2023
Miaina sy mizara ny filazantsara
Jolay 2023


“Miaina sy mizara ny filazantsara,” Liahona, jolay 2023.

Ho an’ny ray aman-dreny

Miaina sy mizara ny filazantsara

Sary
zatovovavy miara-mijery soratra masina

Ry ray aman-dreny malala,

Fomba roa anehoantsika amin’ Andriamanitra ny fankasitrahantsika ny filazantsara ny fiainana izany sy ny fizarana izany. Ireo lahatsoratra ao amin’ny laharana amin’ity volana ity dia mifantoka amin’ny fanomezana toerana lehibe kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika, na izany amin’ny alalan’ny fanamafisana orina ny finoana Azy, na amin’ny fanaovana fanovana manan-danja, na amin’ny fampielezana ny fahamarinany manerana an’izao tontolo izao. Fifaliana no miandry ireo izay mianatra sy manaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy ary mizara ny hafany amin’ny teny sy ny asa.

Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara

Mizara ny filazantsara amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona

Asao ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana hizara fijoroana ho vavolombelona fohy momba ny fitsipiky ny filazantsara tiany indrindra. Mizarà teny nindramina momba ny asa fitoriana avy ao amin’ny lahatsoratry ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny pejy 4. Rehefa mieritreritra ireo fitsipiky ny filazantsara izay vao nozarainao ianao dia manontania hoe: Misy olona azontsika hizarana ireo fitsipika ireo ve?

Mahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy

Anontanio ny zanakao hoe oviana izy ireo no mahatsapa ho akaiky indrindra an’i Jesoa Kristy. Ataovy lisitra ny valin-tenin’izy ireo. Hazavao ireo sahanasa dimy manorina finoana nohazavain’ny Loholona Patricio M. Giuffra (jereo ny pejy 42–43). Hevero ny hiarahanareo mianakavy manao ny iray amin’ireto sahanasa ireto izay ekenareo fa mety hitondra fiovana ao an-tokantranonareo. Miaraha manao drafitra hifantohana amin’io sahanasa io amin’ity volana ity.

Afaka mitarika ho amin’ny fitomboana ara-panahy ny fiovana

Ny fiovana, na nandrandraina na tsy nampoizina, dia ampahany amin’ny zavatra iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Vakio ny lahatsoratra nosoratan’ny Loholona Ciro Schmeil ao amin’ny pejy 30 mikasika ireo karazana fiovana samihafa eo amin’ny fiainantsika. Ahoana no ahafahan’ireo fiovana ireo manampy antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa?

Sahanasa mampiala voly ny fianakaviana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Tia ny zanany rehetra Andriamanitra

Asan’ny Apostoly 10

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany” (Asan’ny Apostoly 10:34–35).

Avy amin’ny tany samihafa ny Manampahefana Ambony. Eo amin’ny antsasany eo ho eo no avy any Etazonia. Ny hafa dia avy any Amerika Afovoany sy Atsimo, Azia, Eoropa, Afrika, Ôseania, Meksika, ary Kanadà.

  • Afaka milaza Apôstôly iray teraka tany Eoropa ve ianao?

  • Afaka milaza Apôstôly iray avy any Amerika Atsimo ve ianao?

  • Afaka milaza Apôstôly iray manana ray aman-dreniny avy any Soeda sy Finlandy ve ianao?

  • Afaka milaza Apôstôly iray manana fianakaviana avy any Chine ve ianao?

Mety ho avy amin’ny toerana samy hafa isika, fa tia antsika rehetra Andriamanitra.

Fifanakalozan-kevitra: Amin’ny fomba ahoana no mety hitovizantsika na tsy hitovizantsika amin’ny olona hafa? Moa ve Andriamanitra tia antsika araka ny endrintsika na ny fiaviantsika? Avereno jerena ny tantaran’i Petera sy Kornelio hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10. Inona no zavatra nianaran’izy ireo momba ny fitsarana ny hafa? Inona avy ireo toetra manan-danja amin’ny Tompo?