2023
Ireo fanovana tiantsika—sy tsy tiantsika—atrehana
Jolay 2023


“Ireo fanovana tiantsika—sy tsy tiantsika—atrehana,” Liahona, jolay 2023.

Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Ireo fanovana tiantsika—sy tsy tiantsika—atrehana

Inona no tanjona maharitra izay napetrakao? Raha fantatrao ny tanjonao, dia ho vonona ianao, ary ho faly mihitsy aza, ny hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao.

Sary
lehilahy misafidy ny handeha amin’ny sampanan-dalana anankiray

Efa voatery nanao fanovana izay tsy tena nanananao fahazotoana loatra ve ianao? Na fanovana izay tsy nampoizinao hoe tokony nataonao?

Tokony ho 15 taona lasa izay dia nilaza tamiko ny dokoterako fa tsy maintsy manova ny fomba fiainako aho: “Atombohy amin’ny fanetseham-batana bebe kokoa izany, fa raha tsy izany dia tsy ho ela velona ianao”, hoy izy tamiko. Noraisiko tamim-pahamatorana ilay fampitandremany. Nanapa-kevitra ny hanomboka hihazakazaka aho.

Mba hahombiazan’ity fanovana fomba fiaina ity, dia nila nitazona fomba fijery lavitra tato an-tsaiko aho satria raha fohy ny fomba fijeriko dia tsy ho lasa lavitra loatra aho.

Ny fomba fijery lavitra napetrako dia ny fametrahana tanjona miverimberina mba hanao hazakazaka lavitr’ezaka anankiray isan-taona. Ity tanjona ity dia manampy ahy hitsangana sy hihazakazaka isan’andro satria fantatro fa hisy andro iray amin’ny herintaona tsy maintsy hanaovako hazakazaka 42,2 kilometatra. Miezaka ny hanara-pitsipika tsara aho mba hanazarako tena sy hanatrarako ireo tanjona fohy ezaka napetrako isan-kerinandro satria fantatro fa manomana ahy amin’ny andro izay hanaovana ilay fifaninanana hazakazaka izany.

Indraindray dia misy zavatra mizaha toetra sy manakana ahy, toy ny toetrandro. Mety ho mafana loatra na mangatsiaka be ny andro, na koa mety hoe avy ny orana. Noho izany dia tsy maintsy mihazakazaka ao an-trano amin’ny tapis roulant aho, na dia tiako kokoa aza ny mihazakazaka eny an-dalambe. Ny ratra ihany koa dia isan’ny misedra sy manakana ahy. Mety tsy nanao fanazaran-tena araka ny tokony ho izy aho talohan’ny nihazakazahako, ka dia nihenjana ny hoza-peko. Na mety tsy voatery ho fahadisoako no namparatra ahy. Fa saingy na manao ahoana na manao ahoana ny fizotran’izany dia tsy afaka milavo lefona aho satria fantatro fa hanao fifaninanana hazakazaka lavitra ezaka aho amin’ny herintaona. Ka noho izany dia tsy maintsy manisy fanovana amin’ny fanazaran-tena ataoko aho. Sitrana aho dia miverina mihazakazaka.

Nampianatra ahy zavatra maro momba ny filazantsara ny fihazakazahana. Isika rehetra dia manana tanjona maharitra momba ny filazantsara avokoa mba haharetana hatramin’ny farany sy hanatrarana ny fisandratana. Kanefa mametraka tanjona fohy ezaka toy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo any am-piangonana isan-kerinandro isika izay manampy antsika ho tonga any. Maratra ara-panahy isika rehefa manao fahadisoana. Saingy tsy milavo lefona isika. Mibebaka isika, dia miverina any indray. Ny hany fomba tsara indrindra hahafahantsika manatratra ny tanjona lavitra ezaka izay napetratsika dia ny fanaovana fanovana kely miandalana eny mba hanampiana antsika hijanona eo amin’ny lalana.

