2023
Mahita ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika
Jolay 2023


“Mahita ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, jolay 2023.

Ireo fahagagana nataon’i Jesoa

Mahita ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika

Lesona efatra avy amin’ny fanasitranan’ny Mpamonjy ny jamba.

Sary
I Jesoa Kristy manasitrana lehilahy jamba iray

Sombin-tsary avy amin’ny He Anointed the Eyes (Nohosorany ireo maso), nataon’i Walter Rane

Misy fotoana isika eo amin’ny fiainantsika manantena sy mivavaka mba hahazo fahagagana. Mety ho an’ny havan-tiantsika izany na ho tombontsoantsika manokana. Manantena isika fa hivaly ny fitalahoantsika, hilamina ny toe-javatra rava, ho maivana ny ngidin’ny alahelo, ary hanome ny vahaolana iriantsika ny Tompon’ny fahagagana. Rehefa tsy araka izay nantenaintsika ny vokatra azo na ny fotoana niandrasantsika ny valim-bavaka dia matetika isika no manontany tena hoe nahoana.

Nampianatra i Môrônia hoe: “Ary mba ta hamporisika anareo aho, ry rahalahiko malala, mba hahatsiarovanareo fa Izy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, ary ireo fanomezam-pahasoavana rehetra izay efa noteneniko ireo, izay ara-panahy, dia tsy ho levona na oviana na oviana, raha mbola mijoro koa ny tany, raha tsy noho ny tsy finoan’ny zanak’olombelona ihany” (Môrônia 10:19).

Mbola misy amin’izao androntsika izao ve ireo fanomezam-pahasoavana sy fahagagana voarakitra ao amin’ny soratra masina ireo? Ahoana no ahafahantsika mahazo ireo fitahiana ireo? Moa ve ny Mpamonjy mahafantatra ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika ary vonona ny hanavotra antsika amin’ireo olana ananantsika ireo?

Tiako ny hampiasa ny fahagagana nataon’ny Mpamonjy tamin’ny fampahiratana indray ilay jamba mba hahazoana ny valin’ireo fanontaniana ireo. (Ohatra, jereo ny Matio 9:27–31; 12:22–23; Marka 8:22–26; 10:46–52; Jaona 9:1–11.)

Inona no zavatra azontsika ianarana momba ny asa nanirahana ny Mpamonjy avy amin’ny fahagagana nataony?

Mba hahatakarana ny fiantraikan’ny fahagagana eo amintsika sy amin’ny fiainantsika dia andeha isika hanomboka amin’ny famaritana ny atao hoe fahagagana. Ny fahagagana “dia natao hanaporofoina tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no Kristy. … Maro amin’izy ireo ihany koa no fanehoana an’ohatra, fampianarana … fahamarinana masina. … Ny fahagagana dia efa setrin’ny finoana ary mbola setrin’ny finoana sy antony tsara indrindra mamporisika ny finoana. Tsy tontosa mihitsy ireo raha tsy nisy ny vavaka, tsapa ny filàna ary ny finoana.”1

Nilaza tamin’ny fomba tsotra sy nahafinaritra toy izao ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ireo fahagagana dia asa ataon’ Andriamanitra sy fanehoana ary fomba fisehon’ny herin’ Andriamanitra tsy misy fetra, ary fanambarana fa Izy dia -tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay- [Môrônia 10:19]. …

“… Ireo fahagagana dia fitohizan’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra; ireo fahagagana dia tady miantoka ny aina avy any an-danitra mankaty an-tany.”2

Noho izany, ny fomba iray mahasoa handalinana ny fahagagana nataon’ny Mpamonjy sy hianarana avy amin’izany dia ny fitadidiana fa manondro zavatra lehibe kokoa noho ilay zava-nitranga ny fahagagana tsirairay ary ny fitadiavana fahamarinana manokana momba an’ Andriamanitra sy ny asany.

Andeha isika hiresaka momba ny sasany amin’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy tamin’ny fampahiratana ilay jamba. Azo zaraina ho lesona efatra toy izao manaraka izao izy ireo.

