Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny

Ampio ireo zanakareo hanorina finoana an’i Jesoa Kristy, hitia ny Filazantsarany sy ny Fiangonany, ary hiomana ho amin’ny fiainana hanaovana safidy tsara.

Indray andro hono nisy raim-pianakaviana iray handeha hanainga hamonjy fivorian’ny episkôpà harivariva. Nanakana ny lalany teo anoloany ilay zanany vavy efa-taona, mitafy akanjomandry ary mihazona boky Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

“Fa maninona ianao no tsy maintsy mandeha mivory?” hoy izy nanontany.

“Satria aho mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà,” hoy ny navaliny.

“Ka dadako ange ianao e!” hoy ilay zanany vavy nanohitra.

Nandohalika teo anoloany ilay rainy. “Ry malala ô,” hoy izy, “fantatro hoe tianao hamaky boky ho anao aho sy hampatory anao, saingy anio hariva aho mila manampy ny eveka.”

Dia namaly ilay zanany vavy hoe, “Tsy manana dada hampatory azy ve ny eveka?”

Feno fankasitrahana mandrakizay izahay an’ireo mpikambana tsy tambo isaina izay manompo amim-pahazotoana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isan’andro. Tena masina tokoa ny fahafoizan-tenanareo.

Saingy araka ny zavatra toa takatr’ity zazavavikely ity, misy zavatra iray masina tahaka izany koa—zavatra iray tsy misy mahasolo—dia ny ray na reny mitaiza zaza iray. Izany dia taratry ny lamin’ny lanitra.1 Azo antoka fa mifaly ny Raintsika any An-danitra, ilay Andriamanitra ray aman-drenintsika, rehefa mampianatra sy mitaiza an’ireo zanany ireo ray aman-drenin’izy ireo eto an-tany.2

Ry ray aman-dreny, isaorana ianareo noho ny zavatra rehetra ataonareo hitaizana ireo zanakareo. Ary ianareo zanaka, misaotra anareo ny amin’ny zavatra rehetra ataonareo hitaizana ny ray aman-dreninareo, satria fantatry ny ray aman-dreny rehetra fa matetika no tsy latsa-danja amin’ny zavatra ianaran’izy ireo amintsika ny zavatra ianarantsika amin’izy ireo momba ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana!3

Manana andraikitra masina ireo ray aman-dreny

Moa ve ianareo efa nandinika ilay mety ho loza goavana leferin’ny Ray any An-danitra isaky ny mandefa zanaka ho eto an-tany Izy? Fanahy zanakalahiny sy zanakavaviny izy ireny. Manana hery anaty tsisy fetra. Manana anjara ho tonga olona feno voninahitra feno hatsarana sy fahasoavana ary fahamarinana. Kanefa dia tonga eto an-tany izy ireny tsy mahavita na inona na inona, zara raha mahay zavatra ankoatra ny mitomany mangataka fanampiana. Voarakotra voaly ny fahatsiarovana ny fotoan’izy ireo teo anatrehan’ Andriamanitra, mbamin’ny fahalalana hoe iza marina izy ireo ary afaka ho tonga ho inona. Mamolavola ny fahatakarany izy ireo mikasika ny fiainana, ny fitiavana, ary Andriamanitra sy ny drafiny, mifototra amin’izay hitan’izy ireo amin’ireo manodidina azy ireo—indrindra ireo ray aman-dreniny, izay raha ny marina, na izy ireo aza mbola miezaka mahatakatra izany.

Sary
Zazakely vao teraka

Andriamanitra no nanome an’ireo ray aman-dreny an’ilay “andraikitra masina … ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo, ary ny hampianatra azy … hitandrina ireo didin’ Andriamanitra.”4

Izany dia ampy tsy hampahita tory na ireo ray aman-dreny tsara indrindra aza amin’ny alina.

Izao no hafatro ho an’ny ray aman-dreny rehetra:

Tia anareo ny Tompo.

