Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fantatrao ve ny antony inoako an’i Kristy amin’ny maha Kristianina ahy?
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Fantatrao ve ny antony inoako an’i Kristy amin’ny maha Kristianina ahy?

Tsy maintsy nijaly sy maty ary nitsangana indray i Jesoa Kristy mba hanavotana ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana ara-batana sy hanome ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra.

Indray hariva avy niasa, taona maro lasa izay, dia nitaingina ny fiara fitateram-bahoaka fandehanako rehefa mandeha mody any New Jersey avy any New York City aho. Tsikaritr’ilay vehivavy nipetraka teo akaikiko ny zavatra nosoratako tao amin’ny solosaiko dia nanontany izy hoe: “Mino an’i … Kristy ianao?” Hoy aho hoe: “Eny, mino Azy aho!” Rehefa niresaka izahay dia nianatra aho fa vao nifindra aty amin’ilay faritra izy avy any amin’ny firenena Aziatika kanto niaviany mba hiasa eo amin’ny sehatry ny teknôlojia izay be mpifaninana ao New York.

Nanontaniako tsotra fotsiny izy hoe: “Fantatrao ve ny antony inoako an’i Kristy amin’ny maha Kristianina ahy?” Namaly tamin’ny fomba tsotra koa izy ary nanasa ahy hilaza izany taminy. Saingy rehefa iny handeha hiteny iny aho, dia nahatsapa ireny fotoana izay hitobahan’ny eritreritra maro ao an-tsaina ireny. Io no fotoana voalohany hanazavako ny “antony” maha Kristianina tamin’ny olona izay tsy nahalala izany mihitsy nefa tena manam-pahaizana. Tsy afaka niteny tsotra fotsiny aho hoe: “Manara-dia an’i Jesoa Kristy aho satria nijaly sy maty an-tsitrapo noho ny fahotako Izy.” Mety hanontany tena izy hoe: “Tsy maintsy maty ve i Jesoa? Moa ve Andriamanitra tsy afaka mamela antsika sy manadio antsika fotsiny amin’ny fahotantsika raha mangataka Azy hanao izany isika?”

Inona no mety ho navalinao tao anatin’ny minitra vitsy? Ahoana no hanazavanao izany amina namana iray? Ry ankizy sy zatovo: Mba anontanio ny ray aman-dreninareo na ny mpitarika anareo rehefa afaka kelikely hoe: “Nahoana i Jesoa no tsy maintsy maty”. Ary ho anareo ry rahalahy sy anabavy, manana zavatra aboraka aminareo aho: na dia eo aza ireo zavatra rehetra izay noheveriko fa fantatro momba ny fotopampianarana, ny tantara, ny fitsipika, ary ny sisa sy ny sisa momba ny Fiangonana dia tsy mora ny namaly io fanontaniana tena manan-danja amin’ny finoantsika io. Nanapa-kevitra aho tamin’io andro io ny hifantoka bebe kokoa amin’izay manan-danja indrindra amin’ny fiainana mandrakizay.

Dia nampahafantatra ilay namako vaovao aho1 fa manana fanahy isika ankoatra ny vatana ary Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika.2 Nolazaiko azy fa niara-niaina tamin’ny Raintsika any An-danitra isika talohan’ny nahaterahantsika teto amin’ity fiainana mety maty ity.3 Noho ny fitiavany azy sy ny zanany rehetra, dia nanao drafitra ho antsika Izy mba hahazoantsika vatana araka ny endriky ny vatany feno voninahitra,4 mba ho ao anatina fianakaviana,5 ary mba hiverina ho eo anatrehany feno fitiavana mba hianoka ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika6 tahaka izay ataony miaraka amin’ny Azy.7 Kanefa, hoy aho, hiatrika sakana lehibe roa isika eto amin’ity tontolo nilaina ho lavo ity:8 (1) ny fahafatesana ara-batana: ny fisarahan’ny vatantsika amin’ny fanahintsika. Mazava ho azy fa fantany hoe ho faty avokoa isika. Ary (2) ny fahafatesana ara-panahy: ny fisarahantsika amin’Andriamanitra noho ny fahotantsika, ny fahadisoantsika, ary ny fahalementsika amin’ny maha mety maty antsika dia manalavitra antsika amin’ny fanatrehany masina.9 Nahatsapa izany ihany koa izy.

