2023
Miray hina amin’ny maha mpirahavavy sy mpirahalahy ao amin’i Kristy
Septambra 2023


“Miray hina amin’ny maha mpirahavavy sy mpirahalahy ao amin’i Kristy,” Liahona, sept. 2023,

Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Miray hina amin’ny maha mpirahavavy sy mpirahalahy ao amin’i Kristy

Sary
Lehilahy sy vehivavy tafavory ao anatina fivoriana filankevitra

Samy ilaina amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo ny hevitry ny vehivavy sy ny lehilahy. Na dia samy manana ny hanitra ho azy aza isika dia mifameno, iray hina amin’ny tanjona iraisantsika mba ho mpianatr’i Kristy.

Tsy voatery hampiala antsika amin’io tanjona io ny fahasamihafantsika. Mifanohitra amin’izany aza, ny fahasamihafantsika dia ahitana ireo talenta sy anjara biriky izay raha atambatra dia manamafy ny akony entintsika eo amin’ilay asa maneran-tany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Toy izao no nosoratan’ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ato amin’ity laharana ity: “Manao fanapahan-kevitra tsara kokoa sy mahita fahombiazana lehibe kokoa isika eo amin’ny fanompoana ny Tompo rehefa manome lanja ny anjara biriky entin’ny tsirairay avy sy miara-miasa, mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’ny asany” (pejy4). Ahoana hahatongavantsika amin’ny firaisan-kina toy izany? Tsy maintsy manana finoana isika fa ny Tompo dia afaka manao zava-tsoa ao amin’ny fanjakany avy amin’ny alalan’ny fahasamihafantsika.

Ao amin’ny lahatsoratra nataoko ao amin’ny pejy 8, izaho dia mizara ny zavatra nianarako avy tamin’ilay tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao momba ilay vehivavy Kananita izay nikatsaka ny Mpamonjy mba hanasitrana ny zananivavy. Tsy avy ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ravehivavy. Saingy nanam-pinoana izy fa ny herin’ny Tompo dia afaka manasitrana ny zanany ka io finoana miavaka io no nampiray azy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanana sy niteraka ilay fahagagana.

‘Ndeha isika hitodika amin’ny Mpamonjy amin’ny zava-drehetra ataontsika, amin’ny “[fontsika] mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiav[antsika] samy isika” (Môzià 18:21) sy manoloana ny Mpamonjy noho ny fitsaohana miaraka ataon’izy ireo. Manan-tombo isika mianatra avy amin’ireo fahasamihafantsika izay mitondra hery lehibe sy manome lanja azy ireo tahaka ny ataon’i Kristy. Feno fankasitrahana lehibe aho manana Mpiandry ondry izay mandre ireo feo miavaky ny ondriny tsirairay.

Amin-kitsimpo,

Filoha Camille N. Johnson

Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany