2023
Ahoana no ahafahako mino nefa tsy mahita?
Jolay 2023


“Ahoana no ahafahako mino nefa tsy mahita?,” Liahona, jolay 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Jaona 20

Ahoana no ahafahako mino nefa tsy mahita?

Sary
I Jesoa miseho amin’ireo Roambinifololahy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty

Ampahan-tsary nalaina avy tamin’ny Christ Appears to the Twelve after the Resurrection (Miseho amin’ireo Roambinifololahy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty i Kristy), nataon’i Scott Snow

Ny anankiray tamin’ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy, i Tomasy, dia tsy nety nino fa nitsangana tamin’ny maty i Kristy raha tsy nahita Azy nitafy nofo (jereo ny Jaona 20:25). Rehefa nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty i Tomasy nony farany, dia hoy ny Mpamonjy taminy, “Satria nahita ahy hianao dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” (Jaona 20:29).

Ahoana no ahafahantsika manaraka ny fanasan’i Jesoa Kristy mba “tsy ho anisan’izay tsy mino, fa [mino]”? (Jaona 20:27).

Fomba hampatanjahana ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona

Mandalina ny soratra masina. “Ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17).

Miaina ny filazantsara. “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho” (Jaona 7:17).

Mikatsaka fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina “Amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra ihany no hanamarinana ny fahamarinana izay tena manan-danja. Ny fihevitsika amin’ny maha-olombelona sy ny fampiasana ireo retsipamantaran’ny vatantsika dia tsy ho ampy” (Henry B. Eyring, “Ny Fanahy Masina ho namanao,” Liahona, nôv. 2015, 104).