Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mifantoha amin’i Jesoa Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Mifantoha amin’i Jesoa Kristy

Ny Tompo Jesoa Kristy no vahaolana amin’ireo olantsika, kanefa mila mijery ambony sy manandratra ny masontsika isika mba hahita Azy.

Mazàna ny raiko no niteny tamiko hoe: “Aza diso mifantoka loatra amin’ny olanao fa manjary tsy afaka mahita ny vahaolana ianao.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy Tompo no vahaolana na dia amin’ireo olantsika izay saro-bahana indrindra aza. Raha faritana mazava tsara dia naharesy olana efatra izay atrehan’ny tsirairay avy amintsika Izy ary tsy misy na dia iray aza amintsika afaka mamaha izany samirery:

  1. Ny olana voalohany dia ny fahafatesana ara-batana. Afaka miezaka manemotra ny andro ahatongavan’izany isika na tsy miraharaha izany, saingy tsy afaka ny haharesy izany samirery. I Jesoa Kristy anefa dia nandresy ny fahafatesana ho antsika, ka vokatr’izany dia hatsangana amin’ny maty daholo isika indray andro any.1

  2. Ny olana faharoa dia ahitana ny fahoriana, ny zava-tsarotra iainana, ny alahelo, ny fanaintainana, ary ny zavatra tsy ara-drariny eto amin’ity izao tontolo izao ity. Naharesy ireo rehetra ireo i Jesoa Kristy. Ho an’ireo izay miezaka manaraka Azy dia “hofafany ny ranomaso rehetra” indray andro any ary haveriny ho tsara indray ny zavatra rehetra.2 Mandra-pahatonga izany dia afaka mampatanjaka antsika Izy mba haharitra amim-pahatokiana sy amim-paherezana ary amim-piadanana ireo fitsapana lalovantsika.3

  3. Ny olana fahatelo dia ny fahafatesana ara-panahy vokatry ny fahotana. Naharesy io olana io i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fitondrany teo Aminy “ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana.”4 Noho ny sorona fanavotana nataony dia azo hafahana amin’ny vokatry ny fahotantsika isika raha manam-pinoana ny Mpamonjy, mibebaka amin-kitsim-po, manaiky ny fanekempihavanana atolotry ny Ray ho antsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansy tena ilaina toy ny batisa, ary maharitra hatramin’ny farany.5

  4. Ny olana fahefatra dia ny toetrantsika izay manam-petra sy tsy tonga lafatra. Manana vahaolana ho an’io olana io koa i Jesoa Kristy. Tsy vitan’ny hoe mamafa fotsiny ny fahadisoantsika sy mamerina antsika ho tsy manan-tsiny indray Izy. Izy dia afaka mahatonga “fiovana mahery vaika [ao] … am-po[ntsika], ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony [isika] fa ny hanao soa lalandava kosa.”6 Afaka ny hatao tanteraka amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy isika ary ho tonga tahaka Azy indray andro any.7

Indrisy fa matetika loatra isika no mifantoka be loatra amin’ireo olantsika manokana ka tsy mifantoka amin’ny vahaolana, dia i Jesoa Kristy Mpamonjintsika. Ahoana no hisorohantsika izany fahadisoana izany? Mino aho fa ao anatin’ireo fanekempihavanana asaina ataontsika Aminy sy amin’ny Raintsika any An-danitra no ahitana ny valin’izany.

Mifantoka amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana

Ny fanekempihavanantsika dia manampy antsika hampifantoka ny saintsika, ny eritreritsika, ary ny asantsika amin’i Kristy. Rehefa “mifikitra amin’ny fanekempihavanana izay efa natao[ntsika]” isika dia ho mora amintsika kokoa ny hamantatra “ny zavatr’izao tontolo izao” izay tokony hafointsika sy “ny zavatry ny tontolo tsara kokoa” izay tokony hokatsahantsika amim-pahazotoana.8

Izany no nataon’ny vahoakan’i Amôna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa nianatra momba an’i Jesoa Kristy izy ireo ary nanomboka nampifantoka ny fiainan’izy ireo Taminy, dia niaiky izy ireo fa tokony handevina ny fitaovam-piadiany ka ho lasa marin-toetra tanteraka sy “niavaka … noho ny zotom-pony tamin’ Andriamanitra.”9

