2012
Ny Sorompanavotana sy ilay Dia Eto An-tany
Aprily 2012


Ny Sorompanavotana sy ilay Dia Eto An-tany

Avy amin’ny lahateny iray tao anatin’ny Fivoriana fanentanana ny ara-panahy natao tao amin’ny Oniversite Brigham Young tamin’ny 23 Ôktôbra 2001. Mba hahitana ilay lahatsoratra feno amin’ny teny Anglisy, dia tsidiho ny speeches.byu.edu.

Ilay hery manampin’ny Sorompanavotana dia manome tanjaka antsika mba hanao ny tsara sy ho olona tsara ary mba hanompo mihoatra noho ny fanirian’ny tenantsika manokana sy ny hery ara-boajanahary ananantsika.

Sary
Nataon’ny Loholona David A. Bednar

Ny tanjona lehiben’ny filazantsaran’ny Mpamonjy dia voafintina amin’ny teny fohy nolazain’ny Filoha David O. McKay (1873–1970) hoe: “Ny tanjon’ny filazantsara dia … hanova ireo olona ratsy ho tsara ary ireo olona tsara ho lasa tsara kokoa ary hanova ny toetra amin’ny maha-olombelona.”1 Noho izany ny dia atao eto an-tany dia mba hivoarana miainga eo amin’ny ratsy mankany amin’ny tsara ary mba hiainana ilay fiovam-po lehibe—manova ilay toetrantsika mifono fahalavoana (jereo ny Môsià 5:2).

Ny Bokin’i Môrmôna dia boky torolalana ho antsika rehefa mandeha eo amin’ilay lalana miainga any amin’ny ratsy mankany amin’ny tsara ary mitondra amin’ny tsara kokoa isika sy rehefa miezaka ny hanova ny fontsika. Ny Mpanjaka Benjamina dia mampianatra momba izany dia eto an-tany izany sy ny anjara asan’ny Sorompanavotana ao anatin’ny fanatanterahana amim-pahombiazana izany dia izany: “Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’Andriamanitra ary efa toy izany hatramin’ny fahalavoan’i Adama ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo” (Môsià 3:19; nampiana fanamafisana).

Sarihiko amin’ny alalan’ny andian-teny roa miavaka ny sainareo. Voalohany—“manaisotra ny maha olona araka ny nofo.” Ny dia miainga eo amin’ny ratsy mankany amin’ny tsara dia dingana iray hanesorana ny maha-lehilahy na maha-vehivavy araka ny nofo ao anatintsika. Eto amin’ity fiainana ity dia azon’ny fakam-panahy amin’ny alalan’ny fanirian’ny nofo isika. Ireo singa tena namoronana ny vatantsika dia mifono fahalavoana ara-boajanahary ary mety mora iharan’ny fahotana sy ny fahalovana ary ny fahafatesana foana. Saingy afaka mampitombo ny herintsika mba handresena ny fanirian’ny nofo sy ny fakam-panahy isika “amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy.” Rehefa manao fahadisoana isika sy rehefa mandika lalàna sy manota dia afaka mibebaka sy lasa madio amin’ny alalan’ilay hery manavotry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Faharoa—“tonga olomasina.” Io andian-teny io dia mamaritra ny tohin’ilay dia eto an-tany sy ilay dingana faharoa dia ny hanao izay hahatonga “ny olona tsara ho lasa tsara kokoa” na amin’ny teny hafa dia hoe, ho lasa olomasina bebe kokoa. Ity ampahany faharoa ao anatin’ilay dia ity, dia ilay dingana miainga eo amin’ny tsara mankany amin’ny tsara kokoa izany, dia lohahevitra izay tsy dia halalinintsika na ampianarintsika matetika loatra na tsy dia takatsika araka ny tokony ho izy.

Miahiahy aho fa maro ireo mpikamban’ny Fiangonana no mahafantatra bebe kokoa ny toetoetrin’ilay hery manavotra sy manadion’ny Sorompanavotana fa tsy dia mahafantatra ilay hery mampahatanjaka sy manampy. Zavatra iray tsara ho fantatra ny hoe i Jesoa Kristy dia tonga teto an-tany mba ho faty ho antsika—izany dia zava-dehibe ao anatin’ny fotopampianaran’i Kristy sy ny fototra iorenany. Saingy isika koa dia mila mankasitraka ilay hoe, ny Tompo dia maniry, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina mba hiaina ao anatintsika—tsy hoe hitarika antsika fotsiny fa koa mba hanome hery antsika.

