2023
Ireo bitsika ao amin’ny tempoly
Jolay 2023


“Ireo bitsika ao amin’ny tempoly,” Liahona, jolay 2023.

Ireo bitsika ao amin’ ny tempoly

Ny tranon’ny Tompo dia tranon’ny fanambarana. Arakaraka ny handehanantsika matetika any amin’ny tempoly no mety hahazoantsika fanambarana betsaka kokoa.

Sary
Tempolin’i Houston Texas

Sarin’ny Tempolin’i Houston Texas nalain’i Steve Scott Jackson

Ny tranon’ny Tompo dia tsy vitan’ny hoe trano masina izay anaovantsika ny asa famonjena fotsiny ihany fa toeran’ny fanambarana ihany koa, izay ahatongavan’ireo bitsika, na lehibe izany na kely, ary ahafahan’ny ratram-panahintsika ho sitrana, sy toerana ahafahan’ny Tompo manetsika ny fontsika amin’ny fomba tsy ampoizina.

Fahatsapana miavaka iray

Fony aho mpiasa mpanatanteraka ôrdônansy tao amin’ny Tempolin’i Houston Texas, dia nisy andiana mpitondra môtô niverina teo amin’ny toeram-piantsonanay ary nanontany raha afaka miditra ao amin’ny tempoly izy ireo. I Richard Sutton izay filohan’ny tempoly dia nanazava tamin’ilay vondrona ny antom-pisian’ny tempoly sy ny filana fahazoan-dàlana hidirana ny tempoly mba hidirana ao amin’ilay trano. Nihaino tsara mihitsy ilay mpitarika ny mpitondra môtô sy ilay niaraka taminy.

“Nisy zavatra tsapako rehefa nandalo teo amin’ny tempolinareo izahay,” hoy izy. “Tsy haiko ny manazava azy, fa fahatsapana miavaka tokoa ilay izy ka tiako ho fantatra izay mety ho nahatonga izany.”

Te hahazo fahalalana bebe kokoa izy roa, koa dia nanao izay azony natao ny Filoha Sutton mba hisy misiônera hitsidika azy ireo.

Herintaona sy tapany mahery taty aoriana, dia nisy nandondòna ny varavaran’ny biraon’ny Filoha Sutton tao amin’ny tempoly. “Tsy tadidinao aho, fa efa elaela izay aho no nandalo teto niaraka tamin’ny namako vitsivitsy nitondra môtô. Tamin’izany dia tsy afaka nijery afa-tsy ny teo ivelany aho.” Nampiseho tamin’ny tanany fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy dia nanohy hoe: “Androany aho dia hijery ny ao anatiny.”

Sary
vehivavy mandeha eo ivelan’ny tempoly

Fiteny faharoa

Rehefa nantsoina ho misiônera zokiolona tao amin’ny Tempolin’i Cochabamba Bolivie i Dean sy i Bonnie Hill dia niahotra i Bonnie. Tsy mbola nianatra teny Espaniôla mihitsy izy ary tsy nahazo antoka ny amin’ny fahafahany manatanteraka ireo ôrdônansy ilaina atao na mifandray amin’ny hafa amin’ny fiteny izay tsy mahazatra azy. Nisy tsodranon’ny fisoronana izay nampanantena azy fa ho afaka hiresaka amin’ny fiteny Espaniôla am-bava sy ara-panahy izy.

“Tsy dia mahay miteny Espaniôla firy aho any ivelan’ny tempoly,” hoy izy. “Kanefa rehefa ao an-tranon’ny Tompo dia toa mora amiko izany.”

Na dia efa taorian’ny nodian’izy mivady aza ary nanatrehan’izy ireo fivoriana tamin’ny teny Espaniôla tao amin’ny Tempolin’i Ogden Utah, dia nanao fanamarihana mikasika ny lantom-peony izay tena nahafinaritra tokoa ireo mpitsidika ny tempoly.

Manaova zavatra mba hiainana ilay fifaliana

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza hoe: “Afaka ny hanentana ny fanahintsika mandritra ny tontolo andro ireo zavatra izay efa niainan’ny hafa momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Saingy tsy maintsy manao zavatra anefa isika mba hahatsapantsika manokana ilay fifaliana.”1

Fifaliana sy fitaomam-panahy ary bitsika sy fanomezan-toky no miandry antsika any amin’ny tempoly. Misy fitenin’ny lanitra izay ampiasaina sy takatra ao fa tsy hita na aiza na aiza toerana hafa eto ambonin’ny tany. Mahazo ny fanambarana izay tian’ny Tompo homena antsika any amin’ny tempoly isika rehefa tsy vitan’ny hoe mankany amin’ny tempoly fotsiny ihany fa mandeha any koa sady manantena ny hahazo fanambarana. Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ny fitaomam-panahy voaray:

  • I Martin Goury avy any Côte d’Ivoire dia nikatsaka fitarihana tao amin’ny tempoly momba ny zavatra anankiray izay tena manan-danja eo amin’ny fiainany ary nahazo fanamafisana miavaka fa efa nahazo valim-bavaka momba izany izy. Izao no fitsipika nampianarin’ny Tompo an’i Oliver Cowdery hoe: “Avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao. … Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22, 23).

  • Mipetraka eo akaikin’ny Tempolin’i Payson Utah i Randy Bronson ary nandany taona maro izy tamin’ny fanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana. “Saingy manana zanakalahy malaindaina aho, ary tsy dia tena fantatro foana ny zavatra azoko atao aminy. Noho izany dia tsy mametraka fotsiny ny anarany ao amin’ny lisitry ny anarana entina am-bavaka aho, fa mivavaka mafy ao amin’ny tempoly ihany koa, ary miezaka mitady izay azoko atao ho azy. Mahazo fahatakarana kely mikasika ny zavatra azoko lazaina na atao ho azy aho.”

  • “Renim-pianakaviana mendrika ianao,” hoy i Stephanie Fackrell Hill tamin’ny olona iray tsy fantany tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah. “Ahoana no ahafantaranao izany?” hoy ilay renim-pianakaviana vao herotrerony nanontany tamim-pisalasalana. Hoy Rahavavy Hill hoe “Hitako teo amin’ny tananao ny kisarisary nataon’ireo zanakao, ary rehefa nahita izany aho, dia nahatsapa ho notaomim-panahy mba hilaza izany aminao.” Niezaka nanafina ny tanany ilay renim-pianakaviana vao herotrerony. Nahatsapa ho maivamaivana izy ka noho izany dia nahatsapa ho nekena fa tsy hoe hita niavaka be intsony tamin’izay.

Ny tempoly dia toerana izay tsy vitan’ny hoe manampy amin’ny famonjena ireo razambentsika fotsiny ihany fa andraisana ihany koa ny karazana fanambarana izay afaka mitarika antsika sy ny hafa eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Hoy ny Filoha Nelson hoe, “Isika tsirairay avy dia mila fampaherezana sy fanabeazana ara-panahy lalandava izay tsy hita raha tsy ao amin’ny tranon’ny Tompo irery ihany.”2 Ireo bitsika sy fahatsapana voaray tao amin’ny tranony masina ireo dia mampianatra antsika mba hijery tahaka ny fijerin’i Jesoa, sy handre tahaka ny nandrenesany, ary hiaina tahaka ny niainany. 

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.