Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fahatoniana tahaka ny an’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Fahatoniana tahaka ny an’i Kristy

“Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe, Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro” (Marka 4:39).

Tamin’ny fotoana farany nitenenako nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana dia nasehon’i Ryan vinantolahiko ahy ny tweet iray izay nanao hoe: “Izany ve? Bragg no anaran’ilay lehilahy”, izay midika hoe “mirehareha,” dia maninona izy no tsy miresaka momba ny fanetren-tena? Bala very maina!” Indrisy fa mbola ho diso fanantenana hatrany izy.

Sary
Don Bragg amin’ny maha mpilalao baskety azy

Ny raiko, izay olona mahafinaritra dia mpilalao baskety All-America ho an’ny UCLA teo ambany fitarihan’i John Wooden izay mpanazatra malaza. Nifanakaiky am-po foana izy ireo nandritra ny fiainan’ny raiko ary indraindray i Coach sy Ramatoa. Matetika i Wooden no tonga nisakafo hariva tany an-tranonay. Faly foana izy niresaka tamiko momba ny baskety na izay zavatra hafa tao an-tsaiko. Nanontany azy aho indray mandeha hoe inona no torohevitra azony omena ahy teo am-panombohako ny kilasy famaranana tao amin’ny lisea. Noho ny fitiavany mampianatra foana dia hoy izy hoe: “Nilaza tamiko ny rainao fa lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianao, fantatro noho izany fa manana finoana ny Tompo ianao. Miaraka amin’izany finoana izany dia alaovy antoka ny hanana fahatoniana amin’ny toe-javatra rehetra. Aoka ianao ho lehilahy tsara na dia mandia zava-tsarotra aza.”

Niraikitra tato an-tsaiko nandritra ny taona maro io resaka nifanaovanay io. Nisy fiantraikany lalina tamiko izany torohevitra mba ho tony sy tsy taitaitra ary mahafehy tena amin’ny toe-javatra rehetra izany, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra sy ny faneriterena. Azoko ny fomba nilalaovan’ny ekipan’ny Coach Wooden tamim-pitoniana sy ny fahombiazana lehibe niainan’izy ireo rehefa nahazo fandresena 10 tamin’ireo fiadiana ny ho tompondaka nasionaly.

Tsy dia resahina firy anefa ny mikasika ny fahatoniana ankehitriny ary tsy dia ampiasaina loatra ao anatin’izao fotoana feno korontana sy fisaratsarahana izao. Matetika izy io no resahina amin’ny fanatanjahan-tena—ny mpilalao iray tony dia manana fatokian-tena sy mahay mifehy tena mandritra ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena na ao anatina ekipa iray misahotaka noho ny tsy fisian’ny fahatoniana. Kanefa io toetra mahafinaritra io dia manan-danja koa amin’ny zavatra hafa ankoatra ny fanatanjahan-tena. Mivelatra kokoa ny zavatra azo ampiharana ny fahatoniana eo amin’ny fiainana ary afaka mitahy ny ray aman-dreny, ny mpitarika, ny misiônera, ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny olon-drehetra miatrika ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana.

Ny fahatoniana ara-panahy dia mitahy antsika mba hahafahantsika mijanona ho tony sy hifantoka amin’izay zava-dehibe indrindra, indrindra rehefa iharan’ny tsindry isika. Nampianatra ny Filoha Hugh B. Brown hoe: “Ny finoana an’ Andriamanitra sy ny fandresena fara-tampony amin’ny fahamarinana dia manampy amin’ny fahatoniana ara-tsaina sy ara-panahy manoloana ireo zava-tsarotra.”1