Ny fitandremana fanekempihavanana dia mitarika antsika hikatsaka izay zavatra rehetra manasa ny fitaoman’ny Fanahy sy handà izay rehetra manala izany fitaomana izany, “satria fantatsika fa raha afaka ny ho mendrika ny hahatsapa ny Fanahy Masina isika dia ho afaka ihany koa ny ho mendrika ny hiaina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.”10 Mety hidika izany hoe tsy maintsy manova ny voambolana fampiasantsika isika, ka hampiasa teny maneho hatsaram-panahy kokoa. Mety hidika izany hoe manolo ireo fahazarana manimba ny fiainam-panahy amina fahazarana izay manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny Tompo, toy ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina isan’andro, ataon’ny tsirairay sy miaraka amin’ny fianakavianao.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza fa “ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana ao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly—ka mitandrina izany—dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy. …

“Ny valisoa amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia ny hery avy any an-danitra—hery izay mampatanjaka antsika mba hanohitra tsara kokoa ny fitsapana sy ny fakam-panahy ary ny ratram-pontsika.”11

Ny fanavaozana ny fanekempihavanantsika mandritra ny fanasan’ny Tompo isaky ny Alahady dia fahafahana lehibe handinihantsika tena12 sy hampifantohantsika indray ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manambara fa “hahatsiaro Azy mandrakariva.”13 Manan-danja lehibe tokoa ilay teny hoe mandrakariva. Mampitombo ny herin’ny fitaoman’ny Mpamonjy ho eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika izany. Tsy any am-piangonana ihany isika no mahatsiaro Azy, na mandritra ny vavaka ataontsika amin’ny maraina ihany, na rehefa misy olana ihany isika ka misy zavatra ilaintsika.

Ekena fa variana isika indraindray. Manadino isika. Very ny fifantohantsika. Fa ny fanavaozantsika ny fanekempihavanantsika dia midika fa te hahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva isika, fa hiezaka ny hanao izany isika mandritra ny herinandro, ary hamerina hanolo-tena sy hifantoka Aminy indray isika rehefa eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo amin’ny herinandro manaraka.

Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao an-tokantranontsika

Mazava ho azy fa ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy dia tokony ho zavatra atao mihoatra ny isaky ny alahady any am-piangonana. Rehefa nampahafantatra ny Avia, hanaraka Ahy ny Filoha Nelson tamin’ny 2018 dia hoy izy hoe: “Fotoana izao mba hahatonga ny Fiangonana ho mpanome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano.”14 Nilaza izy fa isika dia tokony “hanova ny fonena[ntsika] ho toerana masina isian’ny finoana” sy “ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara.” Ary nanome fampanantenana tena tsara miisa efatra ho antsika izy raha manao izany isika.15

Ny fampanantenana voalohany: “Ho tena fahafinaretana ny andro Sabatanareo.” Ho lasa andro hanakaikezantsika kokoa ny Mpamonjintsika izany. Hoy ny zatovovavy iray avy any Pérou hoe: “Ny andron’ny Tompo no andro hahazoako valinteny betsaka indrindra avy amin’ny Tompo.”

Ny fampanantenana faharoa: “Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo.” Izany no mahatonga ny hoe “miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, … mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”16

Manao izany isika mba ho indray andro any, rehefa mandeha miasa na mandehandeha any an-tendrombohitra na mihaza biby any an’ala ny zanaka lahintsika, tahaka izay nataon’i Enôsa, dia afaka hitadidy ny zavatra nampianarintsika azy momba an’i Kristy sy ny fifaliana avy amin’ny fiainana ny filazantsara izy. Ary iza no mahalala? Mety ho io no andro hahatsapany amin’izay ilay hanoanana ara-panahy izay hampitodika azy amin’i Jesoa Kristy mba hahafahany mandre ny feon’ny Tompo milaza aminy hoe: “Voavela ny fahotanao ary hotahiana ianao.”17

Ny fampanantenana fahatelo: “Hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo.” Nahoana? Satria arakaraka ny hifantohantsika amin’i Kristy no hihenan’ny hery misarika ananan’ny fahotana.18 Rehefa feno ny fahazavan’ny Mpamonjy ny tokantranontsika dia mihena hatrany ny toerana ahafahan’ny haizin’ny fahavalo mitoetra.