Nampahafantariko azy fa vokatry ny lalàn’ny fahamarinana izany. Io lalàna mandrakizay io dia mitaky ny hanefana sazy mandrakizay ho an’ireo otantsika tsirairay na ireo fandikantsika ny lalàna na ny fahamarinan’Andriamanitra, raha tsy izany isika tsy afaka na oviana na oviana ny hiverina hiaina eo amin’ny fanatrehany masina.10 Tsy ho rariny izany, ary Andriamanitra dia “tsy afaka mandà ny fahamarinana.”11 Nahatakatra izany izy kanefa mora nahatakatra fa Andriamanitra ihany koa dia mpamindra fo, be fitiavana, ary maniry mafy ny hanatanteraka ny fiainana mandrakizaintsika.12 Nampahafantariko an’ilay namako fa hanana fahavalo fetsy sy matanjaka ihany koa isika, ilay loharanon’ny faharatsiana sy ny lainga, hanohitra antsika.13 Noho izany dia ilaina ny olona iray manana ny herin’ Andriamanitra tsy manam-petra izay mandresy ny fanoherana sy ny sakana rehetra tahaka izany mba hanavotra antsika.14

Nozaraiko taminy avy eo ilay vaovao mahafaly—ilay “teny soa mahafaly …, dia fifaliana lehibe … ho an’ny olona rehetra”15—fa “toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”16 Nijoro ho vavolombelona tamin’ilay namako aho, ary mijoro ho vavolombelona aminareo, fa i Jesoa Kristy izany Mpamonjy izany, fa tsy maintsy nijaly, maty, ary nitsangana indray Izy—ilay Sorompanavotany tsy manam-petra —mba hanavotana ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana ara-batana17 sy hanome ny fiainana mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra sy ny fianakaviantsika18 ho an’ireo rehetra izay hanara-dia Azy. Manambara ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Ary dia toy izany no … [nahazoan’ Andriamanitra] ny fandresena tamin’ny fahafatesana; ka manome fahefana ny Zanaka hanao fanalalanana ho an’ny zanak’olombelona … ; heniky ny [famindram-po sy ny] fangorahana ny zanak’olombelona … ; nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana, ka efa nandray teo amin’ny tenany ny helony sy ny fandikany lalàna, nanavotra azy sy nanefa ny fitakian’ny fahamarinana.”19

Ireo dingana nambaran’Andriamanitra fa tsy maintsy ataontsika mba hanarahana an’i Jesoa sy hahazoana ny fiainana mandrakizay dia antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy. Tafiditra ao anatin’izany “ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana, ny batisa [hidirana ho mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany], ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany.”20 Nozaraiko tamin’ilay namako ireo dingana ireo, kanefa ireto misy fomba vitsivitsy nampianarin’ireo mpaminany sy apôsôly vao haingana izay ahafahan’ny fotopampianaran’i Kristy mitahy ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mahery vaika ny fotopampianarana madion’i Kristy. Izany dia manova ny fiainan’ny olona tsirairay izay mahatakatra izany sy mikatsaka ny hampihatra izany eo amin’ny fiainany.”21

Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe: “[Ny boky torolalana] Ho zatovo mahery! dia entitra amin’ny fanambarana ny fotopampianaran’i Kristy [sy] ny fanasana anareo [zatovo] hanao safidy mifototra amin’[izany].”22

Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Manasa ireo misiônera izahay mba hanao ireo zavatra izay asain’izy ireo ataon’ny olona ampianariny: … mampihatra ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainany [ary] mankeo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy mijanona eo amin’izany.”23

