2015
Ny ohatry ny Mpamonjy amin’ ny fankatoavana
Aprily 2015


Ny ohatry ny Mpamonjy amin’ ny fankatoavana

Nametraka ny lamina harahintsika rehetra ny ohatra nasehony.

Sary
Photograph of actor portraying Jesus Christ in the Bible Videos.

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fihaonamben’ny fiangonana tamin’ ny volana aprily 2014 hoe: “Amin’ireo lesona rehetra ianarantsika avy amin’ ny fiainan’ny Mpamonjy dia tsy misy mazava sy mahery kokoa noho ny lesona momba ny fankatoavana.” Tsy ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny Ray ihany no ampianarin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy antsika fa ny fomba ahafahantsika mankatò ihany koa. Rehefa mandalina ireto ohatra manaraka ireto ianao izay notsongaina tamin’ ny asa fanompoany dia eritrereto ny fomba mety hanoritan’izany ny lalana tokony harahinao eo amin’ ny fiainanao.

Sary
112 x 60" painting of Christ being baptized in the River Jordan by John the Baptist.

1. Na dia tsy nanota aza i Jesoa dia nekeny ny hatao batisa, “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:13–17; jereo ihany koa ny 2 Nefia 31:4–7; Jaona 3:5).

Sary
Jesus Christ (depicted at age twelve) in the Temple in Jerusalem. Numerous doctors of Jewish law are gathered around Christ. The doctors are listening in astonishment at the wisdom of the young Christ. (Luke 2:41-50)

2. Tamin’i Jesoa feno 12 taona, rehefa hitan’i Josefa sy i Maria nampianatra teo an-kianjan’ny Tempoly Izy, dia “nanoa azy ireo” Izy ka niara-nody tamin’izy ireo tamim-pankatoavana (jereo ny Lioka 2:42–51).

Sary

3. Na dia nangataka ny hanesorana ilay kapoaka Taminy aza Izy, dia naleony ihany niaritra ny fanaintainana tao amin’ ny Sahan’i Getsemane (jereo ny Matio 26:36–44; Lioka 22:39–54).

Sary

4. Nanaja ny andro Sabata Izy ary nanatrika ireo fotoana rehetra tao amin’ ny synagoga (jereo ny Lioka 4:16–44).

Sary

5. Nanaiky ny hotsarain’olombelona i Jesoa mba hahatanteraka ny asa sy ny voninahitry ny Ray (jereo ny Isaia 53:7; Matio 26:53; Mosesy 1:39).

Sary

6. Tontosany ny asany tamin’ ny namelany ireo olon-dratsy hanombo Azy teo amin’ ny hazo fijaliana (jereo ny Matio 27:35; Jaona 10:17–18; Galatiana 1:3–5).

Sary
Jesus Christ depicted in the midst of people of varying races or nationalities. Christ is portrayed in white robes. He has His arms extended toward the people gathered around Him. Light emanates from the figure of Christ. The background behind the other figures is dark. The artist used the dark background to symbolize the power of Satan in the world. The light around Christ is symbolic of the protection and safety found in following Christ. (Doctrine and Covenants 1:36)

7. Noho ny fankatoavany hatrany ny Rainy, dia nandeha tany amin’ ny tontolon’ny fanahy i Jesoa ka nandrindra ny asa fitoriana tany (jereo ny 1 Petera 3:18–20; 4:6).

Sary
Christ standing on a rocky ledge as He rebukes Satan who appears below Him. The painting depicts the event wherein Satan tried to tempt Christ after Christ's forty day fast in the wilderness. Christ is commanding Satan to depart from His presence.

8. Nalain’i Satana fanahy Izy kanefa tsy nilefitra tamin’izany (jereo ny Matio 4:1–11; F&F 20:22).

Sary
Joseph Smith, Jr. depicted kneeling in the Sacred Grove during the First Vision. A ray of light can be seen coming from the sky down through the trees toward Joseph.

9. Manohy manao ny sitrapon’ny Rainy Izy sady mitarika ny Fiangonana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17; F&F 19:2, 24)