Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanompoana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Fanompoana

Handeha isika hanampy sy hikarakara tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjitsika, indrindra amin’ireo izay tombontsoa lehibe ho antsika ny mitia sy nanendrena antsika mba hanompo azy.

Ry rahalahy sy anabavy malala, tonga soa eto amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany!

Taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra lasa teo dia nandehandeha nanerana ny Ivontoeran’ny fihaonambe izaho sy Rahavavy Gong mba hiarahaba sy handre ny zavatra niainanareo tao amin’ny filazantsara.

“Hoy es el tiempo de México [An’i Meksika indray izao],” hoy ireo mpikambana avy any Meksika.

Sary
I Gilly sy i Mary miaraka amin’ny Loholona sy ny Rahavavy Gong

Nahafantatra izahay tamin’io fa mpinamana avy any Angletera i Gilly sy i Mary. Namoy ny toeram-ponenany i Mary tamin’izy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Tamin-kahalalahan-tanana tokoa no nanasan’i Gilly an’i Mary hiara-hipetraka aminy. Tamim-pinoana lehibe no nilazan’i Gilly hoe: “Tsy isalasalako na oviana na oviana fa momba ahy ny Tompo.” Nandritra ny fihaonambe ihany koa i Gilly no nifankahita tamim-pifaliana tamin’ilay rahavavy misiônera iray izay nampianatra azy 47 taona lasa izay.

Sary
I Jeff sy i Melissa miaraka amin’ny Loholona sy ny Rahavavy Gong

Sambany i Jeff sy i Melissa vadiny no nanatrika ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mpilalao baseball matihanina i Jeff taloha (mpisambotra baolina izy) ary dokotera miandraikitra ny fanatoranana izy ankehitriny. “Mahagaga ahy mihitsy fa manao ny zava-drehetra mba hahavita batisa ahy aho satria izany no fomba azo antoka sy marina indrindra hoenti-miaina,” hoy izy tamiko.

Taloha i Melissa dia niala tsiny toy izao tamin’ilay rahalahy voatendry hanompo an’i Jeff: “Tsy tia olona avy ato am-piangonana miditra ny tranonay i Jeff.” “Hahita fomba aho,” hoy ilay rahalahy mpanompo. Ankehitriny dia mpinamana be izy sy i Jeff. Tamin’ny batisan’i Jeff dia tafahaona tamina vondrona Olomasin’ny Andro Farany izay tian’i Jeff sy i Melissa ary i Charlotte zanak’izy ireo aho.

Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia mikatsaka ny hanompo ny hafa tahaka ny ataony isika satria misy fiainana miandry hovaina.

Rehefa nilaza tamiko i Peggy hoe hatao batisa i John vadiny, taorian’izay 31 taona nivadiany izay, dia nanontany aho hoe inona no niova.

Hoy i Peggy hoe: “Raha nandalina ny Avia, hanaraka Ahy, Testamenta Vaovao izahay dia nanontany momba ny fotopampianaran’ny Fiangonana i John.”

“‘Ndao hanasa misiônera,” hoy i Peggy.

“Tsy hisy misiônera izany eo raha tsy hoe afaka manatrika ny namako,” hoy i John. Tao anatin’ny 10 taona mahery dia lasa namana mahatoky an’i John ilay rahalahy mpanompo. (Nieritreritra aho hoe: dia ahoana raha nitsahatra ka tsy tonga intsony ilay rahalahy mpanompo rehefa afaka iray, roa na sivy taona?)

Nihaino i John. Namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin-kitsim-po izy. Rehefa nanasa an’i John mba hatao batisa ireo misiônera dia novaliany hoe eny. Hoy i Peggy: “Nianjera avy teo amin’ny sezako aho ka nanomboka nitomany.”

“Niova aho rehefa nihananakaiky kokoa ny Tompo,” hoy i John. Taty aoriana dia nofehezina tany amin’ny tempoly masina i John sy i Peggy. Tamin’ny desambra lasa teo dia maty teo amin’ny faha 92 taonany i John. “Olona tsara i John hatrizay saingy niova tamin’ny fomba tsara izy taorian’ny batisany,” hoy i Peggy.

