Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mampianatra antsika hanompo i Jesoa Kristy Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Mampianatra antsika hanompo i Jesoa Kristy Tompo

Afaka mitia ireo ondriny sarobidy sy manompo azy ireo toy ny ho nanompoany azy ireo isika, miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy.

Nilaza i Jesoa Kristy Tompo hoe:

“Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. …

“Dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.”1

Ao amin’ny dikantenin’ny soratra masina amin’ny teny Grika, ny teny hoe tsara dia midika koa hoe “kanto, mahagaga.” Noho izany, androany aho dia te hiresaka momba ilay Mpiandry ondry tsara, ilay Mpiandry ondry kanto, ilay Mpiandry ondry mahagaga, dia i Jesoa Kristy izany.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao Izy dia antsoina hoe: ilay “mpiandry ondry lehibe,”2 ny “Lohan’ny mpiandry,”3 ary ilay “Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahin[tsika].”4

Ao amin’ny Testamenta Taloha, i Isaia dia nanoratra fa “hikarakara ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy.”5

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna Izy dia antsoina hoe: ilay “mpiandry tsara”6 sy ilay “mpiandry ondry lehibe sy marina.”7

Nanambara Izy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Koa eo afovoanareo Aho, ary Izaho no mpiandry tsara.”8

Amin’izao androntsika izao dia nanambara ny Filoha Nelson hoe: “llay Mpiandry ondry tsara dia mikarakara amim-pitiavana ny ondry rehetra ao am-balany, ary isika dia tena mpiandry ondry lefiny. Tombontsoa ho antsika ny mitondra ny fitiavany miaraka amin’ny antsika manokana eo amin’ireo namantsika sy ireo mpiara-monina amintsika amin’ny alalan’ny famahanana sy fiambenana ary fikolokoloana azy ireo—toy ny ho nasain’ny Mpamonjy hataontsika.”9

Vao haingana ny Filoha Nelson no nilaza hoe: “Ny toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona dia ny asa iray izay voarindra sy misy mitarika mba hanompo ny zanak’ Andriamanitra tsirairay sy ny fianakavian’izy ireo avy. Koa satria Fiangonany ity, dia isika, amin’ny maha-mpanompony antsika, no hanompo ny tsirairay tsy misy hafa amin’ny nataony. Hanompo amin’ny anarany isika, miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany, ary ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana.”10

Rehefa nimonomonona momba ny Tompo ireo Fariseo sy mpanora-dalàna, “ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy,”11 dia novaliany tamin’ny alalan’ny tantara anankitelo mahafinaritra izany izay fantatsika amin’ny hoe ny fanoharana momba ilay ondry very, ny fanoharana momba ilay farantsakely very, ary ny fanoharana momba ilay zanaka adala.

Mahavariana ny mahita fa rehefa nampahafantatra ireo tantara telo ireo i Lioka, mpanoratra Filazantsara, dia ny andian-teny hoe ny fanoharana no nampiasainy fa tsy ny hoe ireo fanoharana.12 Toa nampianatra lesona iray tsy manam-paharoa ny Tompo tao anatin’ireo tantara anankitelo ireo, tantara izay maneho isan-javatra samihafa: ondry miisa 100, farantsakely miisa 10 ary zanakalahy miisa 2.

Ny isa fototra ao anatin’ireo tantara tsirairay ireo dia ny isa iray. Ary ny lesona azontsika sintonina avy amin’izany isa izany dia hoe mety ho mpiandry ondry lefitra misahana loholona sy lehilahy azo aroso ho loholona miisa 100 ianao ao amin’ny kôlejin’ny loholona misy anao, na mety ho mpanoro hevitra ny zatovovavy miisa 10 ianao, na mpampianatra ankizy miisa 2 ao amin’ny Kilonga, kanefa manompo azy ireo foana ianao sy miahy azy ireo ary mitia manokana ny tsirairay amin’izy ireo. Tsy hiteny velively ianao hoe: “Tena ondry adala mihitsy izany,” na “Raha ny marina dia tsy tena mila io farantsakely io aho,” na “Tena zanakalahy mpikomy izy.” Raha toa izaho sy ianao ka manana “ny fitiavana madion’i Kristy,”13 ao anatintsika, tahaka ilay lehilahy tao anatin’ilay tantaran’ilay ondry very dia “[h]andao ny sivy amby sivifolo … ka [h]andeha hitady ilay very [mandra-pahitantsika] azy.”14 Na tahaka ilay vehivavy ao amin’ilay tantara momba ilay farantsakely very, isika dia “[h]ampirehitra jiro ka [hamafa] trano sy [h]itady fatratra [mandra-pahitantsika] azy.”15 Raha toa isika ka manana ny “fitiavana madion’i Kristy” ao anatintsika dia hanaraka ilay ohatra nasehon’ilay ray tao anatin’ilay tantara momba ilay zanaka adala, izay “raha mbola lavitra [ilay zanany lahy dia tazany], ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.”16

Tsapantsika ve ny fahamaikana hanao zavatra tao am-pon’ilay lehilahy izay very ondry iray? Na ny fahamaikana hanao zavatra tao am-pon’ilay vehivavy izay very farantsakely iray monja? Na ilay fitiavana sy fangorahana tsy hay ambara tao am-pon’ny rain’ilay zanaka adala?

