2023
Ireo dia nataon’i Paoly Apôstôly
Septambra 2023


“Ireo dia nataon’i Paoly Apôstôly,” Liahona, sept. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Ireo dia nataon’i Paoly Apôstôly

Sary
Sarintaniny maneho ireo dia nataon’i Paoly

Nanao dia efatra lehibe fitoriana ny filazantsara i Paoly ka teo ho eo amin’ny 14.725 km teo no halavirana noteteziny tao anatin’ny 14 taona. Nanampy tamin’ny fananganana ny maha Kristiana nanerana ny Mediterane ny fahavononany nandeha lavitra mba hitory ny filazantsaran’i Kristy.

Ny dia efatra lehibe fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly

Dia voalohany (jereo ny Asan’ny Apostoly 13:1–14:28)

  • Fotoana: nanodidina ny 47–49 taona AD

  • Niaraka tamin’i: Barnabasy sy i Jaona Marka

  • Toerana itodiana: Kiprosy, Tiorkia

  • Halaviran-dalana: nanodidina ny 2.250 km

Dia faharoa (jereo ny Asan’ny Apostoly 15:36–18:22)

  • Fotoana: nanodidina ny 50–53 taona AD

  • Niaraka tamin’i: Silasy, Timoty, Prisila sy Akoila ary Lioka

  • Toerana itodiana: Syria, Tiorkia, Gresy, Jerosalema

  • Halaviran-dalana: nanodidina ny 4.500 km

Dia fahatelo (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:23–21:15)

  • Fotoana: nanodidina ny 54–58 taona AD

  • Niaraka tamin’i: Timoty, Lioka ary hafa

  • Toerana itodiana: Tiorkia, Gresy, Libanona, Isiraely

  • Halaviran-dalana: nanodidina ny 4.350 km

Dia fahefatra (jereo ny Asan’ny Apostoly 27:1–28:16)

  • Fotoana: nanodidina ny 59–60 taona AD

  • Niaraka tamin’i: ny mpiambina Romana, Lioka ary hafa

  • Toerana itodiana: Isiraely, Libanona, Tiorkia, Kreta, Malta, Sisily, Roma

  • Halaviran-dalana: nanodidina ny 3.600 km