Sary
I Jenny sy i Meb

Nifankahalala tamin’i Meb sy i Jenny tamin’ny alalan’ny visio-conférence izaho sy ny Rahavavy Gong nandritra ny valanaretina COVID. (Nifankahalala tamina mpivady sy isam-batan’olona mahafinaritra maro tamin’ny alalan’ny visio-conférence izahay nandritra ny COVID. Tamim-bavaka no nampifandraisan’ny filohan’ny tsatòkan’izy ireo tsirairay avy taminay.)

Tamim-panetrentena no nilazan’i Meb sy Jenny taminay olana misy eo amin’ny fiainan’izy ireo izay nampanontany tena azy ireo raha azo avotana ny fanambadian’izy ireo tany amin’ny tempoly. Ka raha eny dia amin’ny fomba ahoana. Nino ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo ary afaka nanampy azy ireo ny fanoloran-tenan’izy ireo mba hitandrina fanekempihavanana.

Akory ny hafaliako rehefa nahazo fahazoan-dalana vaovao idirana ny tempoly i Meb sy i Jenny ka niara-niverina tao an-tranon’ny Tompo. Efa saika maty i Meb. Fitahiana lehibe tokoa ny namerenan’i Meb sy i Jenny ny fifandraisana ara-panekempihavanana tamin’ny Tompo sy teo amin’izy roa sy ny mahatsapa ny fitiavana avy amin’ny fanompoana ataon’ny olona maro manodidina azy ireo.

Na aiza na aiza alehako dia maha-feno fankasitrahana ahy ny mandray vaovao avy amin’ireo izay manompo sy mikarakara tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy.

Sary
I Salvador niaraka tamin’ny Loholona sy Rahavavy Gong

Nifankahalala tamin’i Salvador sy ireo iray tam-po aminy izaho sy ny Rahavavy Gong tany Pérou.1 Kamboty i Salvador sy ny iray tam-po aminy. Tsingerin-taona nahaterahan’i Salvador tamin’izay. Ohatra ho ahy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana izay nanompo io fianakaviana io tamim-pahatokiana. Ny “fivavahana madio sady tsy misy loto … dia ny “mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena,”2 “mamonjy ny osa, mampiakatra ny tanana izay miraviravy, … mampatanjaka ny lohalika malemy.”3

Any Hong Kong, ny filohan’ny kôlejin’ny loholona dia mizara ny fomba anaovan’izy ireo ny dinidiniky ny fanompoana izay vitan’izy ireo 100 isan-janto tsy tapaka. “Alaminay ombam-bavaka ireo mpiara-manompo mba hahafahan’ny rehetra mikarakara olona sy ho voakarakara,” hoy izy. “Anontanianay matetika ny mpiara-manompo tsirairay ny momba ireo olona tompoin’izy ireo. Tsy manisy marika asa vita izahay fa manompo ireo mpanompo izay mikarakara ireo olonay.”

Sary
Ny fianakaviana Bokolo

Any Kinshasa, Repoblika Demôkratikan’i Kongô, ny Filoha Bokolo dia mizara ny fomba nahatonga azy sy ny fianakaviany ho mpikamban’ny Fiangonana tany Frantsa. Indray andro raha teo am-pamakiana ny tsodranon’ny patriarika azy izy dia nitaona ny Rahalahy Bokolo ny Fanahy mba hiverenan’izy mianakavy any RD Kongô. Fantatry ny Rahalahy Bokolo fa hiatrika fanamby maro izy ireo raha miverina any. Ary ny fiangonan’izy ireo, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia tsy mbola tafaorina tany Kinshasa.

Kanefa tam-pinoana, tahaka ny nataon’ireo olona maro hafa, no nanarahan’ny fianakaviana Bokolo ny Fanahin’ny Tompo. Rehefa tany Kinshasa izy ireo dia nanompo sy nitondra fitahiana ho an’ireo manodidina azy ireo, nandresy ireo olana sy nandray fitahiana ara-panahy sy ara-batana. Faly izy ireo ankehitriny amin’ny fananana tranon’ny Tompo any amin’ny firenen’izy ireo.4

Notompoina tamin’ny alalan’ny fanehoana ohatra tsara ny mpikambana niova fo iray. Fony izy mbola zatovolahy dia midogaga eny amin’ny moron-dranomasina no androm-piainany, hoy izy. Indray andro dia “nahita tovovavy tsara tarehy iray nanao ankanjo filomanosana maotina aho” hoy izy. Talanjona izy ka nanatona nanontany hoe nahoana ny tovovavy tsara tarehy toa izao no manao ankanjo filomanosana maotina toy izao. Mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ary nanontany tamim-pitsikiana hoe: “Te hankany am-piangonana ve ianao amin’ny alahady?” Eny hoy izy.

