Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Nifantoka tamin’izany eritreritra momba an’i Jesoa Kristy izany ny saiko
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Nifantoka tamin’izany eritreritra momba an’i Jesoa Kristy izany ny saiko

Rehefa mifantoka tsara hatrany amin’ny eritreritra momba an’i Jesoa Kristy ianareo, dia mampanantena anareo aho fa tsy vitan’ny hoe fitarihana avy any an-danitra fotsiny no ho azonareo fa homena hery avy any an-danitra koa.

Amin’izao vaninandro Paska mahafinaritra izao dia mampita ny akon’ny vavaka ao amin’ilay hira mahery vaika hoe: “Vers Sion, cité promise”1 (Ho any Ziona, ilay tanana nampanantenaina) ny tenako.

Misy tantara iray miavaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mitantara momba ny tovolahy iray antsoina hoe Almà izay avy amin’ny fianakaviana malaza, ka faritan’ny soratra masina ho tsy mpino sy mpanompo sampy izy.2 Olona havanana teo amin’ny fitenenana sy fandresen-dahatra izy, ka nampiasa fandokafana mba hitaomana ny hafa hanaraka azy. Nahagaga fa nisy anjely iray niseho tamin’i Almà sy ireo namany. Nianjera tamin’ny tany i Almà ary nalemy loatra ka nentina tsy afa-nanoatra nankany an-tranon-drainy. Nijanona tsy nahatsiaro tena nandritra ny telo andro izy.3 Taty aoriana dia nanazava izy fa na dia toa tsy nahatsiaro tena aza izy ho an’ireo olona nanodidina azy, dia niasa tokoa ny sainy raha nalahelo ny fanahiny, nieritreritra ny fiainany izay tsy niraharaha ny didin’ Andriamanitra. Nofariparitany fa ny sainy dia “norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahota[ny] maro”4 sy “nampijalian’ny fijaliana mandrakizay.”5

Tao anatin’ny famoizam-pony lalina izy dia nahatsiaro ho nampianarina tamin’ny fahatanorany momba “ny fiavian’izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’ Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao.”6 Avy eo izy dia nanao izao fanambarana tena mahaliana izao: “Raha nifantoka tamin’izany eritreritra izany ny saiko, dia nihiaka tao am-poko aho hoe: Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko.”7 Rehefa nitalaho nangataka ny hery masin’ny Mpamonjy izy dia nisy zava-mahagaga nitranga: “Nony nieritreritra izany aho,” hoy izy, “dia tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintainako.”8 Vetivety teo dia nahatsapa fiadanana sy fahazavana izy. “Tsy mety hisy na inona na inona mahafinaritra sy mamy tokoa toy izay fifaliako izay,”9 hoy ny nambarany.

“Nifantoka” tamin’ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy i Almà. Raha ampisaintsika amin’ny heviny ara-batana ny teny hoe “nifantoka” dia mety hilaza isika hoe: “Nifantoka tamin’ilay arofanina izy raha vao nianjera,” izany hoe nihazona avy hatrany ary namikitra mafy ilay zavatra niraikitra mafy tamin’ny fototra iray azo antoka izy.

Raha ny momba an’i Almà, dia ny sainy no nihazona sy namikitra io fahamarinana mahery vaika momba ny sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy io. Rehefa nampihatra finoana teo anatrehan’izany fahamarinana izany izy, ary tamin’ny alalan’ny hery sy ny famindrampon’ Andriamanitra, dia voavonjy tamin’ny famoizam-po sy heniky ny fanantenana izy.

Na dia mety tsy hisongadina be tahaka ny an’i Almà aza ny zavatra iainantsika, dia manan-danja mandrakizay izany. Ny saintsika koa dia “nifantoka tamin’izany eritreritra” momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona feno famindrampo nataony izany, ary nahatsapa ny fahazavana sy ny fifaliana izay nanaraka izany ny fanahintsika.