Izaho sy i Maria Isabel vadiko dia nanompo tany Amerika Afovoany, ary nipetraka tao Guatemala Renivohitra. Tao aho dia nanana fahafahana nihaona tamin’i Julia izay mpikamban’ny Fiangonana iray mahatoky. Nisy fahatsapana nanosika ahy hanontany azy momba ny fianakaviany. Matin’ny homamiadana tamin’ny 2011 ny reniny. Mpitarika mahatoky teo anivon’ny tsatòkany ny rainy. Efa eveka sy mpanolotsaina ny filohan’ny tsatòkany nandritra ny taona maro izy. Tena mpiandry ondry lefitry ny Tompo tokoa izy. Nolazain’i Julia tamiko ny ezaka nataony izay tsy nitandroany hasasarana mba hamangy sy hanompo. Tena nifaly tamin’ny famahanana sy ny fiambenana ny ondry sarobidin’ny Tompo tokoa izy. Niverina nanambady izy ary navitrika foana tao amin’ny Fiangonana.

Taona vitsy taty aoriana dia nandalo fisaraham-panambadiana izy ary tsy maintsy nandeha niangona irery indray izy tamin’izay. Nahatsapa ho tsy nahazo aina izy ary nahatsapa koa fa nisy olona sasany izay nitsikera azy noho izy nisaram-panambadiana. Nitsahatra tsy nandeha niangona izy rehefa nameno ny fony ny fijerena ny lafy ratsin-javatra.

Nidera an’ity lehilahy izay mpiandry ondry lefitra mahatalanjona, sy niasa mafy ary feno fitiavana sy fangorahana ity i Julia. Tsaroako tsara fa nisy fahamaikana hanao zavatra tonga tao amiko rehefa namariparitra ny momba azy i Julia. Naniry fotsiny ny hanao zavatra ho an’io lehilahy io aho, lehilahy iray izay nanao zavatra maro ho an’olona maro dia maro nandritra izay taona maro izay.

Nomen’i Julia ahy ny nomeraon’ny findainy ary nanomboka niantso azy aho, tao anatin’ny fanantenana ny hanana fahafahana hihaona aminy manokana. Taorian’ny herinandro maromaro sy taorian’ny fanaovana antso maro tamin’ny telefaonina izay tsy nahomby, indray andro dia namaly ny antso an-telefaonina ihany izy.

Nolazaiko taminy fa nihaona tamin’i Julia zanany vavy aho, ary tena babo tamin’ny fomba nanompoany sy nitiavany an’ireo ondry sarobidin’ny Tompo nandritra ny taona maro dia maro. Tsy nanantena ny haheno fanamarihana toy izany izy. Nilaza taminy aho fa tena te hiresaka mifanatri-maso sy mifanatri-tava aminy. Nanontaniany ahy ny tanjoko ao anatin’ilay fandrosoan-kevitra ny hanaovana fihaonana toy izany. Novaliako hoe: “Tena te hihaona amin’ny rain’io vehivavy mahafinaritra io aho.” Nisy fahanginana nandritra ny segondra vitsy tao anatin’ny telefaonina taorian’izay—segondra vitsy izay toy ny naharitra mandrakizay ho ahy. Hoy fotsiny izy hoe: “Rahoviana dia aiza ny toerana?”

Tamin’ilay andro nihaonanay dia nasaiko izy mba hizara ireo zavatra niainany sasantsasany teo amin’ny famangiana sy fanompoana ireo ondry sarobidin’ny Tompo. Raha teo am-pitantarana tantara vitsivitsy izay nanohina ny fo izy dia tsikaritro fa niova ny feony ary niverina indray ilay fanahy tsapany imbetsaka tamin’ny naha-mpiandry ondry lefitra azy. Vonton-dranomaso ny masony tamin’izay. Fantatro fa tonga ilay fotoana tena tsara ho ahy saingy hitako hoe tsy nahafantatra izay tokony holazaina aho. Nivavaka tao an-tsaiko aho nanao hoe: “Ray ô! Ampio aho.”

Tampoka teo dia nandre ny tenako aho nanao hoe: “Ry rahalahy Florian, amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy dia ialako tsiny raha tsy teo izahay ho anao. Mamelà anay, raha sitrakao. Omeo fahafahana iray hafa izahay mba hampisehoana anao fa tena tia anao izahay. Fa tena mila anao izahay. Fa manan-danja aminay ianao.”

Niverina izy ny alahady nanaraka. Nifampiresaka naharitra tamin’ny evekany izy ary nitoetra ho navitrika. Nodimandry izy volana vitsivitsy taorian’izay, saingy efa niverina izy. Efa niverina izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka mitia ireo ondriny sarobidy sy manompo azy ireo toy ny ho nanompoany azy ireo isika miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Ary dia toy izany, tao amin’ny tanànan’i Guatemala no nitondran’i Jesoa Kristy Tompo indray ondry iray sarobidy tao amin’ny valan’ondriny. Ary nampianariny ahy ny lesona momba ny fanompoana izay tsy haiko hadinoina. Amin’ny anaran’ilay Mpiandry ondry tsara, ilay Mpiandry ondry kanto, ilay Mpiandry ondry mahagaga, dia i Jesoa Kristy Tompo , amena.