Taona maro lasa izay raha niaraka namita iraka izahay, dia nizara ny fomba nanompoany niaraka tamin’ny mpiara-manompo taminy tsy tapaka ny rahavavy iray izay nipetra-drery tao amina toerana iray feno hetraketraka tao Boston ny Loholona L. Tom Perry. Rehefa tonga ny Loholona Perry sy ny mpiara-manompo taminy dia tamim-pahamalinana ery no nanasan’ilay rahavavy azy ireo hoe: “Asosay ao ambanin’ny varavarana ny fahazoan-dalana idirana ny tempoly anareo.” Rehefa hitany ny fahazoan-dalana idirana ny tempoly vao sokafany ireo hidim-baravarana maro sosona ka vohainy ny varavarana.5 Mazava ho azy fa tsy miteny aho akory hoe mila fahazoan-dalana idirana ny tempoly ireo mpiara-manompo. Saingy tiako ny mieritreritra fa rehefa manompo ireo olona manaja fanekempihavanana dia misokatra ny varavarana sy ny fo.

Nanome torohevitra azo ampiharina tsara koa ny Loholona Perry. “Omeo andraikitra maro sahaza ireo mpiara-manompo izay voafidy tamim-bavaka sy mifanakaiky toerana raha mety mba hampiasana tsara ny fotoana tokony hivezivezena,” hoy izy. Nanome torohevitra izy hoe: “Atombohy amin’ireo izay tena mila vangiana. Miaingà amin’ireo tena heverina fa hanaiky kokoa sy handray tsara ireo famangiana.” Nofaranany hoe: “Mitondra fahagagana ny tsy fiovaovana.”

Tonga ny fanompoana amin’ny fomba avo sy masina kokoa6 rehefa mivavaka isika mba hanana ny “fitiavana madion’i Kristy”7 sy manaraka ny Fanahy. Tonga ihany koa izany rehefa ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana no miahy ireo ezaka amin’ny fanompoana, eo ambany fitarihan’ny eveka, ka isan’izany ny fanendrena ireo mpiara-manompo. Mba omeo fahafaha-manompo araka izay ilaina ange ireo zatovolahy sy zatovovavy mba hiara-hanompo amin’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo sy hotoroan’izy ireo hevitra. Ary iangaviana re: avelao ireo taranatsika vao misondrotra mba hitondra aingam-panahy ho an’ireo rahavavy sy rahalahy mpiara-manompo.

Mandringa ny fanompoana any amin’ireo sehatra sasany ato amin’ny Fiangonana. Maro kokoa ireo milaza hoe manompo noho ireo milaza hoe tompoina. Tsy tianay hoe maneho fiahiana isika satria fotsiny hoe isika no voatendry hiahy ny momba azy ireo. Saingy matetika isika no mila manao zavatra mihoatra ny fiarahabana amin-kitsim-po an-telefaonina na ilay hoe: “Misy anampiako anao ve?” eny amin’ny fitobiam-piarakodia. Sehatra maro no azontsika hanampiana sy hanehoana fahatakarana ny hafa amin’izay manjo azy ary hanorenantsika fifandraisana rehefa mamangy tsy tapaka ireo mpikambana any an-tokantranony isika. Manova fiainana ny fanasana entanim-panahy. Rehefa ny fanasana no manampy antsika hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina dia manakaiky kokoa ny Tompo sy mifanatona kokoa isika.

Lazaina fa ireo izay mahatakatra ny tena fanahin’ny fanompoana dia manao mihoatra noho ny taloha raha ireo izay tsy mahatakatra kosa dia manao latsak’izay. ‘Ndeha isika hanao misimisy kokoa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy antsika. Araka ny ambaran’ny fihirantsika hoe: “fahafahana manefa adidy sy maneho fitiavana” izany.8

Ry filankevitry ny paroasy sy kôlejin’ny loholona ary Fikambanana Ifanampiana, aoka ianareo hihaino ilay Mpiandry Tsara sy hanampy Azy hitady izay very, … hampody ireo voaroaka,…hamarana izay folaka, …hampatanjaka izay malemy.9 Enga anie isika hampitolagaga ireo “anjely”10 rehefa manisy toerana ho an’ny rehetra ao amin’ny tranom-bahininy.11

