Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Matoky ny fotopampianaran’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Matoky ny fotopampianaran’i Kristy

Raha efa nanorina ny tranontsika teo amin’ny fototry ny fifandraisana ara-panekempihavanana tamin’i Kristy isika, dia matoky ny fotopampianaran’i Kristy isika izay.

Hitako ato an-tsaiko i Nefia mpaminany efa nahazoazo taona eo amin’ny latabany, ireo takela-bolamena miparitaka eo anoloany, ny fitaovam-panoratany eny an-tanany.

Teo an-dalam-pamitana ny fanoratany farany teo amin’ilay raki-tsoratra i Nefia. Nanoratra izy hoe: “Ary ankehitriny ry rahalahiko malala dia faranako ny teniko.”1 Kanefa tsy ela taorian’izay dia namporisika an’i Nefia ny Fanahy hiverina teo amin’ny rakitsorany ary hanoratra hafatra famaranana. Teo ambanin’ny fitaomana mahery avy amin’ny Fanahy Masina, dia nandray ny fitaovam-panoratany indray io mpaminany lehibe io ary nanoratra hoe: “Koa ampy ho ahy ny zavatra izay efa nosoratako afa-tsy teny vitsivitsy … tsy maintsy lazaiko momba ny fotopampianaran’i Kristy.”2

Feno fankasitrahana mandrakizay tokoa isika noho ireo “teny vitsivitsy”3 ireo sy noho ny Fanahy izay namporisika an’i Nefia hanoratra azy ireny. Ny famelabelarana nosoratan’i Nefia momba ny fotopampianaran’i Kristy dia harena sarobidy ho an’ireo izay mivoky amin’izany. Izany dia ahitana ny fahitana momba ny batisan’ny Mpamonjy4 sy ny feon’ny Zanaka, manasa ny rehetra hanara-dia Azy5 sy “[hanao] ny zavatra izay efa hitan[ntsika nataony].”6 Izany dia mirakitra ny tenivavolombelon’i Nefia fa ireo izay mibebaka amin-kitsim-po amin’ny fahotany, omban’ny finoana an’i Kristy, sy manara-dia ny Mpamonjy hiroboka ao amin’ny ranon’ny batisa dia “[handray] ny Fanahy Masina … eny, … ny batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina.”7 Rentsika koa ny feon’ny Ray milaza hoe: “Eny, marina sy mahatoky ny tenin’ny Malalako. Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.”8

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanamafy ny maha-zava-dehibe amin’ny fomba miavaka ny fotopampianaran’i Kristy nandritra ny lahateny nataony tamin’ireo mpitarika misiôna vao nantsoina: “Tiantsika, mihoatra ny zavatra hafa, ny hananan’ireo misiônerantsika … ny fotopampianaran’i Kristy misokitra ao am-pon’izy ireo—mahazo faka tsara … hatrany amin’ny tsoka an’ny taolan’izy ireo.”9

Ny Torio ny Filazantsarako dia mamintina singa dimy manan-danja amin’ny fotopampianaran’i Kristy. Milaza izany hoe: “[Isika dia] hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ny Fanomezana ny Fanahy Masina sy ny faharetana hatramin’ny farany.”10

Kanefa tsy natao ho an’ny misiônera irery ihany ny lanjan’ny fotopampianaran’i Kristy. Ary manana heviny lalina kokoa izany fa tsy vitan’ny hoe famerimberenana famintinana ireo singa dimy manan-danja ao anatin’izany. Mirakitra ny lalàn’ny filazantsara izany. Izany no drafitra lehibe ho an’ny fiainana mandrakizay.

Ry rahalahy sy anabavy, raha maniry ny hanaiky ny fanasan’ny Filoha Nelson mba hanana ny fotopampianaran’i Kristy hahazo faka tsara eo amin’ny fiainantsika isika dia tsy maintsy mampitombo ny fiovam-pontsika ho an’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinana, amin’ny alalan’ny vavaka, sy amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahatokiana, ary ny fibebahana tsy tapaka. Tsy maintsy manasa ny Fanahy Masina isika mba hisokitra lalina sy maharitra ny fotopampianaran’i Kristy ao amin’ny “vato fisaka nofo, dia ny fo[ntsika]”11 tahaka ny nisokiran’i Nefia izany teo amin’ireo takela-bolamena.

Tamin’ny oktobra lasa teo, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanontany hoe: “Inona no dikan’ny hoe mandresy izao tontolo izao?” Anisan’ireo zavatra hafa, dia hoy izy: “Izany dia midika ho fatokiana ny fotopampianaran’i Kristy mihoatra noho ny filôzôfian’olombelona.”12

Ny teny hoe matoky dia nofaritana hoe “fianteherana azo antoka amin’ny toetra, amin’ny fahaiza-manao, amin’ny tanjaka, na amin’ny fahamarinan’ny olona na zavatra iray.”13 I Jesoa Kristy izany olona izany ary ny fotopampianarany izany zavatra izany.

