2023
Plovdiv, Bolgaria
Jolay 2023


“Plovdiv, Bolgaria,” Liahona, jolay 2023.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Plovdiv, Bolgaria

Sary
sarintanin’izao tontolo izao izay ahitana faribolana manodidina an’i Bolgaria
Sary
ny tanànan’i Plovdiv atao tazan-davitra

I Plovdiv, izay hita any akaikin’ny Reniranon’i Maritsa, no tanàna faharoa lehibe indrindra ao Bolgaria sady renivohitra ara-kolontsain’ilay firenena. Tany am-piandohan’ny taona 2000 no natokana ireo trano fivorian’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany voalohany tany Bolgaria. Ankehitriny, ny Fiangonana any Bolgaria dia ahitana:

  • mpikambana miisa 2.400 (eo ho eo)

  • Sampana 7 sy misiôna 1

  • ivon-toeran’ny tantaram-pianakaviana 4

Miomana amin’ny fihaonambe

Manomana ny zanany mba hanana traikefa ara-panahy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany i Tsveteline Moneva. “Tena feno fankasitrahana aho maheno ny feon’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpitarika ny Fiangonana sy noho ny fiadanana sy fifaliana izay entin’izy ireo ho antsika,” hoy izy.

Sary
vehivavy iray miara-mivavaka amin’ny zanany vavy

Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Bolgaria

Sary
placeholder altText

Ity trano fivoriana any Sofia, Bolgaria ity, dia ampiasaina ho ivontoerana fihaonana ho an’ireo mpikambana any an-toerana.

Sary
placeholder altText

Nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Bolgaria tamin’ny taona 2019 dia nifandray tanana tamin’ny mpikambana anankiray ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
placeholder altText

Mivory manatrika batisan’olona iray niova fo any Bolgaria ireo namana sy fianakaviana.