2023
Manohana ireo mpikambana izay miaina anaty fisaraham-panambadiana
Jolay 2023


Manohana ireo mpikambana izay miaina anaty fisaraham-panambadiana

Hanampy antsika ny Ray any An-danitra mba hahafantatra ny fomba tsara indrindra hanomezana tontolo azo antoka sy mahatamana ao amin’ny paroasy sy sampana misy antsika ho an’ireo izay nisara-panambadiana na eo an-dalam-pisarahana.

Sary
trano ao anaty sary izay norovitina misasaka

Lehilahy anankiroa tao amin’ny paroasy iray no lasa tokan-tena tao anatin’ny fotoana mitovy, ary samy taorian’ny taona maro dia maro nanambadian’izy ireo ny vadiny no nitrangan’izany. Rehefa lasa tokan-tena ilay lehilahy voalohany, dia nifandray taminy matetika ny paroasy, ka nanome azy sakafo ary nitady fomba izay hahazoana antoka fa tsy hahatsiaro tena ho irery izy. Ho an’ilay lehilahy faharoa kosa dia tsy nisy izany asa fanompoana izany, ary nahatsiaro tena ho nitoka-monina tanteraka sy tsy nitovy tamin’ny hafa mihitsy izy.

Inona no fahasamihafana nisy teo amin’ireo lehilahy anankiroa ireo? Ilay voalohany maty vady ary ilay faharoa kosa dia nisara-panambadiana. Rehefa nizara ity zavatra niainany ity tamiko ilay lehilahy nisara-panambadiana dia tsotra ny fiangaviany: Azontsika ampiana ve ny mpikamban’ny Fiangonana hahatakatra kokoa ny fomba hanompoana ireo olona izay nisara-panambadiana sy hahatsapa fa mbola manana toerana mitovy sy sarobidy ao amin’ny paroasy sy ny sampana misy antsika izy ireo?

Maro an’isa ireo paroasy izay manao asa mahafinaritra amin’ny fanompoana ireo olona izay miaina ny fiantraikan’ny fisaraham-panambadiana, kanefa ny fiangavian’ity lehilahy ity dia afaka mitarika antsika rehetra mba hanontany tena sao dia mbola misy zavatra azontsika hatsaraina ihany. Izany filàna mahatsapa ho voaray sy voatohana izany dia mifandray amin’ny fanasana tsy tapaka avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana—mba hitia ny rehetra izay ao am-balan’ Andriamanitra ary hanampy azy ireo hahatsapa ho voaray sy ho voaro ao amin’ny tsatòka izay misy antsika ao Ziona.1

“Isaky ny mampahery olona hafa isika dia mamorona toerana fiarovana ho azy ireny ihany koa.”2 Ny paroasy sy ny sampana izay misy antsika tsirairay avy dia tokony ho anisan’ireo toerana ireo rehefa mikatsaka ny hitandrina ireo didy roa lehibe isika dia ny hitia an’ Andriamanitra sy hitia ny hafa tahaka ny tenantsika (jereo ny Matio 22:37–39). Ireto fitsipika manaraka ireto dia afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba tsara kokoa hanohanana ireo ao amin’ny paroasy sy sampana misy antsika izay miaina na misedra fisaraham-panambadiana.

Tadidio fa mitondra fihetseham-po maro isan-karazany ny fisaraham-panambadiana

Satria fantatsika ny fotopampianarana fototra momba ny fanambadiana mandrakizay sy ny herin’ny fanekempihavanan’ny famehezana ao amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, dia mety handratra fo ny fisaraham-panambadiana. Tsy voatery hitovy avokoa anefa ny zavatra tsapan’ny rehetra mikasika ny fisaraham-panambadiany. Ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa ny fisaraham-panambadiana dia “resaka saro-pady satria miteraka fihetseham-po mahery vaika avy amin’ireo olona izay voakasik’izany tamin’ny fomba samihafa izany. Misy mihevitra ny tenany na ny olon-tiany ho ireo niharam-pahavoazana noho ny fisaraham-panambadiana. Ny sasany dia mihevitra ny tenany ho mpahazo tombontsoa. Ny sasany mihevitra ny fisaraham-panambadiana ho porofon’ny tsy fahombiazana. Ny hafa dia mihevitra azy io ho lalana fivoahana amin’ny loza ialana amin’ilay fanambadiana.”3

