Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aorian’ny andro fahaefatra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Aorian’ny andro fahaefatra

Rehefa mandroso amim-pinoana an’i Jesoa Kristy isika dia ho tonga foana ilay andro fahaefatra. Ho avy hamonjy antsika foana Izy.

Araka ny nampahatsiahivina antsika ny maraina teo dia Alahadin’ny Sampankazo anio, izay manamarika ny fidiran’ny Mpamonjy tamim-boninahitra tao Jerosalema sy ny fiantombohan’ilay herinandro masina nialoha ny Sorompanavotana lehibe, izay hahitana ny fijaliany, ny Fanomboana Azy, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Tsy ela talohan’ilay fidirany tao amin’ilay tanàna araka ny faminaniana, raha mbola raikitra tanteraka tao anatin’ny asa fanompoany i Jesoa Kristy no naharay hafatra avy tamin’i Maria sy i Marta namany tena tiany fa narary i Lazarosy anadahin’izy ireo.1

Na dia mafy aza ny aretina nahazo an’i Lazarosy dia “mbola nitoetra indroa andro teo amin’izay nitoerany ihany [ny Tompo]. Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin’ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.”2 Talohan’ny nanombohany ilay dia nankany amin’ny tokantranon’ireo namany tany Betania i “Jesoa dia nilaza tsotra tamin’[ireo mpianany] hoe: Maty i Lazarosy.”3

Rehefa tonga tany Betania i Jesoa ary nihaona tamin’i Marta aloha vao tamin’i Maria, izay mety ho diso fanantenana tokoa noho ny fahataran’ny fahatongavany, dia samy niarahaba Azy izy ireo ary niteny hoe: “Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.” 4 Dia mbola nihiaka indray i Marta hoe: “Maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.”5

Nanan-danja tamin’i Maria sy i Marta ireo efatra andro ireo. Araka ny fampianarana nentim-paharazana Jiosy vitsivitsy sy ny fomba fiheveran’izy ireo, dia nino ny olona fa hitoetra ao amin’ny vatan’ny olona iray maty mandritra ny telo andro ny fanahiny, izay mitondra fanantenana fa mbola azo heverina ny mbola hahavelomany. Tsy nisy intsony anefa izany fanantenana izany rehefa tonga ny andro fahaefatra, satria angamba ho efa nanomboka simba sy “maimbo” ilay vata-mangatsiaka.6

Tao anatin’ny fahakiviana i Maria sy i Marta. “Rehefa nahita an’i [Maria] nitomany i Jesoa… dia vonto ny fanahiny, ka … tora-kovitra Izy,

“Ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.”7

Tamin’io fotoana io no ahitantsika ny iray amin’ireo fahagagana lehibe indrindra nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany. Hoy aloha ny Tompo hoe: “Esory ny vato.”8 Avy eo, rehefa avy nisaotra ny Rainy Izy, dia “niantso tamin’ny feo mahery hoe : ry Lazarosy, mivoaha!

“Dia nivoaka ny maty, nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesoa tamin’ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.”9

Toa an’i Maria sy i Marta dia manana fahafahana isika ny hiaina ny zavatra rehetra eto an-tany, eny fa na ny alahelo10 sy ny fahalemena aza.11 Isika tsirairay avy dia hiaina ny ratram-po miaraka amin’ny famoizana olona izay tiantsika. Ny diantsika eto an-tany dia mety ahitana aretin’ny tena manokana na aretina mahaosa ny olona iray akaikin’ny fo, fahaketrahana, tebitebin-tsaina, na olana hafa mahakasika ny fahasalamana ara-tsaina, fahasahiranana ara-bola, fivadiham-pitokisana, fahotana. Ary indraindray dia omban’ny fahatsapana hakiviana ireo zavatra ireo. Tsy misy hafa amin’izany aho. Tahaka anareo, izaho dia efa niaina olana maro izay mety hitranga eto amin’ity fiainana ity. Mahasarika ny saiko tokoa io tantara momba ny Mpamonjy io sy ny zavatra ampianarin’izany ahy momba ny fifandraisantsika Aminy.