Maro amintsika no mahafantatra fa rehefa manao zavatra ratsy isika dia mila fanampiana mba handresena ny vokatry ny fahotana eo amin’ny fiainantsika. Efa nanonitra ilay sarany ny Mpamonjy ary nanao izay hahatonga antsika ho madio amin’ny alalan’ilay heriny manavotra. Ny ankamaroantsika dia mahatakatra fa ny Sorompanavotana dia natao ho an’ny mpanota. Tsy tena matoky aho anefa fa isika dia mahafantatra sy mahatakatra fa ny Sorompanavotana dia natao koa ho an’ireo olomasina—ho an’ireo lehilahy sy vehivavy tsara izay mankatò, mendrika sy miezaka ny ho lasa tsara kokoa ary hanompo amim-pahatokiana kokoa. Isika dia mety hanana fihevitra diso hoe tsy maintsy manao ilay dia miainga eo amin’ny tsara mankany amin’ny tsara kokoa isika ary lasa olomasina amin’ny alalan’ny tenantsika manokana, amin’ny alalan’ny herin-tsaina sy herim-po ary fahasahiana sy fitsipi-pifehezan-tena sy miaraka amin’ilay fahaiza-manaontsika izay mazava ho azy fa voafetra.

Ny filazantsaran’ny Mpamonjy dia tsy hoe misoroka ny ratsy eo amin’ny fiainantsika fotsiny fa resaka fanaovana ny tsara sy fahatongavana ho tsara koa izany indrindra indrindra. Ary ny Sorompanavotana dia manome fanampiana antsika mba handresena sy hisorohana ny ratsy ary hanaovana ny tsara sy hahatongavana ho tsara. Ny fanampiana avy amin’ny Mpamonjy dia misy foana mandritra ny dia eto an-tany iray manontolo—miainga eo amin’ny ratsy mankany amin’ny tsara ary tonga any amin’ny tsara kokoa, dia manova ilay tena toetrantsika.

Tsy milaza aho akory fa ilay hery mpanavotra sy mpanampin’ny Sorompanavotana dia misaraka ary samy hafa. Ireo lafin-javatra roa ao amin’ny Sorompanavotana ireo aza dia mifandray sy mifameno. Samy ilaina mba ho azo enti-miasa daholo izy ireo mandritra ireo dingana rehetra ao anatin’ilay dia eto an-tany. Ary zava-dehibe ho antsika rehetra mandrakizay ny mahafantatra fa ireo lafin-javatra manan-danja roa ao amin’ilay dia eto an-tany ireo—izay samy manaisotra ny maha-olona araka ny nofo dia tonga olomasina, ary samy mandresy ny ratsy dia lasa tsara—dia tanteraka amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana. Ny fahasahian’ny tena manokana, ny fahavononan’ny tena manokana, ny fahavitrihana sy ny fametrahana lamina mahomby ary ny fametrahana tanjona dia ilaina nefa tena tsy ampy mba hanatanterahantsika amim-pahombiazana ity dia eto an-tany ity. Isika dia tena tsy maintsy miantehitra amin’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:8).

Ny Fahasoavana sy ilay Hery Manampin’ny Sorompanavotana

Ao anatin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia mianatra isika fa ny teny hoe fahasoavana dia matetika ampiasaina ao amin’ny soratra masina amin’ilay dikany hoe hery manampy:

“Ny [Fahasoavana dia] teny iray izay matetika hita ao amin’ny Testamenta Vaovao, indrindra fa ao amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly. Ny hevi-dehiben’ilay teny dia hoe: fomba masina entina hanampiana na hanomezana hery, omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy izay miavosa.

“Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Tompo izay tanteraka tamin’ny alalan’ny sorompanavotany no hananganana ny olombelona amin’ny tsy fahafatesana ka handray ny vatany avy ao am-pasana ny olona rehetra ao anatin’ny toetry ny fiainana mandrakizay. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tompo toy izany koa no handraisan’ny olona tsirairay, amin’ny alalan’ny finoana ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ny otany, hery sy fanampiana mba hanao asa tsara fa raha tsy izany dia tsy afaka ny hanohy hanao izany izy ireo raha avela irery miaraka amin’izay hery ananany eo. Io fahasoavana io dia hery manampy izay manome fahafahana ny lehilahy sy ny vehivavy mba hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana rehefa nanao ezaka tsara indrindra avy aminy izy ireo.”2

Ny fahasoavana dia fanampiana masina na fanampiana avy any an-danitra izay ilaintsika tsirairay mafy mba ho mendrika ny hiditra any amin’ny fanjakana selestialy. Noho izany ilay hery manampin’ny Sorompanavotana dia manome hery antsika mba hanao zavatra sy hanao ny tsara ary hanompo mihoatra noho ny fanirian’ny tenantsika manokana sy ny hery ananantsika manokana ara-boajanahary.

Mandritra ny fandalinako manokana ny soratra masina, dia matetika aho mampiditra ny teny hoe: “hery manampy” isaky ny mahita ny teny hoe: fahasoavana. Diniho ohatra ity andinin-tsoratra masina ity izay fantatsika rehetra: “Fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23). Mino aho fa afaka mianatra zavatra betsaka momba ity lafiny iray manan-danjan’ny Sorompanavotana ity isika raha toa ka mampiditra ny hoe: “hery manampy sy manome tanjaka” isaky ny mahita ny teny hoe: fahasoavana ao anatin’ny soratra masina.

Ohatra sy Hevitra Fonosiny

Ilay dia eto an-tany dia mandeha miainga avy eo amin’ny ratsy mankany amin’ny tsara, dia tonga any amin’ny tsara kokoa sy manova ilay tena toetrantsika. Ny Bokin’i Môrmôna dia feno ohatra mikasika ireo mpianatra sy mpaminany izay nahafantatra sy nahatakatra ny hery manampin’ny Sorompanavotana ary novain’izany rehefa nanao ilay dia. Rehefa mihamahatakatra tsara kokoa izany hery masina izany isika dia hivelatra sy hiroborobo be tokoa ny fijerintsika ny filazantsara. Izany fomba fijery izany dia hanova antsika amin’ny fomba miavaka.

I Nefia dia ohatra iray izay nahafantatra sy nahatakatra ary niantehitra tamin’ilay hery manampin’ny Mpamonjy. Tsarovy fa ireo zanakalahin’i Lehia dia niverina tany Jerosalema mba hitondra an’i Isimaela sy ny fianakaviany hiaraka amin’izy ireo hanao ilay asa. I Lamana sy ireo hafa tao anatin’ilay vondrona nanao ny dia niaraka tamin’i Nefia niala tao Jerosalema niverina tany an-tany foana dia nikomy ary nampitandrina ireo rahalahiny i Nefia mba hanana finoana ny Tompo. Tamin’izay fotoana tao anatin’ny dian’izy ireo izay mihitsy no namatoran’ireo rahalahin’i Nefia azy tamin’ny tady ary nikononkonina ny hamotehana azy izy ireo. Mba diniho ity vavaka nataon’i Nefia ity: “Tompo ô, araka ny finoako izay ao Aminao dia Ianao anie hanafaka ahy eo an-tanan’ny rahalahiko; eny, omeo hery aho hahazoako manapatapaka ireto tady izay ifatorako ireto” (1 Nefia 7:17; nampiana fanamafisana).

Moa ve fantatrao hoe inona no mety ho nangatahiko tao anatin’ny vavaka raha nofatoran’ireo rahalahiko aho? “Mba hafaho ao anatin’ity toe-javatra mahasosotra ity aho IZAO!” Tena mahavariana ahy manokana ny tsy nivavahan’i Nefia mba hanovana ny toe-javatra nihatra taminy. Fa kosa nivavaka izy mba hahazo hery hanovana ilay toe-javatra nihatra taminy. Ary mino aho fa izany indrindra no karazam-bavaka nataony satria fantany sy takany ilay hery manampin’ny Sorompanavotana ary niainany izany.

Izaho dia tsy mihevitra hoe ilay tady namatorana an’i Nefia dia tonga dia nivaha tamim-pahagagana teny amin’ny tanany sy ny hatotanany fotsiny. Fa mieritreritra kosa aho hoe nomena faharetana sy hery manokana izay mihoatra ny heriny ara-boajanahary izy, ka dia “tamin’ny herin’ny Tompo” (Môsià 9:17) no niasany sy nanodinkodinany sy nisintosintonany an’ilay tady ka tamin’ny farany dia afaka namaha tanteraka ilay fatotra izy.