Miaraka aminareo Izy.

Eo anilanareo Izy.

Izy no hery hitarihanareo ireo zanakareo hanao safidy tsara.

Ekeo amin’ny herim-po sy fifaliana izany tombontsoa sy andraikitra izany. Aza mamindra izany loharanom-pitahiana avy any an-danitra izany ho amin’iza na iza. Araka ny soatoavina sy fitsipika ao amin’ny filazantsara dia ianareo no hitarika ny zanakareo eo amin’ny antsipirian’ny fiainana andavanandro. Ampio ireo zanakareo hanorina finoana an’i Jesoa Kristy, hitia ny Filazantsarany sy ny Fiangonany, ary hiomana ho amin’ny fiainana hanaovana safidy tsara. Raha ny marina, izany no drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo ray aman-dreny.

Hanohitra anareo i Satana, hisarika anareo, ary hiezaka hanakivy anareo.

Saingy nandray ny Fahazavan’i Kristy ny ankizy tsirairay, toy ny zotra mampifandray mivantana amin’ny lanitra. Ary hanampy anareo ny Mpamonjy, sy hitarika anareo ary hankahery anareo. Katsaho ny fanampiany. Manontania ny Tompo!

Sary
Jesoa Kristy Tompo

Tsy misy hafa amin’ny hoe i Jesoa Kristy no herin’ireo zatovo, dia i Jesoa Kristy koa no herin’ireo ray aman-dreny.

Izy no mampitombo ny fitiavana

Indraindray isika mety manontany tena sao misy olon-kafa mety ho manampahaizana kokoa hitarika sy hampianatra ireo zanatsika. Kanefa na manao ahoana na manao ahoana fahatsapanareo ho tsy mahay, dia manana zavatra iray ianareo tena mahalany anareo manokana: ny fititavanao ny zanakao.

Ny fitiavan’ny ray na reny ny zanaka anankiray no anisan’ny hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao. Izany no anisan’ireo zavatra vitsy eto an-tany izay tena afaka ny ho mandrakizay.

Izao nefa, mety mahatsapa ianareo fa lavitry ny idealy ny fifandraisanareo amin’ny zanakareo. Eo no miditra an-tsehatra ny herin’ny Mpamonjy. Manasitrana ny marary Izy, ka afaka manasitrana fifandraisana. Nampitombo ny mofo sy ny trondro Izy, ka afaka mampitombo ny fitiavana sy ny fifaliana ao an-tokantranonareo.

Ny fitiavanareo ny zanakareo dia miteraka tontolo lafatra hampianarana ny fahamarinana sy hanorenana finoana. Ny tranonareo ataovy tranon’ny vavaka sy fianarana ary finoana; tranon’ny traikefa feno fifaliana; toerana mahatamana, tranon’ Andriamanitra.5 Ary “mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo, mba hahazoana mameno anareo amin’ny fitiava[ny], izay atolony ireo izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.”6

Izy no mampitombo ireo ezaka bitika sy tsotra

Ny hery iray hafa anananareo, amin’ny maha ray na reny anareo, dia ny fahafahana mampihatra fitaomana mitohy isan’andro. Mandalo ihany ireo namana sy ireo mpampianatra ary ireo influenceurs. Fa ianareo no afaka ho tonga fitaomana mafy orina sy tsy miovaova indrindra eo amin’ny fiainan’ny zanakareo.

