2023
Ny lalantsika manokana mankany Emaosy
Jolay 2023


“Ny lalantsika manokana mankany Emaosy,” Liahona, jolay 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Lioka 24:13–35

Ny lalantsika manokana mankany Emaosy

Sahanasa tsotsotra miisa dimy izay afaka manampy antsika hahafantatra fa eo akaikintsika mandrakariva ny Mpamonjy.

Sary
I Jesoa sy ireo mpianany eny an-dàlana ho any Emaosy

On the Road to Emmaus (Eny an-dàlana ho any Emaosy), nosoratan’i Wendy B. Keller, nahazoana lalana avy amin’ny Havenlight

Fony aho mbola 4 taona dia matin’ny homamiadana ny raiko. Nihalehibe tao anatin’ny fanontaniana ny antony tsy maintsy nahafaty azy aho. Nanontany an’ Andriamanitra aho ary nanontany hoe nahoana no tsy rariny toy izany ny fiainana. Folo taona tatỳ aoriana, fony aho 14 taona, dia tafahaona tamin’ireo misiônera aho. Rehefa nampianatra anay izy ireo, dia tsapan’ny reniko fa ny fahamarinana no nampianarin’izy ireo ka tokony hihaino izany izahay. Rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonana izahay, dia tonga teo amin’ny fiainako tamin’ny fotoana tena nilako izany mihitsy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahatakarana ny drafitry ny famonjena.

Taty aoriana, rehefa nofehezina tamin’ny ray aman-dreniko tany amin’ny tempoly aho, dia nibitsibitsika tamiko ny reniko hoe: “Tsapako miaraka amintsika eto ny rainao.” Rehefa nieritreritra ireo fitahiana azoko noho izaho efa voafehy aho dia fantatro fa miahy ny fianakavianay ny Tompo ary niaraka taminay matetika Izy, na dia tsy fantatray akory aza izany.

Efa mba nanontany tena ve ianao raha toa ka mba mahafantatra ny momba anao ny Mpamonjy? Fantany ve ireo olana sy ny ahiahy izay iainanao? Inona no holazainy aminao raha toa ka afaka mandeha sy miresaka miaraka Aminy ianao?

Niara-dàlana tamin’izy ireo Izy

Telo andro taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy, dia nisy mpianany roa nandeha teny an-dalana ho any amin’ny tanànan’i Emaosy, izay tokony ho eo amin’ny 12 km miala avy ao Jerosalema eo. Mbola lasa saina tanteraka sy variana tamin’ireo ahiahiny izy ireo no nisy olon-tsy fantatra iray nanatona azy ireo.

Nanontany azy ireo ilay olon-tsy fantatra hoe: “Ahoana izao teny resahinareo ety am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo.”

Niresaka momba ny zava-nitranga vao haingana “ny amin’i Jesosy avy any Nazareta” ireo mpianatra. Nino izy ireo fa tonga hanavotra an’i Israely i Jesoa, saingy nomelohina tsy ara-drariny sy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy. Nilaza koa izy ireo fa ireo izay nahafantatra tsara an’i Kristy dia nilaza fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy.

Nilaza tamin’izy ireo ilay olon-tsy fantatra fa “votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany” izy ireo. Namerina nijery ny zavatra izay nampianarin’ny soratra masina sy ny fomba nanatanterahan’i Kristy ny faminaniana Izy. Naha henika hafaliana ny mpianatra izany.

Rehefa tonga tany Emaosy izy ireo dia nangataka an’ilay olon-tsy fantatra mba hitoetra hiaraka amin’izy ireo. Rehefa nisakafo hariva dia nitso-drano ny mofo ary nanapaka izany ilay olon-tsy fantatra. Tampoka teo, dia fantatr’ireo mpianatra fa tsy olon-tsy fantatra akory ilay olona fa ny Mpamonjy ihany! (Jereo ny Lioka 24:13–32.)

Mitoetra eto amintsika Izy

Mety hanontany isika hoe fa nahoana ireo mpianatra anankiroa ireo no tsy nahalala fa niara-dàlana tamin’izy ireo ny Mpamonjy. Kanefa impiry moa isika no tsy mahatakatra fa miara-dàlana amintsika Izy? Matetika isika no variana loatra amin’ireo olana, eny fa na amin’ireo fifaliana aza, izay misy eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ka tsy hitantsika fa eo anilantsika ny Mpamonjy.

Mety tsy hitantsika ny fomba itoerany eo amintsika, hiadiany miaraka amintsika, iarahany miasa amintsika, ary iarahany mitomany amintsika. Na dia ao anatin’ireo fotoana izay mampalahelo antsika indrindra aza, raha mandinika isika, dia afaka mahatsapa ny fiarahany amintsika sy mandre ny teniny manao hoe: “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra” (Salamo 46:10, nampiana fanamafisana; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16).

Ny lalantsika manokana

Samy manana ny toerana tiantsika ahatongavana avokoa isika tsirairay avy eto amin’ity fiainana ity. Misy fotoana isika, eny am-pandehanana eny, mety marary na miady amin’ny fahalementsika manokana. Mety hanana olana ara-bola na fanamby izay ateraky ny fahombiazana sy ny harena ary ny avonavona isika.

Rehefa mandeha eny amin’ny lalantsika manokana mankany Emaosy isika, dia tsy tokony handeha irery mihitsy. Afaka mangataka ny Mpamonjy isika mba hiaraka amintsika. Ireto misy sahanasa tsotsotra miisa dimy izay hanampy antsika hanatona Azy.

