Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aza mamery na oviana na oviana ny fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Aza mamery na oviana na oviana ny fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy

Ny tena fifaliana dia miankina amin’ny fahavononantsika hanatona an’i Kristy sy ny fananana fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika.

Dimy taona lasa androany no nananganantsika ny tanantsika mba hanohana ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, ho Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany―ilay mpitondratenin’ny Tompo ho an’ity vanim-potoan’ny fitomboana sy ny fanambarana miavaka ity. Tamin’ny alalany no nandraisantsika fanasana tsy tambo isaina sy nampanantenana antsika ireo fitahiana be voninahitra raha toa ka hametraka ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy, ho ivon’ny fiainantsika isika.

Tamin’ny 2011, raha niara-nanompo tamin’ny vadiko tamin’ny naha-mpitarika ny misiôna tany Curitiba Brésil mahatehotia aho, dia naneno ny findaiko nandritra ny fivoriana iray. Iny aho nikoropaka hampangina azy iny indrindra no tsikaritro fa antso avy tamin’ny raiko ilay izy. Nandao faingana ilay fivoriana aho mba hamaly hoe: “Manahoana Dada!”

Tsy nampoiziko fa heniky ny fihetseham-po ny feony: “Manahoana i Bonnie. Mila milaza zavatra aminao aho. Fantatra fa voan’ny SLA aho.”

Nameno ahy ny safotofoton-tsaina, “Andraso aloha! Inona izany SLA izany?”

Efa nanazava sahady i Dada: “Hijanona ho kinga ny saiko saingy hihamalemy tsikelikely ny vatako.”

Tsapako toa nivadika ny tontoloko raha nanomboka niady tamin’ny fiantraikan’ity vaovao mampalahelo ity aho. Saingy tamin’io andro tsy hay hadinoina io, dia ny fehezan-teny farany nolazainy no tafajanona maharitra tao am-poko. Hoy ny raiko malalako nanafatrafatra hoe: “Bonnie a, aza mamery na oviana na oviana ny fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy.”

Nosaintsainiko ary nentiko am-bavaka ny torohevitr’i Dada. Matetika aho no nanontany tena raha toa ka fantatro tsara ny dikan’ny hoe tsy mamery na oviana na oviana ny fahafahana mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Tahaka anareo, izaho dia nijoro ho vavolombelona indraindray rehefa alahady voalohan’ny volana ary nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy. Imbetsaka aho no nijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara tao anatin’ny lesona iray. Nampianatra fahamarinana tamim-pahasahiana aho ary nanambara ny maha-Andriamanitra an’i Kristy fony aho misiônera.

Na izany aza, dia tsapako ho tena an’ny tenako manokana io fiangaviana io! Toa ireny niteny tamiko ireny izy hoe: “Bonnie a, aza avela handresy anao izao tontolo izao! Mijanòna ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny Mpamonjy. Katsaho ny hiaina ny fitahiany isan’andro, ary aoka ianao ho afaka hijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny amin’ny heriny sy ny fanatrehany eo amin’ny fiainanao!”

Miaina ao anatin’ny tontolo lavo isika, izay misy zavatra mahavarimbariana misarika ny fifantohan’ny masontsika sy ny fontsika amin’ny zavatra eto amin’izao tontolo izao fa tsy amin’ny zavatra ara-panahy. Tahaka ny Nefita ao amin’ny 3 Nefia 11, dia mila an’i Jesoa Kristy isika. Azonareo alaina sary an-tsaina ve hoe teo anivon’ireo olona niaina korontana sy faharavana be dia be ireo ianao? Hanao ahoana izany mandre ny fanasan’ny Tompo anao manokana izany:

“Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko, hahazoanareo mitehika ny lanivoako amin’ny tananareo, ary koa mba hahazoanareo mitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanako sy amin’ny tongotro mba hahafantaranareo fa Izaho no … Andriamanitry ny tany manontolo, ary efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao.

“Ary … nandroso … ny valalabemandry … tsirairay ary hitany tamin’ny masony sy notsapainy tamin’ny tanany … ary fantany marina tokoa ary vavolombelona manambara izy ireo fa Izy no Ilay efa nosoratan’ny mpaminany fa ho avy.” 1

Mailaka ery ireo Nefita ireo nandroso mba hitehika ny lanivoany tamin’ny tanan’izy ireo ary hitsapa ireo diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony, mba hahafahany mijoro ho vavolombelona manokana fa Izy tokoa no ilay Mesia. Toy izany koa, olona mahatoky maro izay nianarantsika tao amin’ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity no niandry fatratra ny fiavian’i Kristy. Dia niala teny an-tsahany sy ny dabiliony ary ny latabatra fisakafoana izy ireo, ka nanaraka Azy, dia niantehitra Taminy sy nitangorona teo Aminy ary niara-nipetraka Taminy. Moa ve isika maniry mafy ny hahita mivantana mihitsy tahaka ireo valalabemandry tao amin’ny soratra masina? Moa ve ny fitahiana tadiavintsika tsy dia ilaina loatra noho ny azy ireo?

