2023
Aorian’ny donan-tsaina: Manangana tohi-bely sy mandray fanasitranana
Septambra 2023


“Aorian’ny donan-tsaina: Manangana tohi-bely sy mandray fanasitranana,” Liahona, Sept. 2023.

Aorian’ny donan-tsaina: Manangana tohi-bely sy mandray fanasitranana

Tonga ny fanasitranana rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy sy manorina fizakan-tena ara-pihetseham-po isika.

Sary
sarina hazo miloko mainty sy fotsy misy faribolana maitso napetaka

Ny ankamaroan’ny olona dia hiaina trangan-javatra miteraka donan-tsaina iray farafahakeliny eo amin’ny fiainany. Efa hitantsika teo amin’ny fiainantsika manokana sy teo amin’ny sehatry ny asa izany. Inona no miteraka donan-tsaina? Traikefa sarotra toy ny lozam-piarakodia, fahaverezan’asa, ady, fanararaotana ara-batana, herisetra ara-nofo, fisetrasetrana mafy, famoizana olon-tiana, sy ny maro hafa.

Manaintaina ny donan-tsaina, ary mety ho toa tsy mahita fanamaivanana ianao indraindray. Saingy zava-dehibe ny mahafantatra fa mety hihena ny fanaintainana ary hahita fiadanam-po indray ianao rehefa miantehitra amin’ny Rainao any an-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy anao.

Ny Ray any an-danitra dia mamela antsika hiaina fahasarotana. Na dia tsy manendry mialoha, na mamorona, na manohana ireo traikefa ireo aza Izy, dia afaka hanampy, hany ka “ hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontso[antsika]” raha matoky Azy isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24; jereo koa ny 2 Nefia 32:9).

Hitanay fa ny fitodihana amin’ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy ho fanohanana dia tena ilaina amin’ny dingan’ny fanasitranana. Manasitrana ara-pihetseham-po sy ara-panahy ny fiadanan’Izy ireo. Fantatray fa ao anatin’ny fitiavan’izy ireo sy ny fangorahany dia afaka mahazo hery hanasitranana ianao. Nahita teknika sasantsasany ihany koa izahay izay hahafahanao manangana ny herinao manokana ka handroso mankany amin’ny fanasitranana.

Miaina trangan-javatra miteraka donan-tsaina amin’ny fomba samy hafa ny tsirairay. Raha ny marina, ny sasany dia mety mahatsapa zava-nitranga iray ho toy ny miteraka donan-tsaina, fa ny hafa kosa mety tsy mahazo aina fotsiny. Noho izany antony izany dia tsarovy ny tsy hampitaha ny traikefanao amin’ny an’ny hafa na hampiasa ny traikefanao ho toy ny traikefa iraisana.

Fiatrehana trangam-piainana amin’ny fomba hafa

Niaraka nanao dia lavitra i Sam sy i Lucy, ary renoky ny torimaso ny mpamilin’ilay fiara nitondra azy ireo ka nivily niala ny lalana. Vokatr’izany dia nivadibadika imbetsaka ny fiaran’izy ireo. Tsy naratra mafy i Sam ary tamin’ny voalohany dia toa nihevitra an’ilay tranga ho zavatra tsy tokony hampanahy. Teo izy mba hampionona an’i Lucy, satria tsy maintsy nasiana plâtre ny tanany tapaka.

Herinandro maromaro taty aoriana, rehefa nanana fahafahana handeha hanao dia lavitra indray i Sam dia nahatsapa ho sahiran-tsaina raha vao nieritreritra ireo ora maro eny an-dalana.

Sam dia niaina ny fiantraikany ara-pihetseham-po avy tamin’ny traikefa nitondra donan-tsaina. Nisalasala izy ny hiresaka amin’olona momba izany. Saingy rehefa niresaka tamin’i Lucy anefa izy dia nahafantatra fa efa niharan’ny lozam-piarakodia izy tany aloha ary fantany ny fahatsapana nananany. Nifanakalo hevitra momba ny zavatra nianaran’i Lucy avy tamin’ny zavatra niainany teo aloha izy ireo rehefa nampihatra ny finoany an’i Jesoa Kristy sy nivavaka mba hahazo fitarihana ary nandray soa tamin’ny torohevitra rehefa sahirana izy.

