Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny tsodranonao avy amin’ny patriarika, fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Ny tsodranonao avy amin’ny patriarika, fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra

Nanampy ahy hahatakatra ny tena maha-izy ahy mandrakizay ny tsodranon’ny patriarika, ny hoe iza tokoa aho taloha ary afaka ny ho lasa toa an’iza.

Notezaina ray aman-dreny tia sy nampianatra ny filazantsara tamim-pahatokiana anay, zanany, aho. Nampalahelo nefa fa nanana olana ara-panambadiana nandritra ny taona maro ny ray aman-dreniko malalako. Mbola zaza tao amin’ny Kilonga aho rehefa nolazaina fa mety hisaraka izy ireo indray andro any ary mety mila misafidy izay ray aman-dreny hiarahanay mipetraka izaho sy ny mpiray tam-po amiko. An-taonany maro aho no nitebiteby vokatr’izany; saingy nanampy nanova ny zava-drehetra ho ahy ny fanomezana iray avy amin’ny Raiko any An-danitra, dia ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika izany.

Fony aho 11 taona, raha mbola nitombo ny ahiahiko mikasika ny fifandraisan’ny ray aman-dreniko dia naniry lalina aho mba handray ny tsodranoko avy amin’ny patriarika. Fantatro fa ny Ray any An-danitra dia nahafantatra ahy tanteraka sy ny toe-javatra niainako tamin’ny antsipiriany. Ary fantatro ihany koa fa handray fitarihana avy Aminy aho. Vao feno 12 taona aho dia nandray ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika avy hatrany. Efa mihoatra ny dimampolo taona lasa izany saingy tsaroako mazava tsara ny antsipirian’izany zavatra niainana masina izany.

Feno fankasitrahana isika fa manana fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy momba ny tsodranon’ny patriarika ao amin’ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany an’ny Fiangonana:

“Ny mpikambana mendrika sy vita batisa rehetra dia manana zo handray ny tsodranon’ny patriarika, izay manome fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra.”

Ny mpikambana iray dia tokony ho “ampy fahamatorana amin’ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe sy ny maha masina ilay tsodrano” ary “hahatakatra ny fotopampianarana fototra an’ny filazantsara.”

“Ny tena tsara dia tokony ho mbola tanora ilay mpikambana no mandray izany ka mbola maro ireo fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana izay miandry azy. … “Tsy tokony hametraka ny taona kely indrindra ahafahan’ny mpikambana mandray ny tsodranon’ny patriarika ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. …

“Masina sy tsiambaratelo ary an’ny tena manokana ny tsodranon’ny patriarika tsirairay avy. …

“Ny olona iray izay mandray tsodranon’ny patriarika dia tokony hankamamy ny teny ao anatin’izany, hisaintsaina izany, ary hiaina mba ho mendrika handray ireo fitahiana nampanantenaina eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay.”1

Nampianatra ombieny ombieny momba ny maha zava-dehibe ny tsodranon’ny patriarika ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika,2 fa izy io dia manome ny olona tsirairay izay mandray izany “fanambarana ny rohim-pirazanana hatrany amin’i Abrahama sy Isaka sy Jakoba”3 ary “izy io dia soratra masina an’ny tena manokana ho anao.”4

Nisy lanjany lehibe ho ahy ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika noraisiko fony aho tanora noho ny antony maro. Voalohany, tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, nanampy ahy hahatakatra ny tena maha-izy ahy mandrakizay ny tsodranon’ny patriarika, ny hoe iza tokoa aho taloha ary afaka ny ho lasa toa an’iza. Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson dia nanampy ahy hahafantatra izy io fa izaho dia “zanakalahin’Andriamanitra”, “zanaky ny fanekempihavanana” ary “mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.”5 Fantatro fa ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjiko dia nahafantatra sy nitia ahy ary nandray anjara manokana tamin’ny fiainako Izy ireo. Nanampy ahy haniry hanakaiky kokoa Azy ireo sy hampitombo ny finoako sy ny fahatokiako Azy Ireo.

