2023
Mila ny filazantsara ny olon-drehetra
Jolay 2023


“Mila ny filazantsara ny olon-drehetra,” Liahona, jolay 2023.

Mila ny filazantsara ny olon-drehetra

Efa nikasa ny hanao asa fitoriana aho, saingy taorian’ny fianarana tany amin’ny oniversite dia nieritreritra aho hoe tsy ilaiko ny manao asa fitoriana—raha tsy rehefa nahita asa izay niarahako niasa tamina tovovavy niharan’ny herisetra aho. Dia azoko fa mila ny filazantsara ny olon-drehetra.

Sary
vehivavy mitana farantsakely

Ilay farantsakely very, nataon’i Harold Copping © Providence Collection / nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny GoodSalt.com

Fony aho tao amin’ny Kilonga dia tsy aiko intsony hoe impiry ireo mpampianatro no nanontany hoe iza taminay no handeha hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Fony aho mbola tanora dia nilaza foana hoe handeha.

Nasehon’ny reniko ahy ny maha zava-dehibe ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fanampiana ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno hampianatra sy hizara ny filazantsara. Niaraka taminy aho indray mandeha mba hitady ny tranon’ny rahavavy iray tao amin’ny paroasy izay tsy tonga tany am-piangonana nandritra ny fotoana elaela. Saika very izahay satria tsy fantatray tsara ny toerana nipetrahany. Nitady tamim-pahazotoana ny tranon’io rahavavy io ny reniko fa tsy nahasorena azy izany. Tahaka ilay vehivavy tao amin’ilay fanoharana momba ilay farantsakely very (jereo ny Lioka 15:8–10), dia hitany ilay rahavavy ka faly izy.

Ny fomba nanomezan’ny reniko ny tsara indrindra avy aminy ho an’ny asan’ny Tompo, tsy tamin’ny fizarana ny filazantsara fotsiny ihany, fa tamin’ireo antso hafa tao amin’ny Fiangonana ihany koa, dia nanampy ahy hahatakatra fa tsy maintsy manompo ny Tompo ny tsirairay, na dia amin’ny fomba madinika aza.

Rehefa nandeha ny taona dia nahavita ny fianarana seminera aho, nahazo ny medalin’ny Zatovovavy, nahazo diplaoma tany amin’ny oniversite ary nanomboka niasa. Nihena tsikelikely ny maha-laharam-pahamehana ny fahatsapako ho lasa misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Na dia mbola navitrika sy nilofo tamin’ny antsoko tao am-piangonana aza aho dia niteny anakampo hoe: “Tsy maninona ny tsy mandeha manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno satria tsy voatery hanao izany aho. Rahavavy aho, ary afaka manompo ny Tompo amin’ny fomba maro hafa.”

Inona no nampiova hevitra ahy?

Fony aho 22 taona dia nanana fahafahana hiasa tao amina ivontoerana iray izay nanompoako ankizivavy niharan’ny herisetra sy notsinontsinoavina. Nalahelo azy ireo aho. Hitako fa nahavaky fo azy ireo sy namotika ny fitiavan’izy ireo ny tenany ilay herisetra. Nikasa hamono tena ny sasany tamin’izy ireo. Tsy te hatoky na iza na iza ny sasany tamin’izy ireo. Maro tamin’izy ireo no tsy nanana fanantenana teo amin’ny fiainana ary tsy nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Matetika aho no nanontany tena hoe: “Mety ho azo nosorohina ihany ve ireo herisetra ireo? Inona no nitranga raha mba nandray ny filazantsara ireo nahavanon-doza tamin’izy ireo? Inona no nitranga raha mba lasa mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-drenin’izy ireo talohan’ny nahaterahan’ireo zazavavy ireo?” Tonga saina aho fa mety tsy niaina izany fitsapana izany ireto tovovavy ireto raha toa ka efa nandray sy niaina ny filazantsara ny ray aman-drenin’izy ireo sy ireo nahavanon-doza taminy.

Ny fisaintsainana ireo fanontaniana ireo sy ny fiasana tao amin’ilay ivontoerana dia nanampy ahy hahatakatra fa mila ny filazantsara ny olon-drehetra. Tahaka ireo miaramilan’i Helamàna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna niady mba hiaro ny finoany sy ny fianakaviany, dia mila misiônera manompo amin’ny fotoana feno koa ny Tompo mba hizara ny filazantsarany sy hiaro ny fanjakany.

Ireo zavatra niainako niaraka tamin’ireo zazavavy tao amin’ilay ivontoerana ireo dia nanentana ny fanahiko hizotra amin’ilay lalana izay tian’ny Tompo halehako. Nanapa-kevitra aho fa mila manatevin-daharana ny tafika misiôneran’ny Tompo. Hitany izany faniriana izany, ka dia nantsoina hanompo tany amin’ny Misiôna Cauayan Philippines aho.

Fanaovana asa fitoriana ny filazantsara

Nandritra ny asa fitoriana nataoko dia hitako ny fiovan’ny olona rehefa nianatra ny filazantsara izy ireo. Nampianatra olona tsy nahay ny fomba hamelana heloka aho, olona nifoka sigara sy nisotro toaka, niavonavona, tsy nahay ny fomba ivavahana. Noho ny filazantsara dia nandao ny fombany taloha izy ireo mba ho mendrika ny zavatra izay nampanantenain’ Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay izany.

Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no nahafantarako fa afaka manomboka mandeha na miverina amin’ilay làlana ety sy tery ny olon-drehetra raha mibebaka izy ireo. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hiova sy hivoatra mankany amin’ny fahatanterahana ary ho mendrika ireo fitahiana lehibe izay nomanin’ny Ray any An-danitra ho antsika. Ireo fiovana ireo dia mety ho alahelo lasa fahasambarana, ho korontana lasa fiadanana, ho fahatezerana lasa famelan-keloka, ho fahalemena lasa tanjaka, ho fankahalana lasa fitiavana.

Nahatsiaro tena ho voatahy tokoa aho fa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manampy ahy hahatakatra fa sarobidy aho amin’ny maha-zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra ahy, na dia ao anatin’ny toe-javatra ratsy aza. Mampahery ahy mandrakariva amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Raintsika any An-danitra. Ny soratra masina no mpitarika ahy sy mpanoro lalana ahy rehefa very hevitra aho ka mila mandray fanapahan-kevitra.

Miezaka ny haharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany izaho sy ny fianakaviako. Feno fankasitrahana aho nanambady lehilahy iray mihazona ny fisoronana ary manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ny fanekempihavanako tamin’ny Tompo dia tsy natao ho an’ny tenako ihany fa ho an’ny fianakaviako sy ho an’ny Fanjakany.

Mipetraka ao Philippines ny mpanoratra.