Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mahazo ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Mahazo ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana

Rehefa mandia ny lalan’ny fanekempihavanana ianareo, manomboka amin’ny batisa ka hatrany amin’ny tempoly ary mandritra ny fiainanareo, dia mampanantena anareo hery hanoherana ny fironan’izao tontolo izao izay manosika anareo aho.

Tamin’ny nôvambra lasa teo dia nanana fahafahana nanokana ny tempolin’i Belém Brésil ny tenako. Fifaliana ho ahy ny niarahana tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana be fanolorantena tao amin’ny faritra avaratr’i Brésil. Tamin’io fotoana io dia nianatra aho fa i Belém no fivoahana mankao amin’ny faritra izay ahitana ny renirano matanjaka indrindra eto amin’izao tontolo izao, dia ny Renirano Amazone.

Na dia eo aza ny tanjak’ilay renirano dia misy zavatra izay heverina fa tsy voajanahary mitranga in-droa isan-taona. Rehefa iny mifanandrify tsara iny ny masoandro sy ny volana ary ny tany, dia misy onja mahery vaika mikoriana eo amin’ilay renirano, izay manohitra ny fikorianana voajanaharin’ny rano. Onja izay mihoatra ny 6 metatra ny haavony1 mandeha hatrany amin’ny 50 kilaometatra2 mifanohitra amin’ny onjan’ny renirano no voarakitra an-tsoratra. Io trangan-javatra izay fantatra amin’ny ankapobeny amin’ny hoe tondra-drano io dia antsoina hoe pororoca, eo an-toerana, na “firohondrohona lehibe” noho ilay feo mafy avoakany. Azontsika tsoahina amin’izany fa na dia ny Amazone izay tena matanjaka aza dia tsy maintsy milefitra eo anatrehan’ny herin’ny lanitra.

Toa an’i Amazone, isika ihany koa dia misy fikorianana voajanahary eo amin’ny fiainantsika; mirona amin’ny fanaovana ny zavatra izay voajanahary amintsika isika. Toa an’i Amazone, afaka mahavita zavatra izay heverina fa tsy afaka mitranga isika, miaraka amin’ny fanampian’ny lanitra. Satria raha zohina dia tsy mandeha ho azy amintsika ny hoe hanetry tena, halemy fanahy, na vonona ny hanolotra ny sitrapontsika amin’ Andriamanitra. Kanefa amin’ny alalan’izany ihany no ahafahantsika ho voaova, hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra, ary hanatanteraka ny anjarantsika mandrakizay.

Tsy tahaka an’i Amazone isika, fa afaka misafidy ny hanaiky ny herin’ny lanitra na hanaraka fotsiny “ny fikorianan’ny onjam-piainana.”3 Mety ho sarotra ny handeha hifanohitra amin’ny onjam-piainana. Saingy rehefa manaiky “ny fitaoman’ny Fanahy Masina” isika ka manaisotra ireo fironana feno fitiavan-tenan’ny lehilahy na vehivavy araka ny nofo,4 dia afaka mandray ny hery manovan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika, ny hery hanaovana zavatra sarotra.

Nampianatra antsika ny fomba hanaovana izany ny Filoha Russell M. Nelson. Nampanantena izy fa: “Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana ao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly—ka mitandrina izany—dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy … [hampijoro antsika] eo ambonin’ity tontolo lavo ity.”5 Raha lazaina amin’ny teny hafa dia afaka mahazo ny herin’ Andriamanitra isika, saingy rehefa mifandray Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana masina ihany anefa.

Talohan’ny nahariana ny tany dia nametraka fanekempihavanana Andriamanitra mba ho ny rafitra hahafahantsika, zanany, mampiray ny tenantsika Aminy. Miainga amina lalàna mandrakizay sy tsy miova, nametraka ireo fepetra tsy azo hihodivirana izay hahafahantsika ho voaova sy voavonjy ary nasandratra Izy. Eto amin’ity fiainana ity isika dia manao ireo fanekempihavanana ireo amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fampanantenana ny hanao izay angatahan’ Andriamanitra amintsika, ary ho setrin’izany dia mampanantena antsika fitahiana Andriamanitra.6

Ny fanekempihavanana dia fanomezan-toky izay mila iomanantsika sy ho takatsika mazava tsara ary tena hajaina tanteraka.7 Ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia tsy mitovy amin’ny fanaovana fampanantenana tsotra. Voalohany aloha, takiana ny fahefan’ny fisoronana. Faharoa, ny fampanantenana tsy misy tanjaka dia tsy manana ny hery hanandratra antsika ho ambonin’ny sinton’ny fironana voajanahary. Tsy manao fanekempihavanana isika raha tsy mikasa ny hanolotena marina sy amin’ny fomba tena matotra ny hanatanteraka izany.8 Lasa zanak’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana sy mpandova ny fanjakany isika, indrindra rehefa mametraka tanteraka ilay fanekempihavanana ho ivon’ny fiainantsika.

Ny teny hoe lalan’ny fanekempihavanana dia hoentina hilazana andiana fanekempihavanana izay ahafahantsika manatona an’i Kristy sy mifandray Aminy. Mahazo ny heriny mandrakizay isika, amin’ny alalan’io fifamatorana ara-panekempihavanana io. Ilay lalana dia manomboka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana, arahan’ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina.9 Nampiseho antsika ny fomba idirana amin’ilay lalana i Jesoa Kristy rehefa natao batisa Izy.10 Araka ny raki-tantara momba ny Filazantsara ao amin’ny Testamenta Vaovao ao amin’ny Marka sy Lioka, ny Ray any An-danitra dia niresaka mivantana tamin’i Jesoa tamin’ny batisany ka nilaza hoe: “Ity no Zanako malalako, Izay sitrako.” Rehefa mirotsaka amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny batisa isika dia azoko sary an-tsaina ny Ray any An-danitra milaza zavatra mitovitovy amin’izany amintsika tsirairay avy: “Ity dia zanaka malalako izay ankamamiako. Tohizo hatrany.”11

Amin’ny fotoan’ny batisa sy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo,12 dia mijoro ho vavolombelona isika fa vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika.13 Eo anatrehan’ity sahan-kevitra ity dia aoka isika hahatsiaro ilay didy ao amin’ny Testamenta Taloha hoe: “Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao.”14 Ho an’ny sofintsika izay miaina amin’izao vaninandro maoderina izao, dia toa fandrarana ny fampiasana ny anaran’ny Tompo tsy araka ny tokony ho izy no fahenoana izany. Tafiditra ao amin’ilay didy izany, saingy mbola lalindalina kokoa noho izany ny fampiharana azy. Ny teny Hebreo izay nadika hoe “manonona” dia midika hoe “manandratra” na “mitondra” toy ny hoe faneva izay maneho ny tenany amina olona iray na vondron’olona.15 Ny teny nandikana ilay hoe “foana” dia midika hoe “poakaty” na “mamitaka.”16 Izany hoe, ilay didy tsy hanonona foana ny anaran’ny [Tompo] dia afaka lazaina amin’ny hoe, “Tsy tokony hanora-tena ho mpianatr’i Jesoa Kristy ianao raha tsy hoe mikasa ny hisolo tena Azy tsara.”

Lasa mpianany sy misolo tena Azy tsara isika rehefa mitondra eo amintsika, an-tsitrapo sy tsikelikely hatrany, ny anaran’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana. Ny fanekempihavanana ataontsika dia manome hery antsika mba hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana satria ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy sy amin’ny Raintsika any An-danitra dia niova. Mifandray amin’ Izy Ireo amin’ny alalan’ny fifamatorana ara-panekempihavanana isika.

Ny lalan’ny fanekempihavanana dia mitarika ho amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly, toy ny fanafiana masina any amin’ny tempoly.17 Ny fanafiana masina dia fanomezan’ Andriamanitra ireo fanekempihavanana masina izay mampifandray antsika feno kokoa Aminy. Ao amin’ny fanafiana masina, isika, voalohany, dia manao fanekena mba hiezaka hitandrina ny didin’ Andriamanitra; faharoa, hibebaka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina; fahatelo, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manao izany isika amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana Azy, ny fanaovana fanekempihavanana amin’Andriamanitra rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana isika, ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo mandritra ny fiainantsika, ary ny fiezahana hiaina ireo didy roa lehibe dia ny hitia an’ Andriamanitra sy ny namana. Fahefatra, isika dia manao fanekena hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ary fahadimy, hanokana ny tenantsika sy izay rehetra omen’ny Tompo antsika mba hanorenana ny Fiangonany.18

Amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly, isika dia mianatra bebe kokoa momba ireo tanjon’ny Tompo ary mandray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.19 Mandray fitarihana ho an’ny fiainantsika isika. Mihamatotra amin’ny maha mpianatra antsika isika ka tsy mijanona ho zazavao tsy mahalala foana foana.20 Fa miaina miaraka amin’ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay kosa isika ary mazoto kokoa hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa. Mahazo fahafahana tsy mitsaha-mitombo hanatanteraka ireo tanjontsika eto amin’ny fiainana an-tany isika. Voaro amin’ny ratsy isika,21 ary mahazo hery lehibe kokoa hanoherana ny fakam-panahy sy hibebaka rehefa lavo.22 Rehefa mihozongozona isika, ny fahatsiarovana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra dia manampy antsika hiverina eo amin’ilay lalana. Amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny herin’ Andriamanitra, lasa ny pororoca, antsika manokana isika, mahavita manohitra ny fironan’izao tontolo izao, mandritra ny fiainantsika sy mankamin’ny mandrakizay. Amin’ny farany dia voaova ny anjarantsika satria mitarika any amin’ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay ny lalan’ny fanekempihavanana.23

Ny fitandremana ny fanekempihavanana natao tao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly dia manome antsika ihany koa tanjaka hanoherana ireo fisedrana sy ratram-po hoentin’ny fiainana an-tany.24 Ny fotopampianarana mifandray amin’ireo fanekempihavanana ireo dia manamora ny lalantsika ary manome fanantenana sy fampiononana ary fiadanana.

I Lena Sofia sy Matts Leander Renlund raibe sy renibeko dia nandray ny herin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny batisa rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 1912 tany Finlande. Faly izy ireo lasa mpikambana ao amin’ny sampan’ny Fiangonana voalohany tao Finlande.

Matin’ny raboka i Leander dimy taona taty aoriana raha bevohoka ny zanak’izy ireo fahafolo i Lena. Io zaza io, izay ny raiko, dia teraka 2 volana taorian’ny nahafatesan’i Leander. Taty aoriana dia tsy ny vadiny ihany no nalevin’i Lena fa fito amin’ireo zanany folo ihany koa. Sahirana izy noho izy vehivavy nahantra maty vady. Nandritra ny 20 taona dia tsy mba natory tsara firy izy amin’ny alina. Nandritra ny andro dia nikely aina izy namelomana ny fianakaviany. Rehefa alina dia nikarakara ireo olona tao amin’ny fianakaviany izay ambavahoan’ny fahafatesana izy. Tena sarotra ny maka sary an-tsaina hoe ahoana no ahazakany izany.

Naharitra i Lena satria fantany fa afaka ny ho azy indray any amin’ny mandrakizay ny vadiny sy ireo zanany efa nodimandry. Ny fotopampianaran’ny fitahiana avy amin’ny tempoly, tafiditra ao anatin’izany ny fianakaviana mandrakizay, dia nitondra fiadanana ho azy satria natoky ny hery famehezana izy. Raha mbola teto an-tany izy, dia tsy nandray ny fanafiana masina azy manokana ary tsy nofehezina tamin’i Leander, saingy nanana fiantraikany lehibe teo amin’ny fiainany hatrany i Leander ary nandrafitra ilay fanantenana lehibe nananany ho an’ny hoavy.

Tamin’ny 1938 dia nandefa firaketana i Lena mba hahafahana manao ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviany efa maty, izay ny sasany tamin’ireo voalohany indrindra nalefa avy tany Finlande. Taorian’ny nahafatesany dia nataon’olon-kafa ho azy sy Leander ary ireo zanany efa maty ny ôrdônansin’ny tempoly. Tamin’ny alalan’ny fisoloan-tena no nanaovana ny fanafiana masina ho azy, nofehezina tamin’izy samy izy i Leander sy Lena, ary ireo zanany efa maty sy ny raiko dia nofehezina tamin’izy ireo. Toy ny hafa, i Lena dia “maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana, fa nahatazana azy teny lavitra teny, … ka ravoravo niarahaba azy.”25

Niaina toy ny hoe efa nanatontosa ireo ôrdônansy ireo teo amin’ny fiainany i Lena. Fantany fa ireo fanekempihavanan’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo dia mampifandray azy amin’ny Mpamonjy. Navelany hampionona ny fony ny faniriana mamy hitoetra ao amin’ny toerana masin’ny Mpanavotra.”26 Noraisin’i Lena ho toy ny iray amin’ireo famindrampon’ Andriamanitra lehibe ny fahafantarany fa mandrakizay ny fianakaviana nialohan’ny nianjadian’ireo loza teo amin’ny fiainany. Nandray tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana ny herin’ Andriamanitra mba haharitra sy hihoatra ny sintona mangidin’ireo fanamby sy fahasahiranana izy.

