2023
Te-hahafantatra bebe kokoa ve ianao?
Septambra 2023


Te-hahafantatra bebe kokoa ve ianao?” Liahona, Septambra 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Te-hahafantatra bebe kokoa ve ianao?

Tsy nitovy tamin’ny miaramila hafa ny iray tamin’ireo niaraka lay tamiko, ka nanontany azy aho hoe nahoana.

Sary
lehilahy iray atao batisa ao amina farihy iray

Nataon’i Thomas Salisbury batisa tao amin’ny Farihy Sông Bé, Vietnam, ilay mpanoratra.

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tompony

Niditra tao amin’ny Tafika Amerikana nandritra ny telo taona aho ary tonga tany Vietnam Atsimo tamin’ny faha-20 taonako. Voatendry ho any amin’ny faritra avaratra andrefan’i Saigon aho, rehefa afaka valo volana. Rehefa tany aho, dia hitako haingana fa tsy nitovy tamin’ny olon-drehetra i Thomas Salisbury, mpiara-dia iray lay amiko.

Tena nahavariana ilay fahasamihafana ka nanontany azy aho tamin’ny farany hoe: “Tom, nahoana ianao no tsy mitovy amin’ny olon-drehetra?”

“Satria Olomasin’ny Andro Farany aho,” hoy izy namaly.

“Inona no atao hoe Olomasin’ny Andro Farany?” Hoy aho nanontany.

Nalaminy ny hihaonako aminy sy i Harold Lewis, misiônera efa nahavita asa fitoriana, izay mpanampy ny mpitondra fivavahana ho an’ny rantsana nisy anay. Nandritra ny fivoriana voalohany nataonay tao amin’ny tranolay iray izay natao ho trano fiangonana kely, dia nanaiky aho fa raha tena mino izay lazain’izy ireo amiko aho dia hatao batisa. Nahazo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray ihany koa aho, izay notehiriziko tao amin’ny paosy ambanin’ny patalohako ary novakiako rehefa nanana fotoana malalaka aho.

Nisy fifanakalozan-kevitra maromaro nanaraka, ary hitako fa ny lesona tsirairay dia namaly ny fanontaniana nananako tamin’ny fikatsahako ny fahamarinana. Rehefa nanontany ahy anefa i Tom sy Harold raha te hatao batisa aho, dia hoy aho hoe tsia. Tsy fantatro hoe ahoana no hahafahako hitandrina ny didy rehetra nampianarin’izy ireo ahy.

Rehefa avy nanatrika fihaonamben’ny distrika tany Saigon aho dia nankany Aostralia mba hiala sasatra sy haka aina mandritra ny herinandro. Rehefa tany aho dia nanomboka nahatsapa ny maha-zava-dehibe tamiko ireo fampianaran’ny filazantsara. Rehefa niverina tany Vietnam aho dia nanambara avy hatrany tamin’i Tom fa naniry ny hatao batisa.

Fotoana fohy taorian’izay dia nanao batisa ahy tao amin’ny Farihy Sông Bé i Tom, noraisin’i Harold ho mpikamban’ny Fiangonana aho, ary i Timothy Hill, mpitarika ny vondrona misy anay eo anivon’ny fiangonana, dia nanokana ahy ho diakona.

Rehefa nody tany Etazonia aho enim-bolana taty aoriana dia nampahafantatra ny filazantsara ny sakaizako izay lasa vadiko. Nandray ny hafatra feno fanantenana avy amin’ny filazantsara koa izy.

Ho feno fankasitrahana mandrakizay aho fa nanontany ahy i Tom raha te hahafantatra bebe kokoa aho. Namaly ny faniriako hahita ny fahamarinana sy hisitraka ireo fitahian’ny filazantsara ny ohatra nasehony sy ny fanasany.