Ny hevitra fonosin’izany toe-javatra izany ho antsika tsirairay avy dia mazava. Rehefa mahatakatra sy mampiasa ilay hery manampin’ny Sorompanavotana izaho sy ianao eo amin’ny fiainantsika dia hivavaka ary hangataka hery hanovana ireo toe-javatra iainantsika isika toy izay hivavaka mba hovaina ny toe-javatra iainantsika. Ho lasa olona izay mihetsika isika fa tsy zavatra izay hetsehina (jereo ny 2 Nefia 2:14).

Diniho ilay ohatra iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa nenjehin’i Amiolôna i Almà sy ny olony. Ny feon’ny Tompo dia tonga teo amin’ireo olona tsara ireo tao anatin’ny fahoriany ary nilaza hoe:

“Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo. …

“Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nohamaivanina ny enta-mavesatra izay nampitondraina an’i Almà sy ny rahalahiny; eny, nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra” (Môsià 24:14–15; nampiana fanamafisana).

Inona no novaina tao anatin’izany toe-javatra izany? Tsy niova ilay enta-mavesatra ary tsy tonga dia nesorina teo amin’ny olona ireo olana sy fahasarotana noho ny fanenjehana. Saingy nampahatanjahana i Almà sy ireo mpanara-dia azy ary ilay heriny sy tanjany izay nitombo dia nahatonga ilay enta-mavesany ho maivana kokoa. Ireo olona tsara ireo dia nampahatanjahana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana mba hanao asa toy ny mpandraharaha ary hitondra fiantraikany eo amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo. Ary “tamin’ny herin’ny Tompo” no nitarihana soa aman-tsara an’i Almà sy ny olony tany amin’ny tanin’i Zarahemla.

Mety hametra-panontaniana izay ara-drariny ianao hoe: “Inona no mahatonga an’ity toe-javatra niseho tamin’i Almà sy ny olony ity ho ohatra iray maneho ny hery manampin’ny Sorompanavotana? Ny valiny dia hita ao amin’ny fampitahana iray ao amin’ny Môsià 3:19 sy Môsià 24:15.

“Ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy” (Môsià 3:19; nampiana fanamafisana).

Rehefa mandroso ao amin’ilay dia eto an-tany miainga amin’ny ratsy mankany amin’ny tsara dia mitondra amin’ny tsara kokoa isika ary rehefa manaisotra ny maha lehilahy na vehivavy araka ny nofo ao anatintsika tsirairay isika sy rehefa miezaka ny ho lasa olomasina ary manao izay hanovana ilay tena toetrantsika, dia ireo toetra voalaza amin’ny antsipiriany ao amin’io andinin-tsoratra masina io no tokony hamaritra ilay hoe mihamitovy amin’ny karazan’olona toy inona isika. Isika dia ho lasa hitovy kokoa amin’ny ankizy, lasa mankatò kokoa sy miaritra kokoa ary vonona ny hanoa.

Izao dia ampitahao amin’ireo toetra hita ao amin’ny Môsià 3:19 ireo toetra namaritana an’i Almà sy ireo olony: “Ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo” (Môsià 24:15; nampiana fanamafisana).

Izaho dia mahita fa ilay fampitahana an’ireo toetra voafaritra ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia tena miavaka ary fampahalalana fa ireo olon’i Almà izay tsara dia lasa tsara kokoa tamin’ny alalan’ny hery manampin’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.

Tsarovy ilay tantaran’i Almà sy Amioleka izay hita ao amin’ny Almà 14. Tao anatin’ity zava-niseho ity dia Olomasina maro no novonoina tamin’ny alalan’ny afo, ary ireto mpanompon’ny Tompo anankiroa ireto dia nogadraina sy nokapohina. Diniho ity fangatahana nataon’i Almà ity rehefa nivavaka tany am-ponja izy: “Tompo ô, omeo anay ny hery araka ny finoanay izay ao amin’i Kristy ho fanafahana” (Almà 14:26; nampiana fanamafisana).

