2015
Mandrosoa amim-pinoana
Aprily 2015


Mandrosoa amim-pinoana

Avy amin’ ny lahateny hoe “Nevertheless I Went Forth,” natao nandritra ny fampaherezam-panahy iray tao amin’ ny Brigham Young University ny 4. Feb. 2014. Mba hahitana ny lahatsoratra iray manontolo amin’ ny teny anglisy dia midira ao amin’ ny speeches.byu.edu.

Misy lesona efatra mikasika ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ ny fomba tena tsara nataon’i Nefia izay afaka mampihena ny tahotrao sy mampitombo ny fahatokianao handroso hatrany.

Sary
composite of Nephi praying and a modern youth praying

Sombiny avy tamin’ ny Ny fanahin’ny vavaka, nataon’i Claudio Roberto Aquiar Ramires

Miaina ao anatin’ny antsoina hoe “fotoana handraisana fanapahan-kevitra manan-danja” ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony. Eo am-pandraisana fanapahan-kevitra tena manan-danja maro eo amin’ ny fiainanareo ianareo toy “ny fandehanana any amin’ ny tempoly, fanaovana asa fanompoana, fandrantoana fianarana, fisafidianana izay asa hatao, fisafidianana ny ho vady ary ny famehezana ny tena mandritra izao fotoana izao ary mandrakizay any amin’ ny tempoly masina.”1

Te hiresaka manokana amin’ireo izay sahirana amin’ ny iray na ny maromaro amin’ireo fanapahan-kevitra manan-danja ireo aho—ny sasany angamba mety mikatso mihitsy noho ny fahatahorana handray fanapahan-kevitra tsy araka ny tokony ho izy na noho ny fitakiana hery fanampiny hananana fahatokiana hatrany amin’izay fanapahan-kevitra noraisina teo aloha.

Misy lesona efatra mikasika ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ ny fomba tena tsara nataon’i Nefia izay afaka mampihena ny tahotrao sy mampitombo ny fahatokianao handroso hatrany.

1. Ankatoavy ny Didy

Ny andininy farany hita ao amin’ ny rakitsoratra masin’i Nefia dia mamintina ny fiainany: “Fa izany no efa nandidian’ny Tompo ahy ka dia tsy maintsy mankatò aho” (2 Nefia 33:15).

Niseho tamin’ ny fankatoavan’i Nefia ny didin’Andriamanitra ny finoany sy ny fitiavany ny Mpamonjy. Nivavaka izy (jereo ny 1 Nefia 2:16). Namaky ny soratra masina izy (jereo ny 1 Nefia 22:1). Nikatsaka torolalana avy tamin’ ny mpaminany velona izy ary nanaraka izany (jereo ny 1 Nefia 16:23–24). Ny fankatoavana tahaka izany dia nanome fahafahana ny Fanahy Masina mba hanaraka an’i Nefia nandritra ny fiainany ary niteraka fahazoana fanambarana tsy tapaka.

Ianao koa dia tokony hitoetra akaikin’ny Tompo amin’ ny alalan’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fankatoavana tsy tapaka ireo zavatra madinika toy ny famakiana ny soratra masina, ny fanaovana vavaka isan’andro, ny fanatrehana ireo fivoriana any am-piangonana, ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany velona ary ny fanompoana ny hafa dia hahamendrika ny hanananao ny Fanahy—sy ny fanambarana entin’izany.

Tsy zavatra takina mba hahazoana fanambarana manokana ny fahalavorariana. Ny fibebahana isan’andro no zavatra takina (jereo ny Romana 3:23). Raha toa ny fibebahana ataonao ka natao tamim-kitsimpo ary feno tanteraka (jereo ny F&F 58:42–43), dia hitondra ny Fanahy mba hitantana anao eo anatrehan’ireo fanapahan-kevitra mavesatry ny fiainana ny hery manadion’ny Sorompanavotana.

2. Mandrosoa amim-pinoana

Alaivo sary an-tsaina hoe eo amin’ ny toeran’i Nefia ianao. Lazain’ny rainao ianao fa nodidin’ny Tompo ny fianakavianao mba handao ny fananany ary handeha any an-tany foana. Tsy mba ho tianao ve ny hahafantatra mikasika ny dianao sy ny toerana halehanao?

