2023
Manompo amim-paharetana
Septambra 2023


“Manompo amim-paharetana,” Liahona, Sept. 2023.

Fitsipika momba ny fanompoana

Manompo amim-paharetana

Afaka mampitombo ny fahafahana hanana faharetana bebe kokoa isika, eo amin’ny fiainana ary eo amin’ny fanompoana ny hafa.

Sary
vehivavy telo miara-mandeha an-tongotra

Ao amin’ny 2 Korintiana 12:7–8, i Paoly dia milaza ny amin’ny vavaka intelo mba hanesorana ny “tsilo tamin’ny nofo”. Saingy tsy voavaly tamin’ny alalan’ny fanjavonan’ny fanamby niainany avy hatrany ny vavaka nataony. Fa hoy kosa ny Tompo taminy: “Ampy ho anao ny fahasoavako.” Naneho faharetana sy finoana tamin’ny fomba namaliany toy izao i Paoly: “Koa maika sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko” (andininy 9).

Nampianatra an’i Môrônia ihany koa ny Tompo fa amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia afaka mianatra sy mitombo hery isika: “Ary raha manatona Ahy ny olona dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.” (Etera 12:27

Manompo amim-paharetana

Toa an’i Paoly, ny ankamaroantsika dia nivavaka imbetsaka teo amin’ny fiainantsika mba hahazoana fanamaivanana—indraindray mihoatra ny intelo. Indraindray izany no fotoana mety hanomezana izany fitahiana izany, ary amin’ny fotoana hafa isika, toa an’i Paoly, dia ampianarina sy omena hery. Amin’ireo fotoana ireo dia afaka mianatra faharetana sy mianatra miandry ny fotoan’ny Tompo isika.

Mila ny faharetana ilay toetra tahaka ny an’i Kristy isika rehefa manompo koa. Mety hanompo olona izay manana fanamby isan-karazany sy ambaratongan’ny fahatakarana ny filazantsara isika, ary mitaky faharetana sy fitiavana ny manompo ireo olona izay mety tsy mora mandray.

Sary
vehivavy mitraka loha

Sary tamin’ny alalan’ny Getty Images

Mampitombo faharetana

Rehefa mahafantatra ny Mpamonjy isika dia hahafantatra bebe kokoa ny zavatra hataony mba hanompoana eo amin’ny toerana misy antsika. Ahoana no ahafahantsika manana ilay toetra tahaka ny an’i Kristy hanam-paharetana?

  • Fantaro fa ny fiainana an-tany dia feno toe-javatra izay mitsapa ny faharetantsika ary tsy mahagaga raha mahatsiaro ho sosotra indraindray. Tsarovy fa amin’ny alalan’ny fanazarana sy ny finoana ny Tompo, dia afaka manatsara ny fihetsitsika manoloana ireo toe-javatra mahasorena ireo isika. Manàna faharetana amin’ny ezaka ataonao mba hanana faharetana bebe kokoa!

  • Mangataha fanampiana amin’ Andriamanitra rehefa mahatsapa fa sahirana amin’ny faharetana ianao. Ny misefo lalina sy ny vavaka dia afaka manampy amin’ny fitoniana sy fiadanam-po.

  • Ny fihainoana mozika manandratra ara-panahy izay mitondra toe-tsaina milamina dia afaka manampy anao hiatrika ny fahatsapana tsy manam-paharetana.

  • Ekeo ny fotoanan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao. Tokony hifanaraka amin’ny fandaharam-potoanany ny sitrapontsika sy ny faniriantsika.

  • Toe-tsaina ny fananana faharetana. Tsarovy fa ny fahatsapana mikorontan-tsaina na ny fahamaikana tsy tapaka dia mahalana no manatsara ny fiainantsika.

Hevitra momba ny Fanompoana amim-paharetana

Indraindray ny asa fanompoana ataontsika dia manampy ny hafa hanana faharetana mandritra ny fitsapana. Ireto misy fomba vitsivitsy hahafahantsika manampy:

  • Asehoy amin’ilay olona na fianakaviana fa tia sy miahy azy isika na dia eo aza ny zava-tsarotra atrehin’izy ireo, na dia mihevitra aza izy ireo, na inona na inona antony, fa tsy mahatehotia.

  • Mizarà traikefa amin’izy ireo ny amin’ny tsy maintsy nianaranao faharetana ary ny ampifandraisanao amin’ny mety ho fahasarotan’izany. Ampio izy ireo hahatsapa fa tsy irery izy ireo raha mahatsapa ho tsy manam-paharetana na sorena.

  • Mivavaha ho azy ireo mba hanana faharetana mandritra ny fitsapana sarotra ary ampahafantaro azy ireo fa hihaino ny vavaka ataony ny Ray any an-danitra mba hahafahany mahatsapa izany hery izany.

  • Aoka ianao ho sofina mihaino rehefa mila olona hiresahana izy ireo. Ny fananana namana mahatakatra tsara ny zavatra iainanao dia iray amin’ireo fomba tsara indrindra hiaretana fitsapana na toe-javatra sarotra.