Sary
sarina hazo kely miloko mainty sy fotsy misy faribolana maitso napetaka

Fanantenana sy Fanasitranana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Na inona na inona donan-tsaina mahazo antsika dia mety ho tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy ny fanasitranana. Noho ny Sorompanavotana tsy manam-petran’ny Mpamonjy sy ny fangorahany ary ny famindram-pony dia afaka manasitrana ny ratra rehetra niainana eto amin’ity fiainana an-tany ity Izy, na izany fanasitranana izany tonga amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana manaraka. Indraindray dia maharitra kokoa noho izay noeritreretintsika na tiantsika izany—na dia miaraka amin’ny fanohanana masin’ny Mpamonjy aza. Saingy afaka manasitrana antsika Izy (jereo ny 3 Nefia 17:7).

Nampianatra toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Tena misy ny fahazavan’ Andriamanitra. Afaka mahazo izany ny rehetra! Manome aina ny zava-drehetra izany. Manana hery izany hanalefahana ny fanaintainan’ny ratra lalina indrindra.”1

Tsy misy olona mahafantatra ny fijaliantsika amin’ny antsipiriany tahaka ny ahafantaran’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy izany. Ny Tompo dia “nidi[na] … ho ambanin’ny zava-drehetra, ka nahatakarany ny zava-drehetra mba hahatonga Azy ho ao amin’ny rehetra sy amin’ny alalan’ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6). Ny rahavavy Amy A. Wright, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany dia nampianatra hoe:

“Isika rehetra dia manana zavatra rava eo amin’ny fiainantsika izay ilaina amboarina, na sitranina. Rehefa mitodika any amin’ny Mpamonjy isika, rehefa mampifanaraka ny fontsika sy ny saintsika Aminy, rehefa mibebaka isika, dia tonga eo amin’ny toerana misy antsika Izy “miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany,” [2 Nefia 25:13], mamihina antsika amin’ny sandriny feno fitiavana ary miteny hoe: “Tsy maninona izany. … Afaka miara-manamboatra izany isika!”

“Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy na inona na inona eo amin’ny fiainanao izay rava ka tsy ho takatry ny hery manasitrana sy manavotra ary manome fahafahana an’i Jesoa Kristy.”2

Ny ohatra momba ny fanasitranana sy ny fomba hanasitranana dia hita ao amin’ny soratra masina—ary eo amin’ny fiainan’ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ny razambentsika. Tamin’ny fomba ahoana no nananan’ireo razambenao tohi-bely?3

Ny fiizintsika mandrakizay

Fony Julio 13 taona dia nararaotin’ny dadatoany ara-nofo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka niala tamin’ny fianakaviany izy ary nitoka-monina. Misy fotoana izy manao toy ny hoe tsy misy na inona na inona nitranga ireny, fa indraindray kosa izy dia difotry ny fihetseham-po. Nahay niatrika fiainana hatrany izy—eny fa na dia ny fahatsapana fifaliana mahery vaika aza, toy ny tamin’ny nahaterahan’ny zanany lahy. Mahatsiaro ho potika ihany koa izy. Manakaiky ny taona mitovy tamin’ny nanaovana fanararaotana an’i Julio izao ny zanany lahy, ary rehefa mieritreritra i Julio fa mety hiaina zavatra toy izany koa ny zanany lahy dia mitolona amin’ny eritreritra sy fahatsapana momba ny hasarobidin’ny tenany manokana sy ny fiiziny mandrakizay izy.

Na dia anisan’ny zavatra iainantsika eto an-tany aza ny donan-tsaina, dia tsy fiizintsika mandrakizay izany. Ny fiizintsika mandrakizay dia ny hoe zanak’ Andriamanitra. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Iza moa ianao?

“Voalohany sy farany manan-danja dia zanak’ Andriamanitra ianao.

