zatovolahy 12 taona. Niangona izy tamin’io andro io ary naniry ny hianatra bebe kokoa momba ny filazantsara.

Mazava ho azy fa faly izahay tamin’ilay fikasana hampianatra azy saingy niahiahy koa aho hoe hampianatra olona mbola tena tanora. Nanapa-kevitra izahay fa hanao izay hahazoana fahazoan-dalana avy amin’ ny ray aman-dreniny, ka dia niantso tany an-tranon’i Kong Sung-Gyun aho ary niresaka fohifohy tamin’i Pak Mi-Jung reniny. Taitra aho rehefa niteny izy hoe faly noho ny fanirian’ny zanany lahy hiangona ary fifaliana ho azy ny manasa anay ho tonga any aminy hampianatra ny zanany lahy.

Naman’ny Fiangonana tsy nampoizina

Tonga tany an-tranon’ilay zatovolahy izahay ny ampitso harivan’izany, vonona ny hampianatra. Taitra izahay rehefa nahita fa tian’i Pak Mi-Jung hampianarinay koa i Kong Su-Jin zanany vavy. Ary noho izahay mbola vahiny tao an-tranony dia naniry ny hanatrika ny lesona i Pak Mi-Jung. Mazava ho azy fa fifaliana ho anay ny mampianatra izay olona rehetra te hihaino.

Rehefa avy nomen’izy ireo sakafo maivana izahay dia niara-nipetraka ary nanomboka niresaka. Raha tokony tonga dia nasainy nanomboka lesona izahay dia nirian’i Pak Mi-Jung ny hahafantatra anay bebe kokoa sy ny hilazany ny toe-javatra iainan’ny fianakaviany. Nolazainy anay ireo fitsapana sy olana nolalovan’izy ireo ka tao anatin’izany ny fiadian’ny zanany vao haingana tamin’ ny homamiadana. Nahavita soa aman-tsara ny radiothérapie izy ary sitrana tamin’izay ilay homamiadana saingy nampitandrina ny dokotera fa mety miverina amin’ ny fotoana tsy ampoizina izany. Tena sarotra ho an’ny fianakaviana izany. Fianakaviana avy amin’ ny sarangan’ny mpiasa tanana izy ireo ary tsy maintsy niasa faran’izay mafy ilay raim-pianakaviana mba hananan’izy ireo fialofana sy sakafo hohanina.

Zendana sy nalahelo aho teo anatrehan’ireo fitsapana teo amin’ ny fiainan’izy ireo. Tsy mora ny fiainan’izy ireo saingy tena hita niharihary kokoa ny firaisan-tsaina nisy teo amin’ilay fianakaviana raha oharina tamin’ ny fianakaviana hafa nifanena tamiko tany Corée, izay mety hoe fandokafana be ihany eo anatrehan’ilay fiaraha-monina mifantoka amin’ ny fianakaviana toa an’i Corée. Nandao ny tokantranon’izy ireo izahay niaraka tamin’ ny fahalalana bebe kokoa momba izany fianakaviana miavaka izany ary nanana fahafahana hizara ny hafatry ny filazantsara tamin’izy ireo.

Niverina nampianatra tany imbetsaka izaho sy ny mpiara-mitory tamiko tamin’io herinandro io, ka nahatsapa foana ilay hafanana sy fahalalahan-tanana tsapanay tamin’ ny famangianay voalohany izahay isaky ny nandeha tany. Rehefa noresahina ny mikasika ny batisa dia tena naniry mafy ny ho lasa mpikamban’ny Fiangonana ireo ankizy. Saingy tsy nientanentana toa azy ireo ny reniny. Na dia nahaliana azy aza ny fampianaranay ary nanantena izy fa marina izany dia tsy nahatsapa izy fa afaka manao sy mitandrina ireo karazana fanolorantena takina rehefa hirotsaka ho mpikamban’ny Fiangonana. Tsapany koa fa tsy mety ny hanaovana batisa azy tsy miaraka amin’ ny vadiny, izay tsy maintsy mbola mila hatoninay. Na dia izany aza dia vonona ny hanohy hihaona aminay izy ary naniry ny hiaraka amin’ ny zanany any am-piangonana.