Aza maminavina ny fomba fahitan’ireo olona miaina fisaraham-panambadiana ny toe-javatra iainan’izy ireo fa manàna kosa fahavononana ny hihaino na oviana na oviana na ahoana fotoana maha-vonona ilay olona. Hevero fotsiny ny hanontany hoe, “Ahoana ny fomba ahafahako manohana anao amin’izao fotoana izao?” na “Ahoana no ahafahanay manohana anao mandritra ny fisaraham-panambadianao ary eny fa na dia any aorian’izany aza?”

Fanontaniana hodinihina:

  • Ahoana no mety hiainan’ireo olona ireo fahatsapana isan-karazany amin’ny toe-javatra samihafa isan’andro, isan-kerinandro, na isam-bolana? Ahoana no ahafahako mandinika tsara sy manohana mandritra ireo fihetseham-po tsirairay ireo?

  • Ahoana no ahafahako mitazona ny tenako ho vonona foana handray fanambarana momba ny fomba hanampiana amin’ny fotoana samihafa?

  • Inona avy ireo petra-kevitra nananako ka tokony tsy inoako hoe marina intsony mba hikatsahako fanambarana mikasika ny fomba hoentina manampy sy hanaovako asa hanatanterahana izany amin’ny fomba tsaratsara kokoa?

Sary
fo mitsingevaheva eo ambonin’ny tanana iray

Mifantoha amin’ny fitiavana fa aza mitsaratsara

Raha ny mahakasika ny fisaraham-panambadiana no asian-teny, dia mahalana, raha hoe hisy izany, no hahafantarantsika ny antsipirian-javatra rehetra izay nitarika ny fisarahan’ny mpivady iray—ary tsy ilaintsika ihany koa ny mahafantatra izany. “Rehefa misy ny fisaraham-panambadiana dia manana adidy hamela heloka, hampahery ary hanampy ny olona tsirairay avy fa tsy hanameloka”;4 ary marina izany ho an’ny mpivady sy ireo olona manodidina azy ireo. Tsy maintsy mitandrina isika mba hifantohana amin’ny fitiavana ny hafa, fa tsy hitsara azy ireo, na iza na iza amin’ireo mpivady no ananantsika fifandraisana matanjaka kokoa.

Tsy tokony hifantoka amin’ny fitsarana ny hafa isika, fa azontsika atao kosa ny mifantoka amin’ny fitiavana sy ny firaisan-kina, araka izay nampianarin’ny Rahavavy J. Anette Dennis, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany:

“Impiry moa isika no mitsara ny hafa noho ny endrik’izy ireo ivelany na ny fihetsik’izy ireo, na ny tsy fahampian’ny zavatra izay nataony, nefa, afaka ny hanana fangorahana sy faniriana ny hanampy raha toa ka nahatakatra bebe kokoa isika, fa tsy hampitombo ny enta-mavesatra izay zogain’izy ireo amin’ny fitsarana izay ataontsika? …

“Nodidiana isika mba hitia ny hafa, fa tsy hitsara akory azy ireo. Aoka isika mba hitsahatra amin’ny fitondrana izany enta-mavesatra izany; tsy anjarantsika ny mitondra izany. Ho solon’izay, dia azontsika raisina ny ziogan’ny fitiavana sy fangorahan’ny Mpamonjy. …

“… Ny tsirairay dia mila mahatsapa fa manana ny toerany tokoa izy ireo ary tokony ho samy ho ao amin’ny tenan’i Kristy avokoa.”5

Fanontaniana hodinihina:

  • Inona no azoko atao mba hifantohako bebe kokoa amin’ny fitiavana ny hafa tahaka izay ataon’i Jesoa Kristy?