Heveriko fa mety ho tena faly tokoa i Nefia raha toa ka nambaran’ny Tompo mazava tsara taminy ny hoaviny. Saingy tsy izay no fomba fiasan’Andriamanitra niaraka tamin’i Nefia ary tsy izay koa no ho fomba fiasany miaraka aminao.

Rehefa nandeha namakivaky ny tany foana ny fianakavian’i Nefia dia nandray torolalana “ombieny ombieny” teny i Nefia (1 Nefia 16:29; 18:1). Ny fahalalany tanteraka mialoha ny lalam-piainany dia ho nanakana azy tsy hiaina toe-javatra izay nampivelatra ny fanahiny sy nanorina ny finoany izay nanampy azy ho lasa lehilahy mitovy bebe kokoa amin’i Kristy.

Sary
composite with illustration of Lehi loading the plates of Laban on a donkey and a modern girl reading the Book of Mormon

Tena tsy handao velively ny efitrano fonenanao mihitsy ianao raha toa ka miandry an’Andriamanitra mba hanambara aminao mikasika ny karazam-pianarana tokony hatao, ny olona hovadina, ny asa tokony hatao, ny toerana tokony hipetrahana, sy ny mikasika ny hoe tokony handeha any amin’ ny oniversite hahazoana mari-pahaizana ambony ve, ary ny hoe firy ny isan’ny zanaka hateraka. Mijoro ho vavolombelona aho fa ho tonga “ombieny ombieny” eny ihany ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

Tian’ny Ray any an-danitra ny hivoarantsika ary tafiditra ao anatin’izany ny fampivelarana ny fahaizantsika manombantombana ny zava-misy, mandanjalanja ary mandray fanapahan-kevitra. Nanasa antsika koa anefa izy mba hitondra amim-bavaka ireo fanapahan-kevitra raisintsika (jereo ny F&F 9:7–9). Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa tonga amin’ ny “fomba telo” ny valin’ny vavaka ataontsika.2

Fahatsapana fahatokiana mitondra fanamafisana

“Voalohany,” hoy ny Loholona Scott dia, “afaka mahatsapa fiadanana, fampaherezana ary fahatokiana ianao izay manamafy fa tsara ny fanapahan-kevitra noraisinao.”3 Nahatsapa izaho sy i Christy vadiko fa ny fananana fahatokiana eo anatrehan’ireo fanapahan-kevitra misy fiantraikany lehibe eo amin’ ny fiainana dia mety azo amin’ ny alalan’ny soratra masina, ary matetika aorian’ny fandehanana any amin’ ny tempoly.

Ohatra, taorian’ny fandinihana sy fivavahana mafy dia nanapa-kevitra ny handao ilay tokantrano vaovao nonofinofisinay tany Texas izahay, ka nanaiky ny hiasa any amin’ ny toerana hafa, ary dia nitondra zanaka kely enina tany Beijing, China. Saingy naniry mafy ny hahazo fanamafisana ara-panahy izahay ho an’izany fifindran-toerana goavana izany. Tonga taminay—tany amin’ ny tempoly—ilay fahazoana fahatokiana avy any an-danitra rehefa namaky ireto teny ireto tao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Izao no sitrapoko … aza mitoetra andro maro eo amin’ity toerana ity; … aza mihevitra ny amin’ ny fanananao. Mandehana any amin’ireo tany atsinanana” (F&F 66:5–7).

Ny feon’i Jesoa Kristy tao amin’ ny soratra masina niaraka tamin’ireo fahatsapana mahery vaika avy amin’ ny Fanahy Masina dia nanamafy fa tsara ilay fanapahan-kevitray hifindra any Chine.

Fahatsapana ho tsy mahazo aina

Ny fomba faharoa hamalin’ny Ray any an-danitra ny vavaka dia amin’ ny alalan’ny “fahatsapana ho tsy mahazo aina, fahadontoan’ny saina izay mampiseho fa ratsy ny safidy nataonao.”4

Rehefa avy nanao asa fanompoana tany Taiwan aho dia nieritreritra fa ho safidy hahazoana asa tena tsara ny fianarana lalàna ifandraisan’ny firenen-tsamihafa. Rehefa nandinika izany hoavy azo tanterahina izany izaho sy i Christy, dia azonay tsara fa hisy dimy taona mahery handrantoana fianarana handoavany sarany lafo izay miandry anay.

