2023
Ny fanasan’ny Mpamonjy hizara ny fahazavany
Jolay 2023


“Ny fanasan’ny Mpamonjy hizara ny fahazavany,” Liahona, jolay 2023.

Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Ny fanasan’ny Mpamonjy hizara ny fahazavany

Sary
I Jesoa sy ireo mpianany eny an-dàlana ho any Emaosy

On the Road to Emmaus (Eny-dàlana ho any Emaosy), nosoratan’i Wendy B. Keller, nahazoana lalana avy amin’ny Havenlight

Talohan’ny niakarany tany an-danitra dia nanasa ireo Apôstôliny ao amin’ny Testamenta Vaovao i Kristy izay efa nitsangana tamin’ny maty mba ho vavolombelony “hatramin’ny faran’ny tany” (Asan’ny Apostoly 1:8). “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jeso[a] ho Kristy” (Acts 5:42) ireo Apôstôly rehefa nandray fitaomam-panahy avy amin’izany andraikitra izany.

Ao amin’ny lahatsoratra nosoratany ato amin’ity laharana ity, ny Loholona Quentin L. Cook, izay Apôstôly maoderina, dia manazava ny fomba ahafahantsika mizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy na dia eo aza ny tsy fahaizantsika. Nanoratra izy fa, “Rehefa miaina ny filazantsara isika, tia sy manompo ny hafa, mijoro ho matanjaka manoloana ny fakam-panahy sy ny fanenjehana, ary mijoro ho vavolombelona amin’ny teny sy ny asa, dia hitaona ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy isika” (pejy 4).

Mitory amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona sy amin’ny ohatra isika amin’ny alalan’ny fanatonantsika ny Mpamonjy. Ho eo afovoantsika Izy, araka izay hazavaiko ao amin’ny lahatsoratro ato amin’ity laharana ity, raha manaja ny fanekempihavanantsika isika sy mikatsaka ny toroheviny amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany (jereo ny pejy 40).

Ao amin’ny fandalinantsika ny asa fanompoan’ny Apôstôly ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy amin’ity volana ity, dia aoka isika hisaintsaina ny adidintsika sy ny antsontsika manokana mba hizara ny fahazavan’ny Mpamonjy amin’ireo manodidina antsika. Efa ela izay i Kristy no niakatra tany an-danitra, kanefa rehefa mitalaho isika androany mba “[hitoerany] aty amin[tsika]” (Lioka 24:29), dia hiara-mamindra amintsika amin’ny dingana atao tsirairay Izy.

Loholona Patricio M. Giuffra

Ao amin’ny Fitopololahy