Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mpaminany velona iray ho an’ny andro farany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Mpaminany velona iray ho an’ny andro farany

Ny Ray any An-danitra dia nisafidy ilay lamina hoe amin’ny alalan’ny mpaminany iray no anambarany ny fahamarinana amin’ny zanany.

Fony aho zazalahikely dia tiako ny sabotsy satria toy ireny zavatra mampientanentana ireny daholo ireo zavatra ataoko amin’io andro io. Saingy na inona na inona ataoko dia ialohavan’ny zavatra iray faran’izay manan-danja izany, dia ny fijerena sarimiaina amin’ny fahitalavitra. Indray sabotsy toy izany, rehefa nijoro teo akaikin’ny fahitalavitra aho namadibadika nitady fandaharana, dia nahita fa ilay sarimiaina izay nantenaiko hojerena dia nosoloina fampitana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Raha iny aho teo am-pijerena ny fahitalavitra sy teo am-pimonomononana fa tsy nisy sarimiaina iny dia nahita lehilahy iray fotsy volo nanao palitao sy patalaho ary lobaka nisy karavato, nipetraka teo amin’ny seza tsara tarehy iray.

Nisy zavatra niavaka momba azy ka nanontany ny zokiko lahy aho hoe: “Iza io?”

Hoy izy hoe: “Ny Filoha David O. McKay io; mpaminany izy.”

Tsaroako hoe nahatsapa zavatra aho ary toa nahafantatra hoe mpaminany izy. Avy eo, amin’ny maha ankizilahy mpankafy sarimiaina ahy, dia novaiko ilay fantsom-pahitalavitra. Tsy nohadinoiko velively anefa ny zavatra tsapako nandritra io fotoana fohy sy tsy nampoizina izay nifono fanambarana io. Fotoana fohy monja dia ampy ahafantarana fa mpaminany ny mpaminany iray.1

Manova ny zava-drehetra ny fahafantarana amin’ny alalan’ny fanambarana fa misy mpaminany velona eto ambonin’ny tany.2 Izany dia mahatonga ny olona iray tsy liana amin’ny adihevitra momba ny hoe rahoviana ny mpaminany iray no miteny amin’ny maha-mpaminany azy na momba ny hoe mahazo rariny ve ny olona iray amin’ny fandavana ny sasany amin’ny torohevitra avy amin’ny mpaminany.3 Ny fahalalana nambara toy izany dia manasa ny olona hatoky ny torohevitry ny mpaminany velona iray, na dia tsy takatsika tanteraka aza izany.4 Raha ny marina, ilay Ray any An-danitra tonga lafatra sy be fitiavana dia nisafidy ilay lamina hoe amin’ny alalan’ny mpaminany iray no anambarany ny fahamarinana amin’ny zanany. Olona izay tsy nikatsaka velively ny hahazo antso masina toy izany ary tsy mila ny fanampiantsika mba hahafantatra ny fahelemeny manokana.5 Ny mpaminany dia olona nomanin’ Andriamanitra manokana, nantsoiny, nahitsiny, notaominy fanahy, nolevileveny, nohamasininy ary notohanany.6 Izany no antony mahatonga antsika tsy ho azon-doza ara-panahy rehefa manaraka ny torohevitry ny mpaminany.

Na tiantsika na tsy tiantsika, dia voafidy tamin’ny fomba iray tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika rehetra mba ho teraka amin’izao andro farany izao. Misy zavatra anankiroa tena ho tanteraka mifandray amin’ny andro farany. Ny zavatra voalohany tena ho tanteraka dia ny hoe haorina indray eto an-tany ny Fiangonan’i Kristy. Ny zavatra faharoa tena ho tanteraka dia ny hoe tena ho sarotra tokoa ny toe-javatra iainana. Manambara ny soratra masina fa amin’ny andro farany dia hisy “havandra vaventy halatsaka hanimba ny vokatry ny tany,”7areti-mandringana,8 “ady sy filazana ady; ary ho ao anaty korontana ny tany manontolo, … ary ho betsaka ny faharatsiana.”9

