2015
Vala Iray, Mpiandry Iray
Aprily 2015


Vala Iray, Mpiandry Iray

Ny valan’andian’ondry iray dia mampianatra antsika momba ny fitiavan’ny Mpamonjy ny olony.

Vala Taloha

Tsorakazo

Mpiandry ondry

Rindrim-bato

Tokonam-baravarana

Ondry

Antsamotady

Tehina lava

Inona izany: Toerana tsotra voafefy ho an’ny biby, toerana mirindrina.

Tanjona: Mba hiarovana ny andian’ondry amin’ ny biby mivelona amin’ ny haza sy ny mpangalatra, indrindra amin’ ny alina.

Fitaovana sy fandrafetana: Vato, mazàna miaraka amin’ ny zavamaniry misy tsilotsilo izay matetika apetraka eo ambonin’ny tamboho. Nampiasaina ihany koa matetika ny lobolobon-tsilo matevina ho fefin’ny valan’ondry vonjy maika. Indraindray dia lavabato no natao valan’ondry, asiana fefy vato na sampantsampan-javamaniry eo amin’ ny fidirana.

Inona no azontsika ianarana

Ny valan’ondry dia:

Toerana iangonan’ny andian’ondry. Amin’ ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, dia misy fifamatorana mampiray hina antsika amin’ ny alalan’ny finoantsika sy ny fanekempihavanantsika ary koa amin’ ny alalan’ny fiangonantsika miaraka ara-bakiteny. Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa: “Ny fifaliana avy amin’ ny firaisan-kina izay tian’ny [Ray any an-danitra] homena antsika mafy dia tsy natao ho an’olon-tokana. Tsy maintsy mikatsaka izany ary manao izay hahamendrika ny hahazoana izany miaraka amin’ ny hafa isika. Tsy mahagaga izany raha toa ka mamporisika antsika mba hivondrona Andriamanitra mba hahafahany mitahy antsika. Tiany ny mba hivondronantsika ao anatin’ny fianakaviana. Nanorina kilasy, paroasy sy sampana Izy ary nandidy antsika mba hiara-hivory matetika. Afaka mangataka amim-bavaka an’izany firaisan-kina izany isika sy miasa mba hahatratrarana izany izay hitondra fifaliana ho antsika sy hampitombo ny hery hanompoantsika” (“Ny Fontsika Mitambatra ho Iray,” Liahona, nôv. 2008, 69).

Toerana miaro amin’ ny loza sy toeram-pitsaharana. Ao amin’i Jesoa Kristy isika no “hahita fitsaharana ho an’ny fanahin[tsika]” (Matio 11:29). Ny Fiangonany no “fiarovana, sy … fialofana” (F&F 115:6). Ary toy izao no nampianarin’ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Mahazo fiarovana ho an’ny tenantsika isika … ao anatin’ny fanajana ireo fanekempihavanana nataontsika ary ao anatin’ny fanatanterahana ireo fihetsika tsotra maneho fankatoavana izay takina amin’ireo mpanaradia an’i Kristy” (“Fantatro Ireo Zavatra Ireo,” Liahona, mey 2013, 7).

Arovan’ny mpiandry ondry. I Jesoa Kristy no ilay Mpiandry Tsara mamonjy antsika. Nijaly sy maty Izy mba hahafahantsika mandresy ny fahotana sy ny fahafatesana ary hiverenantsika eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra. Rehefa manatona an’i Kristy ary mankatò ny didiny isika dia mitahy, sy mitarika Izy ary sady miaro antsika tsirairay no miaro antsika amin’ ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanany antsika.