Sary
vehivavy misafidy ny handeha amin’ny sampanan-dalana iray

Misafidy ny hiova

Nandritra ny folo taona mahery dia filoha lefitra ambony tao amin’ny Walmart tany Birezila aho. Nilamina ara-bola ny fianakaviako, nahafinaritra ahy ny asako, ary nahafinaritra ny fiainana. Saingy nitaky zavatra maro ilay asa. Nitaky ny hanaovako dia maro be izany, izay nanelingelina ny fianakavianay sy ny fanompoana nataoko tao am-piangonana. Rehefa afaka 11 na 12 taona, dia lasa tsy vita intsony izany.

Niara-nidinika izaho sy ny vadiko ary nandroso soso-kevitra ny hialako tamin’io asa io. Niresaka izany tamin’ireo zanakay izahay, dia niara-niteny hoe, “Fotoana tokony hanovantsika zavatra izao.”

Rehefa niala aho, dia nikorosy fahana avy tamin’ny naha-filoha lefitra ambony ahy ho lasa tsy an’asa. Efa ho herintaona aho vao nahita sy nanaiky asa hafa. Rehefa nahazo toerana tao amina orinasa kely iray misahana ny fivarotana tany sy trano tany Etazonia aho tamin’ny farany, dia nahafinaritra ahy tokoa izany. Ity asa ity dia hanome fahafahana ahy hanokana fotoana bebe kokoa amin’ireo zavatra tena manan-danja.

Saingy nilaza tamiko ny olona hafa hoe adala aho. Fa naninona no niala tamina asa nampilamina fiainana ka nifindra tany amina orinasa mpivarotra tany sy trano izay mbola tsy misy mahafantatra akory? Dia nifindra avy lavitra dia lavitra nankany Etazonia?

Marina ny voalazan’izy ireo fa tena fiovana goavana izany nosafidianay hatao izany. Fa saingy diso anefa izy ireo raha nihevitra fa safidy ratsy izany.

Nitaky finoana lehibe avy aminay ny niova asa sy nifindra monina tany amina firenena vaovao, kanefa dia nikarakara anay ny Tompo. Ary nanana fotoana bebe kokoa aho hanatanterahana ny andraikitro amin’ny maha-vady sy ray ary mpikambana ao amin’ny paroasy ahy.

Mino aho fa tsy maintsy ilaina ny manova zavatra mba hanatrarana izay tena tokony hahatongavantsika. Tsy ho tonga amin’izay tian’ny Ray any An-danitra hahatongavantsika mihitsy isika raha toa ka tsy mivoatra mihitsy eo amin’ny fiainantsika. Ary lasa tahaka Azy isika rehefa manao fanovana an-tsitrapo amim-pinoana.

Voatery hiova

Fiovana lehibe iray hafa nitranga teo amin’ny fianakaviako ny fotoana nahafatesan’ny zandriko faralahy tamin’ny lozam-piarakodia. Tsy nisafidy na naniry izany ho azy na ho anay izahay, ary mbola maharary foana izany, na dia efa 10 taona aty aoriana aza. Tsy mora mihitsy ny miaina fiovana an-tery.

Kanefa ireo fiovana tsy fidintsika ireo dia mety ho lasa ihany koa fahafahana hanorina ny finoantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mora ny mijanona ho mahatoky rehefa mandeha araka izay iheverantsika azy ny zava-drehetra. Kanefa afaka mijanona ho mahatoky ve isika ary manohy hatrany ny lalantsika rehefa tsy mitondra soa ho antsika ireo fiovana?

Ny fisaraham-panambadiana, ny fahamombàna, ny tsy fananana asa, ny aretina, ary ny zavatra niainana hafa izay mampahory tahaka ireo dia tsy zavatra iainana antenaintsika na kasaintsika. Mety hahatonga antsika hahatsapa izy ireny fa toa zavatra tsy azontsika fehezina ny fiainana. Saingy tsy marina tanteraka izany—ao anatin’ny toe-javatra izay tsy nirinao dia mbola misy zavatra azonao fehezina ihany. Azonao atao ny mametraka tanjona kely, eny fa na dia tanjona mba hahafahanao mamakivaky andro anankiray hafa fotsiny aza. Vitanao izany! Afaka mizaka ny zava-drehetra amim-paharetana ianao! (jereo ny Almà 38:4).