Fony aho mbola zaza dia nampatahotra ahy ireo faminaniana ireo ary nahatonga ahy hivavaka mba tsy ho tonga mandritra ny androm-piainako ny Fiaviana Fanindroany, izay azoko lazaina hoe nahomby hatreto. Saingy amin’izao fotoana izao dia ny mifanohitra amin’izany no ivavahako, na dia azo antoka aza fa ho tanteraka ireo zava-tsarotra nambara tamin’ny alalan’ny faminaniana,10 satria rehefa hiverina hanjaka i Kristy dia handry fahizay ny zavatra nohariany rehetra.11

Nahatonga ny sasany hihotakotaka ny toe-java-misy eto amin’izao tontolo izao amin’izao fotoana izao. Amin’ny maha-zanaky ny fanekempihavanan’ Andriamanitra antsika dia tsy mila mitady zavatra etsy sy eroa isika mba hahafantarana ny fomba hoenti-mamakivaky ireo fotoan-tsarotra. Tsy mila matahotra isika.12 Ny fotopampianarana sy ireo fitsipika izay tsy maintsy arahintsika mba hahatafavoahana velona ara-panahy sy mba haharetana ara-batana dia hita ao anatin’ireo tenin’ny mpaminany velona.13 Izany no antony nanambaran’ny Filoha M. Russell Ballard fa “zava-dehibe … ny manana mpaminanin’ Andriamanitra eo anivontsika.”14

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson fa “ilay lamin’ Andriamanitra efa napetraka hatry ny ela mahakasika ny fampianarana ny zanany amin’ny alalan’ireo mpaminany dia manome antoka antsika fa hitahy ny mpaminany tsirairay Izy ary hitahy ireo izay manaraka ny torohevitry ny mpaminany.”15 Noho izany ny fanarahana ny mpaminany velona no fanalahidy.16 Ry rahalahy sy anabavy, ny fampianaran’ny mpaminany dia tsy tahaka ny tantara mitohy an-tsary efa tranainy sy fiara efa tranainy izay mihasarobidy kokoa rehefa mandeha ny taona. Izay no antony tsy tokony hikatsahantsika ny hampiasa ireo tenin’ny mpaminany taloha mba hanilihana ny fampianaran’ny mpaminany velona.17

Tiako ireo fanoharana nampiasain’i Jesoa Kristy mba hampianarana fitsipiky ny filazantsara. Te hizara fanoharana nitranga tao anatin’ny toe-javatra tena nisy teo amin’ny fiainana aho amin’ity maraina ity.

Indray mandeha aho niditra tao amin’ny toeram-pisakafoanana tao amin’ny foiben’ny Fiangonana mba hisakafo antoandro. Rehefa avy naka lovia nisy sakafo aho dia niditra ny faritra fihinanana sakafo ary nahatsikaritra latabatra iray ka ireo mpikambana anankitelo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany no nipetraka teo amin’izany ary nisy seza iray tsy nisy olona teo amin’izany. Lasa nihodina haingana lavitra ilay latabatra aho noho ny tahotro, ary avy eo aho naheno ny feon’ny mpaminanintsika, ny Filoha Russell M. Nelson, nilaza hoe: “Allen a! Eto misy seza tsy misy mipetraka. Avia miara-mipetraka aminay.” Ary dia nipetraka aho.

Tany amin’ny faramparan’ny sakafo antoandro dia taitra aho raha nandre feon-javatra mikasaosaoka. Ary rehefa nitraka aho dia nahita ny Filoha Nelson nampitsangana ho nahitsy tsara ny tavoahangy plastika fitoeran-dranony ary avy eo nofisahiny izany ary naveriny ny sarony.

Napetraky ny Filoha Dallin H. Oaks avy eo ilay fanontaniana tiako hapetraka: “Ry Filoha Nelson, nahoana no nofisahinao ny tavoahangy plastika fitoeran-dranonao?”