Hoy ny namana lalaiko iray izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana fony izy olon-dehibe vao herotrerony: “Rehefa nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohako sy nanonona ny anarako ny patriarika dia niova ny zava-drehetra … tsy tamin’izany fotsiny ihany fa nandritra ny androm-piainako rehetra. Nahatsapa avy hatrany aho, tamin’ny alalan’ilay hery nitenenany, fa fantatra tamin’ny fomba manokana sy lalina ny fisiako. Nilatsa-paka tato anatiko ireo teny notononiny. Fantatro fa ny Ray any An-danitra dia nahafantatra ahy tanteraka tamin’ny antsipiriany.”

Ny fahafantarako hoe iza marina aho dia nanampy ahy hahatakatra sy haniry ny hanao izay zavatra andrasan’ Andriamanitra amiko.6

Nitarika ahy handalina ireo fanekempihavanana izay nataoko sy ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama izany.7 Nanome ahy fomba fijery mandrakizay izay nitaona ahy hitandrina bebe kokoa ireo fanekempihavanako izany.

Nandalina ny tsodranon’ny patriarika matetika aho ary, fony aho zatovo, izay matetika no isan’andro, izay nanampy ahy hahatsapa ny hery mampionona sy mitariky ny Fanahy Masina, Izy izay nanampy tamin’ny fampihenana ny tebitebin-tsaiko rehefa manaraka ireo bitsiny aho. Izany dia nampitombo ny faniriako hanasa amim-pahavitrihana ny fahazavana sy ny fahamarinana ary ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka isan’andro ary ny fiezahana handalina amim-pahazotoana kokoa sy hanaraka ny fampianaran’ny mpaminanin’ Andriamanitra sy ireo apôstôly. Ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika dia nanampy ahy ihany koa haniry ny hanaiky bebe kokoa ny sitrapon’ny Raiko any An-danitra, ary izany fifantohana izany dia nanampy ahy hahatsapa fifaliana goavana na dia eo aza ireo teo-javatra iainako.8

Nahazo hery ara-panahy aho isaky ny mandalina ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy. Rehefa nisara-panambadiana tokoa ny ray aman-dreniko dia lasa “harena sarobidy sy tsy voavidy an’ny tena manokana” ho ahy araka ny fampianaran’i Filoha Thomas S. Monson ilay tsodranon’ny patriarika nomena ahy, eny “Liahona an’ny tena manokana” mihitsy aza.9

Aoka nefa tsy ho diso fandray ianareo. Tsy tonga lafatra aho akory. Efa nanao karazana fahadisoana maro aho. Hanamarina ilay namako mandrakizay fa mbola manao hadisoana aho. Fa nanampy ahy sy manohy manampy ahy haniry ny hanao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy.10 Nampitombo ny faniriako hanohitra fakam-panahy ny fandalinana matetika ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika. Nanampy ahy izany mba hanana faniriana sy herim-po hibebaka ary nanjary nihalasa dingana mahafaly ny fibebahana.

Zava-dehibe tamiko ny nandray ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika fony aho mbola tanora ary raha mbola teo an-dalam-pitomboana ny fijoroana ho vavolombelona nananako. Ary feno fankasitrahana mandrakizay aho fa ny ray aman-dreniko sy ny eveka dia nahatakatra fa ny faniriako dia nampiseho ny fahavononako.

Fony aho 12 taona, izao tontolo izao dia tsy dia nisafotofoto sy nahavariana lavitra noho izao tontolo izao ankehitriny. Ny Filoha Nelson dia nanoritsoritra ny tontolo ankehitriny ho “fotoana… sarotra indrindra amin’ny tantaran’izao tontolo izao”, tontolo izay “feno fahotana” sy “tia tena”.11 Soa ihany ireo zatovontsika ankehitriny fa matotra kokoa noho izaho tamin’ny faha-12 taonako, ary manana fanapahan-kevitra lehibe tokony horaisina koa izy ireo dieny mbola tanora! Mila mahafantatra ny tena maha-izy azy ireo ihany koa izy ireo, fa tian’Andriamanitra izy ireo ary mahafantatra azy ireo tanteraka Izy!