Eto indray dia hitantsika ny fahatakaran’i Almà sy ny fahatokiany an’ilay hery manampin’ny Sorompanavotana izay hita taratra tao anatin’ny fangatahany. Ary jereo ny vokatry ny vavaka nataony:

“Ary notapahin’i [Almà sy Amioleka] ny tady izay nifatorany; ary rehefa nahita izany ny olona dia nanomboka nitsoaka, satria tonga taminy ny fahatahorana ny famongorana. …

“Ary nandeha nivoaka ny fonja i Almà sy Amioleka, ary tsy naratra izy ireo; satria efa nomen’ny Tompo fahefana izy ireo, araka ny finoany izay tao amin’i Kristy” (Almà 14:26, 28; nampiana fanamafisana).

Hita eto indray fa miharihary ilay hery manampy rehefa miady amin’ny ratsy ny olona ary miezaka ny ho lasa tsara kokoa mihitsy ary manompo amim-pomba mandaitra kokoa “amin’ny herin’ny Tompo.”

Ity ohatra iray hafa avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ity dia manita-tsaina. Ao amin’ny Almà 31, i Almà dia nitarika iraka hamerina ireo Zôramita nihemotra, izay taorian’ny nanorenany an’i Rameomtôma izay nanolotra vavaka piliavava ary feno fieboeboana.

Diniho ilay fangatahana hery tao anatin’ny vavaka nataon’i Almà: “Tompo ô, hotovinao amiko anie ny hahazoako hery, mba hahazoako mitondra amim-paharetana ireo fahoriana izay hanjo ahy ireo noho ny helok’ity vahoaka ity” (Almà 31:31; nampiana fanamafisana).

I Almà koa dia nivavaka ho an’ireo misiônera mpiara-mitory aminy mba hahazoan’izy ireo izany fitahiana izany ihany koa: “Hotovinao aminy anie ny hahazoany tanjaka, mba hahazoany miaritra ny fahoriany izay hianjady aminy noho ny helok’ity vahoaka ity” (Almà 31:33; nampiana fanamafisana).

I Almà dia tsy nivavaka mba hanesorana ny fahoriany. Fantany fa mpandraharahan’ny Tompo izy ary nivavaka mba hahazo hery hiatrehana ilay toe-javatra niainany sy hampisy fiantraikany eo amin’izany.

Ny zavatra tena manan-danja ao anatin’izany ohatra izany dia hita ao amin’ilay andininy farany ao amin’ny Almà 31: “Ary nomen’ny [Tompo] azy ireo ny tanjaka mba tsy hiaretany izay mety ho karazam-pahoriana, ka tsy ho voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy. Ankehitriny izany dia araka ny fivavak’i Almà; ary izany dia noho izy nivavaka tamim-pinoana” (andininy 38; nampiana fanamafisana).

Tsy nesorina ilay fahoriana. Saingy i Almà sy ny mpiara-mitory taminy dia nampahatanjahana sy notahiana tamin’ny alalan’ilay hery manampin’ny Sorompanavotana mba tsy hiaretany izay mety ho karazam-pahoriana, ka tsy ho voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy. Tena fitahiana mahagaga izany. Ary tena lesona iray tokony hianarantsika tsirairay avy.

Tsy hoe ao anatin’ny soratra masina ihany no ahitana ohatra momba ilay hery manampy. I Daniel W. Jones dia teraka tamin’ny 1830 tany Missouri, ary lasa mpikamban’ny Fiangonana tany Californie tamin’ny 1851. Tamin’ny 1856 dia nandray anjara tamin’ny famonjena an’ireo vondron’ olona nitondra sarety tarihin-tanana izay tafahitsoka tany Wyoming izy noho ny oram-panala mahery vaika. Rehefa nahita ireo Olomasina nijaly ilay vondron’olona tonga hamonjy, sy nanome izay fanampiana mivantana azon’izy ireo natao ary nandrindra ny hitondrana ireo marary sy tena trotraka ho any Salt Lake City, dia nilatsaka an-tsitrapo mba hijanona sy hiambina ny fananan’ireo olona tany i Daniel sy ireo lehilahy maro hafa. Tsy dia ampy loatra ny sakafo sy ny vatsy napetraka ho an’i Daniel sy ireo niara-niasa taminy ary vetivety dia lany. Ity zavatra lazaina manaraka avy tao amin’ny diary manokan’i Daniel Jones ity dia mamaritra ny zava-niseho taorian’izany.