Ny fotopampianaran’i Kristy dia manome hery ireo izay manana fahasahirana na mahatsapa fa tsy manan-toerana ao amin’ny Fiangonana satria manampy azy ireo izany, araka ny nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson mba, “[h]anambara fa: maty ho ahy i Jesoa Kristy … [ary] tia ahy Izy.”24

Ry ray aman-dreny, raha manana fahasahiranana amina fitsipiky ny filazantsara na fampianaran’ny mpaminany iray ny zanakareo dia miangavy anareo aho hanohitra izay mety ho karazana fitenenan-dratsy25 na famporisihana hanohitra ny Fiangonana na ny mpitarika ao aminy. Ireny fomba tsy dia manan-danja sy fampiasan’izao tontolo izao ireny dia tsy mendrika anareo ary mety hanimba ny fahatokiana maharitra ananan’ny zanakareo.26 Izany dia milaza tsara fa ianareo dia hiaro na hisolo vava ny zanakareo sarobidy na haneho fa miray hina aminy ianareo. Izaho sy i Jayne vadiko anefa dia mahafantatra avy amin’ny zavatra niainanay manokana fa ny fampianarana ny zanaka malalanao ny antony ilantsika fatratra an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hampiharana ny fotopampianarany mitondra fifaliana no hampatanjaka sy hanasitrana azy. Andeha isika hampitodika azy ireo amin’i Jesoa, izay tena solovavan’izy ireo ao amin’ny Ray. Nampianatra ny Apôstôly Jaona hoe: “Izay rehetra … mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia manana … ny Ray sy ny Zanaka.” Avy eo izy dia mampitandrina antsika mba hitandrina “raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao.”27

Vao haingana izaho sy i Jayne no nitsidika ilay tany foana izay nanantonan’i Mosesy menarana varahina iray teo anatrehan’ireo zanak’Isiraely nirenireny. Ny Tompo dia nampanantena ny hanasitrana ireo rehetra izay voakaikitr’ireo bibilava nisy poizina raha nijery ilay izy fotsiny izy ireo.28 Rehefa mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amintsika mpikamban’ny Fiangonana ny mpaminanin’ny Tompo dia manao toy izany koa mba “hanasitranany ny vahoaka.”29 Na inona na inona kaikitra na poizina na ady iainantsika eto amin’ity tany foanan’ny fiainana an-tany ity, dia aoka isika mba tsy ho toa an’ireo izay, fahiny sy ankehitriny, tokony ho sitrana, saingy indrisy fa: “tsy nety nijery, … satria tsy ninoany fa izany dia ahahasitrana azy.”30 Ny Bokin’i Môrmôna dia manambara hoe: “Indro … izany no lalana; ary tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay hahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary ankehitriny, indro izany no fotopampianaran’i Kristy.”31

Tamin’io hariva io tany New Jersey, dia nanome ahy anabavy vaovao ary anadahy vaovao ho an’ilay vehivavy ny fizarana ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Tsapanay ny fijoroana ho vavolombelona mitondra fiadanana sy manamafy avy amin’ny Fanahy Masina. Mazava ho azy fa nanasa azy aho hizara ny mombamomba azy mba hahafahana mifandray aminy ary hanohy ilay resadresaka miaraka amin’ireo misiônerantsika. Nahafaly azy ny nanao izany.

“Noho izany, dia manan-danja lehibe ery ny fampahafantarana ny mponina eto an-tany ireo zavatra ireo,” hoy ny ambaran’ny Bokin’i Môrmôna, mba hitia, hizara ary hanasa32 eo am-panangonantsika an’i Isiraely ao amin’ny fiarahamonina rehetra misy antsika sy ny fianakaviantsika, “mba hahafantarany fa tsy misy nofo izay afaka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra raha tsy noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoava[na sy ny fotopampianaran]’ny Mesia Masina.”33 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Nisafidy ny tsy hamoaka ny anaran’ilay namako aho na hampiasa solon’anarana.

