Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano

Manana toerana miavaka isika amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly izay tsy mbola nisy tahaka izany teo ambanin’ny drafitry ny Ray.

Ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminany malalantsika dia nanantitrantitra lalina fa ny andraikitra manokana ananantsika dia ny manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely niely patrana sy manomana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany.1 Maniry antsika zanany ny Rain’ny fanahintsika mba ho tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano.

Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra amin’ny fanangonana soa aman-tsara ireo zanany ao amin’ny tokantranontsika any an-danitra dia tsy mifototra amina fahombiazana arak’izao tontolo izao, na ny fari-piainana, na ny fianarana norantovina, na ny firazanana na ny maha-lahy na vavy. Ny drafitry ny Ray dia mifototra amin’ny fahamarinana sy amin’ny fitandremana ny didiny ary amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy masina sy ny fanajana ireo fanekempihavanana izay nataontsika.2

Ilay fotopampianarana masina feno fitariham-panahy hoe mpirahalahy sy mpirahavavy isika rehetra, sy ilay hoe “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” no fototr’ity asa lehiben’ny fanangonana ity. Io fotopampianarana io dia mifanaraka tsara amin’ireo izay manam-paniriana lalina ny hananan’ireo olona manana fari-piainana sy firazanana samihafa fiainana tsaratsara kokoa. Midera sy mandray anjara amin’ny ezaka tahaka izany isika. Ho fanampin’izany dia maniry isika ny hanatonan’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra Azy sy handraisan’izy ireo ireo fitahiana mandrakizay izay atolony amin’ny alalan’ny Filazantsarany.3 Manambara ny Tompo ao amin’ny sasin-teniny ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Mihainoa ianareo ry olona lavitra; ary ianareo izay any amin’ny nosin-dranomasina, miaraha-mihaino.”4

Tiako fa ny andininy voalohany indrindra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana ireo olona izay any “amin’ny nosin-dranomasina.” Intelo aho no nanana antso manokana ny hanompo sy hipetraka tany amin’ny nosin-dranomasina. Ny voalohany dia fony aho misiônera tanora tany amin’ireo Nosy Britanika, ny faharoa dia tamin’ny naha-Manampahefana Ambony vaovao ahy tany amin’ireo Nosy Filipina, ary avy eo tamin’ny naha-Filohan’ny Vondromparitra ahy tany amin’ireo Nosy Pasifika izay ahitana ireo nosy Pôlineziana maro.

Ireo faritra telo ireo dia nahangona tamim-pahombiazana mpino ho ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Tamin’ny 1837 no nahatongavan’ireo misiônera voalohany tany amin’ireo Nosy Britanika. Herintaona taorian’ny nanokanan’i Joseph Smith ny Tempolin’i Kirtland izany, toerana izay nanoloran’i Mosesy “ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra sy ny fitarihana ny firenena folo avy any amin’ny tany avaratra.”5 Manan-tantara ny fahombiazana tany am-boalohany tany amin’ireo Nosy Britanika. Tamin’ny 1851 dia nihoatra ny antsasaky ny mpikamban’ny Fiangonana no mpikambana niova fo vita batisa nonina tany amin’ireo Nosy Britanika.6

Tamin’ny 1961 ny Loholona Gordon B. Hinckley dia nitsidika sy nanomboka ny asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany amin’ireo Nosy Filipina. Vao iray monja no lehilahy Filipianina mpihazona Fisoronana Melkizedeka tamin’izany fotoana izany. Mahavariana fa misy mpikamban’ny Fiangonana maherin’ny 850.000 ankehitriny any amin’ireo Nosy Filipina. Mahatalanjona ahy ny vahoaka Filipianina. Manana fitiavana lalina sy maharitra ho an’ny Mpamonjy izy ireo.