Fakana antoka ny fananana eritreritra momba an’i Jesoa Kristy

Ny vavaka ataoko amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao dia ny mba hamolavolantsika sy hanamafisantsika ary hitandrovantsika tsara an’io eritreritra faran’izay manan-danja momba an’i Jesoa Kristy io ao amin’ny atifanahintsika lalina,10 mba ahafahan’izany hiditra ho azy ao an-tsaintsika, ka mitarika antsika amin’izay eritreretintsika sy ataontsika sy mitondra tsy tapaka ilay fifaliana mamy avy amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy.11

Ny famenoana ny saintsika amin’ny herin’i Jesoa Kristy dia tsy midika hoe Izy irery no eritreretintsika. Midika kosa anefa izany fa ny eritreritsika rehetra dia voafefy ao amin’ny fitiavany sy ny fiainany sy ny fampianarany sy ny sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra. Tsy ho adinoana ka ho apetraka eny amin’ny sisiny velively i Jesoa, satria eny foana ny eritreritsika momba Azy ary “ny zava-drehetra ao [amintsika dia mitsaoka] Azy!”12 Mivavaka isika ary mamerina ao an-tsaintsika ireo zavatra niainana izay nahatonga antsika hanakaiky kokoa Azy. Ataontsika ao an-tsaintsika ireo sary masina, soratra masina, ary ireo hira ao amin’ny fihirana izay azo avy amin’ny fanentanam-panahy mba hanamaivanana moramora ireo eritreritra tsy tambo isaina isan’andro izay mirohotra mamakivaky ny fiainantsika maharempotra. Ny fitiavantsika Azy dia tsy manakana antsika tsy hiaina alahelo sy fahorian-tsaina eto amin’ity fiainana an-tany ity, fa manome fahafahana antsika hamakivaky ireo olana miaraka amin’ny hery mihoatra lavitra noho ny antsika izany.

Ry Jesoa ô! Rehefa mieritreritra Anao aho

Dia feno hamamiana ny foko.

Fa mamy noho izany ny mifanatri-tava Aminao

sy ny eo anatrehanao.13

Tsarovy fa fanahy zanaky ny Ray any An-danitra ianareo. Nanazava ny Apôstôly Paoly hoe “terak’ Andriamanitra”13 isika. Efa niaina tamin’ny maha-ianao anao manokana ianao taloha ela be talohan’ny nahatongavanao teto an-tany. Namorona drafitra tonga lafatra ho antsika ny Raintsika any An-danitra mba hahatongavantsika eto an-tany sy hianarana ary hiverenana any Aminy. Nandefa ny Zanaka Malalany Izy mba hahafahantsika hiaina any ankoatra ny fasana amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotany tsy manam-petra sy ny Fitsanganany tamin’ny maty; ary rehefa vonona ny hampihatra finoana Azy sy hibebaka amin’ny fahotantsika isika,15 dia ho voavela heloka sy handray ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.16

Manome fifantohana manokana amin’ny saintsika sy ny fanahintsika

Eto amin’ity fiainana an-tany ity dia ilaina ny fananana fifantohana manokana amin’ny saintsika sy ny fanahintsika.17 Ny saintsika no manome fahafahana antsika hiaina sy hisafidy ary hanavaka ny tsara sy ny ratsy.18 Ny fanahintsika dia mandray ny fijoroana ho vavolombelona manamafy fa Andriamanitra no Raintsika, fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra, ary ny fampianaran’ Izy Ireo no tari-dalana ho antsika mankany amin’ny fahasambarana eto sy fiainana mandrakizay any ankoatra ny fasana.

Nifantoka tamin’io eritreritra momba an’i Jesoa Kristy io ny sain’i Almà. Nanova ny fiainany izany. Ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia fotoana hahatakarana ny zavatra tian’ny Tompo hataontsika sy hahatongavantsika. Fotoana handinihana ny fivoarantsika koa izany. Rehefa nitondra ahy nanerana an’izao tontolo izao ny asa nampandraiketina ahy dia nahatsikaritra fitomboan’ny tanjaka ara-panahy tao amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana feno fahamarinana sy feno fanoloran-tena aho.

Dimy taona lasa izay, dia nasaina nametraka ny Mpamonjy hisongadina kokoa amin’ny zavatra rehetra ataontsika isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny tena anaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.19 Miresaka ny anarany amin-kitsim-po kokoa isika.