Ny Filoha Russell M. Nelson dia ohatra mahafinaritra amin’ny fahatoniana ara-panahy. Indray mandeha, fony izy Dokotera Nelson, raha teo am-panatanterahana fandidiana mba hanasitranana lalan-dra tsentsina efatra eo amin’ny fo izy, dia nidina tampoka ny tosi-dràn’ilay marary. Nanombana tamim-pahatoniana ny zava-misy ny Dokotera Nelson ary tsikariny fa nisy hidin-javatra nesiron’ny iray tamin’ireo mpitsabo namany tsy nahy. Nosoloina teo no ho eo ilay izy ary Nampitony ilay olona tao amin’ny ekipa ny Dokotera Nelson hoe: “Mbola tiako ianao,” ary avy eo dia nampiany tamim-pivazivaziana hoe: “Indraindray aho tia anao mihoatra noho ny amin’ny fotoana hafa!” Nasehony ny fomba tokony hiatrehana hamehana—amim-pitoniana, tsy mifantoka afa-tsy amin’izay zava-manan-danja indrindra—no sady miatrika ilay hamehana. Hoy ny Filoha Nelson hoe: “Mitaky fifehezan-tena faratampony izany. Ny fihetsika voajanahary asehonao dia hoe: -Aleo aho hivoaka ry mpanazatra a! Te hody aho.- Saingy mazava ho azy fa tsy afaka hanao izany ianao. Miankina tanteraka amin’ilay ekipana mpandidy ny ain’olona iray. Noho izany dia tsy maintsy mitoetra ho milamina sy tony ary maranin-tsaina noho ny hatramin’izay ianao.”2

Mazava ho azy fa ny Mpamonjy no ohatra faratampony amin’ny fahatoniana.

Tao amin’ny Sahan’i Getsemane, tao anatin’ny fangirifiriana tsy takatry ny saina, ary “ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ny tany,”3 dia naneho fahatoniana araka an’ Andriamanitra Izy tamin’ny alalan’ilay teny tsotra nefa feno voninahitra manao hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”4 Tao anatin’ny faneriterena goavana mba hamonjena ny olombelona rehetra no nanehoan’i Jesoa fepetra telo manan-danja izay manampy antsika hahatakatra ny fahatoniana lehibe nananany. Voalohany dia fantany hoe iza Izy ary nitoetra ho mahatoky tamin’ny asa masina nanirahana Azy. Manaraka izany dia fantany fa nisy drafitra lehiben’ny fahasambarana. Ary farany, fantany fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana tsy manam-petra hataony no hahavoavonjy ireo rehetra izay miray zioga amim-pahatokiana Aminy amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina natao tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana, araka ny nampianaran’ny Loholona Dale G. Renlund izany tamin’ny fomba kanto androany.

Mba hampitahana ny maha samy hafa ny fahaverezan’ny fahatoniana sy ny fihazonana izany dia eritrereto ny zava-nitranga rehefa nandao ny Sahan’i Getsemane i Kristy sy ireo Apôstôliny. Rehefa nifanehatra tamin’ireo miaramila mba hisambotra an’i Jesoa i Petera dia ny namoy ny fitoniany no fihetsika nasehony ary namely mafy tamin’ny fanapahana ny sofin’i Malko, mpanompon’ilay lohan’ny mpisorona. Ny fihetsik’i Jesoa Kristy kosa dia ny nihazona ny fitoniany ary nampilamina ny toe-javatra mafampana tamin’ny alalan’ny fanasitranana an’i Malko.5

Ary ho antsika izay sahirana amin’ny fitazonana ny fitoniantsika na lasa kivy, dia diniho ny tohin’ny tantaran’i Petera. Fotoana fohy taorian’io zava-nitranga io sy ny ratram-po noho ny fandavany ny fiarahany amin’i Kristy,6 dia nijoro teo anoloan’ireo mpitondra fivavahana izay nanameloka ny Mpamonjy ihany izy ary tamim-pahatoniana lehibe tao anatin’ny fametrahana fanontaniana tsy an-kijanona no nijoroany ho vavolombelona tamim-pahasahiana momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy.7

Fantaro hoe iza ianao ary mijanòna ho mahatoky amin’ny toetra maha andriamanitra anao.