Nandalo fihemoran’ny fiharian-karena lalina i Etazonia ary kely ny vola teo am-pelatananay ka dia nanapa-kevitra izahay fa ny fidirana ao amin’ ny Air Force ROTC (Oniversite no sady toeram-panofanana manamboninahitra ao amin’ ny tafika ana habakabaka) no ho safidy tsara handoavana ny saram-pianarako. Saingy rehefa nanao ny fanadinana tsy maintsy natao sy nameno ny taratasy nilaina aho dia samy tsy nahazo aina tsotra izao izahay mikasika ny firotsahana hanao izany. Tsy nisy hoe fahadontoan’ny saina na fahatsapan-javatra maizina—fa tsy fisian’ny fiadanana fotsiny.

Amin’ ny lafiny iray izany fanapahan-kevitra toa tsy mifanaraka amin’ ny lojika ara-bola izany dia tena tsara satria mety ho mpisolo vava tsy mahafa-po ny niafarako!

Fahatokiana an’Andriamanitra

Ny fomba fahatelo hamalian’Andriamanitra ny vavaka dia: ny tsy fanomezana valiny. “Rehefa miaina amim-pahamendrehana ianao ary mifanaraka amin’ ny fampianaran’ny Mpamonjy ny safidinao ary mila mandray andraikitra ianao,” hoy ny Loholona Scott dia, “miasà amim-pahatokiana.”5

Ny ezaka farany nataon’i Nefia mba hahazoana ireo takela-barahina dia mampiseho ny fomba tokony hiasantsika miaraka amin’ilay fahatokiana an’Andriamanitra. Nanoratra izy hoe:

Ary notarihin’ ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko.

“Na dia teo aza izany dia nandroso aho” (1 Nefia 4:6–7).

Hiseho ao anatin’ny fotoana handraisanao fanapahan-kevitra manan-danja ny tsy hahafahanao manemotra izany intsony fa tsy maintsy mandray andraikitra ianao. Nahafantatra aho fa ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe, “hahazo bitsiky ny Fanahy isika rehefa nanao izay rehetra vitantsika, rehefa miasa any ivelany any miaritra ny masoandro fa tsy mipetraka eo ambanin’ny aloka mivavaka mba hahazo torolalana amin’izay dingana voalohany tokony horaisina.”6

Ny Fanahy toy ny nitranga tamin’i Nefia dia hanamafy na hampitandrina amin’ ny fotoana mahamety azy ny lalana nosafidinao.

3. Iaino ny ankehitriny

Ny fanolorantena nasehon’i Nefia nandritra ilay dia nankany amin’ ny tany nampanantenaina dia mifanohitra amin’ ny an’i Lamàna sy Lemoela. Nanapa-kevitra ny handeha izy ireo saingy tsy nandao velively an’i Jerosalema ny fony. Nanamboatra ilay zana-tsipìkany mba hihazana i Nefia ary nitady akora harendrika hanamboarana sambo raha toa nitsotsotra tao anaty lay kosa ireo rahalahiny.

Manana Lamana sy Lemoela be dia be izao tontolo izao ankehitriny. Saingy mila lehilahy sy vehivavy manolo-tena ny Tompo. Hiaina fivoarana lehibe kokoa ianao eo amin’ ny fiainana rehefa manolo-tena tanteraka amin’ ny fanapahan-kevitra noraisinao ary miezaka ny hanao ny tsara indrindra eo anatrehan’ny toe-javatra iainanao amin’izao fotoana izao na dia manana drafitra ho an’ny ho avy aza ianao.

I Nefia dia ohatra iray maneho ilay torohevitra feno fahendrena avy amin’ ny Filoha Thomas S. Monson: “Ny famisavisana ny lasa sy ny fanofinofisana ny hoavy dia mety hitondra fampaherezana saingy tsy haka ny toeran’ny fiainana ny ankehitriny mihitsy izany. Andro ahafahantsika mahita zava-mahasoa izao ary tsy maintsy araraotintsika izany.”7

4. Misintona hery avy amin’ ny hafa

Na dia efa avy nikatsaka ny Fanahy aza isika, niroso tamin’ ny fanapahan-kevitsika ary nanolo-tena tanteraka amin’izany dia mety mbola hisy ihany ny fisalasalana izay hahatonga antsika hiahiahy ny amin’ ny fanapahan-kevitsika. Eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany dia afaka manoro hevitra na manome hery mba hijanonana eo amin’ilay lalana ny olona iray ao amin’ ny fianakaviana na namana iray izay azo atokisana. Heveriko fa lasa olona azony nianteherany ny vadin’i Nefia nandritra ny dia nataony.

