2023
Aoka isika tsy hatahotra
Jolay 2023


“Aoka isika tsy hatahotra,” Liahona, jolay 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Aoka isika tsy hatahotra

Fantatro fa ho faly isika rehefa mizara ny filazantsara amin’ny olona betsaka araka izay tratratsika.

Sary
lehilahy mihazona fakan-tsary

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tompony

Maro amin’ireo namako sy mpiara-mianatra amiko izay tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no mametra-panontaniana amiko matetika momba ny Fiangonana. Rehefa ela ny ela, dia reraka namaly foana fanontaniana mitovy aho, ary dia nahita vahaolana aho.

Tiako ny manao horonan-tsary ao amin’ny internet mba hampialàna voly olona. Manao horonan-tsarin-kira sy horonan-tsary fampitam-pahalalana, ary parodie aho. Indray andro rehefa nieritreritra ny zavatra hataoko amin’ny horonan-tsariko manaraka aho, dia nanapa-kevitra ny hanao horonan-tsary mamaly fanontaniana mikasika ny Fiangonana.

Noraisiko ny fakantsariko. Avy eo dia tsy nanoratra izay holazaiko akory aho fa nahatsiaro soratra masina manan-danja izay tiako holazaina, ka dia nataoko ilay horonan-tsary. Tsy fantatro mihitsy izay mety hitranga. Nahatsiaro ho nisy namporisika hanao ilay horonan-tsary fotsiny aho. “Ary notarihin’ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko” (1 Nefia 4:6).

Tsy nanahy ny amin’izay mety ho fihetsika hasetrin’ny namako sy ny mpiara-mianatra amiko ary ny havako aho, na mpikamban’ny Fiangonana na tsia, fa dia nalefako ilay izy.

Herinandro vitsivitsy taorian’ny nandefasako ilay horonan-tsary, dia nanomboka nahazo fanehoan-kevitra tao amin’ny kaontiko amin’ny tambajotran-tserasera aho. Na ny olona izay tsy fantatro akory aza dia nanomboka naneho hevitra sy nisaotra ahy noho ilay horonan-tsary izay nataoko. Noho ilay horonan-tsary nataoko, dia nisy olona iray mihitsy aza nanomboka nifampiresaka sy nianatra tamin’ny misiônera. Tatỳ aoriana dia nanapa-kevitra ny hatao batisa io olona io.

Hatramin’ny nanaovako ilay horonan-tsary dia toa lasa tia ahy toy izany koa ireo olona fantatro izay tsy mpikamban’ny Fiangonana, ary mety hoe tia ahy bebe kokoa mihitsy ary. Maro tamin’izy ireo no nitsahatra mihitsy tamin’ny fanakianana ny Fiangonana. Ny hafa dia tsy nametraka ireo fanontaniana mitovy momba ny Fiangonana intsony satria efa fantany ny valiny ankehitriny.

Aoka isika tsy hatahotra ny hanao izay nandidian’ny Tompo antsika. Hoy izy, “Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16:15).

Mampanantena aho fa tsy hanenina isika noho ny nankatoavantsika Azy.