Namaly izy hoe: “Manamora kokoa ny asan’ireo izay misahana ny fanodinan-javatra tsy ilaina intsony izany satria tsy mibahana toerana loatra izany rehefa ao anatin’ny fitoeran-javatra tsy ilaina intsony azo ahodina.”

Raha teo am-pisaintsainana izany valin-teny izany aho, dia nahare ilay feon-javatra mikasaosaoka indray. Nijery teo ankavanako aho ary dia nofisahin’ny Filoha Oaks toy ny an’ny Filoha Nelson ny tavoahangy plastika fitoeran-dranony. Naheno feo-javatra teo ankaviako aho avy eo, ary teo am-panafisahana ny tavoahangy plastika fitoeran-dranony ny Filoha Henry B. Eyring, na dia fomba hafa aza no nentiny nanaovana izany, tamin’ny alalan’ny fanatsivalanana ilay tavoahangy, izay nitaky ezaka bebe kokoa noho ilay tavoahangy natsangana. Rehefa nahatsikaritra izany ny Filoha Nelson dia nasehony azy tamin-katsaram-panahy ilay fomba fanaovana izany amin’ny alalan’ny fananganana ilay tavoahangy mba hanamorana kokoa ny famisahana ilay tavoahangy.

Tamin’izay fotoana izay dia niondrika kely tany amin’ny Filoha Oaks aho ary nibitsibitsika nanontany hoe: “Moa ve ny famisahana ny tavoahangy plastika fitoeran-dranonao zavatra iray vaovao takina ato amin’ny toeram-pisakafoanana mahakasika ny fanodinan-javatra tsy ilaina intsony?”

Namaly tamim-pitsikiana ny Filoha Oaks hoe: “Ry Allen, mila manaraka ny mpaminany ianao.”

Azoko antoka fa tsy nanambara fotopampianarana vaovao mifototra amin’ny fanodinan-javatra tsy ilaina intsony ny Filoha Nelson tao amin’ny toeram-pisakafoanana tamin’io andro io. Saingy azontsika atao ny mianatra avy amin’ny fandraisana andraikitra haingana18 nataon’ny Filoha Oaks sy ny Filoha Eyring nanoloana ny ohatra nasehon’ny Filoha Nelson sy ny firaharahian’ny Filoha Nelson ny hanampy amin’ny fampianarana amin’ny fomba tsara kokoa ireo izay voakasik’izany.20

Taona maro lasa izay ny Loholona Neal A. Maxwell no nizara fanamarihana sy torohevitra vitsivitsy izay tena mahakasika manokana izao androntsika izao:

“Ao anatin’ireo volana sy ireo taona ho avy, ireo zavatra hitranga dia tena hitaky ny mpikambana tsirairay mba hanapa-kevitra hoe hanaraka na tsia ny Fiadidiana Voalohany izy. Ho sarotra kokoa ho an’ny mpikambana ny hisalasala maharitra eo amin’ny fisafidianana izay hevitra arahina. …

“… Andeha isika hamela firaketana mba hazava ny safidy atao, ary hamela ny hafa hanao izay tiany eo anatrehan’ny torohevitry ny mpaminany. …

“Nilaza i Jesoa fa rehefa mandravina ny aviavy, dia -efa akaiky ny lohataona.- … Noho izany rehefa nomena fampitandremana isika fa ho tonga ny lohataona, dia aoka isika tsy himenomenona amin’ny hafanana!”20

Ny taranaka vao misondrontra dia mitombo ao anatin’ny fotoana iray izay ahitana ravin’aviavy bebe kokoa ary hafanana bebe kokoa. Izany zava-misy izany dia mitaky andraikitra mavesatra kokoa eo anatrehan’ny taranaka efa nisondrotra, indrindra mahakasika ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany. Rehefa tsy miraharaha ny torohevitry ny mpaminany velona ny ray aman-dreny, dia tsy vitan’ny hoe mamoy ireo fitahiana nampanantenaina fotsiny izy ireo, fa ny zava-doza kokoa dia mampianatra ny zanany izy ireo fa izay lazain’ny mpaminany dia tsy misy dikany na ny torohevitry ny mpaminany dia toy ny aingitraingi-tsakafo ka tsy misy iraharahiana akory izay tsy fanjarian-tsakafo ara-panahy aterak’izany.

