Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ireo fampianaran’i Jesoa Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Ireo fampianaran’i Jesoa Kristy

Omena ny soratra masina isika mba hitarika antsika eo amin’ny fiainantsika. Ny hafatro anio dia voarafitra avy amin’ny tenin’ny Mpamonjintsika izay nofantenana, dia ny zavatra nolazainy izany.

Mino an’i Kristy isika. Amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia midera Azy sy manaraka ireo fampianarany ao amin’ny soratra masina isika.

Talohan’ny Fahalavoana, dia niresaka mivantana tamin’i Adama sy i Eva ny Raintsika any An-danitra. Taorian’izay ny Ray dia nampahafantatra fa i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary nandidy antsika Izy hoe “Izy no henoy.”1 Ny hevitra tsoahantsika avy amin’io torolalana io dia ny hoe ireo raki-tsoratra masina ahitana ny teny nambaran’ “Andriamanitra” na ny “Tompo” dia saika i Jehovah, i Jesoa Kristy ilay Tompontsika nitsangana tamin’ny maty hatrany no miteny azy.2

Omena ny soratra masina isika mba hitarika antsika eo amin’ny fiainantsika. Araka ny nampianarin’i Nefia mpaminany antsika, dia tokony “hivoky amin’ny tenin’i Kristy [isika]; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”3 Ny ankamaroan’ny soratra masina izay mitantara ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy tety an-tany dia filazalazana ny zavatra izay nataony. Ny hafatro anio dia voarafitra avy amin’ny tenin’ny Mpamonjintsika izay nofantenana, dia ny zavatra nolazainy izany. Izy ireo dia teny voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao (anisan’izany ireo fanampiny nentanim-panahy nentin’i Joseph Smith) sy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny ankamaroan’ireto fantina ireto dia manaraka ny filaharany izay nilazan’ny Mpamonjy azy ireo.

“Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”4

“Sambatra izay … noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hofenoina ny Fanahy Masina.”5

“Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.”6

“Efa renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga:

“Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia nijangajanga taminy tam-pony sahady.”7

“Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao.

“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo, sy manenjika anareo;

“Mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.”8

“Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra:

“Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.”9

“Raha naman’izao tontolo izao ianareo dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo, dia halan’izao tontolo izao ianareo.”10

“Koa aza mikatsaka ny zavatr’izao tontolo izao fa katsahonareo aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny hampitoetra ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo ireo zavatra rehetra ireo.”11

“Noho izany, ny zavatra rehetra na inona na inona ka tianareo mba hataon’ny olona aminareo, dia ataovy toy izany aminy koa, fa izany no lalàna sy ny mpaminany.”12

“Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny dia ambodia mitoha izy.

“Ho fantatrareo amin’ny voany izy. Moa va ny olona mioty voaloboka amin’ny tsilo, na aviavy amin’ny songosongo?

“Dia toy izany ny hazo tsara tsirairay dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy kosa dia mamoa voa ratsy.”13

“Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.”14

“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”15

“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.

“Ary ankehitriny ho an’ny olona, ny mitondra ny hazofijaliany dia ny mandà amin’ny tenany ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra mbamin’ny filan-dratsin’izao tontolo izao rehetra ary mitandrina ny didiko.”16

“Noho izany afoizo izao tontolo izao, ary vonjeo ny fanahinareo; fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny fanahiny? Na inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?”17

“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.”18

“Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.

“Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.”19

“Izaho dia manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity; ireny koa dia tsy maintsy entiko, ary handre ny feoko ireny; ary hisy vala iray sy mpiandry iray.”20

“Hoy Jesoa taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray:

“Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.”21

“[Ny didy lehibe ao amin’ny lalàna dia ny hoe:] Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”22

“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.”23

“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”24

“Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.”25

“Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”26

“Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina:

“Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.”27

Taorian’ny asa fanompoana nataony tany amin’ny Tany Masina dia niseho tamin’ireo olo-marina tao amin’ny kaontinanta amerikana i Jesoa Kristy. Ireto ny sasany amin’ireo teny izay nolazainy azy ireo:

“Indro, izaho no Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra. Izaho no nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra izay eo aminy. Izaho dia niaraka tamin’ny Ray hatrany am-piandohana. Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko; ary tao Amiko no efa nankalazan’ny Ray ny anarany.”28

“Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana.

“Ary tsy hanatitra fandatsahan-dra ho Ahy intsony ianareo; eny, ny soronareo sy ny fanatitrareo ho dorana dia hitsahatra, fa tsy hisy hoekeko ny soronareo sy ny fanatitrareo odorana.

“Ary haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina. Ary na zovy na zovy no mankaty Amiko amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, dia izy no hataoko batisa amin’ny afo sy ny Fanahy Masina. …

“Indro, efa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hitondra ny fanavotana ho an’izao tontolo izao, mba hamonjy izao tontolo izao amin’ny fahotana.”29

“Ary lazaiko aminareo koa, tsy maintsy mibebaka ianareo sy atao batisa amin’ny anarako ary tonga tahaka ny ankizy madinika, raha tsy izany dia tsy afaka mandova ny fanjakan’ Andriamanitra mihitsy ianareo.”30

“Koa mba tiako ianareo ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any An-danitra.”31

Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, tsy maintsy miambina sy mivavaka mandrakariva ianareo, fandrao dia halain’ny devoly fanahy ary hoentiny ho babo.”32

“Koa tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo.”33

“Koa, na inona na inona hataonareo, dia hataonareo amin’ny anarako izany; koa, hantsoinareo amin’ny anarako ny fiangonana.”34

“Indro, efa nomeko anareo ny filazantsarako, ary izao no filazantsara izay efa nomeko anareo—fa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.

“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy; koa araka ny fahefan’ny Ray, dia hosintoniko ny olon-drehetra hankaty Amiko … mba ho tsaraina amin’ny asany, na tsara izany na ratsy.”35

“Ankehitriny dia izao no didy: Mibebaha, ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa aty Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany.”36

Mino an’i Kristy isika. Ny hamaranako azy dia ny zavatra nolazainy momba ny fomba tokony hahafantarantsika sy hanarahantsika ireo fampianarany:

“Fa ny mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.”37

Manambara ny fahamarinan’ireo fampianarana ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.