2023
Mino an’ Andriamanitra ve ianao?
Jolay 2023


“Mino an’ Andriamanitra ve ianao?,” Liahona, jolay 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Mino an’ Andriamanitra ve ianao?

Rehefa nizara ny olany ny namako dia lasa nahatakatra tampoka sy haingana zavatra iray aho.

Sary
zatovovavy sy zatovolahy miresaka

Sary fanehoana nataon’i Katy Dockrill

Rehefa nihalehibe aho dia tsy mbola nisy fotoana hoe tena nisalasalako tamin’ny fahamarinan’ny filazantsara izany mihitsy. Rehefa tonga teo amin’ny taona naha-zatovo ahy aho anefa dia nanontany tena raha tena nanana fijoroana ho vavolombelona marina na nanaiky fotsiny tsotra izao izay ninoan’ny ray aman-dreniko sy ny namako. Nivavaka aho mba hahafantarako fa marina ny filazantsara.

Na dia teo aza ireo fahasahiranana niainako, dia nisy zatovovavy iray nihaona tamiko tany amin’ny oniversite nisy ahy nilaza tamiko hoe tsapany fa takatro ny tanjoko sy ny lalana tokony halehako eo amin’ny fiainako.

“Mino an’ Andriamanitra ve ianao?” hoy izy nanontany ahy.

Nolazaiko azy fa nino aho ary ny fiangonako dia mampianatra ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny tanjon’ny fiainana. Nolazaiko taminy ihany koa ny momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny. Nihaino tsara izy.

Ny alahady manaraka dia naka bokikely mikasika an’i Joseph Smith sy ny drafitry ny famonjena ho an’ilay namako tany am-piangonana aho. Rehefa avy namaky izany izy ary nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna, dia nentiko tany am-piangonana izy.

Taty aoriana dia nilaza tamiko izy fa tena mifankahazo am-po amin’ny zokiny lahy. Mpanamory fiaramanidina izay nanao fampisehoana an’habakabaka teo an-toerana io zokiny io. Mampalahelo fa tamin’ny fotoam-pahavaratra talohan’ny nihaonanay dia maty teny am-panidinana nandritra ny fampisehoana iray izy. Nalahelo mafy izy noho ny fahafatesan’ny zokiny ary sahiran-tsaina mikasika azy satria ilay zokiny dia nilaza ny tenany ho olona tsy nino fa azo heverina ny hahafantatra hoe misy na tsia izany Andriamanitra izany. Nivavaka foana izy mba hahalalany hoe manao ahoana ny toetrany sy ny toerany eo anatrehan’ Andriamanitra.

Rehefa nizara ny ahiahiny izy, dia lasa nahatakatra tampoka sy haingana zavatra iray aho. Fahatsapana fahamarinana madio sy mazava izany. Takatro fa tsy kisendrasendra ny fihaonanay. Fa Andriamanitra kosa dia nihaino sy namaly ny vavaka tamin-kitsim-po nataon’io zatovovavy torotoro fo io.

Nampanetry tena ahy ny nahafantatra fa ny Ray any an-danitra dia nahafantatra ny fisiako ary nihevitra ahy ho mendrika ho fitaovana eo an-tanany mba hamaliana ny vavaka nataon’ilay vehivavy. Takatro ny fahendreny lehibe tamin’ny fampiasana io zavatra niainana io mba hamaliana ihany koa ny vavaka nataoko mba hahafantarana fa marina ny filazantsara.

Rehefa avy niomana aho, dia nahoroko ny entako mba hiainako ireo roa taona tsara indrindra teo amin’ny fiainako. Nandritra izany fotoana izany dia nianatra ireo lesona ampianarin’ny misiônera niaraka tamin’ny rahavaviny ilay namako. Samy lasa mpikamban’ny Fiangonana izy roa ary nanao asa fitoriana avy eo. Taorian’ny asa fitoriana nataoko dia nangataka ahy mba hanatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny anadahiny ilay namako.

Fantatro fa mihaino sy mamaly ny vavaka atao amin-kitsim-po Andriamanitra, na dia amin’ny fomba na ao anatin’ny fe-potoana tsy ampoizintsika aza indraindray.