Mitahy ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona ny fanompoana entanim-panahy; manamafy orina paroasy sy sampana ihany koa izany. Raiso toy ny tontolo iainana ara-panahy ny paroasy na sampana misy anao. Raha ilay fanoharana ny amin’ny hazo oliva ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no jerena, ny Tompon’ny tanimboly sy ireo mpanompo dia nampamoa voa sarobidy sy nampatanjaka ny hazo tsirairay tamin’ny alalan’ny fampitambarana ny tanjaka sy ny fahalemen’ireo hazo rehetra.12 Nanontany ombieny ombieny ny Tompon’ny tanimboly sy ireo mpanompony hoe: “Inona no mety ho azoko natao bebe kokoa?”13 Niara-niasa izy ireo mba hampiray fo sy tokantrano sy paroasy ary sampana tamin’ny alalan’ny fanompoana tsy tapaka izay nentanim-panahy.14

Sary
Mampifamatotra ny fakany sy ny rantsana

Ny fanompoana, izany hoe ny maha-mpiandry tsara, no maha “tena iray” ny tanimbolintsika15, eny, dia alakely masina. Maneho fianakaviana iray ny tsirairay avy amin’ireo hazo ao amin’ny alakelintsika. Ampifandraisin’ny filazantsara ny razambe sy ny taranaka. Mitahy taranaka maro ny fanompoana. Rehefa misy asa fanompoana ilaina, dia manontany ireo eveka heni-pahendrena sy ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona ary ny an’ny Fikambanana Ifanampiana hoe: “Iza avy ireo rahalahy sy rahavavy mpiara-manompo?” Tsy ireo fanamby na olana ihany no anontaniana mandritra ireo filankevitry ny paroasy sy ny dinidiniky ny fonompoana fa izy ireny koa dia mikatsaka ny hahatakatra ny toe-java-misy sy mifaly amin’ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika rehefa manompo tahaka izay ho nataony isika.

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho antsika.16 Koa satria Izy dia tsara dia afaka mandehandeha manao soa Izy.17 Mitahy ilay iray sy ny 99 Izy. Hita miharihary amin’ny zavatra rehetra ataony ny finiavany hanompo. Lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa isika rehefa manao “amin’ireto … kely indrindra ireto” tahaka izay ho nataontsika Taminy,18 rehefa mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika19 sy rehefa mifankatia tahaka ny itiavany antsika isika20 ary rehefa hoe “izay te-ho lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.”21

Manompo i Jesoa Kristy. Manompo ny anjely.22 Ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia “[m]ifanompo”23 sy “[miaraka] amin’izay mifaly, ary [miara-]mitomany amin’izay mitomany,”24 “[m]iahy [sy] … [m]amahana [ny olona] [amin’ny] zavatra mahakasika ny fahitsiana,”25 “[mahatsiaro] … ny mahantra sy ny sahirana, ny marary sy ny ory,”26 mba hankalazana ny anarany amin’ny alalan’ny fanompoana ataontsika.27 Rehefa manompo araka izay ho nataony isika dia afaka mahita ireo fahagagany sy ireo fitahiany.28 Mahazo “fanompoam-pivavahana tsara [kokoa]” isika.29

Mety ho vizaka ara-batana isika. Saingy rehefa eo amin’ny fanompoana Azy isika dia “[tsy] ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.”30 Manao izay farany tsara indrindra vitantsika isika, tsy mihazakazaka haingana kokoa noho izay tratry ny herintsika,31 fa matoky araka ny nampianarin’ny Apôstôly Paoly hoe “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.”32 Satria Andriamanitra izay “manome voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo.”33 Raha lazaina amin’ny teny hafa, Andriamanitra dia “[hampanan-karena] amin’ny zavatra rehetra ka handroso.”34 Izay “mamafy be, dia be kosa no hojinjany.”35

Na aiza na aiza misy antsika amin’izao vanim-potoana Paska izao dia handeha isika hanampy sy hikarakara tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjitsika, indrindra amin’ireo izay tombontsoa lehibe ho antsika ny mitia sy nanendrena antsika mba hanompo azy. Rehefa manao izany isika dia enga anie isika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ary isika hifanakaiky kokoa, lasa tahaka Azy kokoa ary lasa ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tiany hahatongavantsika tsirairay. Amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.