2017
Zavatra tsara foana ny fibebahana
November 2017


Zavatra tsara foana ny fibebahana

Raha vao manomboka manao dingana amin’ny lalan’ny fibebahana isika dia manasa ny hery manavotry ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika.

Taona maro lasa izay dia nanatrika lalao baolina kitra nataon’ny Oniversite iray ny Filoha Gordon B. Hinckley. Tonga tao izy mba hilaza fa hampitondrana ny anaran’ilay mpanazatra an’ilay ekipa efa hatry ny ela sady malalan’izy ireo, izay efa hisotro ronono tsy ho ela, ilay kianja. Naniry mafy ny handresy ilay lalao ilay ekipa mba hanome voninahitra ny mpanazatra azy ireo. Nasaina hitsidika ny efitrano fiomanana ny Filoha Gordon B. Hinckley ary hizara teny fankaherezana. Noho ny fankaherezany dia nandresy ny lalao ilay ekipa tamin’io andro io, ary namarana ny taom-panatanjahantena tamin’ny isa izay mbola tsy nisy nahavita hatrizay.

Anio aho dia te hiresaka amin’ireo izay mety manahy fa tsy mandresy mihitsy eo amin’ny fiainana. Raha ny tena marina dia “samy efa nanota [isika] ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra.”1 Na dia misy aza ny ekipa tsy mety resy mihitsy eo amin’ny lafiny fanatanjahantena dia tsy mitranga eo amin’ny fiainana ny fahalavorariana toy izany. Kanefa mijoro ho vavolombelona aho fa nanatanteraka Sorompanavotana lavorary i Jesoa Kristy Mpamonjy ary nanome antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana, izay lalana hiverenantsika any amin’ny fanantenana mamirapiratra sy lavorary sy ny fiainana feno fahombiazana.

Mitondra fifaliana ny fibebahana

Matetika loatra isika no mihevitra ny fibebahana ho toy ny zavatra mampaory sy mandreraka. Kanefa ny drafitr’ Andriamanitra dia ny drafitry ny fahasambarana fa tsy ny drafitry ny fahoriana. Mampahery sy manatsara kokoa ny fibebahana. Ny fahotana no mitondra fahoriana.2 Ny fibebahana no lalana hivoahantsika! Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Raha tsy misy ny fibebahana dia tsy misy ny fandrosoana na fivoarana marina eo amin’ ny fiainana. … Amin’ ny alalan’ ny fibebahana ihany no ahazoantsika ilay famindrampo nifono fanavotana nataon’ i Jesoa Kristy sy sy famonjena. Ny fibebahana … [dia] mitarika antsika any amin’ ny fahafahana, fahatokian-tena ary fiadanana.”3 Ny hafatro ho an’ny rehetra, indrindra fa ny zatovo, dia ny hoe zavatra tsara foana ny fibebahana.

Rehefa miresaka ny fibebahana isika dia tsy miresaka fotsiny ny ezaka ataontsika mba hihatsara kokoa. Mihoatra amin’izany ny fibebahana marina, entanin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny heriny hamela ny fahotantsika izany. Nampianatra antsika ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Raha tsy eo ny Mpanavotra dia, … ho lasa dingana mampalahelo hanovàna ny fitondrantena fotsiny ny fibebahana.”4 Afaka miezaka manova ny fitondrantenantsika samirery isika, kanefa ny Mpamonjy ihany no afaka manaisotra ny pentina eo amintsika sy manamaivana ny enta-mavesatsika, izay hahatonga antsika ho afaka hanaraka ny lalan’ny fankatoavana amim-patokian-tena sy amin-kery. Ny fifaliana avy amin’ny fibebahana dia lehibe kokoa noho ny fifaliana avy amin’ny fananana fiainana azoazo. Izany dia fifaliana avy amin’ny famelan-keloka, fifaliana noho ny fahadiovana indray, ary fifaliana avy amin’ny fanakaikezana an’ Andriamanitra. Raha vantany vao mahatsapa izany fifaliana izany ianao dia tsy hisy fahatsapana latsak’izany ka hahasolo izany intsony.