Nilaza ny Loholona Richard L. Evans indray mandeha hoe: “Misy ray aman-dreny izay diso fihevitra fa hoe afaka tsy dia hentitra loatra izy ireo eo amin’ny lafiny fitondrantena sy ny fampifanarahana ny fiainana amin’ireo fitsipika … hoe afaka milefitra kely izy ireo eo amin’ireo zavatra tena fototra ka tsy atao misy fiantraikany eo amin’ny fianakaviany sy ny hoavin’ny fianakavan’izy ireo any aoriana izany. Saingy raha toa ny ray na reny iray mivaona kely fotsiny amin’ny lalana, dia tena hihoatra ny ohatra nasehon’ny rainy na ny reniny ny zavatra hoataon’ny zanaka.”21

Amin’ny maha-taranaka antsika izay manana andraikitra masina mba hanomana ny taranaka vao misondrotra amin’ilay anjara asa naminiana amin’izao andro farany izao,22 izay anjara asa tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fotoana iray izay tena mampahery vaika ny fitarihan’ny fahavalo,23 dia tsy afaka ny ho loharono ipoiran’ny fisafotofotoana isika mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany. Io torohevitra io mihitsy no hanome fahafahana ny taranaka vao misondrotra hahita “ny fahavalo raha mbola lavitra izy ka ho afaka [hiomana izy ireo]” hanohitra ny fanafihan’ny fahavalo.24 Ny fiviliana lalana ataontsika izay toa kely, na ny tsy firaharahiana ataontsika mangingina, na ireo fitsikerana ataontsika any ambadimbadika any eo anatrehan’ny torohevitry ny mpaminany dia mety hahatonga antsika handeha amin’ny fomba mampidi-doza eny akaikin’ny sisin’ny lalan’ny fanekempihavanana fotsiny, saingy rehefa ampitomboin’ny fahavalo izany eo amin’ny fiainan’ny taranaka vao misondrotra, dia mety hitarika azy ireo hiala tanteraka eo amin’ilay lalana ny fihetsika toy izany. Tena goavana ny voka-dratsin’izany eo amin’ny taranaka.25

Ny sasany aminareo dia mety mahatsapa ho tsy nahomby teo amin’ny ezaka nataonareo tamin’ny fanarahana ny torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson. Raha izay no zava-misy dia mibebaha ary manomboha indray manaraka ny torohevitry ny mpaminany izay nofidin’ Andriamanitra. Aza variana amin’ny fieritreretana sarimiaina an-jazakely ary matokia an’ilay voahosotry ny Tompo. Mifalia satria “misy mpaminany tokoa [indray] ao amin’ny Isiraely.”26

