2023
Mikarakara ireo izay mila fanampiana
Septambra 2023


“Mikarakara ireo izay mila fanampiana,” Liahona, sep. 2023.

Ireo fototry ny filazantsara

Mikarakara ireo izay mila fanampiana

Sary
I Jesoa nanasitrana olona

Nanasitrana olona be dia be tamina karazana aretina maro Izy, nataon’i J.Kirk Richards, tsy azo adika

Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manaraka ny fampianaran’ny Tompo isika mba hikarakara ireo izay sahirana. Mikarakara ny hafa isika amin’ny alalan’ny fanompoana azy ireo sy ny fanampiana azy ireo hizaka tena ary ny fizarana izay zavatra ananantsika.

Ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Tia sy nampionona ary nivavaka ho an’ireo manodidina Azy i Jesoa Kristy. “Nandehandeha nanao soa” Izy (Asan’ny Apostoly 10:38). Afaka manaraka ny ohatra nasehony isika amin’ny alalan’ny fitiavana, fampiononana, fanompoana, ary vavaka ho an’ireo manodidina antsika. Afaka mitady fomba hanampiana ny hafa hatrany isika.

Sary
olona roa mandeha an-tongotra

Fanompoana

Ny teny hoe fanompoana dia ampiasaina ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo mba hamaritana ny fomba ikarakarantsika ny tsirairay. Ireo mpihazona ny fisoronana dia tendrena ho rahalahy mpanompo ho an’ny olona tsirairay na ny fianakaviana ao amin’ny paroasy na sampana. Tendrena mba hisahana vehivavy olon-dehibe ireo rahavavy mpanompo. Ireo rahalahy sy anabavy mpanompo dia maka antoka fa ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra dia tsaroana sy karakaraina.

Sary
olona mamboly zana-kazo

Manampy ny hafa ho lasa mizaka tena.

Afaka manampy ny olona ao amin’ny fianakaviana sy ny namana isika mba hizaka tena amin’ny alalan’ny famporisihana azy ireo hitady vahaolana maharitra amin’ny olany. Avy eo isika dia afaka manohana azy ireo eo am-panatratrarany ireo tanjony. Mahità fampahalalana bebe kokoa momba ny fizakan-tena ao amin’ny Liahona Aogositra 2023 lahatsoratra momba ireo zavatra fototra ao amin’ny filazantsara.

Manompo ny hafa

Misy fomba maro ahafahantsika manompo ireo manodidina antsika sy manampy amin’ny fanomezana izay ilainy ara-nofo sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po. Ny fianarana momba ny hafa dia afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba ahafahantsika manompo azy ireo tsara kokoa. Afaka mivavaka koa isika mba hahazo fitarihana hahafantarana izay azontsika atao mba hanampiana.

Sary
olona manangona voankazo

Mizara izay ananantsika

Afaka manompo ny hafa isika amin’ny fizarana ny zavatra izay nomen’ Andriamanitra antsika. Ohatra, afaka manolotra fanatitra amin’ny fifadian-kanina malala-tanana isika na manome fanomezana ho an’ny vatsim-bolan’ny Fiangonana ho an’ny Asa fanasoavana. Afaka manompo ao amin’ny fiaraha-monina misy antsika sy ny antsontsika ato am-piangonana ihany koa isika.

Ireo andraikitry ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Ny eveka dia manara-maso ny fikarakarana ireo sahirana ao amin’ny paroasiny. Afaka mampiasa vola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina izy mba hanampiana ireo mpikambana izay mila fanampiana. Ireo mpitarika hafa, anisan’izany ny mpanolotsainy sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ary ny kôlejin’ny loholona, … dia manampy ny mpikambana hahita loharano azony ampiasaina mba hanomezana izay ilainy.

Ireo asa fanasoavana ataon’ny Fiangonana

Manampy ny olona manerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana amin’ny fiatrehana vonjy maika, tetikasam-piaraha-monina ary fandaharan’asa hafa toy ny rano madio sy ny fanaovana vaksiny. Mba hahafantarana misimisy kokoa dia jereo ny Dallin H. Oaks, “Manampy ny mahantra sy ny ory,” Liahona, nôv. 2022, 6–8.