2023
Mitohy ny fahagagana ataon’ Andriamanitra
Jolay 2023


“Mitohy ny fahagagana ataon’ Andriamanitra,” Liahona, jolay 2023.

Fanehoana ny finoana

Mitohy ny fahagagana ataon’ Andriamanitra

Tsapako fa nifanaraka kokoa tamin’ny Baiboly ny finoan’ny Olomasin’ny Andro Farany raha oharina amin’ilay filazana fa ny Baiboly no nisolo toerana ny mpaminany sy ny fanambarana. Tena faly aho rehefa nahatsapa fa mety miaina amin’ny “andron’ny Baiboly” maoderina angamba aho.

Sary
fianakaviana mijoro eo an-tokotany

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tompony

Tamin’ny 9 nôvambra 1989, dia nanao fanambarana diso ny manam-pahefana iray ao amin’ny governemanta Alemaina Atsinanana ka nilaza fa nanomboka tamin’io andro io, dia afaka niampita ny Rindrin’i Berlin ny mponina tao an-drenivohitra. Minitra vitsy taty aoriana dia tsy nanan-tsafidy ireo mpiambina ny sisintany, izay efa leo, afa-tsy ny namela ireo vahoaka betsaka sy nihamaro handao ny tanin’ny Repoblika Demôkratikan’i Alemaina.

Izaho sy i Jakub Górowski namako akaiky indrindra—izay mbola zatovo tamin’izany—dia nijery ilay fahagagana tsy nampoizina niseho tamin’ny fahitalavitra tao an-tranonay tany Pôlônina. Nisy fiovana goavana tokoa teto amin’izao tontolo izao saingy tsy ilay nandravarava. Nanenika ny fon’olona an-tapitrisany ny fanahin’ny fahafahana sy ny fanantenana.

Ho anay sy i Jakub, ny nofinofinay dia ny hiala tany Pôlônina indray andro any ka hifindra tany Andrefana—Danmarka, Soeda, Alemaina Andrefana. Nahazo aingam-panahy avy tamin’ny sarimihetsika amerikana sy ireo fandaharana tamin’ny fahitalavitra izahay. Tena tiako ilay The Wonder Years (Ireo taona mampifoha ny fahalianana). Tiako ny tontolon’ny fiainana any amin’ireo faritra fonenana tsy ampovoan-tanàna amerikana.

Raha ny hevitro dia tsy nisy na iza na iza avy tao amin’ny andaniny roan’ny sisintany miaramila napetraky ny Sôvietika nanantena fa hifarana ny Ady Mangatsiaka. Saingy nanana drafitra hafa ny Ray any An-danitra. Tamin’ny taona 1975, dia tsy nahalala isika fa ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia nanasa ny Olomasin’ny Andro Farany mba “hanatevin-daharana ny fitalahoana mafy tsy tapaka tamin’ny Tompo mba hanokatra ny vavahadin’ireo firenena sy hanalefaka ny fon’ny mpanjaka sy ny mpitondra mba hahafahan’ny misiônera miditra amin’ny tany rehetra sy hampianatra ny filazantsara.”1

Roa taona taty aoriana dia nitsidika an’i Varsovie, Pôlônina ny Filoha Kimball. Indray maraina, raha nandao ny trano fandraisam-bahiny niaraka tamin’ny vondron’olona vitsivitsy mpiara-miasa taminy ny Filoha Kimball, anisan’izany ny Loholona Russell M. Nelson, dia nandalo teo akaikin’ny Fasan’ilay Miaramila tsy fantatra, ary niditra tao amin’ny zaridainan’i Saxe izy ireo. Tsy lavitra ny loharano lehibe iray izay mbola hita ao ankehitriny, dia nandohalika izy ary nanokana indray an’i Pôlônina ho amin’ny fitoriana ny filazantsara.

Nanaraka izany ny korontana sy fihetsiketsehana faobe naharitra am-polo taonany. Raha tsy natoky sy nanohitra ireo mpitondra ara-pôlitika ny olon-dehibe, dia nametra-panontaniana momba ny sasany tamin’ireo soatoavina sy fomba amam-panao ary ny fihetsiky ny ray aman-dreniny kosa ireo tanora maro. Nahatsapa ho diso fanantenana tamin’ny Kristianisma izaho sy i Jakub namako rehefa nahatakatra izany. Tsy liana tamin’ny fivavahana intsony izy tamin’ny ankapobeny, fa izaho kosa nitodika tany amin’ny filôzôfia avy any Azia.