Mandritra ireo ahiahy lehibe indrindra ananantsika, dia mitady, tahaka an’i Maria sy i Marta, ny Mpamonjy isika na mangataka ny Ray hirotsaka an-tsehatra amin’ny maha Andriamanitra Azy. Ny tantaran’i Lazarosy dia mampianatra antsika ireo fitsipika izay azo ampiharina eo amin’ny fiainantsika manokana rehefa miatrika ireo olantsika tsirairay avy isika.

Rehefa tonga tao Betania ny Mpamonjy dia efa tsy nanantena intsony ny rehetra hoe mbola ho voavonjy i Lazarosy, efa efatra andro izay no lasa, ary efa nandao azy ireo izy. Indraindray mandritra ireo olantsika manokana, dia mety hahatsapa isika hoe tara loatra i Kristy vao tonga ary mety ho tsapantsika hoe mihozongozona mihitsy aza ny fanantenantsika sy ny finoantsika. Ny fijoroana ho vavolombelona ataoko dia hoe rehefa mandroso amim-pinoana an’i Jesoa Kristy isika dia ho tonga foana ilay andro fahaefatra. Hamonjy antsika foana Izy ary hamelona indray ny fanantenantsika. Nampanantena Izy hoe:

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.”12

“Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.”13

Indraindray dia mety ho toy ny hoe tsy tonga eo amintsika Izy raha tsy amin’ilay andro fahaefatra ampiasaina toy ny fanoharana, rehefa toa tsy misy intsony ny fanantenana. Fa nahoana no tara be toy izany? Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ny Raintsika any An-danitra izay manome antsika fahafahana hianoka ao anatin’ny zavatra maro dia mahafantatra koa fa mianatra sy mivoatra ary lasa matanjaka kokoa isika rehefa miatrika sy maharesy fitsapana izay tsy maintsy lalovantsika.”14

Na ny mpaminany Joseph Smith aza dia niaina andro fahaefatra tena goavana. Tsaroanareo ve ny fitalahoany? “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao? Ary aiza no misy ny lay izay mandrakotra ny toerana fiafenanao?”15 Rehefa matoky Azy isika dia afaka manantena valin-teny toy ny hoe: “Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy.”16

Hafatra iray hafa azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Lazarosy ny hoe mety ho ao anatin’ilay firotsahan’ Andriamanitra an-tsehatra izay tadiavintsika ny anjara asantsika manokana. Rehefa nanatona ilay fasana i Jesoa, dia hoy aloha Izy tamin’ireo olona teo hoe: “Esory ny vato.”17 Raha ny hery nananan’ny Mpamonjy dia moa ve Izy tsy afaka nanaisotra tamin’ny fomba mahagaga ilay vato tsy nila nampiasa hery? Ho nahatalanjona ny nahita izany ary ho traikefa tsy hay hadinoina mihitsy, kanefa dia niteny tamin’ireo olona hafa Izy hoe: “Esory ny vato.”

Faharoa, dia “niantso tamin’ny feo mahery [ny Tompo] hoe: ry Lazarosy, mivoaha!”18 Tsy ho nahatalanjona kokoa ve raha napetraky ny Tompo Izy tenany mihitsy tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny varavaram-pasana i Lazarosy mba hahitan’ny vahoaka azy avy hatrany rehefa nesorina ilay vato?

Fahatelo, rehefa nivoaka i Lazarosy dia “nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesoa tamin’ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.”19 Azoko antoka fa ny Tompo dia nahavita nampijoro an’i Lazarosy teo amin’ny varavaram-pasana, efa madio sy tsy nampatahotra ary efa voavalona tsara ny lamba-patiny.

Inona no antony hampisongadinana ireo lafin-javatra ireo? Manana zavatra iombonana ny tsirairay avy amin’ireo zavatra telo ireo: tsy nisy nitakina ny fampiasana ny hery masin’i Kristy tamin’izy ireo. Izay zavatra azon’ireo mpianany natao dia nasainy nataon’ izy ireo. Vitan’ireo mpianatra tsara ny nanaisotra samirery ilay vato. Nanana fahafahana ny hijoro sy haneho ny tenany teo amin’ny varavaram-pasana i Lazarosy rehefa avy natsangana. Ary afaka nanampy tanteraka an’i Lazarosy hanaisotra ny fitafiany tao am-pasana ireo olona tia azy.

