Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Voavela tokoa ve ny heloko?
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Voavela tokoa ve ny heloko?

Ny fampanantenana famelan-keloka feno sy tonga lafatra dia atolotra ho an’ny rehetra, ao amin’ny sy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy.

Taona maro lasa izay dia nifindra tany Idaho izaho sy Rahavavy Nattress ary nanokatra raharaham-barotra vaovao. Nandany andro sy alina maro tany amin’ny birao izahay. Soa ihany anefa fa tsy lavitra ny birao izahay no nipetraka. Isan-kerinandro i Shawna sy ireo zanakay vavy telo— samy latsaky ny enin-taona—dia tonga ao amin’ny birao mba hiara-hisakafo antoandro.

Tamin’ny andro iray mitovy amin’izany taorian’ny sakafo antoandronay mianakavy, dia tsikaritro fa namela hafatra ho ahy manokana i Michelle zanakay vavy dimy taona, izay nosoratany tamin’ny taratasy kely ary napetany tamin’ny telefaonin’ny biraoko.

Nivaky toy izao fotsiny ilay hafatra: “Dada, tsarovy ny mitia ahy.” Amim-pitiavana, Michelle.” Fampahatsiahivana mahery vaika ho ahy raim-pianakaviana izay vao herotrerony momba ny zavatra manan-danja indrindra izany.

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa mahatsiaro antsika mandrakariva ny Raintsika any An-danitra ary tia antsika tanteraka Izy. Izao no fanontaniako: Moa ve isika mahatsiaro Azy? Ary moa ve isika tia Azy?

Taona maro lasa izay no naha mpitarika ny Fiangonana teo an-toerana ahy. I Danny, izay iray tamin’ireo zatovolahinay, dia niavaka tamin’ny lafiny rehetra. Mpankatò, tsara fanahy, tsotra, ary be fitiavana izy. Saingy nony afaka baka izy dia nanomboka nifanerasera tamina vondron’olona ratsy fitondran-tena teo amin’ny fiaraha-monina. Nandray zava-mahadomelina izy, ny méthamphétamine raha ny marina kokoa, ary nanomboka nilatsaka tsikelikely tao amin’ny fiankinan-doha sy ny fahasimbana. Tsy ela akory dia niova tanteraka ny endriny. Zara raha fantatra izy. Teny amin’ny masony no nisy ny fiovana lehibe indrindra, nihalefy ny fahazavana teny amin’ny masony. Nanatona azy imbetsaka aho fa tsy nahomby izany. Tsy liana izy.

Sarotra ny nijery ity zatovolahy mahatalanjona ity mijaly sy miaina fiainana izay tsy natao ho azy! Afaka nanao zavatra betsaka lavitra noho izany izy.

Indray andro dia nanomboka ny fahagagana ho azy.

Nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo izy izay nijoroan’ny zandriny lahy ho vavolombelona talohan’ny nandehanany nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno. Nahatsapa zavatra izay tsy tsapany efa ela i Danny nandritra ilay fotoam-bavaka. Nahatsapa ny fitiavan’ny Tompo izy. Nahazo fanantenana ihany izy tamin’ny farany.

Na dia nanana faniriana ny hiova aza anefa i Danny, dia sarotra ho azy izany. Saika nihoatra izay azony nozakaina ny fiankinan-dohany sy ny fahatsapany ho meloka izay niaraka tamin’izany.

Indray tolakandro teo am-panapahana bozaka aho no nijanona tampoka teo niaraka tamin’ny fiarany i Danny. Sahirana tanteraka izy. Novonoiko ilay milina fanapahana bozaka dia niara-nipetraka teo amin’ny alokaloka teo amin’ny lavarangana fidirana izahay. Teo izy no nizara ny fahatsapana avy ao am-pony. Te-hiverina tokoa izy. Saingy tena sarotra ny fialana amin’ny fiankinan-doha sy ny fomba fiainany. Nanampy izany ihany koa ny fahatsapany ho meloka sy menatra tanteraka fa tafalatsaka lalina toy izao. Hoy izy nanontany: “Afaka ny ho voavela tokoa ve ny heloko? Misy marina ve ny lalana miverina?”

Rehefa avy namboraka ireo ahiahiny tao am-pony izy dia niara-namaky ny Almà toko 36 izahay.