Tany amin’ ny faramparan’izany herinandro faharoa izany rehefa nanohy nampianatra tany an-tranony izahay dia nifanena tamin’i Kong Kuk-Won vadiny—lehilahy manetry tena sy tsara fanahy ary malala-tanana. Nanatrika ireo fampianarana vitsivitsy farany izy ary tonga dia nino ny zavatra rehetra nampianarinay, ka tafiditra tao anatin’izany ireo fotopampianarana izay matetika sarotra ho an’ny hafa toy ny fahafolonkarena sy ny Tenin’ny Fahendrena. Na dia teo aza ny fahantrana nianjady tamin’izy ireo, dia nanomboka nandoa fahafolonkarena izy ireo. Ny hany sakana ho an’ilay raim-pianakaviana dia izy miasa alahady. Niasa tany amin’ ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Seoul izy isaky ny alahady, ka tsy afaka niangona niaraka tamin’ ny fianakaviany. Na dia teo aza ny fitsinjaram-potoana hiasany, dia nanao izay azo atao mba hanatrehana ny batisan’ny zanany izy ireo ny Alahady manaraka.

Nanohy nivory matetika tany an-tranon’ilay fianakaviana izahay taorian’ny batisan’ny ankizy. Nanao takarivan’ny mpianakavy izahay, nifampizara soratra masina sy zavatra niainana mahasoa ary nampahafantatra azy ireo tamin’ireo mpikambana tao amin’ ny paroasy. Na dia teo aza ny fitohizan’ny fiainana zavatra mifandray amin’ ny filazantsara dia tsy mbola vonona ny hatao batisa ireo ray aman-dreny.

Tao anatin’izay fotoana izay dia nafindra toerana ilay mpiara-mitory tamiko ary elder vao tonga avy tany amin’ ny foibe fanofanana misiônera ilay mpiara-mitory tamiko vaovao. Feno finoana sy tanjaka ary fientanentanana izy ka sahirana aho indraindray raha ny marina nanaraka azy. Rehefa avy nihaona tamin’i Kong Kuk-Won sy Pak Mi-Jung nandritra ny fotoana vitsivitsy izahay dia nanatona ahy ilay mpiara-mitory tamiko ary nanontany raha toa efa nifady hanina niaraka tamin’izy ireo izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko teo aloha. Tsy mbola nanao izany izahay. Tsy tonga tato an-tsaiko akory aza izany eritreritra izany raha ny marina. Noho izany dia nihaona tamin’ ny fianakaviana izahay ary nanoro hevitra ny mba hifadiana hanina. Zendana aho nahita fa mifady hanina manokana tsy tapaka izy ireo ho an’ny fahasalaman’ny zanany sy mba hisian’ny fiovana eo amin’ ny ora sy andro fiasana ka ho afaka ny hiangona i Kong Kuk-Won. Rehefa avy niaraka nifady hanina tamin’izy ireo izaho sy ny mpiara-mitory tamiko dia nivaly ny vavaka nataonay satria nisy ny fanovana ny fitsinjaram-potoana hiasan’i Kong Kuk-Won. Saingy mbola niziriziry tsy hatao batisa ihany i Pak Mi-Jung.

Hevitra iray tena tsara

Dia nahita hevitra iray hafa tena tsara ilay mpiara-mitory tamiko. Navoakany ilay fihirana omby anaty paosy ary nangataka raha toa ka afaka miaraka mihira amin’izy ireo izahay. Na dia efa niara-nihira aza izahay tany aloha, dia tsy mbola nahita an’i Pak Mi-Jung nihira aho ary nieritreritra fotsiny hoe tsy tia mihira angamba izy na tsy azony ny ainy satria vaovao taminy ilay hira. Nanontanianay sy ny mpiara-mitory tamiko raha toa ka misy hira tena tiany, ary dia gaga aho fa nihetsi-po be izy ary namaly fa ny hira tena tiany efa hatramin’ ny izy ankizivavy kely dia “Mila Anao aho” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, no. 23). Natombokay ny hira ka nasiana feo efatra izany. Ny raim-pianakaviana nanao ny lanton-kira (feo voalohany), ilay renim-pianakaviana nihira ny feo alto, ilay mpiara-mitory tamiko nihira ny feo tenor ary izaho nihira ny feo basse.

