2023
Ahoana no anampian’ny alahelo araka an’ Andriamanitra antsika hibebaka?
Septambra 2023


“Ahoana no anampian’ny alahelo araka an’ Andriamanitra antsika hibebaka,” Liahona, sept. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

2 Korintiana 7

Ahoana no anampian’ny alahelo araka an’ Andriamanitra antsika hibebaka?

Sary
I Jesoa mamihina lehilahy iray

Sary nalain’i Mark Mabry

Nampianatra i Paoly Apôstôly hoe: “ny alahelo araka an’ Andriamanitra [dia] miasa fibebahana ho famonjena … fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’izao tontolo izao” (2 Korintiana 7:10). Mety hahatsapa alahelon’izao tontolo izao sy fahafaham-baraka ary fahakiviana isika rehefa manota. Kanefa rehefa mitodika amin’ny Mpamonjy isika mba hibebaka, dia manasa Azy hanova ny fontsika sy hamadika ny alahelontsika ho fifaliana (jereo ny Almà 36:18–20).

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra sy ny fibebahana marina

Rehefa mahatsapa alahelo araka an’ Andriamanitra isika dia hiaiky ireo fahadisoantsika ka maniry ny hanao tsara kokoa. Mahatsapa fanantenana ho an’ny ho avy isika, eny hahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika.

Saintsaino ireto fanontaniana ireto eo am-pandalinanao ny 2 Korintiana 7:

  • Inona ny dikan’ny hoe manana “alahelo araka an’ Andriamanitra” isika? (andininy 9).

  • Inona no zavatra ataontsika rehefa mahatsapa alahelo araka an’ Andriamanitra isika? (jereo ny andininy 10–11).