“Faharoa, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao dia zanaky ny fanekempihavanana ianao. Ary fahatelo, ianao dia mpanaradia an’i Jesoa Kristy.”4

Fanampin’izany, ny donan-tsaina dia tsy taratry ny hasarobidintsika na ny fahamendrehantsika na oviana na oviana. Ny rahavavy Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany teo aloha, dia nanazava ireto hevi-dehibe roa ireto rehefa nampianatra hoe:

“Ny lanja ara-panahy dia midika hoe manome lanja ny tenantsika amin’ny fomba fanomezan’ny Ray lanja antsika. …

“… ny fahamendrehana dia tratrarina amin’ny alalan’ny fankatoavana. Raha toa isika ka manota dia mihena ny fahamendrehantsika kanefa tsy ho tsy manan-danja na oviana na oviana isika.”5

Ny fanararaotana niaretan’i Julio avy tamin’ny dadatoany dia tsy nanova ny hasarobidin’i Julio sy ny fahamendrehany. Tsy nanota mihitsy izy fa nanaovana fahotana. Indraindray dia mety ho sarotra ny mitadidy ny hasarobidinao sy ny fahamendrehanao rehefa iharan’ny fanararaotana ianao. Tsarovy fa tsy nanota ianao, tsy nihena na oviana na oviana ny hasarobidinao, ary mendrika ny hanohy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao.

Rehefa nanomboka natoky ny Tompo i Julio dia nanampy an’i Julio Izy hahatsapa fa tsy manova ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra antsika ny zavatra niainana teto an-tany. Ankehitriny izy dia manomboka mahita fa na dia zava-doza aza no niseho, dia tsy nanova ny hasarobidiny, ny fiiziny mandrakizay, na ny fahamendrehany mihitsy izany.

Fizakan-tena ara-pihetsehampo

Ny fampivelarana fizakan-tena ara-pihetseham-po dia hanampy anao hampiasa ireo loharanon-karena ara-pahasalamana mba hiatrehana ireo fanamby sy fihetseham-po sarotra. Azonao atao ny mampivelatra tohi-bely, ny fahafahana mampifanaraka sy mitantana fitsapana—anisan’izany ny donan-tsaina.

Tafiditra ao anatin’ny tohi-bely ny fikatsahana fanohanana sy fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ny fanompoana ny hafa, ary ny fanompoan’ny hafa araka izay ilaina sy mety.

Ireto asa atao manaraka ireto izay natolotry ny mpanolotsaina matihanina, dia hanampy anao hampitombo ny tohi-bely:

  1. Manorina fifandraisana amin’ny hafa

  2. Manatsara ny fahasalamana ara-batana

  3. Mitady tanjona eo amin’ny fiainana

  4. Mikolokolo eritreritra tsara

  5. Mikatsaka fanampiana rehefa mila izany ianao6

Sary
sary miloko mainty sy fotsy ana vehivavy roa misy mahitsizoro maitso napetaka

1. Mifandraisa amin’ny hafa

Matetika no mitondra fanasitranana ny fifandraisana madio. Ny fifandraisana amin’ireo izay mampahery anao sy mamporisika anao hitodika any amin’ny Mpamonjy sy ny Raintsika any An-danitra dia mety hitondra fiovana ilainao mba hanasitranana bebe kokoa.

Nanatona an’i Lucy i Sam, nizara ny tahony sy ny tsy fahazoany aina. Io fifandraisana io dia nanampy azy ho hahalala bebe kokoa sy hanana tohi-bely. Nanampy azy hahita ny fomba ahafahany ho sitrana ara-pihetseham-po sy ara-panahy izy.

Hevero ny hametraka tanjona mba hampivelatra fifandraisana matanjaka kokoa amin’ny olon-kafa atokisanao. Ny fanompoana dia fomba iray hifandraisantsika amin’ny hafa ato amin’ny Fiangonana.