Ohatra tonga lafatra amin’izany i Josefa avy any Egypta. Feno fiovana an-tery ny fiainany—indroa namoy ny fahafahany izy! (Ny iray dia tamin’ny fotoana nivarotan’ireo rahalahiny azy ho andevo, ary avy eo indray dia tamin’ny fotoana nampidiran’i Potifara azy am-ponja.) Tsy hoe kivy tanteraka anefa i Josefa satria tsy niriany sy tsy nokasainy ireo toe-javatra niainany. Niezaka nizatra sy nivoatra tao anatin’ireo zavatra niainany izy. Ary tamin’ny farany, dia namonjy ny fianakaviany sy namonjy firenena iray manontolo izy. Namolavola sy nanomana azy tamin’ny lalany rehetra ny Tompo (jereo ny Genesisy 37–46).

Sarotra ny manam-paharetana rehefa manelingelina ny drafitra izay efa napetrakao ny fiovana an-tery, fa tadidio anefa fa ny tanjona lavitra ezaka izay napetraka dia ny mba hahazoana ny fisandratana. Fantatry ny Ray any An-danitra ireo zavatra izay ilaintsika mba hahatongavana amin’izany: “Tsy hainareo zakaina ankehitriny ny fanatrehana an’ Andriamanitra, na ny fanompoan’ny anjely; koa mitozoa ao amin’ny faharetana mandra-pahatonga anareo ho tanteraka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:13).

Sary
lehilahy mandeha eny an-dalana

Manampy antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy ny fiovana

Tia anao ary maniry anao mba hahomby ny Ray any An-danitra. Tiany ho sambatra ianao. Ary nametraka drafitra ho anao Izy mba hahatratrarana ireo zavatra roa ireo.

Rehefa mahita ny fiainana an-tany amin’ny antony nanaovana izany aho—izany hoe hoentina manomana antsika—dia lasa misy tanjona bebe kokoa ny fiovana izay mitranga eo amin’ny fiainako. Manampy ahy hahatratra ny tanjoko lavitra ezaka ny fiovana, dia ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy Mpamonjiko. Fantatro fa ny Ray any An-danitra dia manana tanjona lavitra ezaka mitovy ho ahy sy ho an’ireo zanany rehetra. Tahaka ny nahafantaran’ny dokoterako fa nila nanova zavatra aho ho an’ny fahasalamako, dia hitan’ Andriamanitra mazava tsara ny fiovana izay tokony hataontsika mba hahatongavana tahaka Azy. Manohana antsika Izy ary manome loharanom-pahalalana toy ny soratra masina, ny fiangonana eo an-toerana ary mpaminany velona mba hanampy antsika amin’ny fikatsahantsika ny hiova ho amin’ny tsaratsara kokoa.

Amin’ny andro sarotra indrindra—ireo andro izay sarotra ny ialana eo am-pandriana sy hanaovana ny kiraro fentinao mihazakazaka, rehefa fantatrao fa mila mibebaka ianao, na sahirana miatrika fiovana vitsivitsy hafa tsy nampoizina—dia ampahatsiahivintsika ny tenantsika ny fitiavan’ Andriamanitra tsy manam-petra sy ny faniriany antsika ho sambatra kokoa noho ny amin’izao fotoana izao.

Izany fampahatsiahivana izany dia manome antsika ny hery hanaovana ireo fiovana izay asain’ny Fanahy hataontsika. Ary manampy antsika hatoky izany fa ireo fiovana tsy nampoizina izay voatery ataontsika dia isan’ny drafiny ho an’ny fahasambarana lehibe indrindra ho antsika.