Rehefa nitsidika mivantana ireo Nefita tao amin’ny tempolin’izy ireo i Kristy, ny fanasana nataony dia tsy ny hijoroana lavidavitra sy hijerena Azy, fa ny hikasika Azy, ny hahatsapa ho an’ny tenany manokana ny maha-tena misy ny Mpamonjy ny olombelona. Ahoana no ahafahantsika manatona akaiky ka ho afaka hahazo fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy? Mety ho anisan’ny zavatra nezahin’ny raiko nampianarina ahy izany. Na dia mety tsy mankamamy ny fifandraisana akaiky mivantana mitovy tamin’ireo izay niara-nandeha tamin’i Kristy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany aza isika dia afaka miaina ny heriny isan’andro amin’ny alalan’ny Fanahy Masina! Araka izay ilaintsika!

Ireo zatovovavy manerana izao tontolo izao dia nampianatra ahy zavatra betsaka momba ny fikatsahana an’i Kristy sy ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona manokana momba Azy isan’andro. Mamelà ahy hizara ny fahendren’ny anankiroa amin’ izy ireo:

Nijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany nandritra ny androm-piainany i Livvy. Raha ny marina, dia fahazaran’ny fianakaviany ny mijery ireo fivoriana dimy ao an-tokantranony. Taloha, ny fihaonambe ho an’i Livvy dia nidika ho fanaovana kisarisary na faharendrehana amin’ny torimaso tsy nahy indraindray. Saingy niavaka iny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana ôktôbra teo iny. Nanjary nahakasika azy manokana izany.

Tamin’ity indray mitoraka ity dia nanapa-kevitra ny ho mpandray hafatra mavitrika i Livvy. Nampangina ny fampandrenesana tao amin’ny findainy izy ary nandray an-tsoratra ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy. Talanjona izy rehefa nahatsapa zavatra miavaka izay tian’Andriamanitra henoiny sy hataony. Nitondra fiovana teo amin’ny fiainany saika teo no ho eo io fanapahan-kevitra io.

Andro vitsy monja taty aoriana dia nanasa azy hijery sarimihetsika iray tsy mendrika ny namany. Nilaza izy hoe: “Tsapako niverina tao am-poko ireo hafatra sy ny zavatra tsapako tamin’ny fihaonambe, ary reko ny tenako nandà ny fanasan’izy ireo.” Nanana risi-po hizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny Mpamonjy tao amin’ny paroasiny ihany koa izy.

Taorian’ireo zava-nitranga ireo dia nilaza izy hoe: “Ny mahagaga dia rehefa nandre ny tenako aho nijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy, dia tsapako ny Fanahy Masina nanamafy izany tamiko indray.”

Tsy hoe zara raha nanao ezaka i Livvy mba hahazoana tombontsoa avy tamin’ny fihaonambe, fa nimasoany tokoa izany, tamin’ny saina sy fanahy, ka dia nihamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Dia misy an’i Maddy koa. Rehefa tsy niangona intsony ny fianakaviany, dia very hevitra i Maddy ary tsy nahazo antoka ny amin’izay tokony hatao. Tsapany fa misy zavatra manan-danja tsy ampy. Koa, nanomboka nandeha niangona irery i Maddy, fony 13 taona. Na dia sarotra sy tsy mampahazo aina aza ny hoe irery indraindray dia fantany fa afaka mahita ny Mpamonjy any am-piangonana izy ary naniry ny ho eo amin’izay misy Azy. Hoy izy: “Toy ny tao an-trano ny fanahiko rehefa tao am-piangonana.”

Nifikiran’i Maddy ilay fahamarinana fa nofehezina ho mandrakizay ny fianakaviany. Nanomboka nitondra ireo zandriny lahy niaraka taminy tany am-piangonana izy ary niara-nandalina ny soratra masina tamin’izy ireo tany an-trano. Nanomboka niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny reniny taty aoriana. Nolazain’i Maddy an’ny reniny ny faniriany hanao asa fitoriana ary nanontany ny reniny izy raha toa ka ho vonona hiaraka aminy handeha any amin’ny tempoly izy.