Rehefa mandia ny lalan’ny fanekempihavanana ianao, manomboka amin’ny batisa ka hatrany amin’ny tempoly ary mandritra ny fiainanao, dia mampanantena anao hery hanoherana ny fironan’izao tontolo izao izay manosika anao aho—hery hianarana, hery hibebahana ka hohamasinina, ary hery hahitana fanantenana, fiononana, ary indrindra fifaliana rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana ianao. Mampanantena anao sy ny fianakavianao fiarovana amin’ny fitaoman’ny fahavalo aho, indrindra indrindra rehefa ataonareo ho zavatra lehibe ifantohana eo amin’ny fiainanareo ny tempoly.

Rehefa manatona an’i Kristy sy mifandray Aminy sy amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana ianao, dia hisy zavatra izay heverina ho tsy voajanahary hitranga. Hovaina ianao ary lasa tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy.27 Lasa zanak’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana sy mpandova ny fanjakany ianao.28 Azoko sary an-tsaina Izy miteny aminao hoe: “Ity dia zanaka malalako izay ankamamiako. Tonga soa ato an-trano.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Eo amin’ny 6 metatra eo.

  2. Eo amin’ny 48 kilaometatra eo.

  3. Manana safidy isika satria Andriamanitra dia nanome antsika ny tombontsoa hisafidy sy hanao zavatra araka ny tenantsika. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahafahana misafidy,” 2 Nefia 2:27; Mosesy 7:32.

  4. Jereo ny Môzià 3:19.

  5. Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana”, Liahona, nôv. 2022, 96,97.

  6. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

  7. Lavo ny tsirairay avy amintsika indraindray, saingy Andriamanitra dia manam-paharetana amin’ny tsy fahalavorariantsika ary nanome antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana na dia aorian’ny fandikana fanekempihavanana iray aza. Araka ny nampianarin’ny Loholona Richard G. Scott hoe, “Ny fijerin’ny Tompo ny fahalemena dia samy hafa amin’ny fijeriny ny fikomiana … [satria] feno famindram-po mandrakariva Izy rehefa miresaka mikasika ny fahalemena” (“Personal Strength through the Atonement of Jesus Christ,” Liahona, Nov. 2013, 83). Noho izany dia tsy tokony hanana ahiahy isika ny amin’ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika manoloana ny fahalementsika. Saingy ny fandikana amim-pisainana fanekempihavanana iray miaraka amin’ny drafitra hibebaka aorian’izany—izany hoe, fahotana sy fibebahana nomanina mialoha—dia maharikoriko ny Tompo (jereo ny Hebreo 6:4–6).

  8. Jereo ny Robert Bolt, A Man for All Seasons: A Play in Two Acts (1990), xiii–xiv, 140.

  9. Jereo ny 2 Nefia 31:17–18.

  10. Jereo ny 2 Nefia 31:4–15.

  11. Noraketin’i Lioka hoe, “Ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako” (Lioka 3:22). Noraketin’i Marka hoe, “Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako” (Marka 1:11). Ny dikantenin’i William Tyndale dia tena mazava tsara kokoa sy lalindalina kokoa noho ny King James. Ao amin’ny dikanteniny dia milaza toy izao ny feon’ny Ray any An-danitra hoe, “Thou arte my dear Son in whom I delyghte (Ianao no Zanako malala izay ankamamiako)” (ao amin’ny Brian Moynahan, God’s Bestseller: William Tyndale, Thomas More, and the Writing of the English Bible—A Story of Martyrdom and Betrayal [2002], 58). I Matio ihany no manao tatitra ny amin’ny hoe niantefa tamin’ny maro kokoa ilay feo, “Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako” (Matio 3:17). Ny Filazantsaran’i Jaona dia manao tatitra ny amin’ny batisa nataon’i Jaona Mpanao Batisa ihany: “Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra” (Jaona 1:34).