Nisy fahatsapana fankasitrahana ny vadin’i Nefia tonga tato amiko rehefa nitsidika ny tranombakoky ny Fiangonana aho. Nambabo ahy ilay sary hosodoko tao izay nahitana an’i Nefia nofatorana teo amin’ ny salazan-tsambo iray, kotsa tanteraka tao anatin’ilay oram-baratra mahery vaika.8

Teo akaikin’i Nefia ny vadiny sy ny iray tamin’ireo zanany. Nofafazan’ny oram-baratra sy nianjadian’ny fijaliana toa an’i Nefia izy saingy feno fahasahiana ny masony ary namihina an’i Nefia tamim-pitiavana ny sandriny matanjaka. Tamin’izay fotoana izay aho dia nahatsapa fa izaho koa dia nomena vady mahatoky izay manome hery ahy rehefa ao anaty fotoam-pitsapana. Nanantena aho hoe mba ho hery nitovy tamin’izany koa ho azy.

Sary
composite of Nephite family and modern couple

Ry rahalahy, ny fitehirizanareo sy ny fampivelaranareo ny tanjaka ara-panahy azonareo (na ho azonareo) amin’ ny maha-misiônera anareo na amin’ ny fanaovana asa fanompoana mahasoa hafa no fitaovana tsara indrindra hahatongavana ho vady sy raim-pianakaviana maha-te ho tia. Ry rahavavy anisan’ny toetra tena tsara anananareo amin’ ny maha-vady sy reny anareo ny fahamora-mandray zavatra ara-panahy anananareo, ny finoana, sy ny fahasahiana hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Manasa anao aho mba ho lasa ilay karazana olona izay azon’ny vadinao amin’izao fotoana izao na ilay vadinao any aoriana hisintonana torohevitra mahasoa sy hery. Ny lehilahy tsara toetra iray sy ny vehivavy mendrika iray izay nofehezina mandritra izao fotoana izao sy mandrakizay tany amin’ ny tempoly dia afaka mahavita zavatra sarotra amin’ ny maha-mpiara miasa mitovy aminy.

Mampanantena anao aho fa raha toa ka mampihatra ny lesona nianarana avy amin’i Nefia sy ireo mpaminany maoderina ianao mikasika ny fandraisana fanapahan-kevitra dia hotarihina amin’ ny alalan’ny fanambarana manokana izay raisina “ombieny ombieny” ianao. Rehefa miroso hatrany ao anatin’ilay fotoana fandraisana fanapahan-kevitra tena manan-danja ianao dia enga anie hanana finoana tahaka an’i Nefia hilaza hoe:

“Ary notarihin’ ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko.

“Na dia teo aza izany dia nandroso aho” (1 Nefia 4:6–7).

Fanamarihana

  1. Robert D. Hales, “To the Aaronic Priesthood: Preparing for the Decade of Decision,” Liahona, mey 2007, 48.

  2. Richard G. Scott, “Using the Supernal Gift of Prayer,” Liahona, mey 2007, 10; nampiana fanamafisana any amin’ilay lahatsoratra fototra.

  3. Richard G. Scott, “Using the Supernal Gift of Prayer,” 10.

  4. Richard G. Scott, “Using the Supernal Gift of Prayer,” 10.

  5. Richard G. Scott, “Using the Supernal Gift of Prayer,” 10.

  6. Dallin H. Oaks, “In His Own Time, in His Own Way,” Liahona, aog. 2013, 26.

  7. Thomas S. Monson, “In Search of Treasure,” Liahona, mey 2003, 20.

  8. Jereo ny Vady, nosoratan’i K. Sean Sullivan, ao amin’ ny “The Book of Mormon: A Worldwide View,” Liahona, Des. 2000, 37.