Ny fampanantenana fahefatra: “Ho lehibe sy hampahery ireo fiovana ao amin’ny fianakavianareo.” Nahoana? Satria ilay fiovana entin’i Jesoa Kristy dia “fiovana mahery vaika.”19 Ovainy ny toetrantsika. Tonga “olom-baovao” isika.20 Lasa mihamitovy tsikelikely amin’ny Mpamonjy isika, heniky ny fitiavany madio ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Iza no tsy maniry ny hahatanteraka ireo fampanantenana ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ao amin’ny fianakaviany? Inona no tokony hataontsika mba hahazoana izany? Ny valiny dia hoe manova ny fonenantsika ho toerana masina isian’ny finoana sy ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara. Ary ahoana no hanaovantsika izany? Amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ka ataontsika fototry ny fiainam-pianakaviantsika Izy ireo, mba ho hery mitaona manan-danja indrindra ao an-tokantranontsika.

Azoko atao ve ny mandroso hevitra ny hanombohanareo amin’ny alalan’ny fanaovana ny tenin’i Kristy, izay hita ao amin’ny soratra masina, ho zavatra fanao isan’andro eo amin’ny fiainanareo? Tsy misy raiki-pohy voapetraka mba hahatonga ny fandalinana soratra masina ho tonga lafatra. Mety ho 5 na 10 minitra isan’andro izany, na mihoatra izay raha afaka ianareo. Mety ho toko iray izany na andinin-tsoratra masina vitsivitsy isan’andro. Tian’ny fianakaviana sasany kokoa ny mandalina amin’ny maraina alohan’ny handehanany mianatra na miasa. Ny hafa dia misafidy ny hamaky amin’ny alina alohan’ny hatory. Misy mpivady tanora sasantsasany nilaza tamiko fa manao fandalinana mitokana izy ireo eny an-dalana ho any am-piasana ary avy eo dia mifampizara ny hevitra azony amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra mba hiraketana ny fanamarihana sy ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo.

Ny Avia, hanaraka Ahy dia mandroso fiaraha-mientana sy loharanom-pitaovana maro izay afaka manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana hianatra ireo fitsipiky ny filazantsara avy amin’ny soratra masina. Ireo horonan-tsary momba ny Baiboly sy ireo horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna dia afaka ny ho fitaovana manan-danja ihany koa mba ho mora amin’ny fianakavianareo ny hahazo ny soratra masina. Matetika ny zatovo sy ny ankizy no mahazo fitaomam-panahy avy amin’ireo tantara tsy hay hadinoina ao amin’ny soratra masina. Ireny tantara ireny sy ireo fitsipiky ny filazantsara ampianariny dia hijanona ao an-tsain’ireo zanakareo, toy ny namana azo itokisana, rehefa mila ohatra tsara amin’ny fanompoana, ny hatsaran-toetra, ny fankatoavana, ny faharetana, ny fikirizana, ny fanambarana ho an’ny tena manokana, ny fiantrana, ny fanetren-tena, ary ny finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo. Rehefa mandeha ny fotoana dia hanampy ny zanakareo hanakaiky hatrany ny Mpamonjy ny fahazotoanareo tsy tapaka mivoky amin’ny tenin’ Andriamanitra. Ho lasa mahafantatra Azy mihoatra lavitra ny teo aloha izy ireo.

Velona ny Tompo Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao. Afaka ny ho eo amin’ny fiainantsika foana sy isan’andro Izy. Izy no vahaolana amin’ireo olantsika, kanefa mila mijery ambony sy manandratra ny masontsika isika mba hahita Azy. Hoy Izy hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”21 Rehefa mifantoka Aminy sy amin’ny Raintsika any An-danitra isika, manao sy mitandrina ny fanekempihavanana miaraka amin’Izy ireo, ary manao Azy ireo ho fitaomana manan-danja indrindra ao amin’ny tokantranontsika sy ny fianakaviantsika, dia ho lasa ilay karazan’olona azon’ny Filoha Nelson an-tsaina isika dia: “Olona izay afaka sy vonona ary mendrika ny handray ny Tompo rehefa ho avy indray Izy, olona izay nifidy an’i Jesoa Kristy fa tsy ity tontolo lavo ity, olona izay mifaly amin’ny fahafahany misafidy mba hiaina ireo lalàna ambony sy masina kokoa an’i Jesoa Kristy.”22 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.