Na dia tsy azonao antoka aza, dia mijoro ho vavolombelona aho fa afaka mahazaka ny hafanana entin’ny andro farany ianao ary afaka mivelatra mihitsy aza ao anatin’izany. Isika no Olomasina amin’ny andro farany ary izao dia andro lehibe. Tsy andrintsika fahiny izay hankanesantsika ety an-tany amin’izao fotoana izao, ary nanana fahatokian-tena isika fa tsy ho avela ho lavo rehefa miatrika ny zavon’ny haizina mihamatroka sy tsy mitsahatry ny mampisafotofoto izay entin’ilay fahavalo,27 fa hanaraka kosa ny torohevitra sy ny fitarihana avy amin’ilay nomena fahefana manokana mba hilaza amintsika sy amin’izao tontolo izao hoe: “Izao no lazain’ny [Tompo Andriamanitra].”28 Amin’ny anarana masin’ilay mpaminany izay natsangan’ Andriamanitra, Ilay Iray Masin’ny Isiraely,29 dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Vao haingana ny Filoha Russell M. Nelson no nanasa ny mpianatra tao amin’ny Oniversite Brigham Young mba hanana io traikefa manokana izay mifono fanambarana io: “Anontanio ny Rainareo any An-danitra raha toa ka apôstôly sy mpaminanin’ny Tompo tokoa izahay. Anontanio raha toa naharay fanambarana momba izany sy momba ny zavatra hafa izahay” (“The Love and Laws of God” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 17 sept 2019], speeches.byu.edu). Jereo koa ny Neil L. Andersen, “Ilay Mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 26: “Manana tombontsoa isika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika handray fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tena manokana fa avy amin’ Andriamanitra ny antson’ny Filoha Nelson.” Ny tantaran’ny fiovam-pon’i Almà tamin’ny alalan’ny fihainoana ny mpaminany Abinadia dia manome porofo bebe kokoa fa isika rehetra dia afaka mahazo fanambarana mikasika ny mpaminany iray (jereo ny Môzià 13:5; 17:2).

  2. “Na isika manana mpaminany iray na isika tsy manana na inona na inona; ary rehefa manana mpaminany iray isika dia manana ny zava-drehetra” (Gordon B. Hinckley, “We Thank Thee, O God, for a Prophet,” Ensign, Jan. 1974, 122).

  3. “Nanomboka tsy nino ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanahin’ny fanambarana izy; ary ny fitsaran’ Andriamanitra dia nibanjina azy nifanatrika” (Helamàna 4:23; jereo koa ny Fotopampiarana sy Fanekempihavanana 11:25). “Isika dia mihira sy nanao izany tsy tapaka hoe: -Misaotra Anao noho ny mpaminany, nomenao hitarika anay.- Misy olona maro dia maro manisy fanamarihana eo amin’izany ary hilaza hoe: -Raha toa fotsiny izy ka mitarika anay mba hahatanterahan’ireo haitraitranay sy ireo fanirianay manokana-” (Teachings of Presidents of the Church: Heber J. Grant [2002], 80).

  4. “Indraindray isika handray torohevitra izay tsy takatsika na toa tsy miantefa amintsika, na dia taorian’ny fanaovana vavaka lalina sy fieritreretana lalina aza. Aza ailika ilay torohevitra fa hazony mafy izany. Raha misy olona atokisanao manome anao zavatra iray izay tsy inona fa toy ny fasika miaraka amin’ny fampanantenana fa misy volamena ao anatin’izany, dia mety hihazona izany amim-pahendrena ao an-tananao ianao mandritra ny fotoana fohy ary hahontsankontsanao moramora izany. Isaky ny nanao izany tamin’ny torohevitra avy amin’ny mpaminany iray aho, dia nanomboka nipoitra ireo vongam-bolamena rehefa taty aoriana ary feno fankasitrahana aho” (Henry B. Eyring, “Finding Safety in Counsel,” Ensign, May 1997, 26; jereo koa ny 3 Nefia 1:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:14).

  5. Jereo ny 2 Nefia 4:17–18. “Aza manameloka ahy noho ny tsy fahatanterahako, na ny raiko, noho ny tsy fahatanterahiny, … fa aleo kosa manati-tsaotra an’ Andriamanitra fa Izy no efa naneho taminareo ny tsy fahatanterahanay mba hahazoanareo mianatra ny ho hendry kokoa noho izahay” (Môrmôna 9:31).

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:6–8; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:47.

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:16.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:97; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6.

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26, 27.

  10. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38.

  11. Hosea 2:18. “Fa haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Aho, miaraka amin’ny miaramilany rehetra, ka hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ny olona eto an-tany arivo taona, ary ny olon-dratsy tsy hahatanty” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:11).