1. Famantarana ny Mesia ilay famerenana ny fahiratana

Ireo mpaminany fahiny izay nijoro ho vavolombelona momba ny fiavian’ny Mesia dia niresaka momba ireo fahagagana izay hataony, anisan’izany ny fampahiratana ny jamba.

Nilaza tamin’ny Mpanjaka Benjamina ny anjely masina iray fa ny Mpamonjy dia “handeha eo anivon’ny olona ary hanao fahagagana lehibe toy ny fanasitranana ny marary, ny fananganana ny maty, ny fampandehanana ny mandringa, ny fampahiratana ny jamba” (Môzià 3:5; jereo koa ny Isaia 35:4–5).3

Noho izany dia manamafy ireo faminaniana mikasika ny fiavian’ny Mpamonjy sy ny fanompoany ireo zanak’ Andriamanitra ireo fahagagana amin’ny fampahiratana ny jamba.

2. I Jesoa no Fahazavan’izao tontolo izao

Nambara mazava tsara io fahamarinana io rehefa sendra lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka i Jesoa (jereo ny Jaona 9:1–11). Rehefa nanontany an’i Jesoa ny mpianatra raha teraka jamba noho ny ota ilay lehilahy, dia tsia hoy Izy, “fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy” (andininy 3). Avy eo, talohan’ny nampahiratana ilay lehilahy, dia nanambara ny Mpamonjy fa “Raha amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao” (andininy 5).

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–1985) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Talohan’ny nampahiratan’i Jesoa ny mason’ilay jamba, dia nampahatsiahy ny mpihaino Azy ilay fanambarana natao tany aloha momba Azy i Jesoa hoe: -Izaho no fahazavan’izao tontolo izao,- mba hampianarana fa -rehefa tsaroanareo fa nampahiratra ny mason’ny jamba Aho, dia tsarovy koa fa tonga hampahiratra ka hitondra fahalalana sy fahatakarana ara-panahy Aho.-”4

Tokony hotadidiantsika fa ao amin’ny soratra masina ny ota dia heverina ho toy ny fahajambana ara-pitondrantena ary ny fanafahana amin’ny fahotana dia toy ny fanasitranana izany fahajambana izany. Izy izay “fahazavan’izao tontolo izao” dia nampiasa an’io trangan-javatra io mba ho tandindon’ilay asa goavana kokoa nahatongavany teto amin’izao tontolo izao mba hotanterahina.

Sary
sarin’ny Mpamonjy manasitrana lehilahy jamba iray

3. Mialoha ny fahagagana ny finoana

Raha nandalo teo amin’ny lalamben’i Kapernaomy i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: “Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô.” Dia niteny tamin’izy ireo Izy, nanontany hoe: “Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho?” Dia namaly izy ireo hoe: “Eny, Tompoko.”

Ny fikirizan’izy ireo hanaraka Azy sy ny fiekena tsy nisalasala sy an-karihary izany finoana izany rehefa nanontaniana no porofon’ny finoan’izy ireo fa afaka manampy azy ireo ny Tompo. Nanendry ny mason’izy ireo ny Mpamonjy, nanao hoe: “Tongava aminareo araka ny finoanareo.” Teo no ho eo ihany ny vokatr’izany: “nahiratra ny mason’izy ireo” (Matio 9:27–31).

Nanamarika ny Loholona McConkie fa: “Matetika i Jesoa, tahaka ny teto, tamin’ny fampahiratana ny mason’ny jamba, no mampifandray ny baikony tamin’ny fihetsika nataony. Nikasika ireo maso tsy nahita izy tamin’izany sy tamin’ny fotoana hafa.

Nahoana ny Mpamonjy no nanao izany? “Tsy misy ilaina amin’ny fampiasana ny hery fanasitranana … ireo fihetsika tsy mahazatra ireo.” hoy ny fanazavan’ny Loholona McConkie. Saingy fantatsika fa ny finoana dia mialoha ny fahagagana, ary noho izany dia “ny hanamafy orina ny finoan’ny jamba na ny marenina no tanjona mazava nananan’ny Tompo.”5

4. Tonga andalana anampy andalana indraindray ny fahagagana

Nitondra lehilahy jamba nankeo amin’i Jesoa ny olona tany Betsaida. Rehefa avy nitarika an’ilay lehilahy nivoaka ny tanàna i Jesoa, dia “nororany ny masony ka napetrany taminy ny tànany”. Ny ampahany tamin’ny fahitan’ilay lehilahy ihany no niverina tamin’ny laoniny tamin’izay, ka “nametraka ny tànany tamin’ny masony indray” ny Mpamonjy, ka izay no nitondra fahiratana tanteraka. (Jereo ny Marka 8:22–26.)