Andeha hodinihintsika ireo singa mandrafitra ny fahatoniana tahaka ny an’i Kristy. Hanombohana azy dia mitondra fahatoniana ny fahafantarana hoe iza isika sy ny fijanonana ho mahatoky amin’ny toetra maha-andriamanitra antsika. Ny fahatoniana tahaka ny an’i Kristy dia mitaky ny fialantsika amin’ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa na ny fodiana mitondra tena ho toy ny olona hafa izay tsy tena maneho ny maha izy antsika.8 Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Raha tsy mahatakatra ny toetoetran’ Andriamanitra ny olona, dia tsy mahatakatra ny toetoetrany izy.”9 Tsy azo heverina tsotra izao ny hananana fahatoniana araka an’Andriamanitra raha tsy mahafantatra fa zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana isika.

Tao amin’ny lahateniny mitondra ny lohateny hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay,” ny Filoha Nelson dia nampianatra ireto fahamarinana mandrakizay ireto momba ny maha-izy antsika: zanak’Andriamanitra isika, zanaky ny fanekempihavanana ary mpianatr’i Kristy. Nampanantena Izy avy eo hoe: “Rehefa mandray ireo fahamarinana ireo ianao dia hanampy anao hahatratra ny tanjonao faratampony mba hiaina mandrakizay eo amin’ny fanatrehany masina ny Raintsika any An-danitra.”10 Tena olona ara-panahy araka an’Andriamanitra miaina zavatra iainan’ny olombelona tokoa isika. Ny fahafantarana hoe iza isika sy ny fijanonana ho mahatoky amin’izany toetra maha-andriamanitra izany dia fototra amin’ny fiezahana hanana fahatoniana tahaka ny an’i Kristy.

Fantaro fa misy ny drafitra nataon’ Andriamanitra

Manaraka izany, ny fahatsiarovana fa misy drafitra lehibe dia miteraka herim-po sy fahatoniana ao anatin’ny toe-javatra sarotra. Afaka “[n]andeha sy [n]anao”11 araka ny nandidian’ny Tompo i Nefia “tsy nahafantatra mialoha”12 ny zavatra tokony hataony satria fantany fa hotarihin’ny Fanahy izy, ho fanatanterahana ny drafitra mandrakizain’ny Ray any An-danitra be fitiavana. Tonga ny fahatoniana rehefa mahita ny zava-misy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay isika. Nanoro hevitra ireo mpianany ny Tompo hoe: “Atopazy ny masonareo”13 ary “aoka ny fahamasinan’ny zavatry ny mandrakizay hitoetra ao an-tsainareo.”14 Rehefa heverina ao anatina drafitra mandrakizay ireo fotoan-tsarotra, dia lasa tombontsoa hitia, hanompo, hampianatra, ary hitahy ny faneriterena. Ny fiheverana ny fiainan’ny tena ao anatin’ny mandrakizay dia manome fahatoniana tahaka ny an’i Kristy.

Fantaro ny hery mampatanjak’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany

Ary farany, ny hery mampatanjak’i Kristy, izay tanteraka tamin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony, dia manome antsika tanjaka haharetana sy handresena. Noho i Jesoa Kristy dia afaka manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika ary mahazo hery amin’ny fitandremana izany fanekempihavanana izany. Afaka mifamatotra amin’ny Mpamonjy ao anatin’ny fifaliana sy fahatoniana isika, na inona na inona toe-javatra ara-nofo iainantsika.15 Ny Almà toko 7 dia mampianatra amin’ny fomba kanto mikasika ny hery mampatanjak’i Kristy. Ankoatra ny fanavotana antsika amin’ny fahotana, ny Mpamonjy dia afaka mampahery antsika ao anatin’ny fahalementsika sy ny tahotra ary ireo olana eto amin’ity fiainana ity.

Rehefa mifantoka amin’i Kristy isika dia afaka mampangina ny tahotsika, tahaka ny nataon’ny vahoakan’i Almà tao Helama.16 Raha nivory ireo tafika nikasa hamely azy ireo, dia nampiseho fahatoniana ireo mpianatr’i Kristy nahatoky ireo. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Nanoro hevitra … an’ireo mpino i Almà mba hahatsiaro ny Tompo sy ny fanafahana izay Izy ihany no afaka manolotra azy (jereo ny 2 Nefia 2:8). Ary ny fahalalana ny fiahian’ny Mpamonjy izay miaro dia nahafahan’ny vahoaka handroaka ny tahotr’izy ireo manokana.”17 Maneho fahatoniana izany.