  12. Jereo ny 1 Nefia 22:16–17; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23.

  13. “Fa indro, efa notsipahiny ny tenin’ny mpaminany. Koa raha nitoetra teo amin’ny taniny ihany ny raiko rehefa avy nodidina izy handositra hiala ny tany, dia indro fa ho faty koa izy” (1 Nefia 3:18; jereo koa ny 2 Nefia 26:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:5).

  14. M. Russell Ballard, “His Word Ye Shall Receive,” Liahona, July 2001, 65.

  15. Russell M. Nelson, “Demandez, chercher, frappez,” Liahona, nov. 2009, 82. “Tsy misy olona faly kokoa noho ny olona mankatò ny torohevitry ny mpaminany velona” (The Teachings of Lorenzo Snow, navoakan’i Clyde J. Williams [1996], 86).

  16. “Afantohy any amin’ireo izay miahy ny Fiangonana androany na rahampitso ny masonareo, ary volavolao amin’izay zavatra avy amin’izy ireo ny fiainanao toy izay hitoetra amin’ny fieritreretana ny zavatra mety ho nojeren’ireo mpaminany fahiny na mety ho noeritreritr’izy ireo na mety ho noresahan’izy ireo” (The Teachings of Harold B. Lee [1996], (525).

  17. Indray mandeha ny Filoha Spencer W. Kimball dia nilaza hoe “ireo izay manindrahindra ny tenin’ireo mpaminany fahiny dia alaim-panahy hampiasa izany mba hanakianana ireo mpaminany velona” (The Teachings of Spencer W. Kimball, navoakan’i Edward L. Kimball [1982], 505). “Ireo teny manan-danja indrindra azontsika henoina sy alalinina ary arahina dia ireo izay ambara amin’ny alalan’ny mpaminanintsika velona” (Ronald A. Rasband, “Ireo zavatry ny fanahiko,” Liahona, nôv. 2021, 40).

  18. “Tokony ho eny sy mailaka ny valin-tenintsika rehefa maheno ny torohevitry ny Tompo izay ambarany amin’ny alalan’ny tenin’ny Filohan’ny Fiangonana isika.” (M. Russell Ballard, His Word Ye Shall Receive,” Liahona, July 2001).

  19. “Notarihin’ny mpaminany velona sy ny apôstôly foana hatrizay ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Na dia olombelona mety maty sy tsy lavorary aza ireo mpanompon’ny Tompo dia entanim-panahy izy ireo mba hanampy antsika hisoroka ireo sakana izay mampidi-doza ny fiainana ara-panahy sy hanampy antsika handalo soa aman-tsara ny fiainana an-tany mankany amin’ilay toerana farany ambony indrindra any an-danitra izay halehantsika” (M. Russell Ballard, “Andriamanitra no mpanamory,” Liahona, nôv. 2015, 24).

  20. Neal A. Maxwell, “A More Determined Discipleship,” Ensign, Feb. 1979, 69–70.

  21. Richard L. Evans, “Foundations of a Happy Home,” ao amin’ny Conference Report, Oct. 1964, 135–36.

  22. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:11; jereo koa ny Robert D. Hales, “Notre devoir envers Dieu: la mission des parents et des dirigeants auprès de la génération montante,” Liahona, mai 2010, 95– 98.

  23. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14.

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:54.

  25. Jereo ny Môzià 26:1–4.

  26. 2 Mpanjaka 5:8.

  27. “Hampandrianareo sofina amin’ny teniny rehetra sy ny didy rehetra izay homeny anareo araka ny andraisany azy ireny , … . Fa amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo; eny, ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny haizina eo anoloanareo ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4, 6). “Tsy nisy olona hatrizay izay nanaraka ny fampianarana avy amin’ilay iray izay mijoro ho solontenan’ny Tompo, na naka hevitra taminy, na nanaraka ny toroheviny ka nivily lalana” (Doctrines of Salvation: Sermons and Writings of Joseph Fielding Smith, navoakan’i Bruce R. McConkie [1998], 243).

  28. Ezekiela 3:27. “Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5).

  29. Jereo ny 1 Nefia 22:20–21; jereo koa ny 3 Nefia 20:23.