Tsy dia fantatra loatra angamba ny ezaka mitranga ho an’ny asa fitoriana any amin’ireo Nosy Pôlineziana. Nanomboka tamin’ny 1844 izany rehefa tonga tany amin’ilay antsoina ankehitriny hoe Pôlinezia Frantsay i Addison Pratt.7 Efa maro ireo Pôlineziana efa nino ny fianakaviana mandrakizay sy nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjin’izy ireo. Ankehitriny dia efa ho 25 isan-jaton’ny Pôlineziana ao amin’ireo Nosy Pôlineziana no mpikamban’ny Fiangonana.8

Indray maka aho nihaino tovovavy 17 taona tany amina nosy Tahisianina lavitra, izay mpikambana taty amin’ny taranaka fahafito. Nanome voninahitra ny razambeny izay niova fo tamin’ny 1845 tany Tubuai izy, roa taona talohan’ny nahatongavan’ireo mpikamban’ny Fiangonana voalohany tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake.9

Mazava ny fotopampianarantsika fa hoe hisy ny fotoana sy andro handraisan’ny olon-drehetra ny hafatry ny filazantsara sy handraisany andraikitra eo anatrehan’izany. Ireo ohatra ireo dia ampahany fotsiny amin’ny toe-javatra iray lehibe lavitra kokoa. Ny Filoha Nelson dia nanantitrantitra hatrany fa “ny fanangonana an’i Isiraely no fanamby, … foto-kevitra, ary … asa “lehibe indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao.”10

Mandra-pahatongan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, anisan’izany ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanambarana ary ireo fanalahidin’ny fisoronana nomena ny Mpaminany Joseph Smith dia nizarazara sy voafetra ny fahatakarana ny fanangonana an’i Isiraely.11

Ny anarana miavaka hoe “Isiraely” dia anarana nasalotra an’i Jakoba.12 Lasa naneho ny taranak’i Abrahama tamin’ny alalan’i Isaka sy Jakoba izany. Ny fampanantenana sy fanekempihavanana tany am-boalohany tamin’i Abrahama dia voalaza ao amin’ny Abrahama 2:9–10, izay mivaky toy izao amin’ny ampahany:

“Ary Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe, …

“Ary Izaho hitahy [ny firenena rehetra] amin’ny anaranao; fa izay rehetra mandray ity Filazantsara ity dia hantsoina araka ny anaranao ary hisaina ho isan’ny taranakao, ka hitsangana sy hitso-drano anao ho toy ny rainy”

Nandritra ny Filankevitra tany An-danitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia noresahana sy notohanana ny drafitry ny famonjena. Tafiditra tao anatin’izany ireo lalàna sy ôrdônansin’ny fisoronana sasantsasany izay nampianarina mialoha ny fanorenana izao tontolo izao ary nifototra tamin’ny fanangonana.13 Isan’izany koa ny fitsipika manan-danja momba ny fahafahana misafidy.

Taorian’ny taonjato maromaro naha-vahoaka matanjaka azy ireo, anisan’izany ny fotoana nanjakan’i Saoly sy i Davida ary i Solomona, dia nizarazara i Isiraely. Lasa fanjakan’i Joda ny fokon’i Joda sy ny ampahany tamin’ny fokon’i Benjamina. Ny ambiny, fantatra tamin’ny hoe foko folo no lasa fanjakan’i Isiraely.14 Taorian’ny 200 taona nisarahana dia nitranga tamin’ny 721 talohan’i J.K. ny fampielezana voalohany an’i Isiraely, rehefa nentin’ny mpanjakan’ny Asyrianina ho babo ny foko folon’i Isiraely.15 Nankany amin’ireo firenena avaratra izy ireo taty aoriana.16

600 taona talohan’i J.K., tany am-panombohan’ny Bokin’i Môrmôna dia nitondra andiana Isiraelita ho any Amerika i Lehia Rainy. Takatr’i Lehia ny fampielezana an’i Isiraely izay izy koa tafiditra tao anatiny. Nolazain’i Nefia fa nilaza izy fa ny mpianakavin’i Isiraely dia “tokony hampitahaina amin’ny hazo oliva anankiray izay hotapahina ny rantsany ka haely patrana eran’ny lafiny rehetra amin’ny tany.”17