Efa-taona lasa izay, tamin’ny alalan’ny fampihenana ny fotoana hanaovantsika ny fivoriana fanasan’ny Tompo, dia nampitombo ny fifantohantsika tamin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isika. Mieritreritra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy isika ary matotra kokoa amin’ny fampanantenana ataontsika fa hahatsiaro Azy mandrakariva.20

Noho ilay fitokana-monina nandritra ilay valanaretina maneran-tany sy ny fanampian’ny Avia, hanaraka Ahy dia lasa misongadina kokoa tao an-tokantranontsika ny fampianaran’ny Mpamonjy ary manampy ny fitsaohantsika ny Mpamonjy mandritra ny herinandro.

Amin’ny fanarahana ny torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Henoy Izy,”21 dia manatsara ny fahafahantsika mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina sy mahita ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika isika.

Niaraka tamin’ny fanambarana fanorenana tempoly sy ny fahavitan’ireo tempoly am-polony maro dia miditra matetika kokoa ao amin’ny tranon’ny Tompo isika ary mandray ireo fitahiana nampanantenainy. Mahatsapa amin-kery kokoa ny hatsarana tsy manam-paharoan’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika isika.

Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Tsy misy zavatra mora na mandeha ho azy ny amin’ny fahatongavana ho mpianatra matanjaka. Tsy maintsy atoditsika any amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny fifantohantsika. Mitaky ezaka ara-tsaina be ny fiezahana mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra.”22

Rehefa ampifantohana amin’i Jesoa Kristy ny saintsika, dia hitantsika amin’ny alalan’ny fitiavantsika Azy ny zavatra hafa rehetra manodidina antsika, izay eo foana ihany. Miha tsy hita ireo fanelingelenana tsy dia manan-danja loatra, ary esorintsika ireo zavatra tsy mifanaraka amin’ny fahazavany sy ny toetrany. Rehefa manohy mifantoka tsara amin’io eritreritra momba an’i Jesoa Kristy io ianareo, ary matoky Azy sy mitandrina ny didiny, dia mampanantena anareo aho fa tsy vitan’ny hoe fitarihana avy any an-danitra fotsiny no azonareo fa omena hery avy any an-danitra koa, hery izay manome tanjaka ny fanekempihavananareo, sy fiadanana amin’ny fahasahirananareo ary fifaliana amin’ny fitahiana azonareo.

Mahatsiaro an’i Jesoa Kristy

Herinandro vitsy lasa izay dia nitsidika ny tranon’i Matt sy Sarah Johnson izaho sy i Kathy. Teo amin’ny rindrina dia nisy sarin’ny fianakaviana sarobidin’izy ireo, sy sary kanton’ny Mpamonjy ary sarin’ny tempoly.

Ny zanany efa-bavy, i Maddy, Ruby, Claire, ary i June, dia faly ery niresaka momba ny halehiben’ny fitiavan’izy ireo ny reniny.

Nandritra ny herintaona mahery i Sarah dia nandahatra fotoana tsy tapaka ny sabotsy mba hiarahan’ny fianakaviana mandeha any amin’ny tempoly mba ahafahan’ireo ankizivavy mandray anjara amin’ny batisa ho an’ireo havana izay niaina teo aloha.

Ny volana nôvambra tamin’ny taon-dasa, dia nandahatra fotoana handehanan’ny fianakaviana any amin’ny tempoly ho amin’ny herinandro farany amin’ny volana desambra i Sarah izay alakamisy fa tsy sabotsy. “Antenaiko fa tsy mampaninona anao izany,” hoy izy tamin’i Matt.

Voatily ho nisy homamiadana i Sarah, saingy notombanan’ny dokotera ho mbola hiaina roa na telo taona fanampiny izy. Nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nananany i Sarah, ka nilaza fa na inona na inona hitranga aminy dia tia ny Mpamonjy tamin’ny fony manontolo izy, ary “efa azony ny fandresena.” Rehefa nandroso ny volana desambra, dia tsy nampoizina fa niharatsy haingana ny fahasalaman’i Sarah, ary nampidirina hôpitaly izy. Ny marainan’ny alakamisy 29 desambra dia nodimandry tamim-pahatoniana izy. Teo anilan’i Sarah i Matt nandritra ny alina manontolo.

Tonga tao an-trano izy tao anatin’ny faharatran’ny fony sy ny harerahana tanteraka ara-batana sy ara-pihetseham-po, ary niara-nalahelo tamin’ireo zanany vavy. Raha nijery ny findainy i Matt dia nahatsikaritra ny fampahatsiahivana an’ilay fotoana alakamisy izay tsy mahazatra handehanana any amin’ny tempoly izay nataon’i Sarah harivariva tamin’io andro io. Hoy i Matt hoe: “Tamin’ny voalohany nahitako an’ilay izy dia nieritreritra aho hoe tsy ho vita izany.”