  • Moa ve misy fomba itsarako olona anankiray, anisan’izany ny fitadiavana fahadisoana na ny fanomezan-tsiny, izay mety hisakana ahy tsy ho afaka hanome ny fanohanana izay ilaina?

  • Inona no azoko atao mba hahatsapako bebe kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra ny hafa?

Mitadiava fomba handraisana tsara azy ireo

Matetika ny olona no very namana noho ny fisaraham-panambadiana, izay finamanana niandoha avy amin’ireo namana na fianakavian’ilay vady teo aloha. Ary inona no zavatra mitranga raha nisy finamanana niforona nandritra ny fanambadiana, kanefa mety tsy ho afaka hanasa ireo mpivady teo taloha hamonjy fiaraha-mientana iray intsony ireo namana?

Nitantara ny rahavavy anankiray fa matetika izy mivady no nanatrika lalao fanao rehefa hariva isan-kerinandro niarahana tamin’ny namany tao amin’ny paroasiny. Taorian’ny fisaraham-panambadiany, dia nalahelo izy rehefa tsy nahazo fanasana tamin’ilay lalao fanao rehefa hariva intsony satria mpivady ihany no namonjy izany. Misy rahavavy iray hafa nitantara fa maro ireo mpikambana ao amin’ny paroasy no nihevitra fa noho izy reny tokan-tena ankehitriny, dia tsy hanana fotoana hanatrehana fiaraha-mientana miaraka amin’ny namany tahaka ny nataony teo aloha izy; noho izany, dia tsy nanasa azy izy ireo mba tsy hampalahelo azy noho ny tsy fahafahany nandeha namonjy izany. Kanefa dia nahatonga azy hahatsapa tsotra izao ho vao mainka nitoka-monina sy irery kokoa izany. Nitantara ity rahavavy ity fa mety ho nahafinaritra izany hoe nasaina foana izany (na dia tsy afaka nanatrika aza izy)—ny nahafantatra fa mba naniry azy ho tonga tao ny olona hafa.

Tsy mitovy ny toe-javatra rehetra, kanefa “isika rehetra samy mila mahatsapa ilay tanam-pitiavan’ny finamanana sy mandre fanambarana finoana mafy orina.”6

Fanontaniana hodinihina:

  • Inona no fanovana tokony hataoko amin’ireo fiaraha-mientana izay azoko atao mba hanampiana ireo mpikambana tokan-tena hahatsapa ho mahazo aina amin’ny fanatrehana ireny hetsika ireny tahaka ireo mpivady manatrika izany?

  • Ahoana no ahafahan’ny paroasintsika manome fahafahana fanampiny mba handraisana anjara amin’ireo fiaraha-mientana izay mifanaraka amin’ny filan’ireo mpikambana izay efa nisara-panambadiana?

  • Inona avy ireo hetsika mety hanampy ny namako hanompo na handray anjara, indrindra fa raha toa ka mila averina amin’ny laoniny ny fahatokisan-tenany taorian’ny fiarahana tamin’olona iray izay nananosarotra?

Sary
olona manao faribolana

“Mijere aloha, ary avy eo dia manompoa”7

Ireo izay miaina fisaraham-panambadiana dia tsy maintsy mizatra ireo fiovana eo amin’ny lafiny ara-bola, ny fandaharam-potoana, ny fihetseham-po, ny fomba amam-panao isan’andro sy isan-taona, ny fomba fiainana, sy ny maro hafa. Marina izany na ho an’ireo olon-dehibe na ho an’ireo zanany, izay mety hiantsoroka ihany koa andraikitra fanampiny ao an-tokantranony.