Ao amin’ilay antsoina hoe Tontolo Vaovao, ny tantaran’ny Nefita sy Lamanita voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mifarana eo ho eo amin’ny 400 taona taorian’i J.K. Ny taranak’i Lehia Rainy no miparitaka manerana an’i Amerika.18

Nohazavain’i Môrmôna mazava tsara ao amin’ny 3 Nefia 5:20 izany, izay mivaky hoe: “Izaho no Môrmôna, sy tamingan’i Lehia madiodio. Manana antony hankalazana an’ Andriamanitro sy i Jesoa Kristy Mpamonjy ahy aho, noho ny nitondrany ny razanay niala ny tanin’i Jerosalema.”19

Mazava ho azy fa ny zava-dehibe indrindra teo amin’ny tantaran’i Isiraely araka ny vanim-potoana dia ny fahaterahan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika sy ny hafany ary ny asa fanompoany sy ny asa nanirahana Azy.20

Taorian’ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty izay mandrafitra ny mandrakizay, dia nisy fielezana fanindroany fanta-daza nitranga tamin’i Joda teo anelanelan’ny taona 70 sy 135 taorian’i J.K. rehefa, vokatry ny fampihorohoroana sy ny fanenjehan’ny Rômana, dia niparitaka nanerana izao tontolo izao izay fantatra tamin’izany ireo Jiosy.

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Nivoaka ny Bokin’i Môrmôna, ho famantarana fa ny Tompo dia nanomboka ny fanangonana [ny] zanaky ny fanekempihavanana.”21 Noho izany, ny Bokin’i Môrmôna izay nadikan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra, dia miantefa amin’ireo taranak’i Lehia sy ny Isiraely naely patrana ary ireo Jentilisa izay natsangana ho isan’ny fokon’i Isiraely. Ny sasin-tenin’ny toko ho an’ny 1 Nefia 22 dia mivaky toy izao amin’ny ampahany, “Haely patrana eran’ny lafiny rehetra amin’ny tany i Isiraely—Hitaiza sy hamelona an’i Isiraely amin’ny filazantsara ny Jentilisa.” Ny Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna dia milaza fa ny iray amin’ny tanjon’io boky io dia ny “mba handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy.” Mivelatra lavitra ny foto-kevitra momba ny fanangonana an’i Isiraely rehefa miaraka amin’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Bokin’i Môrmôna.22

Ireo izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, na inona na inona rohim-pirazanany dia lasa ho isan’ny Isiraely voangona.23 Miaraka amin’izany fanangonana izany sy ireo tempoly maro naorina sy nambara dia manana toerana miavaka isika amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly izay tsy mbola nisy tahaka izany teo ambanin’ny drafitry ny Ray.

Nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball raha niresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely ara-bakiteny hoe: “Ny fanangonana an’i Isiraely amin’izao fotoana izao dia ny fidirana ao amin’ny fiangonana marina sy ny … fahafantarana an’Ilay Andriamanitra marina. … Na iza na iza, noho izany, no nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary mikatsaka ny hitsaoka ny Tompo amin’ny fiteniny manokana sy miaraka amin’ireo Olomasina any amin’ny firenena misy azy amin’izao fotoana izao, dia efa nanaraka ny lalàn’ny fanangonana an’i Isiraely ary izy dia mpandova ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo Olomasina amin’izao andro farany izao.”24

“Tafiditra ao anatin’ny fanangonana an’i Isiraely ankehitriny ny fiovam-po.”25

Raha jerena amin’ny fijery mazava sy malalaka, ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana tombontsoa lehibe ny hitia, hizara sy hanasa ary hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely mba hahafahana mandray ny fahafenoan’ireo fitahian’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Tafiditra ao anatin’izany ny Afrikanina sy ny Eorôpeana, ny mponina ao Amerika Atsimo sy Avaratra, ny Aziatika, ny Aostralianina, ary ireo rehetra izay any amin’ny nosin-dranomasina. “Fa miantefa amin’ny olon-drehetra marina tokoa ny feon’ny Tompo.”26 “Hitohy hatrany ity fanangonana ity mandra-piangon’ireo olo-marina ao anatin’ny fivondronan’ireo Olomasina any amin’ny firenen’izao tontolo izao.”27