Tamin’ny aprily 1990 dia nangataka mba hoentina fiara ho any Aotrisy izaho sy i Jakub namako. Nihaona tamin’ny vehivavy mahafinaritra anankiroa nijoro teo amin’ny sisin-dalana iray feno olona izahay tao Vienne. Nihazona ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny pôlôney ny iray tamin’izy ireo. Nitantara taminay momba ny fitsidihan’i Jesoa ny vahoaka tao Amerika fahiny izy ary nampanantena fa handefa amin’ny alalan’ny paositra ilay boky any an-tranonay raha toa ka omenay azy ny adiresinay. Nosokafanay koa ny boky kelinay fasiana adiresy ary nadikanay ireo adiresin’ny maro tamin’ireo namanay. Nihevitra izahay fa ho gaga tsara izy ireo handray fanomezana tsy nampoizina.

Volana vitsivitsy taty aoriana dia niorina ny Misiôna Varsovie Pôlônina, ary nisy misiônera efatra tonga tao an-tanànanay. Taty aoriana dia fantatro fa ireo “anaran’olona” marobe—ny adiresin’ireo namanay—dia nitana anjara asa fototra tamin’ny fanapahan-kevitra hanokafana ny tanànanay tamin’ireo misiônera. Tsy nampoiziko volana vitsivitsy taty aoriana fa nilaza tamiko i Jakub hoe nisy misiônera “Môrmôna” anankiroa nitsidika azy ary nanapa-kevitra ny hiditra ho mpikambana tao amin’ny fiangonan’izy ireo izy.

Nalahelo tamin’ny filazana nataony aho. Efa an-taonany maro aho no nanandrana nitarika azy ho liana tamin’ny fivavahana, nefa tsy nahomby. Ahoana no nahafahan’ireo vahiny avy amin’ny firenena hafa nampiova fo azy tampoka teo? Tapa-kevitra ny hiatrika azy ireo aho ary hampiseho amin’i Jakub fa tsy hana-kambara izy ireo raha hiady hevitra amiko.

Nahatsapa zavatra tena niavaka aho

Rehefa nahita ireo misiônera tanora anankiroa nitsikitsiky nijoro teo am-baravaran’ny tranon’ny ray aman-dreniko aho dia adinoko ilay tanjoko hanaporofoana fa diso ny zavatra torian’izy ireo. Faly sy mahafinaritra izy ireo. Nametraka fanontaniana maro tamiko momba ny tenako sy ny finoako izy ireo. Nanaja ny zavatra ninoako izy ireo. Taty aoriana dia nilaza tamiko izy ireo fa nandritra ilay fihaonan’izy ireo voalohany tamin’ilay lehilahy miavona lava volo nanao pataloha jean rovitra sady nifoka sigara, dia sarotra ho azy ireo ny nieritreritra fa hahaliana ahy ny ho lasa mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Saingy nahatsapa zavatra tena miavaka aho teo anatrehan’izy ireo, ary nahaliana ahy ny hoe ny Fiangonan’izy ireo no hany fivavahana Kristiana fantatro izay nino ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Nanaitra ahy ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo sy ny faharesen-dahatra matanjaka nananan’i Jakub sy Robert Żelewski, namany vaovao avy ao amin’ny Fiangonana. Psikôlôgy i Robert, lehilahy manan-tsaina kanefa milaza zavatra mitombina ary nanana hevitra sy traikefa izay nanamafy ny fahalianako tamin’ny fivavahan’ny Olomasin’ny Andro Farany izy.

