2023
Mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
Jolay 2023


“Mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Liahona, jolay 2023.

Ireo fototry ny filazantsara

Mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Sary
zatovovavy manokatra soratra masina eo am-pofoany

Rehefa mieritreritra ireo fitahiana azontsika isika noho ny maha Mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia te hizara ny filazantsara amin’ireo olona tiantsika isika. Azontsika atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny fahamarinana amin’ny alalan’ny tenintsika sy ny ohatra asehontsika. Afaka mivavaka isika mba hahazo fitaomam-panahy hamantarana hoe amin’iza no hizarantsika izany sy ny zavatra holazaintsika.

Sary
i Jesoa manolo-tanana lehilahy malemy iray

Tiavo ny hafa

Ampahany manan-danja amin’ny fizarana ny filazantsara ny fitiavana ny hafa. Rehefa maneho ny fitiavantsika ny hafa amin’ny alalan’ny fihetsika tahaka ny an’i Kristy isika dia mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—indraindray tsy miteny na inona na inona akory. Ary rehefa fantatr’ireo hafa fa miahy azy ireo marina isika dia hanana fahavononana kokoa izy ireo ny hihaino ny hevitsika momba ny filazantsara. (Jereo ny Gary E. Stevenson, “Mitia, mizara, manasa,” Liahona, mey 2022, 84–87.)

Mizara amin’ny fomba mahazatra sy tsotra

Afaka mizara ny zavatra tiantsika momba ny filazantsara isika. Rehefa manao izany ao anatin’ny fiainantsika andavanandro isika dia tsy hahatsapa ho menamenatra na tsy mahazo aina amin’ny fanaovana izany. Ohatra, afaka miresaka amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika isika momba ny zavatra ataontsika rehefa alahady. Na azontsika lazaina azy ireo ny fifaliana tsapantsika rehefa manompo ny hafa isika. (Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 15–18.)

Asao ny hafa hiaraka amintsika

Azontsika atao ny manasa ny hafa hianatra misimisy kokoa mikasika ny filazantsara. Ohatra, azontsika atao ny manasa azy ireo hanatrika fivoriana na fiaraha-mientana iray ataon’ny Fiangonana, hamaky ny Bokin’i Môrmôna, hijery horonan-tsary novokarin’ny Fiangonana, na hiresaka amin’ireo misiônera. Ireo zavatra iainana ireo dia afaka manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy Masina sy haniry hianatra bebe kokoa.

Sary
vehivavy zokiolona roa mipetraka sady miresaka

Anontanio hoe nanao ahoana ny zavatra niainan’izy ireo

Rehefa avy nankany am-piangonana na nianatra lesona niaraka tamin’ireo misiônera ny namana sy ny olona iray ao amin’ny fianakaviana dia azontsika atao ny manontany azy ireo ny zavatra niainany. Mety ho vaovao amin’izy ireo ny sasany amin’ireo fampianaran’ny filazantsara, ka noho izany dia afaka mamaly ny fanontaniana izay ananany isika. Azontsika atao ny maneho ny fitiavantsika sy ny fanohanantsika azy ireo noho ny ezaka ataony hanatona an’i Kristy.

Hateveno ny zavatra inoany

Manome lanja sy manaja ny zavatra inoan’ny hafa isika, ary miezaka ny hanatevina ny finoana efa ananan’izy ireo. Ohatra, mety hahazo fampiononana ihany koa ao anatin’ireo fampianarana izay zaraintsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny namana iray izay nahazo fampiononana tao amin’ny soratra masina ao amin’ny Baiboly.

Sary
zatovovavy manampy vehivavy zokiolona iray hiampita arabe

Ampio ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Fiangonana

Rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonana ny olona dia afaka manampy amin’ny fanamafisana orina ny finoan’izy ireo isika. Afaka ny ho naman’izy ireo isika, mamaly ny fanontaniany ary manohana azy ireo rehefa mahazo antso izy ireo. Azontsika atao ny mandrisika azy ireo hanohy hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hianatra momba ny filazantsarany.

Sary
elder misiônera roa sy lehilahy iray miara-mijery telefaonina

Manaova asa fitoriana amin’ny fotoana feno

Ankoatra ny fizarana ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika andavanandro dia azo antsoina hanompo mba ho misiônera amin’ny fotoana feno ireo mpikamban’ny Fiangonana. Raha vonona izy ireo dia vao eo amin’ny faha-18 taonany ny zatovolahy dia afaka manao asa fanompoana. Afaka manompo ihany koa ny zatovovavy sy ny olon-dehibe zokiolona. Misy fampahalalana bebe kokoa azonao jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/callings/missionary.