Any amin’ny IFM (MTC) i Maddy izao. Manompo izy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy izy. Ny ohatra nasehony dia nanampy nitarika ny rainy sy ny reniny hiverina tany amin’ny tempoly sy hiverina tamin’i Kristy.

Tahaka an’i Livvy sy i Maddy, rehefa misafidy ny hitady an’i Kristy isika, dia hijoro ho vavolombelona momba Azy amin’ny toe-javatra maro samihafa ny Fanahy. Mitranga ireo tenivavolombelon’ny Fanahy ireo rehefa mifady hanina, mivavaka, miandry ary manohy mandroso isika. Ny fanakaikezantsika an’i Kristy dia mitombo amin’ny alalan’ny fitsaohana matetika any amin’ny tempoly, ny fibebahana isan’andro, ny fandalinana ny soratra masina, ny fandehanana any am-piangonana sy ny fanatrehana seminera, ny fisaintsainana ny tsodranon’ny patriarika, ny fandraisana amim-pahamendrehana ireo ôrdônansy, ary ny fanajana ireo fanekempihavanana masina. Ireo rehetra ireo dia manasa ny Fanahy hanazava ny saintsika, ary mitondra fiadanana sy fiarovana fanampiny izany. Kanefa moa ve isika manaja azy ireny mba ho fahafahana masina hijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy?

Efa imbetsaka aho no tany amin’ny tempoly, fa rehefa mitsaoka ao an-tranon’i Jehovah aho dia manova ahy izany. Indraindray rehefa mifady hanina aho dia mahita ny tenako ho noana tsotra izao, fa amin’ny fotoana hafa kosa dia mivoky amin’ny Fanahy aho ary manana tanjona. Indraindray aho dia manao vavaka miverimberina sy mahazatra, saingy nisy fotoana koa aho lasa liana ny handray torohevitra avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka

Misy hery amin’ny fanaovana ireo fahazarana masina ireo ho tsy ho lisitra ana zavatra mila tontosaina fotsiny fa mba ho fahafahana hahazoana tenivavolombelona kokoa. Hiandalana ilay dingana saingy hitombo miaraka amin’ny fandraisana anjara mavitrika isan’andro sy ireo zavatra iainana misy tanjona miaraka amin’i Kristy izany. Rehefa mampihatra tsy tapaka ny fampianarany isika dia mahazo fijoroana ho vavolombelona momba Azy; manorina fifandraisana Aminy sy ny Raintsika any An-danitra isika. Manomboka tonga tahaka Azy Ireo isika.

Mamorona zavatra manenlingelina ny fahavalo ka mety ho sarotra ny mandre ny feon’ny Tompo. Tsy hihamangina ny tontolontsika, ireo fanamby ananantsika, ireo toe-javatra iainantsika, kanefa afaka sy tsy maintsy ho noana sy mangetaheta ireo zavatra izay an’i Kristy isika mba handrenesana Azy amin’ny fomba mazava.2 Tiantsika ny hamorona fahazarana momba ny maha-mpianatra sy ny fijoroana ho vavolombelona izay hampifantoka ny fianteherantsika amin’ny Mpamonjy antsika isan’andro.

Efa 11 taona mahery izao ny raiko no lasana, saingy velona ato anatiko ny teniny. “Bonnie a! Aza mamery na oviana na oviana ny fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy.” Manasa anao aho hiaraka amiko hanaiky ny fanasany. Mitadiava an’i Kristy na aiza na aiza—Mampanantena aho fa eo Izy!3 Ny tena fifaliana dia miankina amin’ny fahavononantsika hanatona an’i Kristy sy ny fananana fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika.

Fantatsika fa amin’ny andro farany, “ny lohalika tsirairay dia hitsaoka ary ny lela tsirairay hiaiky” fa i Jesoa no Kristy.4 Mivavaka aho mba ho lasa zavatra iainana mahazatra sy voajanahary ho antsika io fijoroana ho vavolombelona io—mba hanararaotra ny fahafahana rehetra isika hijoroana ho vavolombelona amim-pifaliana hanao hoe: Velona i Jesoa Kristy!

Tena tiako Izy. Feno fankasitrahana isika ny amin’ny Sorompanavotana tsy manam-petra nataony izay “nahatonga ny fiainana mandrakizay ho afaka ho azon’ny olona rehetra ary ny tsy fahafatesana ho zavatra efa azon’ny rehetra.”5 Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny hatsaran’ny Mpamonjy sy ny voninahiny lehibe aho amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.