2015
100 taona nanaovana takarivan’ny mpianakavy
Aprily 2015


100 taona nanaovana takarivan’ny mpianakavy

Ity volana ity dia manamarika ny faha-100 taonan’ny namporisihan’ny Fiadidiana Voalohany ny mpikambana mba hanao takarivan’ny mpianakavy. Ity sombin-dahatsoratra manaraka ity dia nalaina avy tamin’ ny taratasin’ny Fiadidiana Voalohany izay mampahafantatra momba ny takarivan’ny mpianakavy. Navoaka tamin’ ny Aprily 1915 izany ary navoaka tao amin’ ny Improvement Era tamin’ ny jona 1915 (pejy 733–34). Nohavaozina ny sorabaventy sy ny mari-tsoratra.

Sary
A portrait of eight of the sons of Joseph F. Smith. All are identified

Sary nahazaoana lalana avy tamin’ ny tranombokin’ny tantaran’ny Fiangonana.

Ry Rahalahy sy Rahavavy Malala:

Manoro hevitra ny Olomasin’ny Andro Farany izahay hitandrina bebe kokoa ny didin’ny Tompo nomena ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha 68 manao hoe:

“Ary ankoatra izany, raha manan-janaka ao i Ziona na any amin’ ireo tsatòkany izay voatsangana ny ray aman-dreny ka tsy mampianatra azy hahazoany ny fotopampianarana momba ny finoana an’ i Kristy, ny Zanak’ Ilay Andriamanitra velona, ary ny momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana, rehefa feno valo taona izy, dia mby eo amin’ ny lohan’ ny ray aman-dreny ny fahotana; …

“Ary hampianariny ny zanany ny hivavaka sy ny handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo” [jereo F&F 68:25–28].

Ny ankizy ao Ziona dia tokony hitandrina bebe kokoa ny didin’ny Tompo izay nomeny ireo loholona ao Israely ka naverina notenenina amin’ ny Olomasin’ny andro Farany indray:

“Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho lava ny andronao eo amin’ ny tany izay omen’ny Tompo Andriamanitrao anao” [Eksodosy 20:12].

Mihatra amin-kery lehibe amin’ ny Olomasin’ny andro Farany ireo fanambarana ireo ary takina amin’ ny ray aman-dreny ato amin’ity Fiangonana ity ny hampianarany sy hampiharany ireo didy ireo ao an-tokantranony.

Noho izany antony izany dia manoro hevitra sy manao antso avo manerana ny Fiangonana manontolo izahay mba hanaovana ny “takarivan’ny mpianakavy” ho fotoana hamorian’ny ray aman-dreny ny zanany lahy sy ny zanany vavy manodidina azy ao an-tokantranony ka hampianarany azy ireo ny tenin’ny Tompo. Afaka ny hianatra bebe kokoa momba ny zavatra ilaina sy ireo zavatra takin’ny fianakaviany izy ireo noho izany, afaka ny hifankahazo am-po ihany koa izy samy izy ary ireo zanany dia hifankazatra bebe kokoa amin’ ny fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ity takarivan’ny mpianakavy ity dia tokony hifantoka amin’ ny vavaka, fihirana hira masina, hira, filalaovana zava-maneno, famakiana soratra masina, firesahana lohahevitra miompana amin’ ny fianakaviana, sy fampianarana manokana miompana amin’ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo olana mateti-pitranga eo amin’ ny fiainana, ary koa, ireo adidy aman’andraikitry ny zanaka amin’ ny ray aman-dreny, ny tokantrano, ny Fiangonana, ny fiaraha-monina, ary ny firenena. Azo ampianarina tsianjery, hira, ary kilalao sahaza ny taonany ireo ankizy madinika. Azo atao koa ny mandroso sakafo maivana izay azo karakaraina tsara ao an-trano.

Tokony ho sorohina amim-pahamalinana ireo fombafomba raiki-tapisaka, ary tokony handray anjara amin’ ny asa atao rehetra ny fianakaviana.

Ireny fivoriana ireny dia hanome laka ny fifampitokisana eo amin’ ny ray aman-dreny sy ny zanaka, mpirahalahy sy ny mpirahavavy sy ny mpianadahy, ary koa ho fotoan’ny teny fampitandremana, fananarana, sy torohevitra avy amin’ ny ray aman-dreny ho an’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Hanome fahafahana ho an’ny zanakalahy sy ny zanakavavy izany hanehoany fanajana ny rainy sy ny reniny ary hanehoan’izy ireo fankasitrahana noho ireo fitahiana azony ao an-tokantrano mba ho tanteraka ara-bakiteny amin’izy ireo ny fampanantenan’ny Tompo ka hohalavaina ny androny ary hampifaliana izy ireo. …

Izahay … dia mamposirika ny tanora hijanona ao an-tranony mandritra izany takariva izany ary hifofotra mafy mba hahatonga izany ho fotoam-pianarana, mahasoa, ary mahaliana tokoa.

Raha mankatò ity torohevitra ity ny Olomasina dia mampanantena izahay fa hisy fitahiana lehibe haterak’izany. Hitombo ny fitiavana ao an-tokantrano sy ny fankatoavana ny ray aman-dreny. Hitombo ao am-pon’ny tanora sy ny zatovo ao Isiraely ny finoana ary hahazo hery izy ireo hiadiana amin’ ny fitaoman-dratsy sy ny fakam-panahy manodidina azy ireo.

Ny rahalahinareo,

Joseph F. Smith

Anthon H. Lund

Charles W. Penrose

Fiadidiana Voalohany