Koa ahoana ary izany no hanovan’ny fatokiana amin’ny nahim-po ny fotopampianaran’i Kristy ny fomba iainantsika ny fiainantsika?

Raha matoky ny fotopampianaran’i Kristy isika dia hatoky tsara an’i Kristy hany ka hivelona amin’ny teniny rehetra.14 Handalina momba an’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainantsika isika,15 ny asa fanompoany sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra, anisan’izany ny Fanomboana Azy, ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Hohalalinintsika ireo fampanantenany sy ny fepetra hanomezana ireny fampanantenana ireny.16 Eo am-pandalinantsika dia ho heniky ny fitiavana lehibe kokoa ho an’ny Tompo isika.

Raha matoky ny fotopampianaran’i Kristy isika dia hanatona ny Raintsika any An-danitra isan’andro amin’ny alalan’ny vavaka mangina feno fanetrentena, izay ahafahantsika maneho fankasitrahana noho ny fanomezana ny Zanany sy ireo fitahiana azontsika rehetra.17 Azontsika atao ny mivavaka mba hanana ny Fanahy Masin’ny fanambarana hiaraka amintsika,18 mivavaka mba hampifanarahana ny faniriantsika amin’ny sitrapony,19 mivavaka mba hisaintsainanana ireo fanekempihavanana nataontsika ary hanavaozana ny fanoloran-tenantsika mba hitandrina azy ireny.20 Azontsika atao ny mivavaka mba hanohanana sy hanehoana fitiavana an’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara antsika;21 mivavaka mba hahazoana ny hery manadion’ny famelan-keloka;22 ary mivavaka mba hahazoana ny tanjaka hoenti-manohitra fakam-panahy.23 Manasa anareo aho mba hanao ny vavaka ho lohalaharana eo amin’ny fiainanareo, sady hikatsaka isan’andro mba hanatsara ny fifandraisanareo amin’ Andriamanitra.

Raha matoky ny fotopampianaran’i Kristy isika, dia hamela ireo fakam-panahin’izao tontolo izao mba ahafahantsika mifantoka amin’ilay Mpanavotra izao tontolo izao.24 Hoferantsika na hofoanantsika ny fotoana lany amin’ny tambajotran-tserasera; ny kilalao amin’ny internet; ny fialam-boly mandany vola sy fotoana, diso tafahoatra, na tsy mendrika; ny fanintonan’ny harena sy ny zava-poanan’ity tontolo ity; ary izay zavatra atao hafa rehetra manome toerana ny fomba amam-panao diso sy ny filôzôfian’olombelona izay tsy azo antoka. Ao amin’i Kristy irery ihany no ahitantsika fahamarinana sy fahafenoana maharitra.

Ny fibebahana amin-kitsim-po25 dia ho lasa singa mitondra fifaliana26 eo amin’ny fiainantsika—sady voavela amin’ny fahotana no voaova ho araka ny endrik’i Kristy.27 Ny fibebahana arahim-pinoana dia manome antsika lalana ho amin’ny Sorompanavotan’i Kristy. Ny filoha Dallin H. Oaks dia nampianatra fa rehefa mamela heloka ny Mpamonjy, dia “manao zavatra mihoatra ny fanadiovana [antsika] amin’ny fahotana [Izy]. Manome [antsika] tanjaka vaovao ihany koa Izy.”28 Mila io hery io ny tsirairay avy amintsika mba hitandremana ireo didin’ Andriamanitra sy hanatanterahana ny tanjona mandrakizain’ny fiainantsika.

Ao amin’i Jesoa sy ny fotopampianarany no ahitantsika tanjaka. Hoy Izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izany no fotopampianarako, ary na zovy na zovy no manorina eo ambonin’izany dia manorina eo ambonin’ny vatolampiko, ary ny vavahadin’ny helo tsy haharesy azy.”29

Hitantsika eo amin’ny fiainan’ireo olona mahatoky ny fahatanterahan’io fampanantenana io. Herintaona mahery kely izay no nihaonako tamin’i Travis sy i Kacie. Nisora-panambadiana tamin’ny 2007 izy ireo. Tsy mpikamban’ny Fiangonana i Travis tamin’izany fotoana izany. I Kacie kosa, na dia nobeazina tao amina tokantrano Olomasin’ny Andro Farany navitrika aza, dia niala tamin’ny finoany teo amin’ny faha-zatovony ary niala tamin’ny fampianarana sy ny finoana nanabeazana azy.