Mety toa bitika ireo ezaka vitanareo raha mitaha amin’ireo feo avo dia avo ren’ny zanakareo eny amin’izao tontolo izao. Misy fotoana ianareo mety hahatsapa ho mahavita firy. Saingy tsarovy fa “afaka manatanteraka zava-dehibe amin’ny alalan’ny zava-madinika ny Tompo.”7 Ny takarivan’ny mpianakavy indray mandeha, ny tafatafa indray mandeha momba ny filazantsara, na ny ohatra tsara iray dia mety tsy hanova ny fiainan’ny zanakao amin’ny fotoana iray, tsy misy hafa amin’ny ranonorana indray mitete tsy mampaniry eo no ho eo ny zava-maniry iray. Saingy ny tsy fiovaovan’ny zavatra madinika sy tsotra, atao isan’andro, dia mamahana ny zanakareo tsara kokoa noho ny tondradrano tsindraindray.8

Izany no fomban’ny Tompo. Miresaka aminareo sy ny zanakareo Izy amin’ny feo tony sy malefaka fa tsy ny feon’ny varatra.9 Nanasitrana an’i Namana Izy, tsy tamin’ny “zavatra lehibe” fa tamin’ny fihetsika tsotra sy miverimberina hoe mandro.10 Ireo zanak’ Isiraely dia nankafy ny fararanon’ny papelika tany an’efitra, saingy ny nihazona azy ireo ho velona dia ilay fahagagana madinika sy tsotran’ny mana.11

Rahalahy sy ranabavy, ny mofo isan’andro dia tsara indrindra raha karakaraina sy tolorana ao an-tokantrano. Ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona dia voafahana tsara indrindra amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy, indray mandrapaka isaky ny mandeha, amin’ny fotoana madinika sy tsotra ao anatin’ny fizotran’ny fiainana isan’andro.12

Azo atao fotoana ianarana ny fotoana rehetra. Ny teny sy ny fihetsika rehetra atao dia mety ho mpitari-dalana amin’ny fanaovana safidy.13

Mety tsy ho hitanareo eo no ho eo ny vokatry ny ezaka ataonareo. Saingy aza milavo lefona. “Tsy maintsy mitranga amin’ny fotoany avy ny zava-drehetra,” hoy ny Tompo. “Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo.”14 Inona no asa mety ho lehibe kokoa noho ny manampy ireo zanaka sarobidin’ Andriamanitra hianatra hoe iza marina izy ireo sy ny hanorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy, sy ny Filazantsarany, ary ny Fiangonany? Hitahy sy hampitombo ny ezaka ataonareo tsy tapaka i Jesoa Kristy.

Manome fanambarana Izy

Fomba iray hafa mahery vaika hanohanan’ny Tompo ireo ray aman-dreny ny fanomezana ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Andriamanitra dia maniry mafy ny handrotsaka ny Fanahiny hitarihana ireo ray aman-dreny.

Rehefa mivavaka sy mihaino ny Fanahy ianareo, dia hampitandrina anareo Izy amin’ireo loza miafina.15 Hambarany aminareo ny fanomezam-pahasoavana sy ny hery ananan’ireo zanakareo ary ireo olany izay tsy ambaran’izy ireo.16 Hanampy anareo Andriamanitra hahita ireo zanakareo araka ny fahitany azy ireo, mihoatra noho ny endrika ivelany ka mahita ny ao am-pon’izy ireo.17

Raha ampian’ Andriamanitra ianareo dia afaka mianatra mamantatra ireo zanakareo amin’ny fomba madio sy araka ny lanitra. Manasa anareo aho hanaiky ny tolotra avy amin’ Andriamanitra ny hitarihany ny fianakavianareo amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Katsaho ny fitarihany ao amin’ny vavakareo.18

Fiovana mahery vaika

Angamba ny fanampiana manan-danja indrindra atolotr’i Jesoa Kristy ho an’ireo ray aman-dreny dia ny “fiovam-po mahery vaika”.19 Fahagagana ilaintsika tsirairay izany.