Sary
vehivavy mivavaka

Sary fanehoana nataon’i Lovetta Reyes-Cairo

1. Mivavaka isan’andro

Tokony ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika andavanandro ny vavaka. Afaka manampy antsika handray ny fiarahan’ny Ray any An-danitra amintsika sy ny fitarihany izany. Afaka mangataka hery mba hanarahana ny Zanany sy ny herin’ny Fanahy isika, indrindra fa amin’ireo fotoana izay mety hitarihan’ny eritreritsika antsika hanota.

I Joseph Smith izay mbola zatovo, raha nitalaho tamin’ Andriamanitra tamim-bavaka mba hahazoany valiny, dia nahita fa niezaka nanakana azy ny fahavalo (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:16). Tahaka an’i Joseph, isika ihany koa dia mila mikiry mivavaka sy matoky fa tsy sasatra mihitsy mihaino antsika ny Ray any An-danitra. Hanampy antsika hahatakatra ny fotoanany sy ny valin-teniny Izy.

Sary
boky soratra masina misokatra

2. Mivoky amin’ny soratra masina

Naneho ohatra ho antsika ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina. Nindrana teny avy ao amin’izany matetika Izy rehefa nampianatra. Ny fandalinana soratra masina tsy tapaka dia manampy antsika hanana saina mahatakatra sy tia mandray zavatra, fo mahay mandray izay mankamamy ny tenin’ Andriamanitra ary tanana vonona hanompo.

Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mameno antsika amin’ny faniriana hanao ny tsara ny Fanahy Masina. Hanatsara ny fomba fijerintsika izany mba hahafahantsika mahita lavitra mihoatra ireo zavatra izay tsy hitan’ny maso voajanahary. Hanampy antsika handre ny fitarainan’ireo izay sahirana izany. Hotahiana isika mba hanaraka ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fampiononana ireo izay mila fampiononana (jereo ny Môzià 18:8–9). Ary tsy handeha irery na oviana na oviana isika rehefa miatrika ireo adidy izay sahanintsika isan’andro. Ny Mpamonjy dia hiara-hamindra amintsika.

Sary
Filoha Russell M. Nelson

3. Manaraka ireo Mpaminany velona

Tokony hanaraka ny torohevitry ny mpaminany malalantsika isika, dia ny Filoha Russell M. Nelson, sy ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara hafa. Amin’izay dia ho hitantsika fa ho azo antoka sy hazava ny lalantsika mankany Emaosy. Hitarika antsika soa aman-tsara izy ireo ary hanampy antsika hahafantatra fa miaraka amintsika ny Mpamonjy.

Sary
tanana anankiroa mifanatona

4. Manasa Azy mba hitoetra

Rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy sy mankatò ny didiny isika, dia manasa ny Mpamonjy mba hiaraka amintsika. Mianatra mamantatra ny fitarihany eo amin’ny fiainantsika isika.

Ireo mpianatra roa nandeha teo amin’ny lalana mankany Emaosy dia nandeha niaraka tamin’ny Mpamonjy, niresaka Taminy ary nahatsapa ny fon’izy ireo nangorakoraka tao anatiny (jereo ny Lioka 24:32). Ny fiangavian’izy ireo Azy nanao hoe: “Mitoera aty aminay” (Lioka 24:29), dia tokony ho fiangaviana ataontsika ihany koa.

Rehefa nahafantatra ny Mpamonjy ireo mpianatra, dia nanjavona tampoka teo imason’izy ireo Izy. Avy hatrany dia niverina tany Jerosalema ireo mpianatra ary nijoro ho vavolombelona tamin’ny Apôstôly fa efa nitsangana ny Mpamonjy. Raha mbola nijoro ho vavolombelona izy ireo dia “nitsangana teo afovoany” indray ny Tompo (Lioka 24:36). Afaka mahatsapa Azy ihany koa isika rehefa eo anivontsika Izy.

Sary
lovia fitondrana rano amin’ny fanasan’ny Tompo

5. Manavao tsy tapaka ireo fanekempihavanana

Afaka manova ny toetrantsika ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza fa: “Mampanakaiky antsika kokoa amin’ Andriamanitra sy manatsara ny fahafahantsika mitia ny fitsaohantsika sy ny fampiharantsika ireo fitsipika mandrakizay.”1 Ohatra, ny batisa dia mamela ny Tompo hanadio antsika. Ary raha toa ka mahatoky sy mankatò isika, dia manomana antsika hiaina eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka indray andro any ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansin’ny tempoly.

Ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro ary mamela antsika hanavao ny fanekempihavanantsika, hibebaka ary hiezaka indray. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia maneho ny fahavononantsika hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika ary manolo-tena indray ny hahatsiaro Azy sy hitandrina ny didiny. Aorian’izay isika dia ampanantenaina fa hiaraka amintsika mandrakariva ny Fanahiny. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79.) Tokony hahatsiaro mandrakariva ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana izay nataontsika isika.

Sary
I Jesoa manampy ny hafa

Ho eo akaiky eo ny Mpamonjy

Eny amin’ny lalantsika mankany Emaosy, dia manasa antsika amim-pitiavana ny Mpamonjy mba hanatona Azy sy hifaly ao Aminy. Rehefa mivavaka isan’andro isika, mivoky amin’ny soratra masina, manaraka ireo mpaminany velona, manasa Azy mba hitoetra eo amintsika, ary manavao sy manaja ireo fanekempihavanana izay nataontsika, dia ho eo akaikintsika Izy. Dia ho fantatsika amin’izay, tahaka ny nahafantaran’ireo mpianatra izay teny an-dàlana nankany Emaosy, fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy ary tena velona sy tia antsika marina Izy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Tsy andriny izay hiarahany amintsika sy hitarihany antsika ho tody soa amin’ny diantsika.