Na izany aza anefa, dia i Kristy irery ihany no nanana ny hery sy fahefana hanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. Ny zavatra tsapako dia hoe miandry antsika hanao izay rehetra azontsika atao ny Mpamonjy, ary Izy no hanao izay zavatra tsy misy mahavita afa-tsy Izy irery ihany.20

Fantatsika fa “ny finoana [an’ny Tompo Jesoa Kristy] dia fitsipiky ny asa”21 ary “ny fahagagana dia tsy miteraka finoana, fa ny finoana mahery dia azo avy amin’ny fankatoavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Amin’ny teny hafa, ny finoana dia tonga amin’ny alalan’ny fahamarinana.”22 Rehefa miezaka manao zavatra amim-pahamarinana isika amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana masina ary mampihatra ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika, dia tsy vitan’ny hoe ampy hitondra antsika hahatratra ny andro fahaefatra fotsiny ny finoantsika, fa noho ny fanampian’ny Tompo dia ho afaka koa isika ny hanaisotra ireo vato misakana ny lalantsika, hiarina avy amin’ny fahakiviana, ary hamaha ny tenantsika amin’ireo zavatra rehetra mamatotra antsika. Na dia miandry antsika aza ny Tompo mba “hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika,”23 dia tadidio fa hanome antsika ny fanampiana ilaina Izy amin’ireo zavatra rehetra ireo rehefa matoky Azy isika.

Ahoana no ahafahantsika manaisotra ireo vato misakana ary manorina eo ambonin’ny vatolampiny?24 Afaka manaraka ny torohevitra avy amin’ireo mpaminaniny isika.

Ohatra, ny ôktôbra lasa teo ny Filoha Russell M. Nelson dia niangavy antsika mba handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany, hiasa ho an’izany sy hikolokolo izany, hamahana izany amin’ny fahamarinana, ary hisoroka ny fandotoana izany amin’ny filôzôfia sandok’ireo tsy mpino. Nampanantena antsika izy fa “Rehefa manao ny fanamafisana orina tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.”25

Vitantsika izany!

Ahoana no ahafahantsika mitsangana dia mivoaka ara-panoharana? Afaka mibebaka am-pifaliana isika dia misafidy ny hankatò ny didy. Hoy ny Tompo: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.”26 Afaka miezaka mibebaka isan’andro isika ary mandroso am-pifaliana amin’ny fo feno finiavana heniky ny fitiavana ny Tompo.

Vitantsika izany!

Ahoana no ahafahantsika, omban’ny fanampian’ny Tompo, mamaha ny tenantsika amin’ireo zavatra rehetra mamatotra antsika? Afaka minia mamatotra ny tenantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany aloha isika voalohany indrindra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana. Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Inona no loharano[n’ny] hery ara-môraly sy ara-pana[hintsika], ary ahoana no ahazoantsika izany? Ny loharano dia Andriamanitra. Ny fomba ahafahantsika mahazo izany hery izany dia amin’ny alalan’ny fanekempihavanana ataontsika Aminy. … Ao anatin’izany fifanarahana masina izany dia mamatotra ny Tenany Andriamanitra mba hanohana, sy hanamasina ary hanandratra antsika rehefa manolo-tena ny hanompo Azy sy hitandrina ny didiny isika.”27 Afaka manao sy mitandrina fanekempihavanana masina isika.

Vitantsika izany!

“Esory ny vato.” “Mivoaha!” “Vahao izy ka avelao handeha.”

Torohevitra, didy, ary fanekempihavanana. Vitantsika izany!

Nampanantena ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny fitahiana sasany dia vetivety dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa ho an’ireo izay manaiky ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireo.”28

Ary farany dia hoe: “Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo.”29

Izany no tenivavolombelona sy fijoroana ho vavolombelona ataoko, amin’ny anarana masin’Ilay ho avy mandrakariva, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Jaona 11:3.