Tsy mbola nisy olona niresaka mivantana kokoa momba ilay fanangonana noho ny Filoha Nelson, izay nanao hoe: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona eo amin’ny lafy roan’ny voaly ianao hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy.”28

Aiza ho aiza ny Fiangonana amin’izao fotoana izao? Tao anatin’ny 62 taona hatramin’ny nanombohako nanao asa fitoriana tamin’ny 1960, dia nitombo ny isan’ireo misiônera amin’ny fotoana feno izay manompo eo ambanin’ny antson’ny mpaminany, koa raha 7.683 izany dia lasa 62.544. Ny isan’ny misiôna raha 58 dia nitombo ho 411. Ny isan’ny mpikambana raha teo amin’ny 1.700.000 teo dia lasa eo ho eo amin’ny 17 tapitrisa.

Ny valan’aretina COVID-19 dia nisy fiantraikany tsy naharitra teo amin’ny fahafahantsika nizara ny filazantsara. Nanome traikefa antsika ihany koa izany hampiasa teknôlôjia vaovao izay hitondra fanatsarana lehibe eo amin’ny fanangonana. Feno fankasitrahana izahay fa ny mpikambana sy ny misiônera amin’izao fotoana izao dia manitatra ireo ezaka amin’ny fanangonana an’i Isiraely niely patrana. Mitohy na aiza na aiza ny fivoarana, indrindra any Amerika Atsimo sy Afrika. Mankasitraka ihany koa izahay fa marobe eran-tany no namaly ny fanasana mahery vaika nataon’ny Filoha Nelson mba hampitomboana ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana. Na izany aza dia mbola azo hitarina ho lehibe hatrany ny fanolorantenantsika hitia sy hizara ary hanasa.

Ny ampahany manan-danja amin’ity ezaka fitoriana ity dia ny hahatonga ny mpikambana tsirairay ho ohatry ny fahazavan’ny fanilo29 na aiza na aiza toerana onenantsika.30 Tsy afaka ny hiafinafina isika. Ny ohatra tahaka ny an’i Kristy asehontsika eo amin’ny hatsaram-panahy, fahamarinana, fahasambarana ary fitiavana madio ho an’ny olona rehetra dia tsy vitan’ny hoe afaka mamorona fanilo mpitarika ho azy ireo ihany, fa koa miteraka fahatakarana fa misy seranana azo antoka ao amin’ny ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Ezaho takarina fa misy ireo fitahiana miavaka ao amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny soratra masina dia miresaka momba ny fifaliana sy ny fiadanana, ny famelana ny fahotana, ny fiarovana amin’ny fakam-panahy ary ny hery manohana avy amin’ Andriamanitra.31 Rehefa mijery mihoatra ity fiainana an-tany ity isika dia ho vonona ny hizara ny filazantsara amin’ireo izay “ao amin’ny haizina sy ao amin’ny famatoran’ny fahotana ao amin’ny tontolo lehiben’ny fanahin’ny maty.”32

Ny vavaka manokana ataoko anio ho an’ny ankizy tsirairay, ho an’ny zatovolahy tsirairay, ny zatovovavy tsirairay, ny fianakaviana tsirairay sy ny kôlejy tsirairay, ny Fikambanana Ifanampiana tsirairay ary ny kilasy tsirairay dia ny hamerina hijery ny fomba hanekentsika tsirairay sy miaraka ilay torohevitra miavaka ny hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely, izay nomen’ny Tompo sy ny mpaminany malalantsika.

Manaja ny fahafahana misafidy isika. Eto amin’ity tontolo mirona amin’ny zavatra ara-nofo ity dia maro no tsy hanaiky sy tsy handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Saingy maro no hanaiky, ary ny Tompo dia manantena ireo izay nandray ny Filazantsarany mba hiezaka faingana ny ho tonga ohatry ny fanilo mpanazava izay hanampy ny hafa hanatona an’ Andriamanitra. Izany no hahafahan’ireo rahalahy sy anabavintsika maneran-tany hianoka ireo fitahian’ny lanitra sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy ho tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano.