Alaivo sary an-tsaina vetivety izao toe-javatra izao: Any am-piangonana ianao, mihaino lahateny iray mahakasika ny fianakaviana. Miresaka tokantrano tonga lafatra iray ahitana fianakaviana mbola tonga lafatra ihany koa ilay mpandahateny. Tsy miady mihitsy ireo mpivady. Tsy mijanona mamaky soratra masina ireo ankizy raha tsy hoe fotoana hanaovana entimody. Re mandeha any ambadika any ny feon-kiran’ny “Aimez vos frères”20 (Mifankatiava). Mbola tsy tonga eo amin’ilay hoe izy rehetra miara-manadio amim-pifaliana ny trano fivoahana akory ilay mpandahateny dia efa mieritreritra ianao hoe “Tsisy azo antenaina ny fianakaviako.”

Ry rahalahy sy anabavy malala, aza taitra! Mitovy avokoa ny ao an-tsain’ny tsirairay manatrika eto! Ny marina dia hoe ny ray aman-dreny rehetra dia miasa saina hoe tsy ampy ny vitany.

Soa ihany fa misy loharano avy amin’ Andriamanitra hanampiana ireo ray aman-dreny: dia i Jesoa Kristy. Izy no loharanon’ny fiovam-po mahery vaika.

Rehefa manokatra ny fonareo amin’ny Mpamonjy sy ny fampianarany ianareo dia hasehony anareo ny fahalemenareo. Raha matoky an’i Jesoa Kristy amin’ny fo feno fanetrentena ianao dia hataony lasa matanjaka ireny zava-malemy ireny.21 Izy no Andriamanitry ny fahagagana.

Midika ve izany fa ho tsisy tomika ianareo sy ny fianakavianareo! Tsia. Fa ho lasa tsaratsara kokoa ianareo. Noho ny fahasoavan’ny Mpamonjy, dia hanana tsikelikely an’ireo toetra ilain’ny ray aman-dreny ianareo: fitiavana an’ Andriamanitra sy ireo zanany, faharetana, fandavantena, finoana an’i Kristy, ary herim-po hanaovana safidy tsara.

Manolotra fanampiana i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fiangonany

Ny ezaka ataontsika hanorenana finoana an’i Jesoa Kristy dia miainga ao an-tokantrano, mifantoka amin’ny tsirairay. Ary tohanan’ny Fiangonana. Ankoatra ny fanomezana soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, dia manolotra loharano maro ny Fiangonan’ny Mpamonjy hanampiana ireo ray aman-dreny sy zanaka hanao safidy tsara:

Sary
Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy
  • Ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia tsy manome lisitr’ireo zavatra azo atao sy tsy azo atao. Mampianatra fahamarinana mandrakizay izany mba hanaovana safidy mifototra amin’ny fiainana sy fampianaran’i Jesoa Kristy. Miaraha mamaky azy io amin’ireo zanakareo. Avelao izy ireo hiresaka momba azy io. Ampio izy ireo mba hitarika amin’ny safidiny ireo fahamarinana masina sy mandrakizay ireo .22

  • Loharano iray hafa mahatalanjona ny fihaonambe HZM. Antenaiko fa hanatrika izany ny zatovo rehetra. Manasa ireo tanora tokan-tena aho hirotsaka amin’ireny fihaonambe ireny manao mpanorolalana sy mpanolotsaina. Manasa ireo ray aman-dreny aho hanorina eo amin’ilay tanjaka ara-panahy entin’ny zanakareo mody avy any amin’ny fihaonambe HZM.

  • Ireo ankizy sy zatovo ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana mpampianatra sy mpitarika ary mpanorolalana. Mazàna dia tafiditra eo amin’ny fiainan’ny zatovo iray ianareo amin’ny fotoana iray manan-danja hanorenana sy hanohanana finoana sy fijoroana ho vavolombelona. Ny sasany aminareo dia olon-dehibe tokantena. Ny sasany dia tsy nanan-janaka mihitsy hatrizay. Masina eo imason’ Andriamanitra ny fanompoanao amim-pifaliana ireo zanak’ Andriamanitra.23

Aza very fanantenana mihitsy amin’ny hitrangan’ny fahagagana

Ry namako malala isany, ry rahalahy sy anabavy, ny manorina finoana ao amin’ny zanaka iray dia somary mitovy amin’ny fanampiana voninkazo iray haniry. Tsy azonao sintonina ny tahony mba ho lava kokoa. Tsy azonao terena hisokatra ny voniny mba hamelana aloha kokoa. Ary tsy azonao hoe tsy raharahiana ilay voninkazo ka hanantena izany hitombo sy hamelana ho azy.