“Eny, nahatsiaro ny fahotako sy ny heloko rehetra aho. …

“Eny, … ny fieritreretana indrindra ny fiverenana eo anatrehan’ Andriamanitro dia nampijaly ny fanahiko tamin’ny horohoro tsy hay lazaina” (andininy 13– 14).

Taorian’ny famakiana ireo andininy ireo dia hoy i Danny: “Izany mihitsy no tsapako!”

Notohizanay ny famakiana:

“… raha … mbola norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotako maro aho dia indro nahatsiaro koa aho ho efa nandre ny raiko naminany tamin’ny vahoaka ny momba ny fiavian’izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’ Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao. …

“Ary ô, endrey fifaliana, ary endrey hazavana mahagaga no hitako”(andininy 17, 20).

Nanomboka nirotsaka ny ranomasony teo am-pamakiana ireo andininy ireo. Io fifalian’i Almà io no ilay fifaliana notadiaviny hatrizay!

Nifanakalo hevitra izahay fa i Almà dia olona ratsy fanahy tena niavaka. Na izany aza nefa dia tsy niverin-dalana intsony izy rehefa nibebaka. Niova ho mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy izy. Lasa mpaminany izy! Nihiratra ny mason’i Danny. “Mpaminany?” hoy izy.

Novaliako tsotra hoe: “Eny, mpaminany. Fa aza maimaika ny ho toy izany aloha ianao!

Nifanakalo hevitra izahay fa na dia tsy nitovy aza ny halehiben’ny fahotany sy ny an’i Almà dia fampanantenana famelan-keloka feno sy tonga lafatra mitovy ihany no atolotra ho an’ny rehetra, ao amin’ny sorompanavotana sy amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Takatr’i Danny avy eo ilay izy. Fantany ny zavatra nilainy natao: mila atombony amin’ny fahatokiana ny Tompo sy ny famelana ny tenany ny diany!

Tena fahagagana ilay fiovam-po mahery vaika an’i Danny. Rehefa nandeha ny fotoana dia niova ny endriny ary niverina indray ilay hazavana teny amin’ny masony. Lasa mendrika ny handeha any amin’ny tempoly izy! Tafaverina izy nony farany!

Nanontany an’i Danny aho volana maro taty aoriana raha toa ka sitrany ny hametraka taratasy fangatahana hirotsaka hanompo amin’ny fotoana feno. Nahataitra sy nampitolagaga ny valin-teny nomeny.

Hoy izy: “Iriako tokoa ny hanompo amin’ny fotoana feno saingy efa fantatrao ny toerana nisy ahy sy ireo zavatra efa vitako! Noheveriko fa tsy nahafeno fepetra aho.”

Novaliako izy hoe “Mety ho marina izany. Saingy tsy misy na inona na inona manakana antsika tsy hametraka fangatahana manokana. Raha toa ka tsy takina intsony ny hanaovanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia ho fantatrao farafaharatsiny fa naneho faniriana tamim-kitsimpo ny hanompo ny Tompo ianao.” Namirapiratra ny masony. Feno fifaliana izy raha naheno izany hevitra izany. Mety tsy ho tanteraka izany raha ny fijeriny azy, kanefa fahafahana iray tiany hararaotina izany.

Herinandro vitsy taty aoriana dia talanjona izy noho ny fahagagana iray hafa nitranga. Nandray antso mba hanompo amin’ny fotoana feno i Danny.

Volana vitsivitsy taty aorian’ny fahatongavan’i Danny tao amin’ny sahan’ny misiôna dia naharay antso an-telefaonina aho. Hoy ilay filohan’ny misiôna hoe: “Fa maninona ity zatovolahy ity? Misiônera tena mahatalanjona indrindra tsy fahitako hatrizay izy!” Tiako ho takatrareo fa nandray Almà Zanany maoderina iray io filoha io.

Roa taona taty aoriana dia niverina amim-boninahitra i Danny rehefa avy nanompo ny Tompo tamin’ny fony, ny heriny, ny sainy, ary ny tanjany rehetra.

Taorian’ny tatitra momba ny asa fitoriana nataony tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nody aho ary avy eo dia naheno olona nandondòna tao amin’ny varavarana. Nijoro teo i Danny sady nanganohano. Hoy izy: “Afaka miresaka vetivety ve isika?” Nivoaka teo amin’ilay tohatra eo amin’ny lavarangana fidirana ihany izahay.