Ny fibebahana marina dia mitaona antsika hanao ny fankatoavantsika ho fanolorantena, fanekempihavanana, izay miantomboka amin’ny batisa ary havaozina isan-kerinandro amin’ny fanasan’ny Tompo. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mahazo ilay fampanantenana fa afaka “[manana] mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika],”5 miaraka amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra azo avy amin’ny fananana Azy ho namana mandrakariva. Izany no vokatry ny fibebahana, ary izany no mahatonga ny fibebahana ho mahafaly!

Mitaky fikirizana ny fibebahana

Tiako ilay fanoharana momba ny zanaka adala.6 Misy zavatra tena manan-danja mikasika ilay fotoan-dehibe nitondra fiovana rehefa “nody ny sain’” ilay zanaka adala. Teo am-pipetrahany tao an-tranon-kisoa, sady naniry ny “hameno ny kibony tamin’ny voan-kazo fihinan’ny kisoa,” dia tonga saina ihany izy nony farany fa tsy ny lova avy amin’ny rainy ihany no nariany fa ny fiainany manokana ihany koa. Rehefa nino izy fa mety hanaiky ny hiverenany ny rainy, raha tsy toy ny zanaka dia sitrany ahay mba toy ny mpanompo, dia tapakevitra izy ny hiala amin’ny fikomiana ka handeha hody.

Matetika aho no nanontany tena momba ny dia lavitra ezaka nataon’ilay zanaka nandeha nody. Nisy fotoana nampisalasala azy sy nanontaniany tena ve hoe: “Ahoana re no handraisan’ny raiko ahy e?” Mety nisy fotoana aza angamba niverenany kely tany amin’ilay tranon-kisoa. Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fiovan’ny tantara raha nilavo lefona izy. Kanefa ny finoana dia nihazona azy handroso, ary ny finoana dia nihazona ny rainy hiambina sy hiandry tamim-paharetana, ka nony farany:

“Raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.

“Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony.

“Fa ny rainy kosa nanao tamin’ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; …

“Fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.”

Natao ho an’ny rehetra ny fibebahana

Ry rahalahy sy ranabavy isany, zanaka adala daholo isika. Tokony “hody [daholo] ny saintsika,” izay mazàna no mihoatra ny indray mandeha, ary hifidy ny lalana mitondra antsika hody any an-trano. Safidy ataontsika isan’andro izany, mandritra ny fiainantsika.

Matetika isika no mampiaraka ny fibebahana amin’ny fahotana goavana izay mitaky “fiovana mahery vaika.”7 Kanefa natao ho an’ny rehetra ny fibebahana, ireo izay mirenireny any amin’ny “lalana voarara … ka very”8 sy ireo izay “nihazo ny lalana ety sy tery” ka mila “mibosesika mandroso”9 amin’izao fotoana izao. Ny fibebahana dia sady mametraka antsika eo amin’ny lalana marina no sady mihazona antsika eo amin’ny lalana marina. Izany dia natao ho an’ireo izay vao manomboka mino, ireo izay efa nino hatrizay, ary ireo izay mila manomboka mino indray. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny ankamaroantsika dia mahatakatra tsara fa ny Sorompanavotana dia natao ho an’ny mpanota. Tsy tena matoky aho anefa fa isika dia mahafantatra sy mahatakatra fa ny Sorompanavotana dia natao koa ho an’ireo olomasina, dia ireo lehilahy sy vehivavy tsara izay mankatò, mendrika ary … miezaka ny ho lasa tsara kokoa.”10

Vao haingana aho no nitsidika ivontoerana fanofanana ny misiônera tamin’ny fotoana nahatongavan’ny andiana misiônera vaovao. Nihetsi-po tokoa aho teo am-pijerena azy ireo ka nahita ny hazavana tao anatin’ny mason’izy ireo. Toa namiratra sy faly ary navitribitrika ery izy ireo. Avy eo dia tonga tamiko ny eritreritra hoe: “Niaina ny finoana mitondra ho amin’ny fibebahana izy ireo. Izany no maha-feno fifaliana sy fanantenana azy ireo.”

Raha ny hevitro dia tsy midika akory izany fa nanao fandikan-dalàna goavana daholo izy ireo tany aloha, fa fantatr’izy ireo kosa ny fomba hibebahana. Nianatra izy ireo fa zavatra tsara ny fibebahana, ary vonona sy dodona ny hizara izany hafatra mahafaly izany amin’izao tontolo izao izy ireo.

