2023
Ny asa fitoriako izay notohizako
Jolay 2023


“Ny asa fitoriako izay notohizako,” Liahona, jolay 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny asa fitoriako izay notohizako

Ny taratasin’ny raiko farany dia nahakasika ny hoaviko, ary nanome ahy teny faran’izay manan-danja amiko.

Sary
valopy misokatra sy taratasy

Mbola nankafy ny asa fitoriana tamin’ny fotoana feno izay nataoko tany amin’ireo tendrombohitra kanton’i Cajamarca, Pérou aho, no tapaka lalan-drà tampoka ny raiko. Fotoana fohy taorian’izay, dia nodimandry izy.

Rehefa nihaona tamin’ny filohan’ny misiônako aho, dia nitomany rehefa nahatsiaro fa ny raiko dia nampianatra ahy ny dikan’izany hoe misiônera sy lehilahy mahitsy toetra izany. Nanoratra ho ahy isan-kerinandro izy, nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany, nampianatra ahy hevitra avy amin’ny filazantsara izay mafonja tokoa, ary namporisika ahy hanao izay tsara indrindra vitako.

Taorian’ny fihaonanay, dia nanome ahy taratasy anankiray ny filohan’ny misiôna—ilay farany avy tamin’ny raiko. Nahakasika ny hoaviko ny taratasiny, ary nanome ahy teny faran’izay manan-danja amiko manao hoe:

“Manana [iraka] anankiray hafa hotontosaina ianao afaka volana vitsivitsy—iraka sarotra indrindra, izay anantenàna anao hanokana ny fiainanao amin’ireo fitsipika izay nampianarinao, hanaovana ireo zavatra izay mbola notorianao fotsiny aloha hatreto. Mety ho izany no iraka hitondra vokatra betsaka indrindra. Tahaka ny masirasira amin’ny mofo ianao. …

“Tia anao izahay ary mivavaka ho anao isan’andro. Miasà mafy ary manaova ny tsara hatrany.”

Teo am-pamakiana ny teniny aho dia nitomany—noho ny alahelo, noho ny fahafantarako fa ireo no teniny farany ho ahy teto amin’ity fiainana ity, ary noho ny hafaliana, noho ny fahafantarako ny hery sy ny tanjon’izany ho ahy. Fantatro fa ny asa nanirahana ahy manaraka—amin’ny androm-piainako sisa—dia hanan-danja lehibe. Ho fotoam-pitsapana tena izy izany, ary hitaky izay rehetra nianarako sy niainako fony aho misiônera.

Fantatro fa manana drafitra misy tanjona lalina ho antsika tsirairay avy ny Ray any An-danitra. Afaka manatsara ny fotoana iainantsika eto an-tany Izy ary manome antsika maso hahita sy hahafantatra ny fahamarinany. Hitako izany rehefa nanolotra ny fiainako ho Azy aho ary niaina ireo fitahiana avy Aminy. Ary hitako izany rehefa niara-niasa izaho sy ny vadiko tsara tarehy mba hanorina fianakaviana feno fanantenana, zanaka ary filazantsara.

Nitondra tanjaka ho anay ny Mpamonjy rehefa nandohalika izahay, sy namaky soratra masina, nankany amin’ny tempoly, ary nankany amin’ny hafa mba hanao asa fanompoana. Nahita ny tanan’ny Tompo nitsotra aho nandritra ireo fotoana mahagaga teo amin’ny fiainako rehefa nizara ny filazantsara tamin’ny fianakaviana sy ny namako.

Ny iraka nampanaovina azy dia ny “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Tena mbola mitohy tokoa izany asa nanirahana izany.