  12. Jereo ny 2 Nefia 31:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77.

  13. Nanazava ny maha-zava-dehibe ilay teny hoe “vonona” rehefa manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ny Filoha Dallin H. Oaks: “Manan-danja ilay hoe rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia tsy mijoro ho vavolombelona hoe mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona isika fa isika dia vonona ny hanao izany. [Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77.] Ilay hoe ny fahavononantsika fotsiny no ijoroantsika ho vavolombelona dia maneho fa misy zavatra hafa tokony mbola hitranga mialoha ny tena hitondrantsika io anarana masina io amin’ny heviny manan-danja indrindra” (“Taking upon Us the Name of Jesus Christ,” Ensign, mey 1985, 81). Ilay “zavatra hafa” lazaina eto dia ireo fitahian’ny tempoly sy ny fisandratana amin’ny hoavy.

  14. Eksodosy 20:7.

  15. Jereo ny James Strong, The New Strong’s Expanded Exhaustive Concordance of the Bible (2010), fizarana ao amin’ny rakibolana Hebreo, pejy 192, laharana 5375.

  16. Jereo ny Strong, The New Strong’s Expanded Exhaustive Concordance of the Bible, fizarana momba ny rakibolana Hebreo, pejy 274, laharana 7723.

  17. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “ Ny fanekempihavanan’ny batisa dia mibanjina mazava tsara fisehoan-javatra na zavatra hitranga amin’ny hoavy ary miandrandra ny tempoly. … Ny dingan’ny fandraisana eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy izay niantomboka teo amin’ny ranon’ny batisa dia mitohy ary mivelatra kokoa any amin’ny tranon’ny Tompo. Rehefa mijoro eo amin’ny ranon’ny batisa isika dia manomboka ny diantsika ho any amin’ny tempoly. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia miandrandra ny tempoly. Maneho fahavononana isika fa hahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva ary hitandrina ny didiny ho fiomanana handray ireo ôrdônansy masin’ny tempoly ary handray ireo fitahiana avo indrindra izay azo amin’ny alalan’ny anarana sy fahefan’i Jesoa Kristy Tompo. Noho izany, mandray ny anaran’i Jesoa Kristy tanteraka sy amin’ny endriny feno eo amintsika isika amin’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly masina” (“Honorably Hold a Name and Standing,” Liahona, mey 2009, 98). Mety tsy ho tanteraka ilay dingana raha tsy rehefa lasa “tahaka Azy isika” (Môrônia 7:48), rehefa niova tanteraka isika.

  18. Araka ny voazava ao amin’ny Boky torolalana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 27.2 (ChurchofJesusChrist.org), ireo fanekempihavanana dia ny miaina ny lalàn’ny fankatoavana, ny mankatò ny lalàn’ny fahafoizana, ny mankatò ny lalàn’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ary ny mitandrina ny lalàn’ny fanokanana; jereo ihany koa ny David A. Bednar, “Aoka izany trano izany haorina ho an’ny Anarako,” Liahona, mey 2020.

  19. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:14–15. Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe, “Tafiditra ao anatin’ny -fahafenoan’ny Fanahy Masina- ilay nofariparitan’i Jesoa fa -io no fampanantenana izay omeko anareo ny amin’ny fiainana mandrakizay, dia ny voninahitry ny fanjakana selestialy; dia ny voninahitra izay an’ny fiangonan’ny Lahimatoa, dia ny an’ Andriamanitra, ny masina indrindra amin’ny rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany- (F&F 88:4–5)” (“Ny herin’ny fanekempihavanana,” Liahona, mey 2009, 23, note 5).

  20. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:15.

  21. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22, 25–26.

  22. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:21.

  23. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:15, 22; Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 98.

  24. Jereo ny Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20. Niteny tokoa i Filoha Nelson hoe: “Isaky ny mikatsaka sy manaraka ny bitsiky ny Fanahy ianao, ary isaky ny manao zavatra tsara—zavatra izay tsy hataon’ny “olona araka ny nofo” dia—mandresy izao tontolo izao ianao” (“Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” 97).

  25. Hebreo 11:13.

  26. Ry Mpanavotra,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 9, andininy 5. Io no hira ao amin’ny Fihirana tian’i Lena Sofia Renlund indrindra.

  27. Jereo ny Môrônia 10:30–33.

  28. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20.