Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tatitra avy amin’ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2022
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Tatitra avy amin’ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2022

Ho an’ny Fiadidiana Voalohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Ry Rahalahy isany: Araka ny torolalana avy amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana faha-120 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny Filankevitry ny Fampiasana ny Fahafolonkarena, izay ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy, no manome fankatoavana ny fampiasana ny volan’ny Fiangonana. Ireo rafitra ato amin’ny Fiangonana no mitsinjara ny vola araka ny teti-bola sy ireo fitsipika ary fomba fiasa izay nolaniana.

Ny Fanamarinam-bola ato amin’ny Fiangonana, izay ahitana matihanina manana mari-pahaizana ary tsy miankina amin’izay departemanta sy fikambanana hafa rehetra ato amin’ny Fiangonana, dia manana andraikitra hanatontosa ireo fanamarinam-bola mba hanomezana antoka azo ekena mikasika ireo anjara biriky voaray, sy ireo fandaniam-bola atao ary mba hiarovana ny fananan’ny Fiangonana.

Raha mifototra amin’ireo fanamarinana ny fampiasana ny vola efa notanterahina, dia mahita ny fanamarinana ny fampiasana ny vola ato amin’ny Fiangonana fa eo amin’ny antsipiriany rehetra, ny anjara biriky voaray sy ny fandaniana natao ary ny fananan’ny Fiangonana tamin’ny taona 2022 dia voarakitra ary notantanana araka ireo tetibola sy fitsipika ary fomba fitantanan’ny Fiangonana efa nahazoana fankatoavana. Ny Fiangonana dia manaraka ireo fitsipika ampianarina an’ireo mpikambana ao aminy hoe miaina araka ny tetibola sy miala amin’ny fitrosana ary manao tahiry hiatrehana ny vodiandro merika.

Atolotra amim-panajana,

Ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny Fanamarinam-bola

Jared B. Larson

Tale Mpitantana