2. Kojakojao ny fahasalamana ara-batana

Ny donan-tsaina dia tsapa ara-pihetseham-po fotsiny ihany fa ara-batana ihany koa. Mety ho reraka bebe kokoa isika, midobodoboka ny fo, aretin-doha, na misedra olana vokatry ny fanaintainana ao amin’ny kibo na tsy salama. Ireo soritr’aretina ara-batana ireo dia mampahafantatra antsika fa misy zavatra tsy mety ka mila mitandrina ny fahasalamantsika isika. Tahaka ny ahafahantsika manao zavatra hikarakarana tsara kokoa ny fahasalamantsika ara-pihetseham-po, dia afaka mieritreritra fomba hikarakarana ny tenantsika ara-batana koa isika aorian’ny donan-tsaina.

Voalohany, fantaro ireo soritr’aretina ara-batana iainanao. Avy eo dia miezaha hampitony ny vatanao amin’ny fifantohana amin’ny fisefosefoana sy ny fampihenana ny fisefosefoana. Ezaho fantarina ny fahatsapana anananao rehefa misefosefo be ianao raha ampitahaina amin’ny fotoana rehefa misefo miadana sy milamina.

Indraindray ny donan-tsaina dia mety miteraka ratra izay mametra antsika, koa ataovy izay mety amin’ny vatanao. Manampy anefa ny fihetsiketsehana, indrindra fa ny fanatanjahan-tena. Ny sasany dia tia mandeha an-tongotra na mihazakazaka, raha ny hafa kosa mahita fa manampy kokoa ny miasa mafy amina tetikasa iray.

Tadidio ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89). Ny fiezahana hanarona fanaintainana amin’ny fitondran-tena na zavatra tsy mahasoa dia toy ny “famehezana fery lalina” fotsiny ihany.7 Ampio ny vatanao hifehy ny adin-tsaina sy ny fanaintainana fa tsy hanarona izany kosa.

3. Tadiavo ny tanjona sy ny antom-pisiana

Ny tanjontsika lehibe eo amin’ny fiainana dia ny hiomana hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra (jereo ny Almà 12:24). Mety hanakona izany tanjona izany sy hanakana antsika tsy hahita ny fiizintsika ny donan-tsaina. Ny fitadiavana tanjona manokana amin’ny zavatra ataontsika isan’andro dia afaka manampy antsika handroso ary hahatsiaro mihitsy aza ny tanjontsika eo amin’ny fiainana. Nanomboka nandroso i Julio ary nahita tanjona tamin’ny zavatra nataony isan’andro rehefa tsapany fa te hanampy ny zanany lahy izy.

Ny fitadiavana ny antom-pisiana ao anatin’ilay donan-tsaina dia afaka hanampy antsika hahita ny lalana hirosoana, amin’ny fahafantarana fa ny zavatra iainantsika dia manome fahafahana antsika hitombo sy ho tonga tahaka an’i Kristy. Ohatra, mora kokoa ny mangoraka ny fahorian’ny hafa rehefa nandalo zava-tsarotra ny tenantsika manokana.

Ny fikarohana dia nahitana fa aorian’ny donan-tsaina, matetika ny olona no mahatsapa ilay antsoina hoe “post-traumatic growth” [croissance post-traumatique]. Ny croissance post-traumatique na raha adika tsotsotra hoe fivoarana aorian’ny donan-tsaina dia asehon’ny olona iray mahazo hery bebe kokoa aorian’ny traikefa mampalahelo iray, toy ny fifandraisana nihatsara, ny fankasitrahana bebe kokoa ny fiainana na ny toetra tsara sasany eo amin’ny fiainana, na ny fahatsiarovan-tena bebe kokoa momba ireo fahafahana eo amin’ny fiainana. Rehefa avy niaina zava-nitranga mampivarahontsana ianao dia fantaro ny fomba nitomboanao na hahafahanao hivoatra noho ilay traikefa fa tsy mifantoka amin’ilay tranga mampalahelo fotsiny.