Nahery vaika ny Fanahy tao anatin’ilay efitrano. Rehefa nihira ny andininy fahatelo izahay dia nihetsi-po be izy ka nijanona tsy nihira raha nanohy kosa izahay:

Mila Anao aho

na ory na faly.

Faingana mitoera,

Sao hijaly aho.

Tompo, mila Anao aho;

Eny mila Anao;

Hanatona anao aho

Ka mba tahio.

Rehefa vitanay ny andininy fahaefatra sy farany dia nigogogogo nitomany izy. Rehefa niezaka nampahery azy ny vadiny dia afaka nitony ihany izy tamin’ ny farany. Nijery ahy nivantana teny amin’ ny maso izy ary nilaza hoe, “Mila atao batisa aho.”

Sary
drawing of woman holding an Asian hymnbook

Ny fotoam-batisan’i Kong Kuk-Won sy Pak Mi-Jung natao tamin’izay Alahady tolakandro izay no iray tamin’ireo zavatra tena masina indrindra nandritra ny fanaovako asa fitoriana. Nandray anjara tamin’ ny fandaharam-potoana ny ankizy ary mpikambana maro teo an-toerana no nanatrika mba hanehoana ny fanohanan’izy ireo ilay fianakaviana izay mpikambana vaovao tao amin’ ny paroasiny. Nanolotra hira manokana izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko: “Mila Anao aho.”

Nahavita ny asa fitoriako aho tamin’ ny farany ary niverina nody. Taorian’ny herintaona nianarako tany amin’ ny oniversite dia niverina tany Corée mba hanao fiofanana fanatevenam-pahaizana mandritra ny fahavaratra aho ary nanokana fotoana isaky ny faran’ny herinandro mba hamangy ireo namana sy fianakaviana miavaka maro izay nifanena tamiko nandritra ny fanaovako asa fitoriana. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nandeha niverina nankany Balsan aho ary nihaona tamin’ilay fianakaviana miavaka iray. Rehefa tonga tao an-tranony aho dia nahatsikaritra fa nisy olona tsy tao—ny zanany lahy. Nambaran’i Pak Mi-Jung tamin-dranomaso tamiko ilay vaovao: niverina ny homamiadan’ny zanany tamin’izy 14 taona ary tsy nahatohitra izany izy.

Raha teo am-piezahana nampionona sy nizaka ilay alahelo tsapako koa aho dia nampanantena ahy i Kong Kuk-Won fa hilamina ny zava-drehetra. Nitia ny filazantsara izy ireo, nandeha niangona tamim-pahatokiana, ary niandrandra an‘ilay fotoana izay hahafahan‘ny fianakaviany hiaraka hofehezina mandrakizay any amin‘ny Tempolin‘i Séoul Corée. Na dia teo aza ny alahelo tsapan’izy ireo, dia fantatr’ilay fianakaviana fa ho hitan’izy ireo indray i Kong Sung-Gyun ary ho tafaray indray izy ireo. Nilaza tamiko koa i Pak Mi-Jung fa ny fihirana hira ao amin’ ny fihirana isan’andro dia nanampy azy hahazo hery hizakana ny zava-miseho sy hahatsapa ilay fiadanana miaraka amin’izany izay entin’ny Fanahy.

Rehefa nandao ny tokantranon’izy ireo aho tamin’izay hariva izay dia nieritreritra indray ny tonon’ny hira tena tian’i Pak Mi-Jung ao amin’ ny fihirana. Feno fankasitrahana aho fa nomen’ny Ray any an-danitra fahatsapana fiadanana ilay fianakaviana taorian’ny nahafatesan’i Kong Sung-Gyun ary feno fankasitrahana manokana aho tamin’ ny anjara asan’ny Fanahy teo amin’ ny fiovampon’i Pak Mi-Jung izay nanome fahafahana ilay fianakaviana mba ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana mandrakizain’ny tempoly.