Saingy nifantoka tamin’izao eritreritra izao ny sain’i Matt avy eo: “Velona ny Mpamonjy. Tsy misy toerana ho tianay mianakavy hiarahana mihoatra noho ny ao amin’ny tranony masina.”

Sary
Ry Johnson mianakavy

Tonga tao amin’ny tempoly i Matt, Maddy, Ruby, Claire, ary i June araka ilay fotoana nomanin’i Sarah ho azy ireo. Tamin-dranomaso no nanatanterahan’i Matt ireo batisa niaraka tamin’ireo zanany vavy. Nahatsapa lalina ny fitiavany sy ny fifamatorany mandrakizay tamin’i Sarah izy ireo, ary nahatsapa ny fitiavana lehibe sy ny fiadanana mampahery ananan’ny Mpamonjy. Nizara tamim-pitiavana i Matt hoe: “Na dia mahatsapa alahelo sy fahoriana lalina aza aho, dia mihoby noho ny fahafantarako ny drafitra mahatalanjon’ny Raiko ho an’ny famonjena.”

Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana feno sy tanteraka momba ny sorompanavotan’ny Mpamonjy izay tsy manam-paharoa sy ny Fitsanganany tamin’ny maty aho. Rehefa mitoetra mafy sy mandrakizay amin’ny fisainana an’i Jesoa Kristy ny sainareo, ary rehefa manohy mampifantoka bebe kokoa ny fiainanao amin’ny Mpamonjy ianareo, dia mampanantena anareo aho fa hahatsapa ny fanantenany sy ny fiadanany ary ny fitiavany ianareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Vers Sion cité promise,” Cantiques, n°. 39.

  2. Jereo ny Môzià 27:8.

  3. Jereo ny Almà 36:10.

  4. Almà 36:17.

  5. Almà 36:12.

  6. Almà 36:17.

  7. Almà 36:18. Ny fotoana iray izay nampiasana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny hoe “namikitra” dia miresaka momba ireo izay “namikitra tamin’ny tendron’ny anja-by” (1 Nefia 8:24, 30).

  8. Almà 36:19.

  9. Almà 36:21.

  10. “Ny ady lehibe indrindra eo amin’ny fiainana dia atao ao amin’ny toerana mangina ao amin’ny atifanahinao manokana” (David O. McKay, in Conference Report, Apr. 1967, 84).

  11. “[Ny eritreritra] no mibaiko ny zavatra atao rehetra. Ny eritreritsika no foibe mpifehy ny zavatra ataontsika rehetra” (Boyd K. Packer, That All May Be Edified [1982], 33).

    Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Azontsika esorina ireo eritreri-dratsy ka ovaina eritreritra tsara. Mitaky fianarana sy fampiharana izany. Ny Filoha Joseph F. Smith dia nampianatra fa ny -fampianarana … ny faniriantsika dia iray amin’ireo zavatra manan-danja lavitra-” (Pure in Heart [1988], 149).

  12. “Louanges à Dieu,” Cantiques, n°. 37.

  13. “O Jésus quand je pense à toi,” Cantiques, n°. 76.

  14. Asan’ny Apostoly 17:29.

  15. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43.

  16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7.

  17. “Tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no mahalala ny eritreritrao sy ny fisaintsainan’ny fonao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:16).

  18. “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany” (Lioka 6:45).

  19. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 87–89.

  20. Ny fanekempihavana ataontsika isan-kerinandro ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo dia ny “hahatsiaro Azy mandrakariva” (Môrônia 4:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77). Ny Bokin’i Môrmôna dia mampiasa io teny io indroa misesy hoe “tsarovy, tsarovy” mba hamporisihana antsika (Môzià 2:41; Almà 37:13; Helamàna 5:9). Ny fahatsiarovana ara-panahy dia tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina: “hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).

  21. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 90.

  22. Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 41. Nilaza ihany koa ny Filoha Nelson hoe: “Tsy misy ifandraisany firy amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana [ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany] tsapantsika ary tena mifandray amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany” (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82).