2023
Inona no dikan’izany hoe Kristiana izany?
Jolay 2023


“Inona no dikan’izany hoe Kristiana?,” Liahona, jolay 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Asan’ny Apostoly 11

Inona no dikan’izany hoe Kristiana izany?

Sary
i Jesoa mampianatra olona

Christ Teaching His Disciples (i Kristy mampianatra ireo mpianany), Sekoly anglisy tamin’ny taonjato faha 19, © Look and Learn / Bridgeman Images

Nianarantsika tao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa ireo mpianatra izay nanaraka an’i Kristy tao amin’ny Fiangonana tany am-boalohany no “[nantsoina] hoe Kristiana” (Asan’ny Apostoly 11:26). Toy izany ihany koa, ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia miezaka hatrany ny ho Kristiana mendrika. Fa inona anefa no dikan’izany hoe Kristiana izany?

Tsy fanambarana finoana tsotra fotsiny izany. Ny maha-Kristiana dia mitaky zavatra betsaka noho ny fanoloran-tena amin’ny anarana fotsiny ihany. Ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanontany hoe: “Kristiana manao ahoana marina moa isika? Raha ohatra ka lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe manao ahoana isika amin’ny fikatsahantsika ny hanara-dia an’i Kristy?”1

Toetra tahaka ny an’i Kristy

Ny Loholona Hales dia namporisika antsika mba hanombana ny fivoarantsika amin’ny fiezahana hanana ireto toetra tahaka ny an’i Kristy manaraka ireto:2

  • Fitiavana

  • Finoana

  • Fahafoizan-tena

  • Fiahiana

  • Fanompoana

  • Faharetana

  • Fiadanana

  • Famelan-keloka

  • Fiovam-po

  • Faharetana hatramin’ny farany