Ny azonao atao ary tsy maintsy ataonao ho an’ny taranaka vao misondrotra dia manolotra tany lonaka sy mahavelona afaka mahazo rano mikoriana avy any an-danitra. Esory ny ahidratsy sy izay mety hanakona ny masoandro avy an-danitra. Forony ireo fepetra tsara indrindra azo heverina hahafahany mitombo. Avelao amim-paharetana ny taranaka vao misondrotra hanao safidy entanim-panahy ary avelao Andriamanitra hanatanteraka ny fahagagany. Ny vokatra dia ho kanto kokoa sy meva kokoa ary mahafaly kokoa noho izay mety ho azon’ny tenanao atao manokana .

Ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra dia natao ho mandrakizay ireo fifandraisan’ny mpianakavy. Izay no antony tsy hilavoanao lefona mihitsy, amin’ny maha ray aman-dreny anao, na dia tsy mampirehareha anao aza ny fandehan-javatra tany aloha.

Raha miaraka amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpanasitrana Lehibe sy Mpamonjy, dia afaka misy fiantombohana vaovao hatrany. Manome fanantenana hatrany Izy.

I Jesoa Kristy no herin’ireo fianakaviana.

I Jesoa Kristy no herin’ireo zatovo.

I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny.

Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Efa voajanahary ao amin’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ilay faniriana … hampianatra ny zanany ireo soatoavina ara-pitondrantena. Anisan’ny fahagagana avy amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izany. Tiany ho tonga ety an-tany ny zanany ka hanaraka ilay lamina mandrakizain’ny fianakaviana izay misy any an-danitra. Ny fianakaviana no [rafitra] fototra voalamina any an-danitra ary kasainy ho izy ireo koa no [rafitra] fototra eto an-tany. Na dia lavitry ny fahalavorariana aza ireo fianakaviana eto an-tany dia manome tombontsoa tena tsara ho an’ny zanak’ Andriamanitra izy ireo mba hotsenaina eto amin’izao tontolo izao miaraka amin’ilay hany fitiavana eto an-tany izay manakaiky ilay tsapantsika tany an-danitra, dia ny fitiavan’ny ray aman-dreny izany. Amin’ny alalan’ny fianakaviana koa no fomba [tsara indrindra] hiarovana sy hampitana ireo soatoavina ara-pitondrantena ary ireo fitsipika marina izay tena hitondra antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra” (Henry B. Eyring, “Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2017, 20).

  2. Mazava ho azy, fantatsika fa ny sitrapon’ Andriamanitra dia tsy hoe tanteraka hatrany “ety an-tany, tahaka ny any an-danitra” (Matio 6:10). Azo antoka fa ny ray aman-dreny tsy tonga lafatra dia latsa-danja lavitra raha mitaha amin’ny idealin’ Andriamanitra. Hitany tokoa izany. Tsy maintsy mitomany Izy noho ireo fahoriana sy ratram-po rehetra eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy. Kanefa dia tsy nilavo lefona amin’ny fianakaviana Izy. Ary tsy hanao izany izy satria manana drafitra be voninahitra ho an’ny anjara mandrakizain’ireo zanany Andriamanitra. Ary ny fianakaviana no eo anivon’izany drafitra izany.

  3. Jereo ny Matio 18:1–5; Môzià 3:19.

  4. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28.

  5. Jereo ny “Mifototra amin’ireo fifandraisana ny fianarana ao an-tokantrano,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022), 30–31; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:8.