“Vetivety dia zara raha nisy ireo biby fihaza ka tsy afaka namono na inona na inona intsony izahay. Nohaninay daholo ilay hena ratsy ary toa nahanoana aza ny fihinanana an’izany. Farany dia tapitra daholo izany ary tsy nisy afa-tsy ny hodiny sisa tavela. Nanandrana nihinana an’izany izahay. Betsaka tamin’izany no nandrahoina sy nohanina tsy nisy zavatra fanatsiroana azy ary nahatonga ny olona rehetra tao amin’ilay vondrona ho narary. …

“Toa maloka ny zava-drehetra, satria tsy nisy tavela afa-tsy ilay hodim-biby manta efa ratsy izay nesorina tamin’ny omby maty noana. Nangataka ny Tompo izahay mba hanoro izay tokony hataonay. Tsy nimenomenona ireo rahalahy, fa nahatsapa fa tokony hiantehitra amin’Andriamanitra izy ireo. … Farany dia nisy nanosika ahy hanamboatra izany ary nomeko torohevitra ilay vondron’ olona. Nolazaiko azy ireo ny fomba fandrahoana izany sy ny fandorana ary ny fikikisana ny volon’ izany hiala. Izany dia toa mamono sy manala ilay tsirony ratsy rehefa ampangotrahana amin’ny rano. Rehefa voakiky sy nampangotrahana tao anaty rano be izany, dia nariana ilay rano izay nanala ilay zavatra maditidity, dia nosasana sy nokikisana tanteraka ilay hodiny, dia nosasana tamin’ny rano mangatsiaka ary avy eo nampangotrahana ho lasa hatrotro ary nampangatsiahana dia nohanina miaraka amin’ny siramamy kely naparitaka teo amboniny. Azo atao hoe nanahirana anay ihany izany saingy tsy dia nisy zavatra firy nataonay ary naleo aza nanao izany toy izay maty noana.

“Nangataka ny Tompo izahay mba hitahy ny vavoninay ary mba hahazaka ilay sakafo izany. … Rehefa nihinana izany izahay tamin’izay dia toa nankafy ilay sakafo daholo ny rehetra. Tsy nihinana sakafo nandritra ny telo andro izahay talohan’ny nanaovana ity fanandramana faharoa ity. Nankafy izany sakafo nafilotra izany izahay nandritra ny enina herinandro teo ho eo.3

Raha tao anatin’ireo toe-javatra ireo aho dia mety ho nivavaka mba hangataka zavatra hafa hohanina: “Ry Ray any an-danitra! Mba andefaso kibobo na omby lehibe aho.” Toa tsy ho tonga tato an-tsaiko ny hivavaka mba hatanjaka ny vavoniko ary hahazaka ilay sakafo nanananay. Inona no zavatra fantatr’i Daniel W. Jones? Nahafantatra momba ilay hery manampin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy. Tsy nivavaka izy mba hangataka ny hanovana ny toe-javatra niainany. Nivavaka izy mba hahazo hery hiatrehana ny toe-javatra niainany. Toy ny nampahatanjahana an’i Almà sy ny olony, ary i Amioleka sy i Nefia dia nanana fampahalalana ara-panahy mba hahafantarana izay tokony ho angatahina tao anatin’izany vavaka izany i Daniel W. Jones.

Ny hery manampin’ny Sorompanavotana dia manome tanjaka antsika mba hanaovana zavatra izay tsy ho vitantsika irery velively. Indraindray aho dia manontany tena raha toa ao anatin’ity tontolontsika amin’ny andro farany ity izay miaina ao amin’ny fanamorana—ao anatin’ ity tontolontsika amin’ny andro farany ity izay ahitana fatana micro-onde, finday, ny fiara misy rivotra mafana na mangatsiaka ary trano mampahazo aina—moa ve isika mba mianatra mahafantatra ny fianteherantsika isan’andro amin’ilay hery manampin’ny Sorompanavotana.