Ambarako ny fijoroako ho vavolombelona azo antoka sy marina amin’ny maha-Apôstôly ahy ny amin’ny maha-masina ny drafitr’i Jesoa Kristy sy ny Raintsika any An-danitra ho antsika, amin’ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fiarahabana tongasoa,” Liahona, mey 2021, 7.

  2. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37.

  3. Jereo ny 2 Nefia 26:33.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4., dia notohizan’ny Tompo hoe: “Ary hiantefa amin’ny olon-drehetra ny feo fampitandremana amin’ny alalan’ny vavan’ny mpianatro izay efa nofinidiko amin’izao andro farany izao.”

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11.

  6. Nisy 52.165 ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 1851. Araka ny firaketan’ny Fiangonana sy ny “Religious Census of 1851” tany Angleterre sy Pays de Galles, dia nisy mpikambana manodidina ny 28.000 mahery tany amin’ireo toerana ireo (jereo ny Robert L. Lively Jr., “Some Sociological Reflections on the Nineteenth-Century British Mission,” in Mormons in Early Victorian Britain, ed. Richard L. Jensen sy Malcolm R. Thorp [1989], 19–20).

  7. Jereo ny Les saints: Histoire de l’Église de Jésus-Christ dans les derniers jours, tome 1, L’étendard de la vérité, 1815–1846 (2018), 494–95, 514–15, 573.

  8. Tonga: 45 isan-jato; Samoa: 31 isan-jato; Samoa Amerikana: 22.5 isan-jato; ary Pôlinezia Frantsay: 7 isan-jato.

  9. Jereo ny Les saints, 573–74.

  10. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.

  11. Io fotopampianarana miavaka sy mahery vaika io dia voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary amin’ny fomba fohifohy ao amin’ny fanekem-pinoana fahafolo, izay manomboka amin’ny hoe “Mino isika fa hangonina ara-bakiteny ny Isiraely ary hampodiana indray ny Foko Folo.” (jereo ny James E. Talmage, The Articles of Faith, 12th ed. [1924], 314–44).

  12. Araka ny voarakitra ao amin’ny Genesisy 32:29, dia mivaky toy izao ny tantara ao amin’ny soratra masina: “Tsy atao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Isiraely: satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nahery.”

  13. Jereo ny Joseph Smith, ao amin’ny “History, 1838–1856, volume D-1,” 1572, josephsmithpapers.org; jereo koa ny Joseph Smith, “Discourse, 11 June 1843–A, as Reported by Wilford Woodruff,” [42–43], josephsmithpapers.org; Joseph Smith, “Discourse, 11 June 1843–A, as Reported by Willard Richards,” [241], josephsmithpapers.org.

  14. Jereo ny Bible Dictionary, “Israel, Kingdom of”; James E. Talmage, The Articles of Faith, 315. I Rehoboama sy ny olom-peheziny dia nantsoina hoe fanjakan’i Joda ary nitoetra teny amin’ny faritra atsimon’i Isiraely ankehitriny.

  15. Jereo ny 2 Mpanjaka 17:23.

  16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:26; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11.

  17. 1 Nefia 10:12. Taty aoriana i Amôna dia niteny hoe : “Eny, hotahiana anie ny anaran’ Andriamanitro izay efa nahatsiaro ny olony izay sampan’ny hazon’i Isiraely, izay efa very niala tamin’ny fotony tany an-tany hafa” (Almà 26:36).

  18. Rehefa niresaka momba ny Isiraely Lamanita ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampianatra fa i Ziona dia ireo Amerika manontolo. Hoy izy: “Ao anatin’ny Isiraely isika ary hangonina ankehitriny” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982, 439).