  2. Jaona 11:6–7.

  3. Jaona 11:14.

  4. Jaona 11:21, 32.

  5. Jaona 11:39.

  6. “Ny fanahy, araka ny finoana Jiosy, dia mijanona eo amin’ny toerana manodidina ny vata-mangatsiaka telo andro aorian’ny fahafatesana. Araka ny zavatra tena naharesy lahatra ny Jiosy, vokatr’izany, dia tsy azo heverina ny hanatanterahana ny fananganana olona iray izay efa maty eo amin’ny andro fahaefatra, satria tsy hiverina hiditra intsony ao amin’ilay vata-mangatsiaka izay efa nafindra any amin’ny toerana hafa ny fanahy. Izany no tena nahatalanjona indrindra ireo izay nanatri-maso ilay fahagagana fa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny andro fahaefatra i Jesoa. Noho izany, ny andro fahaefatra dia manana heviny manokana eto ary ninian’ny mpitantara nampiasaina mba ho ampifandraisina amin’ny fahagagana nananganana ny maty lehibe indrindra izay azo notanterahina” (Ernst Haenchen, John 2: A Commentary on the Gospel of John, Chapters 7–21, ed. Robert W. Funk sy Ulrich Busse, trans. Robert W. Funk [1984], 60–61).

  7. Jaona 11:33–34.

  8. Jaona 11:39.

  9. Jaona 11:43–44.

  10. Jereo ny Mosesy 4:22–25.

  11. Jereo ny Etera 12:27.

  12. Jaona 14:1.

  13. Jaona 14:18.

  14. Thomas S. Monson, “Tsy handao na hahafoy anao Aho,” Liahona, nôv. 2013, 87. Nanazava bebe kokoa ny Filoha Monson hoe: “Fantatsika fa hisy fotoana izay hiainantsika alahelo mahavaky fo, sy hijaliantsika ary mety hitsapana mihitsy ny fetra zakantsika aza. Kanefa ny olana toy izany dia manome fahafahana antsika hivoatra, sy hanitsy ny fiainantsika araka ny fomba nampianarin’ny Raintsika any An-danitra ary ho lasa tsy hitovy amin’ilay isika teo aloha isika—olona tsara kokoa noho ny teo aloha, mahataka-javatra bebe kokoa noho ny teo aloha, mahay maneho fitiavana kokoa noho ny teo aloha ary manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa noho ny teo aloha” (“Tsy handao na hahafoy anao Aho,” 87). Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:119: “Fa Izaho Tompo dia efa nandroso ny tanako mba hampihetsika ny herin’ny lanitra; tsy hainareo jerena izany ankehitriny, kanefa vetivety foana dia hahita izany ianareo ary hahafantatra fa Izy Aho, fa ho avy Aho.”

    Jereo koa ny Môzià 23:21–24:

    “Ny Tompo dia mahita fa mety ny hamaizana ny olony; eny, mizaha toetra ny faharetany sy ny finoany Izy.

    “Kanefa—na zovy na zovy no mametraka ny fitokiany Aminy, dia izy no hasandratra amin’ ny andro farany. Eny, dia toy izany no nitranga tamin’ity vahoaka ity.

    “Fa indro, hasehoko anareo fa efa navarina tany amin’ny fanandevozana izy, ary tsy nisy nahafaka azy afa-tsy ny Tompo Andriamaniny, eny, dia Ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba.

    “Ary ny zava-nitranga dia Izy no nanafaka azy sy naneho taminy ny heriny lehibe, ka dia lehibe ny fifaliany.”

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7.

  17. Jaona 11:39.

  18. Jaona 11:43.

  19. Jaona 11:44.

  20. Nanao fanamarihana ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Matetika izaho sy ireo mpanolotsaiko no nahita tamin’ny masonay manganohano raha iny Izy niditra an-tsehatra tamin’ny toe-javatra farany izay nanahirana rehefa avy nanao izay rehetra azonay natao izahay ka tsy afaka nanao mihoatra intsony. Tena talanjona marina tokoa izahay!” (“Fiarahabana tonga soa,” Liahona, mey 2021, 6).

  21. Bible Dictionary, “Faith.”

  22. Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Finoana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

  23. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17.

  24. Jereo ny 3 Nefia 11:32–39.

  25. Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 97.

  26. Jaona 14:21.

  27. D. Todd Christofferson, “Ny Herin’ny Fanekempihavanana,” Liahona, mey 2009, 20.

  28. Jeffrey R. Holland, “An High Priest of Good Things to Come,” Liahona, Jan. 2000, 45.

  29. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6.