  2. Jereo ny Romana 8:15–17; Hebreo 12:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15.

  3. Jereo ny Jeremia 1:4–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:55–56; Abrahama 3:22–23, 26; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fiainana talohan’ny nahaterahana”, scriptures.ChurchofJesusChrist.org; “Lesona 2: Ny drafitry ny famonjena,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2019), 55.

  4. Jereo ny “Lesona 2: Ny drafitry ny famonjena”, Torio ny filazantsarako, 55.

  5. Ny drafitra lavorarin’ny Ray, izay antsoina hoe ny drafitra lehiben’ny fahasambarana, ny drafitry ny famonjena, ary ny drafitry ny fanavotana, ankoatra ireo anarana fiantsoana hafa, dia narindra mba hahatongavan’ny olona tsirairay avy izay tonga eto amin’ity fiainana an-tany ity tsy maintsy ao anatina fianakaviana, ary ny olona tsirairay avy dia ao anatina fianakaviana iray. Mazava ho azy, fa tsy ny toe-javatra rehetra iainan’ny fianakaviana akory no tsara indrindra na mifanaraka amin’ny vina feno fitiavan’ny Ray ho an’ny zanany rehetra, ary tena mampalahelo ny sasany amin’ireo toe-javatra iainana ireo. Na izany aza anefa, rehefa miaina ny fotopampianaran’i Kristy isika, dia manampy antsika i Jesoa Kristy handray ireo fitahiana rehetra izay nomanin’ny Ray ho an’ny zanany amin’ny alalan’ny drafiny feno famindram-po sy tsy mialon-jafy. Jereo koa ny fanamarihana faha 6.

  6. Ny iray amin’ireo fampanantenana lehibe indrindra nataon’Andriamanitra tamin’ireo zanany no lehibe indrindra ihany koa amin’ireo fanomezana nomeny antsika: ny fisandratana, na ny fiainana mandrakizay, izay midika hoe miaina mandrakizay “eo anatrehan’ Andriamanitra sy manohy miaina ao anatina fianakaviana” (Sujets de l’évangile, “Vie éternelle”, topics.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). Ny hoe “fianakaviana” dia ahitana ny ray, ny reny, sy ny zanaka, ary koa ireo havantsika velona sy maty izay manaiky sy miaina ny fotopampianaran’i Kristy. Ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay efa maty any amin’ny tontolon’ny fanahy izay tsy afaka nanaiky ny fotopampianaran’i Kristy teto amin’ity fiainana ity dia afaka manao izany ao amin’ny tontolon’ny fanahy rehefa tanterahin’ireo havana am-pitiavana amin’ny alalan’ny fisoloana tena ao amin’ireo tempolin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo ôrdônansy toy ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ireo hafa izay manampy antsika haharitra hatramin’ny farany. Ankoatra izany, ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay dia tsy natao ho an’ireo izay manambady eto amin’ity fiainana ity fotsiny ihany. Ny Filoha M. Russell Ballard dia nampianatra hoe: “Ny soratra masina sy ireo mpaminanin’ny andro farany dia manamafy fa izay rehetra mahatoky amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara dia hanana fahafahana ny hahazo fisandratana” (“Fanantenana ao amin’i Kristy”, Liahona, mey 2021, 55; nampiana fanamafisana). Raha nindrana ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Filoha Dallin H. Oaks ny Filoha Ballard dia nanohy hoe: “Ny fotoana sy ny fomba marina hanomezana ireo fitahian’ny fisandratana dia tsy mbola nambara avokoa, saingy azo antokaanefa izany” (“Fanantenana ao amin’i Kristy,” 55; nampiana fanamafisana.). Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Amin’ny fomba sy fotoan’ny Tompo manokana dia tsy hisy fitahiana holavina amin’ireo Olomasiny mahatoky. Ny Tompo dia hitsara sy hanome valisoa ny olona tsirairay araka ny fanirian’ny fony sy ny asany” (”Fanambadiana mandrakizay,” Liahona, nôv. 2008, 94). Ary nanazava ny Filoha Oaks fa: “Maro amin’ireo zavatra tena manan-danja tsy afaka notanterahina teto amin’ny fiainana mety maty no hamboarina amin’ny Arivotaona, izay fotoan’ny fahatontosan’ny zava-drehetra tsy tò tao amin’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra mendrika rehetra” (“The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1993, 75). Jereo koa ny fanamarihana faha 5.