Ny filankevitry ny paroasy na ny sampana dia afaka mandinika ny fomba hanohanana ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana, anisan’izany ireo ankizy. Amin’ny maha olona antsika, dia manana fahafahana maro ihany koa isika hahita ireo filàna ary avy eo dia manatontosa ombam-bavaka ireo fanambarana ho an’ny tena manokana voaraintsika mba hanampiana amin’ny fanatanterahana izany.

Nahazo fitahiana ny rahavavy anankiray rehefa nahatsikaritra ny mpiara-monina anankiray fa ny vadiny teo aloha dia nanao fanadiovan-tokotany izay fanao isan-taona rehefa fararano, anisan’izany ny fanadiovana ireo fitaovana fanondrahana mialoha ny ririnina, ka nanolo-tena mba hanao izany ho azy na hampiseho azy ny zavatra tokony hatao amin’izany. Nahazo fitahiana ny raim-pianakaviana tokan-tena anankiray rehefa mba nanoro hevitra azy mahakasika ny mpitaiza zaza azo itokisana tao amin’ny faritra vaovao nisy azy ny mpiray-monina.

Ireto misy fomba hafa izay nanampian’ny mpikambana tao amin’ny paroasy fianakaviana:

  • Ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy ny an’ny zatovo ary ny an’ny Kilonga dia naneho ohatra mikasika ny fitaomana avy amin’ny ray na ny reny araka izay mety eo amin’ny fiainan’ny ankizy.

  • Nisy ny fanolorana fanomezana ho an’ny Krismasy, toy ny vola mba hanampiana tamin’ny fandaniana nilaina tamin’ny fanaovana asa fitoriana.

  • Nentina tany an-tokantranon’ilay fianakaviana avokoa ny ambin-tsakafo rehetra tsy lany avy tamin’ny fihaonambe na hetsika izay nataon’ny zatovo.

  • Nanatrika hetsika ara-panatanjahan-tena ho an’ny ankizy ny mpikambana tao amin’ny paroasy.

  • Ny filankevitry ny mpampianatra dia nifanakalo hevitra momba ny fomba hiahiana ireo ankizy avy ao amina tokantrano nisara-panambadiana, indrindra fa teo amin’ny lafiny lesona momba ny fianakaviana na koa rehefa tonga ao amin’ny paroasy isaky ny tapa-bolana ihany ireo ankizy rehefa miaraka amin’ny rainy na ny reniny.

  • Nisy mpivady zokiolona lasa niahy ilay fianakaviana manana ray na reny tokan-tena.

Azontsika atao ihany koa ny mitadidy fa mila fotoana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hizatra amin’ny toe-javatra vaovao izay misy azy. Avelao malalaka izy ireo ho sitrana sy handroso araka ny fandaharam-potoan’ Andriamanitra sy ny azy ireo, fa tsy ny antsika.

Fanontaniana hodinihina:

  • Ahoana no ahafahako manamafy orina finamanana iray mitohy mba hahatonga ireo izay nisara-panambadiana hahazo aina handray fanampiana rehefa mila izany izy ireo, na dia tsy izao dieny izao aza izany?

  • Inona ireo “zavatra voalohany” mety ho sarotra indrindra ho an’ilay fianakaviana, toy ny fotoana voalohany tsy hiarahan’ireo zanaka amin’ny rainy na ny reniny rehefa fotoam-pialan-tsasatra? Ahoana no ahafahako manolotra finamanana bebe kokoa mandritra ireo fotoana ireo?

  • Inona avy ireo loharanom-panampiana mety ilain’ilay fianakaviana izay azoko atolotra, na ahoana no ahafahako mamporisika fifandraisana amin’ny hafa izay manana fahaiza-manao mba hanampy?

Rehefa mikatsaka am-bavaka ny hahatakatra sy hanompo tsara kokoa ireo izay nisara-panambadiana isika, miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo, dia afaka mahatsapa sy mizara ampahany amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany rehetra.