Nampahafantatra ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ity zava-nitranga ity ny Loholona McConkie:

“Toy ny hoe nanome fanantenana sy fatokian-tena ary finoana bebe kokoa an’ilay olona tsy nahita ireo fotoana nifanesy nifampikasohany ara-batana tamin’i Jesoa.

“… Tokony hikatsaka ny fahasoavana manasitran’ny Tompo amin’ny heriny sy ny finoany manontolo ny olona, na dia ho ampy entina manasitrana amin’ny ampahany fotsiny aza izany. … Afaka mahazo toky sy finoana fanampiny izy ireo amin’izay mba ho sitrana sy ho salama tanteraka. Matetika ihany koa ny olombelona dia sitrana amin’ny aretina ara-panahiny amin’ny ambaratongany sy tsikelikely rehefa mampifanaraka ny fiainany amin’ny drafitra sy ny tanjon’ Andriamanitra izy ireo.”6

Nanatanteraka io fahagagana io tamin’ny dingana roa miavaka tsara ny Tompo mba hanampiany ilay jamba hiomana handray ilay fitahiana feno. Moa ve mahita io lamina io koa isika eo amin’ny fikatsahantsika fahagagana—ny zavatra tokony hataontsika, na tsy tokony hataontsika, alohan’ny hananana fahavononana handray fanampiana amin’ny alalan’ny fomba avo lenta kokoa?

Finoana ny tsy ho sitrana

Na dia afaka mahita ny maha-zava-dehibe ny finoana hanatanterahana fahagagana aza isika, dia zava-dehibe ny mahatsikaritra fa indraindray na dia ny Olomasina mahatoky indrindra aza dia tsy hahazo valiny mahakasika ny faniriany sy ny fitalahoany.

Nampianatra antsika ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana fanisahana tendrombohitra—raha ny fanisahana tendrombohitra no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana ampiasaina amin’ny fanasitranana ny marary, ny marenina, na ny mandringa—raha ny fanasitranana toy izany no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Noho izany, na dia manana finoana matanjaka aza isika, dia tendrombohitra maro no tsy hihetsika. Ary tsy ireo marary sy kilemaina rehetra no ho sitrana. Raha ny fifanoherana rehetra no ferana, raha ny aretina rehetra no esorina, dia ireo tanjona fototra tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra no ho simba.

“Maro amin’ireo lesona tokony hianarantsika eto amin’ny fiainana an-tany no tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ireo zavatra iainantsika ary indraindray iaretantsika fijaliana. Ary miandry antsika sy mahatoky antsika Andriamanitra mba hiatrika omban’ny fanampiany ireo fahoriana mandalo eto amin’ny fiainana an-tany mba hahafahantsika mianatra ny zavatra ilaintsika ianarana, ka amin’ny farany dia ho tonga tahaka izay tokony hahatongavantsika amin’ny mandrakizay.”7

Tiako hatevenina amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo mpaminany fahiny sy maoderina. Mbola mitranga eo anivontsika ny fahagagana. I Jesoa Kristy Mpamonjy no loharano ipoiran’ny hery sy ny fahazavana ary ny fanamaivanana rehetra. Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka ny ho sitrana isika amin’ny alalan’ny finoantsika Azy, ary raha toa ka tsy sitrana isika dia mbola hahita fiadanana ihany amin’ny alalan’ilay Andrian’ny fiadanana, ilay Fahazavan’izao tontolo izao ary ilay Mpanasitrana ireo mpanasitrana.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Bible Dictionary, “Miracles.”

  2. Ronald A. Rasband, “Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 109, 110.

  3. Jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary (1973), 1:320.

  4. Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 1:481.

  5. Jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 1:320.

  6. Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 1:379–80.

  7. David A. Bednar, “Accepting the Lord’s Will and Timing,” Liahona, Aog. 2016, 22.