  7. Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Drafitry ny fanavotana”, scriptures.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Sujets de l’évangile, “Plan du salut”, topics.ChurchofJesusChrist.org; “Lesona 2: Ny drafitry ny famonjena”, Torio ny filazantsarako, 48–50, 53.

  8. Jereo ny “Lesona 2: Ny drafitry ny famonjena,” Torio ny filazantsarako, 49.

  9. Jereo ny “Lesona 2: Ny drafitry ny famonjena,” Torio ny filazantsarako, 47–50.

  10. Jereo ny “Lesona 2: Ny drafitry ny famonjena,” Torio ny filazantsarako, 47–50.

  11. Môzià 15:27. Maro be ireo firesahana momba ny fahamarinana mandrakizay na ny fahamarinan’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina, fa jereo indrindra indrindra ny Almà 41:2–8 sy ny Almà 42.

  12. Jereo ny Almà 42:14–24; Mosesy 1:39.

  13. Jereo ny “Lesona 2: Ny drafitry ny famonjena,” Torio ny filazantsarako, 47–50.

  14. Jereo ny Almà 34:9–13; jereo koa ny Môzià 13:28, 34–35; 15:1–9; Almà 42:15.

  15. Lioka 2:10.

  16. Jaona 3:16.

  17. Jereo ny Helamàna 14:15–17; Môrmôna 9:12–14.

  18. Jereo fanamarihana faha 5 sy 6.

  19. Môzià 15:8–9.

  20. Inona no Tanjoko amin’ny Maha-Misiônera ahy?,” Torio ny filazantsarako, 1; jereo koa ny “Lesona 3: Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Torio ny filazantsarako, 63.

  21. Russell M. Nelson, “Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio,” Liahona, nôv. 2021, 6; nampiana fanamafisana.

  22. Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery”, Liahona, nôv. 2022, 11; jereo koa ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 4.

  23. Dale G. Renlund, “Lifelong Conversion of Missionaires” (lahateny natao tamin’ny seminera ho an’ireo filohan’ny misiona vaovao, 25 Jona 2021), 1, Church History Library, Salt Lake City.

  24. D. Todd Christofferson, “Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana”, Liahona, nôv. 2022; jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Ny fifalian’ny Olomasina”, Liahona, nôv. 2019.

  25. Jereo ny Jakoba 4:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:54;Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fitenenan-dratsy”, scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

  26. Jereo ny Ahmad S. Corbitt, “Activism vs. Discipleship: Protecting the Valiant” (Lahateny natao tamin’ny seminera ho an’ireo “aumôniers”, okt. 2022), cdn.vox-cdn.com/uploads/chorus_asset/file/24159863/Brother_Corbitt_Chaplain_seminar.pdf; video: media2.ldscdn.org/assets/general-authority-features/2022-chaplain-training-seminar/2022-10-1000-activism-vs-discipleship-1080p-eng.mp4.

  27. 2 Jaona 1:9–10.

  28. Jereo ny Nomery 21:5–9.

  29. 2 Nefia 25:20.

  30. Almà 33:20.

  31. 2 Nefia 31:21.

  32. Jereo ny “Fampitana 2021: Ireo fitsipiky ny fitiavana, fizarana, ary fanasana”, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa Gary E. Stevenson, “Mitia, mizara, manasa”, Liahona, mey 2022.

  33. 2 Nefia 2:8.