Izany no mitranga rehefa mahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isika. Saintsaino ny ohatra nasehon’i Enôsa. Nisy ny fotoany manokana izay “nodian’ny sainy”, ary rehefa “nofafana ny hadisoany,” dia nitodika avy hatrany tamin’izay mahasoa ny hafa ny fony. Nandany ny androny sisa tamin’ny fanasana ny olona rehetra hibebaka i Enôsa ka “nifaly tamin’ izany mihoatra noho ny tamin’ ny zavatr’ izao tontolo izao.”11 Izany no vokatry ny fibebahana: mampitodika ny fontsika amin’ireo mpiara-belona amintsika izany, satria fantatsika fa ny fifaliana tsapantsika dia natao ho tsapan’ny rehetra.

Atao mandritra ny fiainana manontolo ny fibebahana

Manana namana aho izay lehibe tao anatin’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany malaindaina. Fony izy olon-dehibe vao herotrerony dia “nody [koa] ny sainy” ka nanapakevitra ny hiomana hanao asa fitoriana izy.

Lasa misiônera tena tsara izy. Tamin’ny andro farany mialoha ny hodiany dia nanao tafasiry taminy ny filohan’ny misiôna ary nangataka azy hijoro ho vavolombelona. Nanao izany izy, ary rehefa avy nifamihina tamin-dranomaso izy ireo dia hoy ilay filoha hoe: “Elder, afaka manadino na mandà ny zavatra rehetra vao avy nijoroanao ho vavolombelona teo ianao ao anatin’ny volana vitsivitsy raha tsy manohy manao ireo zavatra izay mampiorina ny fijoroana ho vavolombelona anananao aloha.”

Taty aoriana ilay namako dia nilaza tamiko fa nivavaka sy namaky soratra masina isan’andro izy hatramin’ny niverenany avy nanao asa fitoriana. Ny “[f]amahanana azy [lalandava t]amin’ny teny soan’ Andriamanitra” dia nitahiry azy “[t]amin’ny lalana tsara.”12

Ianareo izay miomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy ianareo izay miverina avy any, henoy izao! Tsy ampy ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona fotsiny. Mila mihazona sy manamafy orina izany ianareo. Ny misiônera rehetra dia mahafantatra fa raha mijanona mamoy bisikileta ianao dia hianjera, ary raha tsy manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao, dia hihamaivana izany. Mihatra amin’ny fibebahana io fitsipika io. Zavatra atao mandritra ny fiainana izany fa tsy zavatra hiainana indray mandeha monja eo amin’ny fiainana.

Ho an’ireo rehetra izay mikatsaka famelan-keloka, ny zatovo, ny tanora tokan-tena, ny ray aman-dreny, ny ray aman-drenibe, ary eny fa na dia ireo rain’ny ray aman-drenibe aza, manasa anareo aho mba hody. Izao no fotoana hanombohana izany. Aza ahemotra ny andro hibebahanao.13

Ary raha vao nandray izany fanapahankevitra izany ianao dia araho hatrany ilay lalana. Miandry ny Raintsika, miandrandra ny handray anao. Mihinjitra “mandritra ny manontolo andro” ho anao ny sandriny.14 Mendrika ny ezaka ilay valisoa azo.

Tsarovy ireto teny nolazain’i Nefia ireto: “Tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.”15

Indraindray dia toa haharitra ela ny dia, sady dia mankany amin’ny fiainana mandrakizay rahateo ilay izy. Kanefa afaka ny ho dia feno fifaliana izany raha ataontsika amim-pinoana an’i Jesoa Kristy sy amin’ny fananana fanantenana handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany. Mijoro ho vavolombelona aho fa raha vao manomboka manao dingana amin’ny lalan’ny fibebahana isika dia manasa ny hery manavotry ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika. Izany hery izany dia hahatonga antsika tsy hihozongozona, hanitatra ny fahatakarantsika, ary hanamafy ny fahavononantsika handroso hatrany, tsikelikely, mandra-pahatonga ilay andro feno voninahitra izay hiverenantsika amin’izay any amin’ny fonenantsika any an-danitra sy handrenesantsika ny Raintsika any An-danitra hiteny amintsika hoe: “Tsara izany.”16 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.