Nihaona tamin’ny misiônera i Travis tamin’ny 2018, ary natao batisa izy tamin’ny martsa 2019. I Travis dia lasa misiônera nampianatra an’i Kacie, izay niaina fiovam-po nanova fiainana ihany koa. Nofehezina tany amin’ny tempoly izy ireo tamin’ny volana septambra 2020. Tokony ho roa taona taorian’ny batisany dia nantsoina hanompo tao amin’ny episkôpà i Travis.

Tratran’ny aretina tsy dia fahita firy izay mamorona tsy tapaka andiana fivontosana ao amin’ny taova ao anatiny i Travis. Efa maro ny fandidiana natao taminy mba hanaisorana ireo fivontosana miverimberina, saingy tsy misy fanafana ilay aretina. Taona maro lasa izay dia nolazaina an’i Travis hoe latsaky ny 10 taona ny andro sisa hahavelomany.

I Kacie dia tratran’ny rétinite pigmentaire, izay aretina ara-tarazo tsy dia fahita firy miteraka ny fihenan’ny fahitana amin’ny fomba tsy azo arenina mandra-pahatongan’ny fahajambana tanteraka.

Niresaka tamiko momba ny ho aviny i Kacie. Tsinjony ilay fotoana, izay tsy ho ela intsony, rehefa ho lasa mananotena izy, jamba, tsy manana fanohanana ara-bola, ary tavela irery hamelona zaza efatra eo andalam-pitomboana. Nanontany an’i Kacie aho hoe ahoana no ahafahany miatrika ho avy izay mahakivy toy izany. Nitsiky tamim-pitoniana izy dia niteny hoe: “Tsy mbola faly na nanam-panantenana kokoa mihoatra noho ny amin’izao aho teo amin’ny fiainako. Miantehitra amin’ireo fampanantenana noraisinay tany amin’ny tempoly izahay.”

I Travis no eveka amin’izao. Nandalo fandidiana lehibe hafa izy roa volana lasa izay. Kanefa manantena zavatra tsara sy tony izy. Niharatsy ny fahitan’i Kacie. Mampiasa alika mpitari-dalana olona jamba izy amin’izao ary tsy afaka mitondra fiara. Kanefa faly izy, manabe ireo zanany ary mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy.

Manorina ny tranony eo amin’ny vatolampy i Travis sy i Kacie. I Travis sy i Kacie dia matoky ny fotopampianaran’i Kristy sy ilay fampanantenana fa Andriamanitra dia “hanokana ny fahorian[ny] ho tombontsoan[ny].”30 Ao amin’ny drafitr’Andriamanitra tonga lafatra, ny fijaliana araham-pinoana an’i Kristy dia mifamatotra amin’ny fahatongavantsika ho tanteraka ao amin’i Kristy.31 Tahaka ilay lehilahy hendry ao amin’ilay fanoharana izay nanorina ny tranony teo amin’ny vatolampy,32 ka rehefa avy ny orana, ary tonga ny tondra-drano, ary nitsoka ny rivotra, ka namely ny trano izay natsangan’i Travis sy i Kacie, dia tsy nianjera izany, satria niorina teo ambony vatolampy.33

Tsy niresaka mikasika ny mety hisian’ny orana sy ny tondra-drano ary ny rivotra eo amin’ny fiainantsika i Jesoa. Niresaka mikasika ny fahazoana antoka fa tena hisy tafio-drivotra Izy. Ilay fiovan-javatra ao anatin’io fanoharana io dia tsy hoe hisy tafio-drivotra ve sa tsy hisy fa miresaka mikasika ny fomba asetrintsika ny fanasany feno fitiavana mba hihaino sy hanao ny zavatra ampianariny.34 Tsy misy fomba hafa hahavelomana.

Raha efa nanorina ny tranontsika teo amin’ny fototry ny fifandraisana ara-panekempihavanana tamin’i Kristy isika, dia matoky ny fotopampianaran’i Kristy isika izay ary rehefa manatona Azy isika dia manana ny fampanantenany momba ny fiainana mandrakizay. Ny olona matoky ny fotopampianaran’i Kristy dia mibosesika mandroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany. Tsy misy lalana hafa izay hahazoana famonjena ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.35

Mijoro ho vavolombelona manokana aho momba ny an’i Jesoa Kristy velona sy tena nitsangana tamin’ny maty. Mijoro ho vavolombelona aho fa tena tia izao tontolo izao ny Raintsika ka nalefany ny Zanany mba hanavotra antsika amin’ny fahotana36 sy hanasitrana antsika amin’ny alahelo.37 Mijoro ho vavolombelona aho fa niantso mpaminanin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao Izy, dia ny Filoha Russell M. Nelson, ary amin’ny alalany no itenenany sy itarihany antsika.

Amin’ny foko manontolo no anasako anareo mba hatoky ny fotopampianaran’i Kristy sy hanorina ny fiainanareo eo ambonin’ilay vatolampin’ny Mpanavotra. Tsy handiso fanantenana anareo na oviana na oviana Izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.