Nahavariana ny zavatra rehetra nolazain’ireo elders sy i Jakub ary i Robert tamiko, indrindra fa ny fotopampianaran’ny drafitry ny famonjena, nanomboka tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary nifarana tamin’ireo ambaratongam-boninahitra telo. Saingy tsy hitako izay antony tokony hidirako ho mpikamban’ny Fiangonana raha tsy efa takatro bebe kokoa ireo zavatra miavaka inoan’izy ireo. Ny fahatakarako mikasika ny Kristianisma dia hoe fahiny elabe tany dia nanao fahagagana Andriamanitra, nandefa anjely, ary niantso mpaminany, saingy efa tamin’ny andron’ny Baiboly ireo zavatra rehetra ireo. Vao vita ny Baiboly dia tsy nila fahagagana sy fanambarana intsony ny olombelona satria ao anaty soratra masina avokoa izay rehetra tokony ho fantatsika.

Nisy fiovana nitranga nandritra ny fifanakalozan-kevitray momba ny Apôstazia Lehibe sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Tsapako fa nifanaraka kokoa tamin’ny Baiboly ny zavatra ninoan’izy ireo raha oharina amin’ny filazana fa ny Baiboly no nisolo ny mpaminany sy ny fanambarana. Tena faly aho rehefa nahatsapa fa mety miaina amin’ny “andron’ny Baiboly” maoderina angamba aho.

Vonona aho ny hangataka fanambarana ho an’ny tena manokana tamin’ Andriamanitra tamin-kitsimpo, saingy tsy nisy valiny azoko. Farany dia hoy aho hoe: “Ry Ray any An-danitra ô, raha niantso an’i Joseph Smith ho mpaminaninao Ianao, dia hankatò ny didy rehetra nambaranao tamin’ny alalany aho.” Dia tonga tao am-poko sy tao an-tsaiko tsy nisy fisalasalana intsony ny valiny, ary fantatro fa namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara Andriamanitra ary hita ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany.

Sary
elders misiônera ahitana fiaran-dalamby eo aoriany

Natao batisa tamin’ny 3 nôvambra 1990 i Jakub, ary nijanona ho mahatoky mandra-pahafatiny tamin’ny loza niseho tampoka nandritra ny fitsangatsanganana an-kalamanjana roapolo taona tatỳ aoriana. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho tamin’ny 11 janoary 1991, ary tapa-kevitra ny hanao asa fitoriana. Nantsoina ho filoha voalohany tao amin’ny sampana misy anay teo an-toerana i Robert ary nitondra ahy hatrany Fribourg, Alemaina, mba hahafahako mandray ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly. Nandritra ny tafa sy dinika farany nifanaovako taminy dia nampanantena aho fa hiverina any Pôlônina taorian’ny fanompoako tao amin’ny Misiônan’i Chicago Illinois mba hampiasako ny traikefako tamin’ny naha misiônera ahy mba hampahatanjahana ny Fiangonana tao amin’ny firenenay.

Roa taona taty aoriana dia nandresy lahatra ahy hianatra ao amin’ny amin’ny Oniversite Brigham Young any Amerika ny filohan’ny misiônako. Saingy tsy nanadino ny fampanantenana nataoko tamin’i Robert aho.

Sary
elder misiônera tanora mijoro eo anelanelan’ny mpivady zokiolona

Taorian’ny nanambadiako tamin’ny taona 2000, dia niverina tany Pôlônina niaraka tamin’ny vadiko aho, izay, isan’ny mpilalao horonan-tsary mpanampy tao amin’ny fizarana fahaenina tamin’ny The Wonder Years (Ireo taona nampifoha ny fahalianana). Nanatrika fivoriam-piangonana tany Cracovie izahay, nitaiza zaza roalahy ary tsy tapaka nifandray akaiky tamin’ireo zanakay lehibe roa. Vao haingana no nanambara ny fanapaha-keviny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ny zanakay lahimatoa.

Tamin’ny fahavaratry ny taona 2021 dia nitondra ny fianakaviako tany Berlin aho, ary nasehoko azy ireo ny toerana nijoroan’ilay rindrina. Tsy manakana ny mpanompon’ Andriamanitra hizara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny olona any Eoropa Atsinanana intsony izany. Mbola mitohy amin’izao androntsika izao ny fahagagana ataon’ Andriamanitra.

Fanamarihana

  1. Spencer W. Kimball, ao amin’ny “Insights from June Conference,” Ensign, Oct. 1975, 70.