Tsy ny olona rehetra no haniry handray ny tsodranon’izy ireo avy amin’ny patriarika amin’ny fotoana tahaka ny nandraisako ny ahy. Mivavaka aho anefa mba hikatsaka amim-bavaka ny hahafantra ny fotoana maha vonona azy ireo ny mpikambana izay tsy mbola nandray ny tsodranon’ny patriarika. Mampanantena aho fa rehefa miomana ara-panahy ianareo dia ho masina aminareo, tahaka ny naha masina izany tamiko, ny zavatra hiainanareo. Mivavaka ihany koa aho mba handalina sy hankamamy ny tsodranon’izy ireo avy amin’ny patriarika ireo izay efa nandray izany. Ny fankamamiana ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika dieny mbola tanora dia nanome ahy herim-po rehefa kivy, fampiononana rehefa feno tahotra, fiadanana rehefa nahatsapa ho nitebiteby, fanantenana rehefa nahatsapa ho tsy nanan-kantenaina, ary fifaliana tamin’ny fotoana nilako izany indrindra. Nanampy ahy hampitombo ny finoako sy ny fahatokiako ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjy ahy ny tsodrano azoko tamin’ny patriarika. Nampitombo ny fitiavako Azy ireo koa izany—ary mbola mampitombo hatrany.12

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny tsodranon’ny patriarika dia manome fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona tokoa ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, ilay Mpamonjintsika, Jesoa Kristy, izay mahafantatra sy tia antsika ary maniry ny hitahy antsika. Fantatro mazava tsara ihany koa fa ny Filoha Russell M. Nelson dia mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany ankehitriny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 18.17, 18.17.1, ChurchofJesusChrist.org.

  2. Jereo ny Russell M. Nelson, “Thanks for the Covenant” (fampaherezam-panahy an’ny Brigham Young University, 22 nôv. 1988), speeches.byu.edus.byu.edu; “A More Excellent Hope” (fampaherezam-panahy an’ny Brigham Young University, 8 jan. 1995), speeches.byu.edu; “Identity, Priority, and Blessings” fampaherezam-panahy an’ny Brigham Young University, 10 sept., 2000), speeches.byu.edu; “Roots and Branches,” Liahona, mey 2004, 27–29; “Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2011, 86–89; “Youth of the Noble Birthright: What Will You Choose?” (Fampaherezam-panahy an’ny Brigham Young University–Hawaii, 6 sept. 2013), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org, “The Book of Mormon, the Gathering of Israel, and the Second Coming,” Ensign, jolay 2014, 26–31; Liahona, July 2014, 24–29; “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–95; “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 1–6.

  3. Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana”, 88.

  4. Russell M. Nelson, “Thanks for the Covenant,” speeches.byu.edu.

  5. Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizay” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny olon-dehibe vao herotrerony, 12 mey 2022), ChurchofJesusChrist.org nampiana fanamafisana.

  6. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana”, 86– 89.

  7. Jereo ny Genesisy 17:1–10; jereo koa ny Russell M. Nelson, “Children of the Covenant,” Ensign, May 1995, 32–34.

  8. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy”, Liahona, nôv. 2016, 81–84.

  9. Thomas S. Monson, “Your Patriarchal Blessing: A Liahona of Light,” Ensign, Nov. 1986, 65–66)

  10. Jereo Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67, 68.

  11. Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana”, Liahona, nôv. 2022, 95–96

  12. Hevitra azo avy amin’ny James E. Faust, “Priesthood Blessing,” Ensign, Nov. 1995, 62–64.