Ilay Lehilahy Lehibe tao anaty tafio-drivotra

Nampianatra antsika zavatra betsaka momba ny faharetana ao anatin’ny tafio-drivotra i Noa, saingy ny Mpamonjy no mpampianatra lehibe indrindra mikasika ny fomba hahatafavoahana ho velona amin’ny tafio-drivotra. Izy ilay lehilahy lehibe ao anaty tafio-drivotra. Rehefa avy nampianatra nandritra ny tontolo andro niaraka tamin’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy, dia nila fialan-tsasatra kely Izy ka nandroso hevitra ny hitàn’izy ireo an-tsambokely teny am-pitan’ny Ranomasin’i Galilia. Raha niala sasatra ny Mpamonjy, dia nisy tafio-drivotra mahery tonga. Rehefa nitady handrendrika ny sambo ny rivotra sy ny onja, dia nanomboka natahotra ny amin’ny ainy ireo Apôstôly. Ary tsarovy fa maro tamin’ireo Apôstôly ireo no mpanarato izay nahafantatra tsara ireo tafio-drivotra teo amin’io ranomasina io! Kanefa noho ny tahotra,18 dia namoha ny Tompo izy ireo ary nanontany hoe: “[Tompo] ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?” Avy eo dia amim-pitoniana tanteraka no “[nifohazan’ny Mpamonjy], dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe, Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.”19

Ary zary lesona lehibe momba ny fahatoniana ho an’ireo Apôstôliny izany avy eo. Nanontany izy hoe: “Nahoana no saro-tahotra ianareo? tsy mbola manam-pinoana va ianareo?”20 Nampahatsiahiviny azy ireo fa Izy no Mpamonjy izao tontolo izao ary nirahin’ny Ray Izy hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ireo zanak’ Andriamanitra. Azo antoka fa tsy ho faty an-tsambo ny Zanak’Andriamanitra. Naneho ny fahatoniana araka an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny ohatra Izy satria fantany ny maha-Andriamanitra Azy ary fantany fa nisy drafitry ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ary fantany ny maha-zava-dehibe ny Sorompanavotany amin’ny fahombiazana mandrakizain’izany drafitra izany.

Amin’ny alalan’i Kristy sy ny Sorompanavotany no hahatongavan’ny zava-tsoa rehetra eo amin’ny fiainantsika. Rehefa tadidintsika hoe iza isika, ary mahafantatra fa misy drafitry ny famindram-po avy amin’ Andriamanitra, ary misintona herim-po avy amin’ny herin’ny Tompo, dia afaka manao ny zava-drehetra isika. Hahita fahatoniana isika. Ho vehivavy sy lehilahy tsara isika ao anatin’ny zava-tsarotra rehetra.

Enga anie isika hikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny fahatoniana tahaka ny an’i Kristy, ary izany dia tsy vitan’ny hoe hanampiana ny tenantsika amin’ny fotoan-tsarotra fotsiny ihany, fa mba hitahiana ny hafa sy hanampiana azy ireo koa hiatrika ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainany. Amin’izao ankatoky ny Alahadin’ny sampan-kazo izao dia mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana momba an’i Jesoa Kristy aho. Efa nitsangana Izy. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fiadanana, ny filaminana ary ny fahatoniana avy amin’ Andriamanitra izay Izy irery ihany no mitondra izany eo amin’ny fiainantsika, ary ataoko izany amin’ny Anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Hugh B. Brown, ao amin’ny Conference Report, Oct. 1969, 105.