Rahavavy Bednar dia tena vehivavy mahatoky sy manana ny maha-izy azy. Ary izaho dia nianatra lesona manan-danja mikasika ilay hery mampatanjaka avy amin’ny ohatra mangina nasehony. Nijery azy naneho faharetana aho nandritra ny aretina mafy sy tsy misy fitsaharana izay matetika miseho isa-maraina noho ny fitondrana vohoka—tena narary izy nandritra ny andro iray manontolo isan’andro tao anatin’ny valo volana—ary niseho tao anatin’ireo fitondrany vohoka in-telo izany. Niara-nivavaka izahay mba hahazo fitahiana izy saingy tsy niala velively izany olana izany. Fa kosa afaka nanao ara-batana izay zavatra tsy vitany tamin’ny alalan’ny heriny manokana izy. Nandritra ny taona maro aho dia nijery koa ny fomba nahazoana hery hiatrehana ny fanarabiana sy ny fanesoesoana avy amin’ny olon’izao tontolo izao rehefa manaraka ny torohevitra ara-paminaniana ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany iray ary manao ho laharam-pahamehany ny fianakaviana sy ny fikarakarana ny zanaka. Misaotra sy midera an’i Susan aho noho ny fanampiany ahy hianatra lesona sarobidy toy izany.

Mahafantatra sy Mahatakatra ny Mpamonjy

Ao amin’ny Almà toko faha-7 dia mianatra ny fomba sy ny antony ahafahan’ny Mpamonjy manome hery manampy isika:

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny Olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny. (Almà 7:11–12; nampiana fanamafisana).

Ny Mpamonjy dia tsy nijaly fotsiny noho ny fahotantsika fa koa noho ny tsy fitoviana, ny tsy fahamarinana, ny fanaintainana, ny fahoriana, ary ny olana ara-pihetsehampo izay tonga eo amintsika. Tsy mbola nisy fanaintainana ara-batana, na fahorian’ny fanahy na fijalian’ny fanahy na aretina na fahalemena izay iainanao na iainako mandritra ity dia eto an-tany ity ka tsy efa niainan’ny Mpamonjy aloha. Izaho sy ianao rehefa ao anatin’ny fotoan’ny fahalemena dia afaka mihiaka hoe: “Tsy mba misy na iray aza mahatakatra izany. Tsy mba misy na iray aza mahafantatra izany.” Angamba tsy mba misy olombelona mahafantatra izany. Saingy ny Zanakalahin’Andriamanitra dia mahafantatra sy mahatakatra, satria Izy dia nahatsapa sy nilanja ny enta-mavesantsika talohan’ny nahatsapantsika sy nilanjantsika izany. Ary satria nandoa ilay sarany faratampony Izy sy nilanja ilay enta-mavesatra dia tena mahatakatra tanteraka ny zavatra tsapantsika ary manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony eo amin’ny lafin-javatra maro ao anatin’ny fiainantsika. Afaka manome tanana sy manohina ny fo ary manampy Izy—mihazakazaka mankany amintsika ara-bakiteny—ary manome hery antsika mba hahatonga antsika amin’ny toerana ambony kokoa mihoatra noho izay afaka hisy antsika hatrizay ary hanampy antsika hanao zavatra izay tsy ho vitantsika velively raha miankina amin’ny herintsika manokana fotsiny isika.

“Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay mavesatra entana, fa omeko fitsaharana ianareo.

“Raiso ny ziogako ary mianara amiko; fa mora sy malemy fanahy aho ary dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo.

“Fa mora ny ziogako ary maivana ny enta-mavesatro” (Matio 11:28–30).

Izaho dia mijoro ho vavolombelona sy maneho fankasitrahana momba ilay sorona tsy manam-petra sy mandrakizain’i Jesoa Kristy Tompo. Fantatro fa velona ny Mpamonjy. Efa niaina ilay heriny manavotra sy ilay heriny manampy aho ary mijoro ho vavolombelona fa ireo hery ireo dia tena misy ary azontsika tsirairay ananana. Tena marina fa afaka manao sy mandresy ny zava-drehetra “amin’ny herin’ny Tompo” isika rehefa mibosesika mandroso ao anatin’ilay diantsika eto an-tany.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Franklin D. Richards, ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1965, 136–37; jereo koa ny David O. McKay, ao amin’ny Conference Report, Apr. 1954, 26.

  2. Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahasoavana”; nampiana fanamafisana.

  3. Daniel W. Jones, Forty Years among the Indians (n.d.), 57–58.

Ô ry Ray, nataon’i Simon Dewey

Sary nataon’i Jeff Ward

Sary nataon’i Jeff Ward

Sombiny avy tamin’ny Izahao ny Tanako, nataon’i Jeff Ward