4. Mikolokolo eritreritra tsara

Ny traikefa mampivarahontsana iray dia mety hisy fiantraikany amin’ny fomba fisainantsika momba ny tenantsika sy ny tontolo manodidina antsika. Mety hanana eritreri-dratsy isika rehefa avy niaina zavatra mampivarahontsana. Ny eritreritra toy ny hoe “Malemy aho,” “Tsy tia ahy ny Ray any an-danitra,” ary “Tsy mendrika aho” dia mampihena ny fahafahantsika mijoro. Matetika ireo eritreritra ireo no misy fiantraikany amin’ny zavatra tsapantsika (jereo ny Ohabolana 23:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36).

Rehefa avy namantatra ireo eritreri-dratsy anananao ianao dia saintsaino ny karazana eritreritra tsara sy azo tanterahina entina hasolo izany ka sorato izy ireo avy eo. Ampahatsiahivo ny tenanao ireo eritreritra tsara ireo rehefa mamantatra eritreritra ratsy ao an-tsainao ianao.

Raha te hianatra bebe kokoa momba ny fomba hanaovana izany dia avereno jerena ny toko 2 ao amin’ny Finding Strength in the Lord: Emotional Resilience (2021).

Azonao atao ihany koa ny mitodika amin’ny vavaka, ny fanaovana diary, ny fandalinana ny soratra masina na ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana (jereo ny Josoa1:8), na ireo fomba fandalinana hafa.

5. Mitadiava fanohana

Misy fotoana mety tsara ny mitady fanampiana ankoatra ny loharanonao manokana. Nitady fanampiana i Lucy, izay namela azy hanampy an’i Sam. Eritrereto ireo olona—toy ny olona ao amin’ny fianakaviana, namana, ary mpitarika ao amin’ny paroasy—izay mety hanampy. Ny fanasitranana amin’ny donan-tsaina dia iray amin’ireo fotoana mety ilainao hampiasana ireo loharano mety rehetra eo amin’ny fiainanao.

Ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany dia manome torolalana mikasika ny fotoana mety hahazoana fanohanana avy amin’ireo mpanolotsaina matihanina.8

Sarotra ny tsy hifantoka amin’ilay zava-nitranga mampivarahontsana, kanefa rehefa manaraka ny torohevitry ny mpaminany isika mba hampifantoka ny saintsika amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany, dia “hisinda ireo tahotra sy ahiahy.”9 Tsarovy fa zanakalahy na zanakavavin’ny Ray any an-danitra be fitiavana ianao. Rehefa mifantoka amin’ny fanatonana Azy bebe kokoa ianao ary mampiasa ireo loharano mahasoa izay afaka ampiasainao, ny Tompo dia afaka hanampy hanova ireo tranga nampivarahontsana niainanao ho soa ho anao.

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Ny Fanantenana ny Fahazavan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2013, 70, 75.

  2. Amy A. Wright, “Manasitrana izay rava i Kristy,” Liahona, Mey 2022, 82, 84.

  3. Jereo ny Chakell Wardleigh Herbert, “Recognizing and Healing from Generational Trauma” (lahatsoratra ho an’ny nomerika ihany), Liahona, Jan. 2023, ChurchofJesusChrist.org.

  4. Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizayFampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  5. Joy D. Jones, “Fananana lanja tsy hay refesina,” Liahona, nôv. 2017, 14.

  6. Jereo ny “Building Your Resilience,” American Psychological Association (Fikambanana Amerikana natao ho an’ny olana ara-tsaina sy ara-pietseham-po) , 1 Feb., 2020, apa.org.

  7. “Building Your Resilience,” apa.org.

  8. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 31.3.6, ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Justin K. McPheters and Rebecca M. Taylor, “Is Therapy Right for Me? (Mety amiko ve ny mamonjy fitsaboana))” (lahatsoratra ho an’ny nomerika ihany), Ensign, Feb. 2020, ChurchofJesusChrist.org; Kevin Theriot, “Finding a Mental Health Professional Who’s Right for You (Mitady matihanina momba ny fahasalamana ara-tsaina izay mety aminao)” (lahatsoratra ho an’ny nomerika ihany), Liahona, Jan. 2019, ChurchofJesusChrist.org.

  9. Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsikaLiahonamey 2017, 41.