2023
Ahoana no fomba iainanao araka ny fotopampianaran’i Kristy?
Jolay 2023


“Ahoana no fomba iainanao araka ny fotopampianaran’i Kristy?,” Liahona, jolay 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Asan’ny Apostoly 2

Ahoana no fomba iainanao araka ny fotopampianaran’i Kristy?

Sary
lalana mampiseho sehatra dimy ara-potopampianarana

Sary fanehoana nataon’i Vicky Stott

Taorian’ny nirotsahan’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Pentekosta, dia nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy sy nampianatra ny fotopampianarany i Petera sy ireo Apôstôly hafa. “Voatsindrona tam-pony” ny olona ka nanontany hoe, “Inona no hataonay?” (Asan’ny Apostoly 2:37). Nanasa azy ireo hibebaka sy hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina i Petera (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:38). Olona 3000 teo ho eo no “nandray tsara ny teniny [ka] natao batisa” (Asan’ny Apostoly 2:41).

Mitondra antsika hanakaiky Azy kokoa ny fampiharana ny fotopampianaran’i Kristy. Hevero ny hisaintsaina ny fomba hampiharanao ireto sehatra dimy ara-potopampianarana ireto:

  1. Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo: Inona avy ireo fahazarana sy zavatra atao izay manohana ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

  2. Fibebahana: Inona no ataonao mba hahatonga ny fibebahana ho dingana atao am-pifaliana?

  3. Batisa: Inona no zavatra ataonao mba hiainanao ny fanekempihavananao tamin’ny batisa?

  4. Fanomezana ny Fanahy Masina: Inona avy ireo tontolo iainana sy zavatra atao izay manome anao ny fahafahana tsara indrindra hahazo ny bitsiky ny Fanahy?

  5. Faharetana hatramin’ny farany: nanampy anao hiaritra fitsapana mafy tamin’ny fomba ahoana ny fitandremana ny fanekempihavananao sy ny fanantenana an’i Kristy ary ny fifikirana tamin’ny anja-by? Jereo ny Jeremia 17:7; 2 Nefia 31:20; Etera 12:4.