  19. Rehefa nomena torolalana hitondra ny fianakaviany sy ho any an-tany foana i Lehia Rainy, farafahakeliny ny anton’izany dia satria horavana i Jerosalema (jereo ny 1 Nefia 2). Ny faharavan’ny tempolin’i Solomona sy ny faharavan’i Jerosalema ary ny fahababoan’ny fokon’i Joda dia nitranga tany ho any amin’ny taona 586 talohan’i J.K.

    “Resy i Isiraely tany ho any amin’ny 720 talohan’i J.K., ary ny foko folo tao aminy no nentina ho babo. … [Tany Jerosalema,] dia nahatohitra fanafihana maro nataon’ireo tafika vahiny ny Tempolin’i Solomona mialoha ny nandravan’ny tafik’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona azy tanteraka tamin’ny 586 talohan’i JK” (David B. Green, “The History of the Jewish Temple in Jerusalem,” Haaretz, Aug. 11, 2014, haaretz.com/jewish/.premium-history-of-the-temple-in-jerusalem-1.5256337). Jereo ihany koa ny 2 Mpanjaka 25:8–9.

  20. Jereo ny Tad R. Callister, The Infinite Atonement (2000).

  21. Russell M. Nelson, “Children of the Covenant,” Ensign, May 1995, 33; jereo koa ny “Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2011, 88.

  22. Jereo ny Russell M. Nelson, ao amin’ny R. Scott Lloyd, “Seminar for New Mission Presidents: ‘Swift Messengers’ to Scattered Israel,” Church News, July 13, 2013, thechurchnews.com. Nilaza ny Filoha Nelson fa ny fanangonana “dia tsy resaka toerana; fa resaka fanolorantenan’ny isam-batan’olona. Ny olona dia azo -hoentina ho amin’ny fahalalana ny Tompo- [3 Nefia 20:13] kanefa tsy mila mandao ny tanindrazany” (“The Gathering of Scattered Israel,” LiahonaNov. 2006, 81). Jereo koa ny 3 Nefia 21:1–7.

  23. Mazava ny fotopampianarantsika; nampiely patrana ny fokon’i Isiraely ny Tompo noho ny fikomian’izy ireo sy ny faharatsiany. Na izany aza dia nampiasain’ny Tompo koa ny fampielezana ny vahoaka voafidiny ho any amin’ireo firenena amin’izao tontolo izao mba hitahiana ireo firenena ireo. (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Isiraely—Ny fampielezana ny Isiraely,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

  24. Spencer W. Kimball, The Teachings of Spencer W. L. Kimball, 439.

  25. Famintinana ny sasin-teny ao amin’ny Spencer W. Kimball, The Teachings of Spencer W. L. Kimball, 438. Jereo ihany koa ny “All Are Alike unto God,” ed. E. Dale LeBaron (1990), fitambarana tantaram-piovam-po miisa 23 nataon’ny Afrikana mainty hoditra Olomasin’ny Andro Farany. Ny Rahavavy Julia N. Mavimbela dia nilaza fa talohan’ny nidirany ho mpikamban’ny Fiangonana ka tojo ilay teny hoe Isiraely izy, dia efa saika “hanipy ny boky izy sy niteny hoe, -natao ho an’ny fotsy hoditra ity. Fa tsy natao ho antsika. Tsy voafidy isika.- Ankehitriny dia fantatro fa ao anatina fianakaviana mpanjaka aho raha miaina amim-pahamarinana. Isiraelita aho ary rehefa nanao ireo ôrdônansy tany amin’ny tempoly aho dia takatro ilay fahatsapana hoe toy ny fianakaviana iray isika rehetra eto an-tany” (ao amin’ny “All Are Alike unto God,” 151)

  26. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:2.

  27. Spencer W. Kimball, The Teachings of Spencer W. L. Kimball, 438.

  28. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely.”

  29. Nilaza tamin’i Timoty kely namany ny Apôstôly Paoly hoe “aoka … ho fianarana ho an’ny mino hianao” (1 Timoty 4:12).

  30. Jereo ny 3 Nefia 18:24

  31. Jereo ny Môzià 18:8–13; 3 Nefia 18:25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16; 31:5; 62:3.

  32. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:57.