Hoy izy: “Filoha, mihevitra ve ianao fa voavela tokoa ny heloko?”

Latsa-dranomaso tahaka azy koa aho. Mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy izay nanome ny rehetra avy aminy mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy no nijoro teo anoloako. Ohatra velona an’ilay fanasitranana sy fampahatanjahana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izy.

“Danny a!”, hoy aho “Efa nijery fitaratra ve ianao? Efa nahita ny masonao ve ianao? Feno fahazavana ny masonao ary hita mamiratra eo aminao ny tara-pahazavan’ny ny Fanahin’ny Tompo. Mazava ho azy fa voavela ny helokao! Mahatalanjona ianao! Ny zavatra mila ataonao izao dia ny mandroso eo amin’ny fiainanao. Aza miverin-dalana! Mandrosoa amim-pinoana any amin’ilay ôrdônansy manaraka”.

Mbola mitohy ankehitriny ny fahagagana ho an’i Danny. Nanatanteraka ny fanambadiana tany amin’ny tempoly izy ary niverina nianatra ka nahazo ny marim-pahaizana Maîtrise. Manohy ny fanompoany ny Tompo amim-boninahitra sy amim-pahamendrehana izy ao amin’ny antsony. Mihoatra lavitra noho izay: lasa vady mahatalanjona sy ray mahatoky izy. Mpanaradia mahatoky an’i Jesoa Kristy izy.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha tsy nisy ilay Sorompanavotan[’ny Mpamonjy] tsy misy fetra dia ho very tanteraka ny olombelona rehetra”.1 Tsy very i Danny, ary tsy very toy izany koa isika ho an’ny Tompo. Mijoro eo am-baravarana Izy mba hampahery antsika, hampatanjaka antsika, ary hamela ny helotsika. Tsaroany mandrakariva ny mitia antsika!

Hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny ohatra iray mahatalanjona maneho ny fitiavan’ny Mpamonjy an’ireo zanak’ Andriamanitra: “Nony efa niteny toy izany i Jesoa, dia nanopy ny masony manodidina indray tany amin’ny valalabemandry Izy, ary nahatazana azy tao amin’ny ranomaso ary ny fijeriny dia nifantoka Taminy miova tsy ny te hangataka Azy mba hijanona maharitraritra miaraka aminy” (3 Nefia 17:5).

Efa nanompo ny vahoaka nandritra ny andro manontolo ny Mpamonjy. Saingy mbola nanana asa maro hafa natao Izy. Nila nitsidika ireo ondriny hafa Izy; nila nankany amin’ny Ray Izy.

Na dia teo aza ireo anjara asany ireo dia nahatsikaritra Izy fa naniry Azy mba hijanona maharitraritra miaraka Aminy ireo vahoaka. Taorian’izay, niaraka tamin’ny fon’ny Mpamonjy izay feno fangorahana, dia nitranga ny iray amin’ireo fahagagana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao:

Nijanona Izy.

Notsofiny rano izy ireo.

Nanompo ny zanak’izy ireo tsirairay Izy.

Nivavaka ho azy ireo Izy; niara-nitomany tamin’izy ireo Izy.

Ary nanasitrana azy ireo Izy. (Jereo ny 3 Nefia 17.)

Mandrakizay ny fampanantenany: hanasitrana antsika Izy.

Ho an’ireo izay nivily lalana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, aoka ho fantatrareo fa misy foana ny fanantenana, misy foana ny fanasitranana, ary misy foana ny lalana miverina.

Ny hafatra mandrakizain’ny fanantenana omeny dia ny balsaman’ny fanasitranana ho an’ireo rehetra izay miaina ao anatin’ny tontolo feno korontana. Hoy ny Mpamonjy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

Ry rahalahy sy anabavy, ndeha isika hahatsiaro ny hikatsaka Azy sy hitia Azy ary ny hahatsiaro Azy mandrakariva.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra ary tia antsika Izy. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao. Izy no ilay Mpanasitrana lehibe. Fantatro fa velona ilay Mpanavotra ahy! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Prepare for Blessings of the Temple,” Ensign, Mar. 2002, 21.