  2. Jereo ny Sheri Dew, Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson (2019), 66–67.

  3. Jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 22:44.

  4. Lioka 22:42.

  5. Jereo ny Lioka 22:50–51; Jaona 18:10–12.

  6. Jereo ny Matio 26:34, 73–75.

  7. Jereo ny Asan’ny Apostoly 4:8–10; Neal A. Maxwell, “Content with the Things Allotted unto Us,” Ensign, Mey 2000, 74: Liahona, Jolay 2000, 89: “Afaka ny hisy ny fahatoniana, na dia tsy fantatsika aza ‘ny dikan’ny zava-drehetra’ [1 Nefia 11:17], rehefa mendrika tsara ny ara-panahy.”

  8. Jereo ny John R. Wooden, Wooden on Leadership (2005), 50: “Ny fahatoniana amiko dia midika hoe miaina mifanaraka amin’ny soatoavina sy ny finoana ananan’ny tena, fa tsy lasa tezitra, na tsy afaka manao zavatra amim-pahavononana, na tsy tony ara-tsaina na inona na inona toe-javatra misy. Mety ho toy ny mora atao izany, saingy ny fahatoniana dia mety ho toetra sarotra ananana indrindra amin’ny fotoan-tsarotra. Ireo mpitarika tsy ampy fahatoniana dia mikoropaka rehefa misy ny faneriterena.

    “Ny fahatoniana dia midika hoe mijanona ho mahatoky amin’ny finoanao sy manao zavatra mifanaraka amin’izany, na toy ny ahoana na ahoana ny haratsiana na ny hatsaran’ny toe-javatra misy. Ny fahatoniana dia midika hoe miala amin’ny fodiana miseho ho toy ny olona hafa noho ny maha-izy ny tena, ny fampitahana ny tenanao amin’ny hafa, ary ny fanaovana zavatra izay mahatonga anao ho toy ny olona hafa fa tsy tena ianao. Ny fahatoniana dia midika hoe manana fo be herim-po amin’ny toe-javatra iainana rehetra.”

  9. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 40.

  10. Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizay (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  11. 1 Nefia 3:7.

  12. 1 Nefia 4:6.

  13. Jaona 4:35.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:34; jereo koa ny James E. Faust, “The Dignity of Self,” Ensign, May 1981, 10: “Mihatsara tokoa ny fahamendrehana rehefa mijery ny ohatry ny any an-danitra amin’ny fikatsahana ny fahamasinana. Tahaka ireo hazo goavam-be, dia tokony hanakatra ny hazavana isika. Ny loharanom-pahazavana manan-danja indrindra azontsika fantarina dia ny fanomezana ny Fanahy Masina. Izany loharanon’ny hery anaty sy ny fiadanana.”

  15. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82: “Ry rahalahy sy anabaviko malala, zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika fa tena mifandray kosa amin’ny zavatra ifantohan’ny fiainantsika izany.”

  16. Jereo ny Môzià 23:27–28.

  17. David A. Bednar, “Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony,” Liahona, mey 2015,46–47.

  18. Jereo ny Jeffrey R. Holland, Our Day Star Rising: Exploring the New Testament with Jeffrey R. Holland (2022), 61–62: “Ankoatra izany, ireo dia lehilahy efa za-draharaha niaraka taminy—ny iraika ambin’ny folo tamin’ireo Roa ambin’ny fololahy tany am-boalohany dia Galiliana (i Jodasy Iskariota ihany no Jodianina). Ary ny enina tamin’ireo iraika ambin’ny folo ireo dia mpanarato. Nipetraka teo amin’io farihy io izy ireo. Nanjono teo no asa fiveloman’izy ireo. Efa teo izy ireo hatramin’ny fahazazany. Nasain’ny rain’izy ireo nanamboatra harato sy nanamboatra ny sambo izy ireo, fony izy ireo mbola kely. Fantatr’izy ireo io ranomasina io; fantatr’izy ny rivotra sy ny onja eo amin’izany. Lehilahy za-draharaha izy ireo, saingy matahotra. Ary raha matahotra izy ireo dia tena tafio-drivotra marina izany.”

  19. Jereo ny Marka 4:35–39.

  20. Marka 4:40.