  6. Môrônia 7:48.

  7. 1 Nefia 16:29; jereo koa ny Almà 37:6–7.

  8. Jereo ny “Ny fianarana ao an-tokantrano dia ahitana ezaka kely sy tsotra nefa tsy tapaka,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31. Nampianatra ny Filoha David O. McKay hoe: “Aoka isika tsy hihevitra fa noho ny [zavatra] sasany … izay toa madinika sy tsy misy dikany, dia hoe tsy manan-danja izy ireo. Ny fiainana, raha ny marina, dia fitambaran’ny zava-madinika maro. Ny aintsika sy ny vatantsika, raha ny ara-batana, dia mitohy noho ny fitambarana fitempon’ny fo kely maromaro. Raha vao mijanona mitempo izany fo kely izany, dia mitsahatra ny fiainana eto amin’ity tontolo ity. Ny masoandro lehibe dia hery goavana eo amin’izao rehetra izao, saingy mandray ireo fitahiana entin’ny hazavany isika noho izy ireo tonga amin’ny alalan’ny taratra kely maromaro, izay raha atambatra dia manenika an’izao tontolo izao amin’ny hainandro. Ny alina maizina dia lasa mahafinaritra noho ny fihiratan’ireo kintana izay toa madinika. Araka izany koa ny fiainan’ny Kristiana dia fitambaran’ny fihetsika kely tahaka ny an’i Kristy izay tantarehiina amin’izao ora izao sy izao minitra izao ao an-tokantrano” (Teachings of Presidents of the Church: David O. McKay [2003], 219).

  9. Jereo ny Helamàna 5:30.

  10. Jereo ny 2 Mpanjaka 5:9–14.

  11. Jereo ny Eksodosy 16.

  12. Jereo ny “Manomana ny zanakao ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023, tovana (amin’ny endriny nomerika ihany).

  13. Jereo ny “Azo arafitra ny fianarana ao an-tokantrano kanefa afaka mandeha ho azy tsy ilàna drafitra koa izany,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31; 1 Petera 3:15.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:32–33.

  15. Jereo ny Matio 2:13.

  16. Jereo ny Almà 40:1; 41:1; 42:1.

  17. Jereo ny 1 Samoela 16:7.

  18. Jereo ny 1 Nefia 15:8.

  19. Almà 5:13.

  20. Jereo ny “Mifankatiava,” Bokin-kiran’ny Ankizy, lah. 74.

  21. Jereo ny Etera 12:27.

  22. “Raha ny amin’ireo zanaka, ny andraikitra hoe manome fitarihana ara-môraly dia anjaran’ny ray aman-dreny. Fantatr’izy ireo ny fahavonona sy fahatakarana ary faharanitan-tsainan’ny zanaka tsirairay. Mandany ny androm-piainany ireo ray aman-dreny mikatsaka hanorina sy hanohy fifandraisana tsara amin’ny zanak’izy ireo tsirairay. Izy ireo no tsara toerana indrindra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ara-môraly farany mikasika ny mahasoa sy mahatsara ny taranak’izy ireo” (James E. Faust, “The Weightier Matters of the Law: Judgment, Mercy, and Faith,” Ensign, Nov. 1997, 54).

  23. Misy loharano roa hafa tsara marihana: ny endrika nomerika an’ireo loharano ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy amin’ity taona ity dia ahitana fizarana vaovao hoe “Manomana ny zanakao ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana.” Izy io dia manolotra hevitra tsotra sy miainga ao an-tokantrano hanampiana ny ankizy hiomana amin’ny batisa sy ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy hafa. Ary ilay Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy vao nasiam-panovana dia ahitana fizarana hoe “Tokantrano sy fianakaviana” izay manoritsoritra ny fomba hampiharana ao an-tokantrano ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka an’i Kristy (jereo ny pejy 30–31).